^Back To Top

Verset du jour | Ephésiens 3:20-21 | "Or, à celui qui peut faire, par la puissance qui agit en nous, infiniment au delà de tout ce que nous demandons ou pensons, à lui soit la gloire dans l'Église et en Jésus Christ, dans toutes les générations, aux siècles des siècles! Amen!" | Ephésiens 3:20-21 | Verset du jour


Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris (SP37) - Au Temple de l'Eglise Protestante Unie (EPU) - 64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge

Accès par :   Métro4 Terminus Montrouge   /   Bus 68 Place Jean Jaurès   /   Périphérique Porte de Chatillon   /   G.P.S. : fjkm montrouge [ lancer GPS ]


PERIKOPA

Jolay: AMBARAO NY FAHAFAHANA AO AMIN'NY TOMPO

| | 12. Ala.V man.Trin -Sampana Tanora Kristiana
Jer 31.10-14/Jao 4.25-30/Rom 8.1-8

| | 19. Ala VI man. Trinite-Sampana Fivondronana Laika
Sal 26.1-12 /Jao 4.25-30 / Rom 8.1-8

| | 26. Ala VII man. Trinite-TPM sy IFRP
2 Sam 7.17-24 / Lio 8.26-39 / 2 Tim 2.1-13

EDITO

Ny FJKM Montrouge Paris dia faly miarahaba sy manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho anao  sy ny ankohonanao mitsidika ity tranokalam-pifandraisana ity izay hanambarany ny asa vavolombelona anirahan’ny Jesoa Kristy  ny Fiangonany.
 
Isaky ny ALAHADY amin’ny 15h 30 ny fanompoam-pivavahana, ary Alahady voalohany sy faha telo no Fandraisana Fanasan’ny Tompo.
 
Manasa anao izahay, hiara- mivavaka sy hanome voninahitra an’Andriamanitra isika ;
 
Ny adiresy :  EPU de Montrouge  64 Maurice Arnoux  Montrouge 92120 

 «Fa mpiara miasa amin’Andriamanitra izahay ; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra hianareo»
(I Kor 3.9)

Manao veloma amin’ny anaran’ny Tompo izahay!

FISORATANA ANARANA



Iangaviana hisoratra anarana amin'ny rohy eto ambany izay

 hanatrika ny fotoam-pivavahana ny alahady 19 jolay 2020 izao. 

Noho ny fotoam-panokanana ny SAMPATI amin'ny 4ora (16h)

dia ny amin'ny 2 ora (14h) sisa no misy toerana malalaka. 

Inscription

Misaotra sy mankasitraka anareo indrindra. 

TOROMARIKA 📌

Ho an'ireo misoratra anarana dia angatahana hiomana amin'ny fepetra mikasika ny fihaonana ampahibemaso izay efa fantatsika rahateo amin’ny hoe « gestes barrières ». Indro averina eto ambany izy ireny ho fampahatsiahivana :

  • manasa tànana amin'ny 'solution hydroalcoolique' alohan'ny fotoana ary averimberina araka izay ilàna azy,
     
  • manaja hatrany ny elanelana 1 metatra isan'olona ary manao masque ny tsirairay mandritra ny fotoana, miaro ny vava raha sendra mikohaka na mievona,
     
  • mitandrina ny ankizy tsy hivezivezy (miampofo ny zaza latsaky ny 5 taona), miezaka miala amin'ny fifampikasohana sy ny fifandraisan-tànana fa kopa-tànana no atao,
     
  • mihaino tsara sy manaja ny torolàlan'ny Mpitarika momba ny fanatanterahana ny rakitra sy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo (arahina elanelana hatrany).

Dia matoky ny fiaraha-mientantsika rehetra eo anatrehan’izany ho voninahitry ny Tompontsika.

 

ⓘ COMMUNIQUE

Fampahafantarana :

fiverenan'ny fanompoam-pivavahana

Ry havana,

Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho amintsika mpianakavin’ny finoana rehetra.

Isaorana ny Tompo nitantana ny diantsika tao anatin'izay fotoan-tsarotra nandalovana izay. 

Ny alahady 19 jolay izao dia Voka-dehiben'ny Fiangonana ao Montrouge,  EPU 64, Rue Maurice Arnoux, 92120-MONTROUGE ka :

- amin'ny 2ora hariva (14h) ny fanompoam-pivavahana voalohany,

- amin'ny 4 ora hariva (16h) ny fanompoam-pivavahana faharoa, iarahana amin'ny Komitim-pivondronana SAMPATI.

Ireo izay mahatsapa fa tsy salamalama dia iangaviana hanoman-tena ho amin'ny manaraka. Ireo misoratra anarana kosa dia angatahana hitondra sarom-bava ("masque") sy hiomana amin'ny fepetra mikasika ny fihaonana ampahibemaso ("gestes barrières") voatanisa etsy ankilany.

Raha misy fanontaniana moa dia aza misalasala miantso ny mpiandraikitra na mametraka hafatra, ao amin'ny 06 84 30 12 51 na ny 06 51 91 30 14.

Ho fiombonam-po amam-panahy amin'ny fiderana an'Andriamanitra, dia hotazomina ny fanarahana mivantana ny fanompoam-pivavahana 

-raha hanaraka ny sary sy ny feo dia mampiasa Zoom (application), salle 34 12 79 33 00 code 101010  ;

-raha hanaraka ny feo fotsiny dia miantso ny 01 70 37 97 29 na 01 70 37 22 46 na 07 56 78 40 48 dia ampidirina ny salle sy ny code voalaza etsy ambony.

Dia manao veloma anareo amin'ny anaran'ny Tompo izahay. 

Ny Biraom-piangonana FJKM Montrouge Paris.

PREDICATION / TORITENY

ECOUTER... Prédication du Pasteur Ammi Irako Andriamahazosoa (Président de la FJKM)

lors de la célébration du 10ème anniversaire de la FJKM SP37 - 28 septembre 2019

ÉVÈNEMENTS RÉCENTS
Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafalinirina Lalao Angèle - 29 Febroary 2020

>>> Voir les photos
©FJKM Montrouge Paris 1985 - 2020.