Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris (SP37) - Au Temple de l'Eglise Protestante Unie (EPU) - 64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge
Accès par : Métro4 Terminus Montrouge / Bus 68 Place Jean Jaurès / Périphérique Porte de Chatillon / G.P.S. : fjkm montrouge [ lancer GPS ]
SEKOLY ALAHADY VELOMIN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA, FANANTENAN'NY FIANGONANA
"Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny fanahy" (Efesiana.6,17)
Ny Sampana Sekoly Alahady dia Sampana velona eto amin’ny FJKM Montrouge Paris, eo anivon’ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina (SP37).
Ny tanjona voalohany kendren'ny mpanabe dia ireto manaraka ireto:
- Fahaizana ny Soratra Masina sy ny tantara ao amin'ny Baiboly,
- Fivelomana amin’ny Tenin'Andriamanitra araka ny voalazan'ny fitsipika fototra hoe "Ny Sekoly Alahady dia mampianatra ny olona rehetra handray ny Teny Soa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha zanak'Andriamanitra azy tokoa”.
Nofidianay manokana ho teny fanevan’ny Sampana ny andalan-tSoratra Masina ao amin’ny bokin’i Jakoba 1:22 manao hoe:
Omen-danja manokana amin’izany ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ary manaraka ny fandaharana novolavolain' ny Sekoly Alahady foibe ny fampianarana amin'ny ankapobeny.
Mizara ho sokajy roa ireo ankizy, sokajy kely : 2 - 5 taona, sokajy salantsalany: 6 taona no miakatra.
Isaky ny alahady mialohan'ny fanompoam-pivavahana ny fotoana hianarana (manomboka amin'ny 3 ora tolakandro).
Ankoatra ny fampianarana Soratra Masina dia misy ihany koa ny famolavolana ireo taniketsa amin'ny fianarana mihira sy ny fanaovana asatanana.
Tsy misaraka amin’ireo asa ireo koa anefa ny fitarihana ny mpino ho tia ny asa masina, amin’ny alalan’ny ny fotoanan'ny dimy minitra natokana ho an'ny ankizy sy ny tanora isak’alahady.
Entanina àry isika ray aman-dreny sy mpiantoka hampiditra sy hitarika ny zanatsika amin’ny Sekoly Alahady, satria mari-pitiavana tena lehibe izany sady andraikitra masina nankinina tamintsika rahateo tamin’ny nanaovam-batisa azy ireo.
Izahay tompon'andraikitra ao anatin'ny sampana dia faly mandray anareo ao amin'ny Fiangonana Fjkm Montrouge Paris - 64 Rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.
- Lala Razafintsalama (Birao sy mpanabe)
- Hanta Alfred Jonah (Birao sy mpanabe)
- Noro Rakotondrazanany (Birao sy mpanabe)
- Bodo Andriamialy (birao)
- Prisca Ratovoherizo (Mpanabe)
- Tatiana Rajosvah (Mpanabe)
- Hugues Rakotondrazanany (Mpanabe)
- Fanny Ranaivoharindriaka (Mpanabe)
- Niaina Razafinarivo (Mpampianatra hira)
- Jérémie Ratovoherizo (Mpampianatra hira)
L'ECOLE DE DIMANCHE RANIMEE PAR LA PAROLE DE DIEU, ESPERANCE DE L'EGLISE
"Faites aussi bon accueil au casque du salut et à l’épée de l’esprit, c’est-à-dire la parole de Dieu." (Ephésiens 6:17)
L’Ecole du Dimanche est une section active au sein de la Fjkm Montrouge Paris, une paroisse membre de l’organisation synodale d’outre-mer SP37 de l’Eglise protestante Réformée Malgache (FJKM).
L’objectif premier de la section est de diffuser la bonne parole ainsi que les histoires bibliques.
A travers cela, elle sensibilise les fidèles à la vie chrétienne selon l’axe défini par la convention de base, que voici : « L’Ecole du Dimanche éduque tout un chacun à recevoir la bonne semence dans sa vie, pour qu’il s’épanouisse véritablement en tant que fils de Dieu ».
Nous avons spécialement choisi le verset 22 du chapitre 1 du livre de Jacques comme slogan de la section :
L’auditoire privilégié de la section est naturellement les enfants et les adolescents.
A cet égard, les monitrices suivent de manière générale le programme établi par le bureau central de la FJKM pour l’Ecole du Dimanche.
La section dispense actuellement deux programmes de formations distincts : pour les petits, de 2 à 5 ans, et les moyens à partir de 6 ans.
Nos ateliers se tiennent généralement le dimanche à 15 heures, avant le culte.
Nous y enseignons les Ecritures Saintes et organisons également des ateliers de Chants et de travaux manuels pour former notre pépinière.
Dans le même axe, nous consacrons 5 minutes tous les dimanches à la diffusion de la parole sainte pour sensibiliser l’assistance, notamment les jeunes, à nos activités et pour transmettre les messages du Christ.
Parents, grands-parents, parrains et marraines, encourageons alors nos petits à rejoindre l’Ecole du Dimanche car c’est une grande preuve d’amour mais aussi le respect de l’engagement que nous avons pris lors de leur Baptême.
Les moniteurs et monitrices seront heureux de vous accueillir à l’Eglise Fjkm Montrouge Paris, 64 Rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge (EPU).
A Dieu seul la gloire.
- Lala Razafintsalama (monitrice et membre du bureau)
- Hanta Alfred Jonah (monitrice et membre du bureau)
- Noro Rakotondrazanany (monitrice et membre du bureau)
- Bodo Andriamialy (membre du bureau)
- Prisca Ratovoherizo (monitrice)
- Tatiana Rajosvah (monitrice)
- Hugues Rakotondrazanany (moniteur)
- Fanny Ranaivoharindriaka (monitrice)
- Niaina Razafinarivo (coach vocal/musicien)
- Jérémie Ratovoherizo (coach vocal/musicien)