^Back To Top

En direct



Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris Fiorenana (SP37) - Au Temple de l'Eglise Protestante Unie (EPU) - 64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge

Accès par :   Métro4 Mairie de Montrouge   /   Bus 68 Place Jean Jaurès   /   Périphérique Porte de Chatillon   /   G.P.S. : fjkm montrouge [ lancer GPS ]


PROCHAINS CULTES

Culte de cet après-midi : à 15h15 à Montrouge.

12mai24Soyez bénis !

ⓘ Info 

VONDRON'OLONA MPIARA-MIVAVAKA FJKM

Lux 12mai24

 

Cantique N° :

FF 1 - Hira faneva 30-taona FJKM

1 Mitsangana ianao ry mino,
Fa ilain’ny taninao ;
Ny finoana ifikiro,
mionona ianao ;
Ny ady atrehanao tsy mora,
Tena sarotra tokoa ;
Nefa toy ‘lay tao Edoma,
‘Lay Mahery momba anao.

 

Isan’andininy:
Mbola ho avy ny maraina
‘Zay mitondra hery vao
Ry mpiambina miarena
Ka ingao ny zovinao ;
Ambarao fa ny haizina
indro efa lasa re,
Efa tonga ny maraina
hisy hazavana be.

2 Raha sendra ady mafy,
Mila handreraka ny fo ;
Dia tsarovy fa mihafy
vao hahita soa ;
Raha tafita ianao,
hisy hazavana be ;
Ny aizim-kitroka ho lao
Tapi-dalana haleha.

3 Fahafahana doria
No omen’ny Tompo tia ;
Raha tahiana ianao,
Ho fanilo mandra-maty,
Ho mpitantana ny dia ;
‘Lay finoana ao anaty
Homba anao doria doria.

FF 2 - He ! manolotena

1 He ! manolotena ho Anao
Fa mandre ny feo sy antsonao
‘Zato tenako izay mpania
Ka raiso Tompo, 
raiso ry Jesoa tia.

 

Isan’andininy :
Hanoa ny sitrakao,
Hanao izay tianao,
Ka ho mpanompo
vonona sy sahy koa ;
Hitory hatrany
‘lay fitiavanao,
Ambaram-pialam-
pofonaiko Jesoa.

2 Eny Tompo
tsy mba mendrika aho,
Feno loto ny ao am-poko ao,
Nefa re ‘lay fitiavanao
No inoako handany ahy
ho mpanomponao.

3 Eo anilanao no fifaliako 
Ho Anao mandrakizay
no tiako
Ny ho vavolombelonao
Jesoa
No mamiko sy tena
iriko tokoa.

4 Fantatro fa sarotra ny diako
Marobe ny zavatra ho
setraiko ;
Nefa raha Ianao no momba
ahy,
Dia tsy hanan-tahotra ny fo
sy fanahy.

FF 3 - Jeso vato fehizoro

1 Jesoa vato fehizoro,
Afa-tahotra ny fo
Raha Ianao no mampijoro,
Sy iankinana tokoa ;
Vato fiorenanay
Jesoa Zanaky ny Avo,
Vato fialofanay
Amin-dratsy te handavo.

 

Isan’andininy :
Vato azo itokiana
Sady tsy mba mivena
Afaka ny fahoriana
Raha Ianao no ekena
Jeso Tompo (irery)
No ilay vato tsy mifindra
Jeso Tompo (irery)
No ‘lay fehizoro indrindra.

2 Jesoa vato fehizoro
Mampisinda ahiahy,
Fa mandresy horohoro
Manatanjaka fanahy.
O ! ry vato tsara paika
‘Zay mandray Anao am-po
Dia mijoro tsy miraika
N’inon’inona manjo.

FF 4 - Ry Fanahy o

1 Ry Fanahy ô ! midina
Manatreha anay anio Ianao
Mba hanoloranay
ny vavakay mangina,
Vetsovetsom-po
‘zay atolotray ;
Vola sy harena
samy tsy anananay, 
Fa indro vavaka mangina
Fanoloran-tena
ho Anao tokoa.

 

2 Ry Fanahy ô ! monena
Aza mba mandao anay Ianao,
Kolokoloy izahay
hitombo fahendrena,
Ka tsy hahafoy
hiaraka aminao ;
Ota sy rendrarendra
Samy te handavo anay
Soa ihany, soa fa eo
Ianao Fanahy,
Vonona hitahy ny fiainanay.

3 Ry Fanahy ô ! meteza
Mba handray anay
ho mpianatrao ;
Avia Ianao,
avia mampahereza,
Hahatonga anay
mba ho irakao ;
Eso sy fitsapana
Samy manakivy anay,
Ka taomy, taomy
hanam-po mafana,
Herim-po vaovao
hiasa ho Anao.

FF 5 - Izaho no fananganana

1 Hoy Jesosy Tompo
‘Zaho no fananganana
Fananganana ny maty
sy fiainana
‘Zay rehetra mino ahy
na dia maty aza
Dia ho velona indray (in-3)
Satria velona aho,
ho velona ianareo
Aza matahotra fa
(ho velon‘indray) (in-3)

 

2 Maharavo fo ny taniny
henoy indray koa
‘Zay rehera velona
ka mino Ahy tokoa
Dia tsy ho faty mandrakizay
hatsangako
Ka ho velona indray (in-3)
Satria velona aho,
ho velona ianareo
Aza matahotra fa
(ho velon’indray) (in-3)

3 O ! Jesosy Tompo
indro re ampitomboy
Ny finoako Anao,
ny herinao asehoy
Tompo iantrao ny foko
‘Ty finoako vonoy
Mba ho velona indray (in-3)
Mino Anao tokoa
ny foko Jesosiko
Feno toky aho, fa 
(ho velon’indray) (in-3)

FF 6 - Ny teninao

1 Ny teninao Jehovah
Ray mahery
Izay nomenao anay,
Dia teny tsara
sady mampahery,
Ka mampifaly ny fonay.

 

Isan’andininy :
Ny teninao mofon’aina
sakafo tokoa,
Ny teninao ranon’aina
satria foto-tsoa,
Ny teninao no teny
tsy mba maty
Maharitra mandrakizay.

2 Soraty re ho velona ao anaty
Hitondra aina vaovao
Hitana ny finoana tsy ho faty
Ka hankatoa ny didinao.

FF 7 - Tsy hainay ny hangina

1 Tsy hainay ny hangina
Ka tsy hankalaza ny Avo
Nameno fitahiana
Ka tsy mba namela ho lavo.

 

Isan’andininy:
Ka dera ry Ray, sy saotra
No atolotray ho Anao
Raiso (fo sy fanahy)
Fo faly loatra
No entinao midera Anao
Ny sainay tsy ampy hahalala
Ny fatran’ny fitiavanao
Ka raiso ry Tompo malala
Ny fankasitrahana Anao
ry Ray.

2 Tsy hainay hadinoana
‘Lay fara-fitiavanao Ray ô !
Fa maty novonoina
Ny Zanakao hamonjy anay.

FF 8 - Masoko manganohano

1 Masoko manganohano
Nitomany feno rano
Noho ny helok’efa vita
Dia nitony raha nahita
Masonao ry be fiantra
Ry mpamonjy ny mahantra
O! voavotrao ‘lay very
Ry fitiavana mahery.

 

2 Tanako mangadihady
Nisarangotra nitady
Fanavotana sy vonjy
F’efa resy ka nilonjy
Dia noraisinao ry Tompo
Na dia tanana maloto
O! voavotrao ‘lay very
Ry fitiavana mahery.

3 Foko tena fahavalo
Nefa resy ka nimalo
Raha nifona fa naditra
Hitanao nipitrapitra
Babo tsy afaka ho aiza
‘Zao noraisina ho sakaiza
O! voavotrao ‘lay very
Ry fitiavana mahery.

FF 9 - Isaorana anie Jehovah

Isaorana anie Jehovah
Andriamanitra anie
Andriamanitriny Israely
Isaorana Jehovah
Andriamanitra
Izy irery no nanao
fahagagana
Isaorana mandrakizay
Ny Anarany malaza
Ary aoka ny tany rehetra
ho henika
Ny famirapiratry
ny voninahitry
Jehovah Ray tsitoha
Amen !

 

FF 10 - Mivavaka aho satria

1 Miloatra avy ao am-po
Ny tonom-bavako
Maneho ny fanajako
Sy ny fankatoavako
Ny Tompoko tsitoha
Nitahy hatrizay
Hatramin’ny taloha
Sy ho mandrakizay.

 

Isan’andininy :
Mivavaka aho satria
tena mino,
Mino sy Mankato,
Manaja sady tia
an’Andriamanitro ;
Mivavaka aho satria
tena faly,
Faly aho satria tena faly,
Faly sy manantena
ny avotra,
Omena mandrakizay
Doria.

2 Mibahana ato am-poko
Fanahin’i Kristy ;
Mitaiza tsy miato
ka mahafaly erý ;
Manesika ahy hivoatra
Hiasa be kokoa,
Ka ataony tafahoatra
Ny hasoavako.

FF 11 - Faly aho

Faly aho raha hoy izy
ireo tamiko :
Handeha isika ho any
an-tranon’i Jehovah
Ny tongotray efa mijoro
Ao anatin’ny vavahadinao
ry Jerosalema
Dia ianao ry Jerosalema,
izay efa vita
Tahaka ny tanàna
efa voalamina tsara
Any no hiakaran’ny
firenen’i Jehovah
Mba hisaotra 
ny anaran’i Jehovah.

 

FF 12 - Am-pelatananao

1 Am-pelatananao ry Raiko
Ny momba ahy rehetra
Iriko Ianao no ho mpibaiko
Ianao anatiko ao mitoetra
Ho andrianiko tokoa
Hitarika ahy hatrany hatrany
Andriafô tsy mandao Ianao
Jesoa Ianao no hazavana
tsy ho lany
Am-pelatananao ihany
Mandrakizay doria doria
Na ny fiainako eto an-tany
Na hatrarý ankoatra arý.

 

2 Ny saiko am-pelatananao
Ny foko efa tsy ahy intsony
Fa voaova ho vaovao
Dia lasanao ry Ray ambony
Ny hasambarako ombieny
Mifaly manana anao
Ilay fiainako mpanjeninjeny
No voafehinao anatiko ao
Am–pelatananao ihany
Mandrakizay doria doria
Na ny fiainako eto an-tany
Na hatrarý ankoatra arý.

FF 13 - Mihira fihiram-baovao

Mihirà fihiram-baovao
Ho an’i Jehovah ry tany
Mihirà fihirana
Dia ambarao amin’ny
jentilisa
Ny voninahiny.

 

Mihirà fihiram-baovao
Mihirà fihirana
Ho an’i Jehovah ry tany
Dia ambarao amin’ny
jentilisa
Fa Jehovah no mendrika
Izy no mendrika ny fiderana.

FF 14 - Jeso apetraka Aminao

1 Jesoa, apetraka Aminao
Ny fanahiako rehetra
Ny asa vita hatrizay
Anao tokoa tsy misy fetra
Jesoa apetraka aminao.

 

2 Jesoa, apetraka Aminao
Ny asa fikelazan’aina
Tsy misy miafina aminao
Ny hetaheta tsy hay lazaina
Jesoa apetraka Aminao.

3 Jesoa, apetraka Aminao
Ny toky sy fanantenana
Ny sitrakao no aoka hatao
Na aiza lalana hombana
Jesoa apetraka Aminao.

FF 15 - Raiko o

1 Tompo malala tsitoha,
inty aho
Izao vao nandre ilay feo
niantso ahy
Tsapako anatiko ao 
ny herinao
Mitaona ahy
mba hiverina aminao.

 

Raiko ô ! Raiko ô ! 
Inty aho
Raiso mba ho isan’ireo
zanakao
Fa izaho izay nania
dia hiova
Hanaraka ny dianao
Raiko ô !

2 Jesosy Zokiko ô !
Raiso aho
Ho isan’ireo zandrinao
tianao
Neniko ireny taloha,
fa hiova
Raiso aho !
Raiso aho Jesoa !
Ho anao.

Tompo ô ! 
Tompo ô ! Inty aho
Raiso mba ho isan’ireo
zandrinao
Fa izaho izay nanda
dia hiova
Hanaraka ny dianao
Jesoa.

FF 16 - Tsy izany no ilaina

1 Tsy vitam-po onena
Tsy vitan-dranomaso
Ny asam-pamonjena
Tsy azo atao 
Mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena
Mila fandavan-tena
Sy hery tsy mba maty
Herim-po, herin-tsaina koa.

 

Isan’andininy:
Na onena ny fonao
Na tomany ny maso
Tsy izany no ilaina
Fa fifankatiavana.

2 Ny mpianatry ny Tompo
Asainy mifanompo
Na mamy na mangidy
Miara-dia, f’izany no didy
Mamonjy ny mahantra
Manarina ny lavo
Mitsabo ny maratra
Ary koa tsy mba miavom-po.

FF 17 - Ho avy ny maraina

(Faneva faha-25 taona SAF FJKM)
1 O ! Tompo be fitia
He ! Isaoranay Ianao
Fa manaiky hiara-dia
Aminay mpanomponao
‘Zay miasa hanasoa
Olo-maro mpiara-miaina
Manantena vokatsoa
Amin’ny asa izay efaina

 

Isan’andininy:
He! talenta samihafa
No nomenao hampiasaina
Raha ireo no miara-miasa
Dia ho avy ny maraina
Ka ho maro sesehena
No hahazo tombotsoa
Hampandroso firenena
‘Zay kinasanay ho to.

2 Taona maro izay ry Ray
No nodiavina hatrizao
Niara-nilofosanay
Mba hanao ny asanao
Nefa tsapanay tokoa
Vitsy no mba vita tsara
Ka tafio ny herim-po
Hahavita izay anjara.

FF 18 - Afafazo

1 Raha tonga ny andro
Izay hitsarana anao
Amin’izay fotoana izay
Hadinina ianao
Ka hitarika ilay Mpanjakanao
Efa vonona ve ianao ?
(Ary koa) Efa ampy ve
izay anananao
Hiatrehanao ny Tomponao.

 

Isan’andininy :
Fihatsarambelatsihy
Aok’izay dieny ety
Fahafaham-baraka
ho anao, ka ialao
Raha toa tianao
ho voavonjy ianao
Afafazo ‘zay voa mendrika
(Mendrika).

2 Raha tonga ny andro
Izay itsaràna anao
Amin’izay fotoana izay
Hadinina ianao
Efa ampy ve izay nafafinao
Mba ho voa mendrika
tokoa ?
(Ary koa) efa tontosa ve
ny anjaranao
Tsy hahameloka anao
rahatrizay.

3 Raha ho avy ny fotoana
hodianao
Amim-boninahitra
Ho ao an-tranon-dray
Tsy hatahotra, na hangovitra
Ianao raha madio fo
(Ary koa)
Satroboninahitra tsy mba lo
No an’ny mpanomponao
mahasoa.

FF 19 - Raha Jehovah no mpiandry

1 Raha Jehovah no Mpiandry,
Tsy mba hisy mampahory ;
Ahimaintso no handriana,
Ny fanahy velombolo ;
Eny, tsy hanahy akory
Lala-marina, lala-tsambatra
(Sambatra ifaliana).

 

Isan’andininy:
Raha Jehovah no mpiandry
(Tsy mba … hisy)
Tsy mba hisy izay
mampahory,
Ahimaintso no handriako
(Ranon’aina ho sotroiko)
Ny fanahiko ho velominy
Miasa Izy tsy mba matory,
Lala-marina itondrany
tsy ho foiko.

2 Ny aloky ny fasana aza
Tsy ho tazantsika intsony ;
Tsy hatahotra ny loza aho
(Izy mihazona ahy)
Tsorak’azo nitondrany
Sy ny tehiny any ambony,
No manolotra ny toky
Ny fanahiko
(Toky ny fanahiko).

3 Eo imasom-pahavalo
Ny latabatro velariny ;
Diloilo feno hanitra
(Efa namotosany ahy)
Safononoka tantely
Ny kapoakako namboariny
Fahasoavana no sisa
Afaka ahiahy
(Afaka ahiahy).

4 Ao an-tranonao ry Tompo
No iriko hialofana ;
Ka tsy afa-miditra any
(Ny hetraketraky ny tany)
Raha ny fonao feno antra
No ho lamba irakofana,
Ary ny androm-pifaliana
Tsy ho lany (Tsy ho lany).

FF 20 - Jeso fitiavana

Efa trotraky ny adin-tsaina
Vao mba nahatsiaro Anao
ry Tompo
Menatr’aho tsy sahy
mitaraina
Ry Jesoa fitiavana
Kanjo tambitamby safosafo
No nasetrinao ny ditrako
Eny tsapako fa novidianao
lafo
Tamin’ny ranao ny tenako.

 

Jeso malalako tafio ny
herinao
Hahaizako mandresy
ny fankam-panahy
He! tsinotsinona
izao tontonlo izao
Fa fanimbana tena sy
fanahy.

Ho reharehako
ilay tanambokovoko
Hihamina eo anilanao
anie ny foko ;
Fa eo anilanao
tsy misy ny tolokoloko,
Eo no mahatsara ahy, Jesoa.

FF 21 - Mahatoky ka tokony hekena

Mahatoky ka tokony hekena
Amin’ny fankasitrahana
rehetra
Izao teny izao (2)
Tonga teny ambonin’ny tany
Kristy Jesoa ;
Hamonjy ny mpanota,
Ary amin’ireny izaho
(Izaho) 3
Amin’ireny, izaho no lohany
Kanefa izao no namindrana fo
tamiko (2)
Dia ny mba hisehoan’i
Jesoa Kristy eo amiko,
izay lohany (2)
Ny fahari-po rehetra
no fianarana
Ho an’izay hino Azy
Hahazoana fiainana
Mandrakizay ;
Mahatoky ..sns.

 

FF 22 - Tsy mendrika ahy

Tsy mendrika ahy
mpanomponao
Ny atao hoe zanakao
Kanefa Ianao ry Tompo
No niantso ahy izao
Izay manatona ahy
Tsy ho laviko hoy Ianao
Dia tamy aho
Ka sahy nanatona Anao.

 

Ianao no madio
(mba diovy aho re)
Ianao no marina
(mba hamarino aho re)
Ianao no masina 
(mba hamasino aho re)
Tsy mendrika hitsimpona
Ny latsaka amin’ny
latabatrao aho
Kanefa hoy Ianao
“Izay manatona Ahy” 
Noho ny teninao (2)
Dia sahiko ny manatona.

Ianao no madio
(mba diovy aho re)
Ianao no marina 
(mba hamarino aho re)
Ianao no masina 
(mba hamasino aho re)
Mba diovy aho re,
hamarino aho re
Mba diovy aho re
Mba hamarino re
(hamarino re) 
Mba hamasino re
(hamasino re)
Mba diovy, hamarino,
Hamasino.

FF 23 - Andriamanitra o

1 Andriamanitra ô !
Ry Tompo Zanahary
Be ny fitiavana
Mamonjy sy mamelona
Vatolampy, toky tsy mifindra
Fa maharitra mandrakizay.

 

Isan’andininy:
Raha eto an-tany
Dia mandala ihany
Miovaova tsy azo
Ianteherana,
Fa izany no fomban’ny tany
Toa fiainana raha jerena
Kanjo indrisy fa mahonena
Hasambarana miserana ihany.

2 O! ry velona tsarovy,
ny andronao fa mandalo
tsy mba manam-pijanonana
Ka tandremo sao variana
ianao
‘Zao tontolo izao
ho levona avokoa.

3 Mbola ho entin’
Andriamanitra hotsaraina
‘Zaho sy ianao, ka tsy ho
afa-maina ;
Fa Jesoa Mpanjaka no hitsara
Ka hanavaka ny ratsy
sy ny tsara.

FF 24 - Mahereza ny Tompo momba anao

1 Miainga, mazotoa
Mikeleza aina koa, 
mivavaha (2)
Ho an’izao tontolo izao
Mijoroa, mitoria
Mamafaza teny soa
Fa ny Tompo be fitia
No manohana anao
Sarotra ny lalanao
Kanefa matokia tokoa
Andrandrao ny masonao
Fa mbola ao ny Tompo soa
Izy no aminao
Ka hampandresy izao
O ! mahereza
fa ny Tompo momba anao.

 

2 Mandrosoa, miasà
Tano ny Finoanao
Aza mba matahotra,
na manahinahy izao
Miadia, mitafia
Ny firaisan-tsaina soa,
Fa ny fahavalonao
Dia handositra tokoa
Aza kivikivy foana
Fa ny Tomponao dia ao
Mampahery lalandava
Ary koa tsy mba mandao
Izy no aminao
ka hampandresy anao
O ! mahereza
fa ny Tompo momba anao.

FF 25 - Ny voadiko

Ny ondry mania no maneho
Anao
‘Zao fanakena sy voady izao
Nandinika ny zava-bita Jesoa
Tsy mendrika hanatona Anao
Kanefa tsaroako ny
fitiavanao
Hamonjy ity mpanomponao.

 

‘Lay teny Mahery mananatra
Nampiova ny foko torovana
‘Lay Fanahy Masina inoako
Hampianatra sy hanadio
Ny ho aviko apetraka eo
Aminao
Izany no voadiko izao.

FF 26 - Jesosy reharehako

1 Tsy misy reharehako
Afa tsy Ianao Jesosy o !
Anao ny hery, anao ny haja
sy voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-
tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao.

 

Isan’andininy:
Sambatra aho Jeso ô ! 
Manana Anao ‘zay
Tompon’ny hery 
Sambatra aho Jeso ô !
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao
Raketiko ao am-po
lalandava
Fa reharehako Ianao.

2 Tsy nisy nahitam-pamonjena
Afa tsy taminao
Nanaiky Ianao
tsy mba noterena
Hitondra aina vao
Ny tananao Mahery
natsotranao mba hitantana
Hahaizako mandeha 
sy mizotra ny lala-marinao.

3 Nasehonao ilay fahefana
manda sy aroko
Ka niala maina teo ‘lay satana
‘zay fahavaloko
Tsy misy maharombaka
akory
‘Zay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao.

FF 27 - Ilay alim-mpamonjena

1 ‘Lay alim-pamonjena
Tsarovanao eto izao
Fa tompo be harena
No teraka tamin’io
He! mahagaga ilay fitia
Nasehon’Andriamanitra
Isan’adininy:
He! ravo ny fo,
He! mirana koa
Mifaly (falifaly),
sambatra doria
Miventy ny hiran’ny lanitra
Haleloia !

 

2 ‘Lay alim-pamonjena
(famonjena)
Tsarovana eto tokoa
Fa vita fanekena
Izaho sy ny Tompo soa
Ny tenako atolotro
Ny tenany ho avotro.

3 ‘Lay alim-pamonjena
Tsarovana eto tokoa
Mpanota sesehena
Mandova fiainan-tsoa
‘lay alim-pivavahana
Nitondra fiadanana.

4 ‘Lay alim-pamonjena
Nitondra fiadanana
Tsarovana eto tokoa
Nitondra fietrena
Tsy mba manam-paharoa
Fitiava-mampitovy zo
Ny miadana sy ory fo.

FF 28 - Efa voadinikao

Efa voadinikao
Andriamanitra o !
Ny fiainanay
zanak’olombelona
Tsy misy izay miafin’amiko
tsy hitanao
Hianao no manendry
izany Andriamanitra o !
Indro ny fikasako voalahatrao
Ny fiainako rehetra 
dia Aminao
Ny fahotana vitako taminao
Mangataka famelana
Andriamanitra o !

 

Fiv :
Aza avela aho hangaihay
Fa ampioreno mafy ny finoako
Ka na mamely ahy
ny fankapam-panahy
Dia mahatoky Anao
ny fanahiko
Ny nofoko anie malemy
no sady kely
Torovana tsy ampy hery
ka manahy
Meteza Hianao anio 
Andriamanitra o !
Ho hery sy toky ho ahy
Mandrakizay.

Hianao no Vatolampy
sy fiarovako
Ny herinao no indro
hizorako
Ny foko ao anatiko ao
efa fantatrao
Dia raiso aho ho zanakao
Andriamanitra o !

FF 29 - Tsy mba hisy reharehako

1 Tsy mba hisy reharehako
Toy ny hazo nijalianao
Jeso (Jesosy ô)
Eo amin’izay rehetra
alehako
Izany no voadiko
Aminao
He ! Izao rehetra izao
ekeko (Ry Jeso)
Mora lo sy
tsy maharitra tokoa
(kanefa Jeso)
Fa ny fitiavanao jereko
Ry Jeso tsy niala tamiko.

 

2 Tsy mba hisy fanorenako
Raha tsy eto an-tany eto
Raiko o !
Fa ny lanitra no ho fonenako
Izany no mba faniriako
He ! Izao tontolo izao
tazaniko
(tazaniko)
Rendrarendra izay
Mamitaka avokoa
(kanefa Ray ô)
Fa ny eo anilanao
No mamiko ry Raiko
Raiso aho ho Anao.

FF 30 - Fo mitambatra

1 Fo mitambatra ho iray
No entina eto izao
Mitrotro ny fitia
Hohamasin’Andriamanitra
Hitombo hery 
sy hamerovero koa
Ka hifanaiky ireo olon-droa
Fa hiombom-piainana
Na inona miseho eto an-tany
Dia vonona hifampitantana.

 

Isan’andininy:
Fitiavana toy ny an’ilay Jesoa
Fitiavana manolotra ny aina
Fitiavana mandresy fahotana
Fitiavana ho mandrakizay
doria.

2 To izao androany izao
‘Lay nofinofy izay
niainanay taloha
Ka indro fa miara-belona
Miara-tsambatra,
anivon’ny fitia
‘Lay dina izay niarahana
nikolo
No hamafisina ho doria
Ho tehirizina ho vaovao
Handrobona, hitombo hasina.

FF 31 - Mihira ry manam-pofonaina

1 Mihirà ry manam-pofonaina
Mikaloa sy mitsikia
Tapaka ny gadra novonjena
Afak’i Jesosy be fitia
‘Lay Edena nihidy tany aloha
(nihidy aloha)
Noho ny ota ratsin-
drazantsika
He, midanadana sy mivoha
Ka idiro hitondray mozika.

 

2 ‘Lay satana tena fahavalo
Resy teo ka voakodia
Koa herezo aza mimalo
Tokinao anio ilay Mesia
Ry voahosotra hitondrana
famonjena
(Ry voahosotra famonjena)
Ndreto ento ho Anao ‘zahay
Dia izahay izay miferin’aina
Noho ny ota izay mpahazo
anay.

3 Afaka izahay ankehitriny
Tonga ny Mpanavotra anay 
Ka ilay gehenanay fahiny
Voasolo paradisa indray
Koa isaoranay tokoa tokoa
(Koa isaoranay tokoa)
Ianao ry Rainay be fitia
Dia Ianao Jehovah Ray
Tsitoha
Nanome anay Ilay Mesia.

FF 32 - Aza havela ahalala

1 Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao.

 

Isan’andininy :
Tsy ho takatry ny saiko
Izay rehetra alahatrao
Ny angatahako ry Raiko
Aoka aho hatoky Anao.

2 Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton’ny tomany
Efa haiko hatrizao.

3 Aza avelanao hamefy
Ny ampitso izay Anao
Aza avelanao handrefy
Izay ho fifalianao.

FF 33 - Inty aho Jeso

1 Inty aho Jesoa !
Miantso ahy Hianao
Na dia tsy mendrika,
e manolo-tena izao
Ianao no nifidy,
tsy haiko ny nandà
Ty antso sarobidy 
ry Tompo, mamelà
Ny heloka rehetra,
diovy aho, havaozy
Ho olom-baovao
hanao ny sitrakao
Ho mendrika tokoa
ny antsonao Jesoa.

 

2 Inty aho Jesoa,
maintso ahy Hianao
Ny fahalemeko anie,
ry Tompo fantatrao
Hianao no nifidy
sy maniraka ahy
Avy aminao Jeso,
ny herin’ny fanahy
Ho entiko manoa
ny asa atolotrao
Fa sarotra e ny dia,
ry Tompo
Manampia,
ho mendrika tokoa
Ny antsonao Jesoa.

3 Inty aho Jesoa,
miantso ahy Hianao
Mba ho fahazavan’izao
tontolo izao
Hianao no nifidy ahy
ho fanasina
Hanefa ny adidy lehibe
sy masina
Koa hamasino Tompo
Fa vonona aho
Hanompo,
hombay ny herinao
Hitondra aim-baovao
Ho mendrika tokoa
Ny antsonao Jesoa.

FF 34 - Tompo malala

1 Tompo malala o !
Mpanjakako Ianao
Tamy aho fa resy lahatra
Noho ny famonjena vitanao
Eny ry Tompo,
tsy ho haiko adinoina
Intsony re ny fitiavana
nasehonao.

 

Isan’andininy:
Ka anio anavaozako
ny fanompoako anao
Fa tsy ho voavaliko
izay natolotrao,
Ny fitiavana natolotrao
Ka raiso Tompo,
ekeo re sy anjakao
Ny fiainako ho voninahitrao.

2 Tompo malala o !
‘Lay hazo fijalianao
Niaretanao tao Kalvary
Niaretanao Mpamonjiko
No nanehoanao fa tianao
ity mpanota izay
Tsy mendrika Anao akory ity.

3 Tompo malala o !
tsy ho hadinoiko intsony
Ny fitiavana natolotrao
(Ny fitiavana natolotrao)
Eny ry Tompo, ity izaho
izay voababonao
Fa vonona hanao ny sitrakao.

FF 35 - Ry Tompo o avia

1 Ry Mpamonjiko
Ray malala o ! o ! o !
Mifona aminao ’ty Zanakao
mitalaho Tompo o !
Fa diso taminao izahay
ka mangataka o ! o ! o !
Famelana sy famindram-po
avy aminao Ray o !

 

Isan’andininy :
Ry Tomponay ô ! avia,
omeo anay izao
Anio, ny fo madio
sy masina anananao
Dia tsy ho very na hoe
Mbola ho diso ihany indray
Ny tena sy fanahy
izay anananay.

2 Ry Mpamonjiko
Ray malala o ! o ! o !
Betsaka ireo ota efa vita
sy nambabo anay
Ka angatahanay Aminao
sy irinay koa o ! o !
Mba ho foana
tsy hisy intsony re
Fa reraka izahay.

FF 36 - Mifalia

1 Vahoaka sesehena
No miara-paly izao
Miventy ny Antema
Dia hira vaovao
Injao fiderana
Manakoako ery
Maneho fanajana
Ho an’ilay Mesia.

 

Isan’andininy :
Iza ary no tsy hifaly
(Mifalia, mihobia)
Hisaotra ao am-po
(Misaotra ao am-po)
Fa afa-doza, afa-jaly,
afaka ianao
He, famonjena tokoa
O! mihirà, mihobia
afaka ianao
Teraka ny Tompo tia,
resy ny rafinao.

2 Tsy ireo Anjely ihany
No faly ao am-po
Ny mpino eto an-tany
Miravo avokoa
Fa indro ny Mpamonjy
Mpanjaka be fitia
Nietry an-tranon’omby
Hamonjy ny mania.

FF 37 - Fa tsy misy fahoriana

1 Fa tsy misy fahoriana 'zay
natolotrao anay
Ka nitarika hakiviana satria efa
zakanay
Noho 'lay vesatra indrindra
mafy sy manonja koa
Izay nentinao namindra raha
novonoina Ianao Jeso

 

Isan’andininy :
Ny faniriam-panahy hiaraka aminao
Hamelona ahy ho sahy hiasa ho Anao
Ny famonjena soa izay nomenao ry Ray
No anton'ny fianinanay

2 Fa tsy misy hafaliana tena
mampifaly anay
Raha tsy ilay fitahiana avy
aminao ry Ray
Fa tsy misy koa fitia 
hahasambatra anay
Raha tsy Ianao ry Tompo tia
No mitoetra anatinay

3 Ny fisainanay izay kely
tsy mahatakatra indraindray
Fa Ianao, Ianao irery
to toky iankinanay
Ny finoana mila hivaha
Ampijoroy tsy hanahy
Ho finoana matotra

FF 38 - Mba todihonao ny lasa

1 Mba todihonao ny lasa
Fa ho hitanao ny asa
Nandaniana ny fotoana
Fa dia vita mora foana.

 

Isan’andininy:
Mitsangàna sahia ! sahia
Mijoroa, mitoria, mitoria
Aza kivy sanatria
Fa aminao Kristy.

2 Eny tsara ho tsaroana
Ireo adidy nokoloina
Maro koa no tsy tontosa
Nampitsotra ny kanosa

3 Aoka hiezaka hatrany
Mba hanamarina izany
Fa hipetra ho tantara
Ho an’ny zanak’aman-para.

FF 39 - Faniriako

1 Ray ô ! mba faniriako
Raha toa ka sitrakao
Ny handova lanitra
Dieny ety an-tany
Kanefa tsy izaho irery
F’ireo ‘zay mino Anao
Hiaraka amiko hatrany
hatrany.
Isan’andininy :
Endrey ny fiainana
anilan-dRay, 
Ny Tompo iray
Fanahy iray,
iraisana avokoa
‘Reo asa soa, iray ny fo
Iray ny loha, Ray ô !
Nahoana moa e !
Raha atomboka anio ?

 

2 Ray ô ! mba faniriako
Raha toa ka sitrakao
Ny ho zanaka manoa
Feno fahendrena 
Hilofo hatrany koa hamita
Ireo asanao
Ka tsy hirehareha
Fa hanetry tena.

Ref. bis and.2:
Endrey ny fiainanay

FF 40 - La nuit du salut

1 C’était la nuit du salut
On s’en souvient à présent
Car le seigneur très riche
Naquit en ce moment-là
C’est un amour fort étonnant
Que Dieu a bel et bien
montré

 

REFRAIN
Le cœur est rempli
d’ immense gaieté
De joie, du bonheur éternel
On chante tout haut
la chanson du Ciel
Haleluia !

2 C’était la nuit du salut
On s’en souvient à présent
J’ai conclu avec le Seigneur
Le pacte de la rédemption
À lui j’ai donné tout
mon corps
Pour moi, son sang est
mon rachat.

3 C’était la nuit du salut
On s’en souvient à présent
Des pécheurs innombrables
Héritent la belle vie
Cette nuit réconciliant
Était porteuse de la paix.

4 C’était la nuit du salut
On s’en souvient à présent
Mon Jésus s’est rabaissé
Par sa suprême pitié
O ! bel amour rendant égaux
Les riches et les malheureux.

FF 41 - Jeso no Mpanavotra

O ! iza iza ?
Iza no hamonjy ahy
Iza, iza no hamonjy ahy re ?
Fa rerak’aho e !
Fa dia reraka
Milonjy entam-pahotana
Fahotana be.

 

O ! manatona
Manatona an’i Jesoa
Fa izy ihany 
Izy no hamonjy anao.

Fa noreseny
Efa noreseny na ny
Fasan’aza dia ny
Fahafatesana !
Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana
Ilay fahavalonao
Ka mba mifalia !
Mifalia ianao
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anao.

Ry Jesoa Tompo !
Ry Jesoa Tompo ô !
Mba raiso re ny foko
Ho anao izao !
Fa famonjena
Fanavotan-dehibe
Sy avotr’aina koa
No he atolotrao.

Fa novonoina !
Novonoina Ianao
Hisolo voina
Mba hisolo voina anay.

Fa noresenao
Efa noresenao na ny
Fasan’aza dia 
Ny fahafatesana !
Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana
Ilay fahavalonao
Ka mifalia re !
Ka mifaly izahay
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anay.

FF 42 - Moa misy va

Moa misy va ety,
iriko toa Anao ?
Ry Tompo be fitia,
Mpanao izao rehetra izao
Ny foko lazanao
ry Ray malala ô
Jereo ‘ty Zanakao
miantoraka Aminao.

 

Moa misy va ety,
iriko toa Anao ?
Jesoa Sakaiza, avia Hianao
hiara-dia izao
Ny foko tia Anao,
oneno, anjakao
Tsy hatakaloko Hianao,
“Ry fiainako vaovao”

Moa misy va ety,
iriko toa Anao ?
Fanahy hendry ery,
Mpanoro izay rehetra atao
Ny foko he ! Anao,
Fanahy Masina ô !
Ny fiainako ovay ho vao,
ka hamasinonao.

Moa misy va ety,
iriko noho ilay
Nesoina tany Kalvary ? 
‘lay indrafon’ny Ray
Jeso malala ô !
Endrey ‘ty vitanao
Hitanao ny hetahetako

FF 43 - Aiza moa ianao

Jesosy Tompo miantso anao
Manontany izao
“Aiza moa ianao ?”
Ny ondrikelinao noana indreo
Miandry anao re ireo
“Aiza moa ianao ?”

 

Isan’andininy:
‘Ty aho Jeso, ekeo 
(ekeo mba) ho irakao
Raiso hanao ny sitrakao
tokoa
Jesosy ô ! (omeko)
mba ho Anao
Ny foko, tenako,
ny fanahiko.

E ! lalan-tsarotra ilàna anao
Ady mafy no ao,
“Aiza moa ianao ?”
Reseonao
‘zao tontolo izao
Mba ho ahy re izao,
“Aiza moa ianao ?”

Ny hery, aina sy fanananao
No ilaiko izao
”Aiza moa ianao ?” 
Ny teninao sy ny fanahinao
No takiako izao
“Aiza moa ianao ?”
Ny sandriko no hiaro anao
Hisakambina anao
“Aiza moa ianao ?”
Raha ny Fanahy 
no hitantana anao
Vonona ve ianao ?
“Aiza moa ianao ?”

FF 44 - Ry Madagasikara soa

1 Ry Madagasikara soa
Natolo-janahary anay
Nosim-boahangy manirery
Fa nahasoa ny razanay
He ! sarobidy tsara loatra
Tsy sandana, tsy atakalo
Feno ny fo ka toa mangina
Heriny mivavaka hoe :
Andriamanitra ô !
Tondrahy andon’ny lanitra
Vontosy ny tsiron’ny tany
I Madagasikara.

 

2 Ry firenena Malagasy
Antsoin’ny Nosy hianao
Andeha malaky, mitsangàna
Alao hery, mandrosoa !
‘Zay mahaolona anao re
Atolory, asorony
Aza mandevina talenta
Fa anondroty Firenena e !
Andriamanitra ô !
Tondrahy andon’ny lanitra
Vontosy ny tsiron’ny tany
I Madagasikara.

3 Andriamanitra ambony
Fenoy ny fiahianao
Ny mponina rehetra eto
Ary izay aza mahasoa
Ireo nantsoinao hitondra
Mba tsidiho, mba tariho
Ho sambatra tokoa ny Nosy
Raha Hianao no azy e !
Andriamanitra ô !
Tondrahy andon’ny lanitra
Vontosy ny tsiron’ny tany
I Madagasikara.

FF 45 - Hira fiderana

1 Hira fiderana ho anao ry Ray
Tsy afaka ato am-bavako
mandrakizay
Hira mampifaly, 
mampitony jaly
Mampiravoravo fo.

 

2 Ny talenta izay efa nomenao
ahy
Hiderako Anao
n’aiza misy ahy
Mba hamelon’aina,
hampitony saina
Hampiray ny miaina.

3 Hira tsotra ihany,
nefa na dia izany
Ho Anao tokoa
no hikaloako
Raiso re, Tompo,
F’io no porofom-pitiavako
Anao.

4 Hira avy ato am-poko,
indro fa vetsoiko
Ho Anao ry Raiko
izay antsoiko
Hira tena mamy,
manambara hatrany
Fa tena tiako Ianao.

FF 46 - Mba tantanonao ry Raiko

1 Mba tantanonao ry Raiko
Izato lalan-janakao
Ny mifidy toa tsy haiko
Fa maniry indrindra Anao
Hitanao ny adi-tsaina
Mitambesatra ao an-doha
‘Zany tsikin’ny maraina
Toa ela vao hifoha.

 

2 Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty lalà-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako
O ! ry Tompo tena tia
Fa ity zavatra iriko
Masina amiko doria.

3 Nefa raha tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy
Atolorinao ny hery
Hampijoro izay nikoa
Ka sitranonao ny fery
Sy ny ratrako ao am-po.

FF 47 - Fiadanana

1 Ianao ‘zay mitady
ny fiadanantsoa
Amin’ izao fiainana izao
Ka mandeha mankatsy
arý sy aroa
Mikorana ary koa milalao
Kanefa tsy mahita
izay mahasoa
Fa vizana foana ny nofo
Inty misy fiainana
atoroko anao
Andramo dia ho hitanao.

 

Isan’andininy :
Jesosy, Jesosy
(Jesosy Tompo
sy Mpamonjy tia)
No fiainana atoroko
anao (Jeso)
Jesosy, Jesosy
(Jesosy Tompo
sy Mpamonjy tia)
No hany hampiadana anao
Koa raiso Jesosy
Ho Tompo Mpamonjy
Hanapaka ny fiainanao
Dia ho hitanao ‘lay fiadanana
Haharitra mandrakizay.

2 Ianao ianjadiam-pahoria-
marobe
Amin’izao fiainana izao
Tsy misy hazavana 
fa toa haizim-be
No mandrakotra
ny fiainanao
Ka mila ho kivy
sy hamoy fo
Noho ireo adim-piainana maro
Inty misy fiainana
atoroko anao
Andramo dia ho hitanao.

FF 48 - Andriamanitra fitiavan Ianao

1 Andriamanitra Fitiavana Ianao
Ka mihevitra ny momba
anay etý
Raha mifoha maraina
izahay
Dia tsy afaka am-bavanay
hoe: Ampy ho anay
ny fahasoavanao

 

Isan’andininy :
Raha maraina mibaliaka
ny andronay etý
Ianao no masoandro
niaviany
Raha ny alin’ny ririnina
no handalo etý
Ianao no kintana
hitantana ny dia
Ka ny vavaka atao
Izay mipololotra
am-ponay ao hoe :
Izahay anie hatoky Anao.

2 Andriamanitra Fitiavana Ianao
Ka mitantana ny dianay etý
Raha mandimby ny andro
ny alina
Mbola atokana hideranay
hoe: Ampy ho anay
ny fahasoavanao.

FF 49 - Mifona re ry Ray

1 Mifona re ry Ray
Ireto Zanakao
Fa diso izahay
Tsy mety ny natao.

 

2 Ny ota sesilany
Nandramana avokoa
Kanefa re izahay
Ifonana tokoa.

3 Izay rehetra hita
Natao fa tsy ho to
Izao ny ratsy vita
Nandrotika ny fo.

4 Ry Jeso ô ! anio
Indreto izahay
Manaiky ka fidio
Ho zanakao ry Ray.

5 Tsy tsapanay tokoa
Ny antranao ry Ray
Fa hay, ny zava-tsoa
Dia takona aminay !

6 Maniry fahafahana
Izao ‘ty fo madio
Ekeo ny fibebahana
Atolotray anio.

FF 50 - Ianao izay miasa fatratra

1 Ianao izay misa fatratra
Ka mikendry mba hanefa
zava-tsarotra
Moa tsy tsapanao ho
mahasambatra
Ny asa izay atao
am-pitiavana !
Mihamaivana mora entina
Ny fahasahiranana toa
mitambesatra
Raha ao ny Manaiky
marina
Ho tia sy handala
ny asa rehetra.

 

2 Hoy ny hafatry ny Tompo
aminao
Manatona ahy raha toa
sahirana
Fa izaho tsy manary 
na mandao
Izay miezaka 
ka hita reraka
Nefa moa ve, vonon’izao
Handà ny tenanao,
hamoy izao tontolo izao
Dia manaiky koa mba
ho tarihina
Fa sarotra ny làlana
sy asa atao.

3 Mitsanganà,
mandrosoa hiasa e !
Fa malalaka ny saha
izay omena anao
Dia meteza koa hanaiky
hanome
Harena herim-po
ilaina aminao
Aza ketraka,
matokia izao
‘Lay hery ‘zay manohana
Ny fihezahanao
Ka mitondra soa,
manova mba ho vao
Ny vokatry ny asa
izay nanasatr’anao.

FF 51 - Ry Mpamonjy olom-bery

Ry Mpamonjy olom-bery
Sarobidy sy mahery
Ny fitiavanao ahy
‘Zay mambabo ny fanahy
Noho ilay fitiavanao
Babonao ny foko izao
Tsy hamoizako Anao.

 

Ny fitiavanao, ry Tompo
No mambabo ahy hanompo
Tia ahy Hianao
Ka mba tiako tsotra izao
Eny, fantatrao fa tiako
Izao fiainana eto izao
Tiako izao rehetra izao
Nefa mbola tiako Hianao.

Na dia sarotra sy mafy
Ny hanaraka Anao
Izaho vonona hihafy
F’efa tiako Hianao
‘Zao fiainana izao
Tsy atakaloko Anao
Na dia mamiko aza eto
Mbola tiako Hianao.

FF 52 - Avia torio Kristy

Isan’andininy :
Ry tanora ô ! avia !
Mitsangàna, mitoria
Ambarao ‘lay famonjena
ka sahia
Avia, avia, torio Kristy.

 

1 Fa vory amintsika izao ny hery
Ka mendrika hanaovan-tsoa
Meteza ka ampio ‘reo
mbola very
Ho mpino toa antsika koa.

2 Anio miandry antsika
ny tontolo
Hitondra hazavana soa
Isika izay voataiza 
sy voakolo
No indro irahan’i Jesoa.

3 Ny herin’ny fanahy
no momba antsika
Hahatomombana ny dia
Andeha amin’ny endrika
sariaka
No hitoriana an’i Kristy.

FF 53 - Havaoziko ilay voady

Tsy ho toy izao,
ity mpanomponao
Raha toa tsy tao tokoa
ny fahasoavanao
‘Zay nanohana 
‘lay hery kely
tao am-poko
Nahazoako mba nanao
asam-panompoako.

 

Isan’andininy :
Indro fa havaoziko,
ry Jesoa
‘Lay voady
miorin’ao am-po
Ny andro ivelomako
‘Zay omenao iainako
Dia atokako sy mbola
hitoriako
Ilay fitiavanao !
Ny asa izay
nataon’i Jesoa
Dia tsapako ao am-po
Fa tsy dia toy inona
sy bitika tokoa
Nefa na izany aza
dia inoako koa
Fa ‘zay kely vitako :
hitera-bokatsoa.

Na ho lava na ho fohy
ny androko ety
‘Zaho dia irakao,
ry Jesoa Tompo be fitia
Ka ilay fitiavanao
miorim-paka anaty
Ho hany herim-pitokiana
mandra-maty.

FF 54 - Ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana

1 Mandrosoa hatrany
Aza kivy foana
Zava-tsoa tsy lany ao anaty
Ny finoana.

 

Isan’andininy:
‘Reto no miray (indray)
Hery lehibe tokoa
(tokoa)
Dia ny finoana
Ny fanantenana
Ny fitiavana.

2 Tano tsy ho very
Ny fanantenana
Fa mitondra hery
Eny an-dàlana ombana.

3 Aina vaovao
Herin’ny fanahy
Ny fitiavanao
Ka tanako tokoa ho ahy.

 
PREDICATION / TORITENY

Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle (Fjkm Montrouge Paris) 
prédication du dimanche 12 décembre 2021
PREDICATION / TORITENY

Pasteur Ny Ilo Jihy RAMINOARINOSY 
prédication du dimanche 21 novembre 2021 à la FJKM Montrouge Paris
PREDICATION / TORITENY

Pasteur Tahina 
prédication du dimanche 7 février 2021 à la FJKM Montrouge Paris
ÉVÈNEMENTS
Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafalinirina Lalao Angèle - 29 Febroary 2020
>>> Voir les photos
©FJKM Montrouge Paris Fiorenana SP37 1985 - 2024.