^Back To Top

En direct



Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris Fiorenana (SP37) - Au Temple de l'Eglise Protestante Unie (EPU) - 64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge

Accès par :   Métro4 Mairie de Montrouge   /   Bus 68 Place Jean Jaurès   /   Périphérique Porte de Chatillon   /   G.P.S. : fjkm montrouge [ lancer GPS ]


PROCHAINS CULTES

Culte de cet après-midi : à 15h15 à Montrouge.

28AVR24

 

 Soyez bénis !

ⓘ Info 

CONSIGNES SANITAIRES

Chers frères et soeurs en Christ,

 

Les consignes sanitaires ont été levés. Cependant pour le bien de tous pendant les cultes, nous pouvons toujours appliquer les bons réflexes, à savoir :

  •  en cas de signes suspects, porter un masque jetable,
  •  Se laver les mains aussi souvent que possible, avec du savon ou du gel hydroalcoolique,
  •  Tousser et éternuer dans son coude,
  •  Utiliser un mouchoir à usage unique,
  •  Respecter toutes les signalisations installées dans les locaux utilisés,
  •  Aérer chaque pièce de vie,
  •  Enfin, par précaution, ne pas venir en cas de doute sur son état de santé, même si les symptômes ne sont pas liés au Covid.

Nous comptons sur votre compréhension, pour la santé de tous et pour la gloire de notre Seigneur.

 

Le Bureau de l'Eglise FJKM MONTROUGE PARIS

 

Cantique N° :

FIHIRANA F.F.P.M

ANDRIAMANITRA RAY

1. NY FIDERANA SY FISAORANA AZY

1 - Andriananahary masina indrindra!

1 Andriananahary
masina indrindra
Ny anjelinao izay
mitoetra aminao
Mifamaly hoe :
Masina indrindra
Andriananahary,
Telo Izay Iray.

2 Andriananahary
masina indrindra
Na tsy hita aza izao
ny voninahitrao !
Masina indrindra
Hianao irery.
Andriananahary,
Telo Izay Iray.

3 Zava-manana aina
samy mankalaza
Sady manambara Anao
Izay tompony izao ;
Hianao irery
no mitahy azy,
Andriananahary
Telo Izay Iray.

4 Andriananahary
feno hatsarana !
He, ny fitahianao
izay mpanomponao,
Tsara dia tsara
ny omenao azy,
Andriananahary
Telo Izay Iray.

5 Andriananahary
masina indrindra
Izahay mpanomponao
ta-hankalaza Anao
Feno fahendrena,
feno fiantrana
Andriananahary,
Telo Izay Iray.

2 - Misaora an'i Zanahary

(Maintimolaly)
1 Misaora an’i Zanahary
Izao olona tontolo izao,
Dia mankalaza Azy
Fa anton’izao rehetra izao.

2 Izay zavatra nomeny
Mahafaly, mahasoa
Toy ny andro fararano
Toy ny andro mipoaka

3 Dia ampitomboy ny sainay
Hahalala ny teninao,
Hahafantatra marina
Izay sitraky ny fonao.

3 - Isaorana anie Andriamanitsika

1 Isaorana anie
Andriamanintsika,
Fa fitahiam-be
Omeny ho antsika ;
Hatreo am-bohoka
Ka mandraka antitra
Isika henika
Ny soan’ny lanitra.

2 Tsy mety tapitra
Na lany ny hareny ;
Tsy hita faritra
Ny sisa izay homeny :
Fanahy sambatra
Sy fo miadana
No efa santatra
Izay ananana

3 Ny Ray sy Zanaka
Sy ny Fanahy koa,
Derain’ny masina
Ho Tompo iray tokoa ;
Andriamanitray
Be fahasoavana
No anateranay
Izay fisaorana.

4 - Mamy ny fitianao

1 Mamy ny fitianao,
Ry Jehovah Tomponay ;
Foinao ny Zanakao,
Ho Mpanavotra anay
Tsy mba misy tokinay
Afa-tsy ny Zanakao.
Ka misaotra Anao izahay
Noho ny fitianao.

2 Mamy ny fitianao,
Mahafaly fo tokoa ;
Izahay avelanao
Mba hibebaka avokoa.
Lasa lavitra izahay,
Nefa notadiavinao ;
Efa ratsy izahay
Nefa tsy nafoinao.

3 Mamy ny fitianao,
Izay andraisanao anay
Honina ao an-dapanao
Raha ho faty izahay ;
Noho ny ratsy izay natao,
Loza no anjaranay,
Nefa namboaranao
Paradisa izahay.

4 Mamy re, ry Tomponay !
Izao fitianao izao.
Ka indreto izahay
Avy mba hisaotra Anao
Raiso re izao saotra izao
Fa fanati-tsitrapo ;
Tsy mba mendrika ho Anao,
Nefa vokatry ny fo.

5 - Jehovah, Ray an-danitra

1 Jehovah, Ray an-danitra,
Mpamelona anay !
Tsinjovy ny mpanomponao,
Tsarovy izahay.

2 Jehovah, Ray mamindra fo !
Henoy ny hatakay ;
Ekeo sy raiso ho Anao
Ny dera entinay.

3 Jehovah, Ray mahari-po !
Vonoy ny helokay ;
Diovy ny fanahinay,
Velomy izahay.

4 Jehovah Ray ! ny antranao
No itokianay ;
Ambara-pahafatinay
Hisaoranay Hianao.

6 - Avia, miondreha

1 Avia miondreha,
Ry vazan-tany ô !
Fa lehibe Jehovah,
Sy masina tokoa ;
Miankohofa tsara,
Manatona Azy izao,
Haneho fanajana
Ilay Mpanao anao.

2 Andriananahary,
Manaiky izahay
Fa Aminao ny hery
Tsy hay toherina ;
Tsy misy maharara
Ny tianao hatao,
Fa Hianao Mpitondra
Izao rehetra izao.

3 Re any lavitra any
Izao ny herinao,
Ka isam-bazan-tany
Hiondrika Aminao ;
Mpanjaka sy Mpitsara
Mahery Hianao ;
Miadana ny tany
Miankina Aminao.

7 - Misaora an'Andriamanitra

1 Misaora an’Andriamanitra,
Izay nanao ny lanitra,
Namorona ny tany koa
Sy izay rehetra mahasoa

2 Derao ny voninahiny,
Ankalazao ny heriny,
Jereo ny fitiavany
Tsy tambonao tononina

3 Dia avy izahay izao,
Ry Tompo be fitia ô !
Miondrika eo imasonao
Midera ny Anaranao

4 Isaorana mandrakizay
Hianao, Andriamanitray !
Ny haja be indrindra izao
Atolotray mpanomponao.

8 - Dera, Laza, Hery, Haja

1 Dera, laza, hery, haja,
Ho an’Andriamanitra
Tompon’aina, Zanahary,
Rain’ny voninahitrao.
Izy no Mpanao antsika
Sady ivelomana ;
Fototr’aina, foto-tsoa,
Izy ivavahana :
Hihira isika hoe :
Haleloia !
Dera ho an’Andriamanitra.

2 Ray tsy toha, tsy miova,
Tia sy mamindra fo,
Mahasoa isan’andro,
Izy no isaorana ;
Vatolampy tsy mifindra,
Tokin’ny olombelona ;
Fiarova-mahavonjy,
Izy itokianay :
Hihira isika …sns.

9 - Ry Tompo Zanaharinay!

1 Ry Tompo Zanaharinay !
Manati-tsaotra izahay,
Fa efa novelominao
Ka tratr’izao anio izao.

2 Ny aizina efa lasa izao,
Mazava no naposakao ;
Levony koa ny otanay,
Ka hazavao ny hevitray.

3 Ny asanay hatao anio
Atrehonao ka mba tahio,
Hatao ho voninahitrao,
Handraisanay ny antranao.

4 Derainay Hianao, ry Ray !
Derainay Jeso Tomponay.
Derainay ny Fanahy koa,
Derainay fa Mpanisy soa.

10 - Ry Tomponay Tsitoha ô!

1 Ry Tomponay Tsitoha ô !
Mpanao izao tontolo izao,
Ankalazainay Hianao
Fa lehibe ny herinao.

2 Ny hiran’ny anjelinao
Manerana ny lanitra
Manehoeho fatratra
Ny hobin’ny voavotra.

3 Fa masina, fa masina
Fa masina i Jehovah !
Ka henika ny lazanao
Ny tany sy ny lanitrao

4 Ireo mpitory irakao
Mihoby eo anilanao,
Nahefa fanompoana,
Nihira ny fisaorana.

5 Izao olona rehetra izao
Dia mino sy manaiky Anao
Ho Ray tsy miova sady to,
Mahery sy Mpamindrafo.

6 Ny Zanakao nirahinao
Sy ny Fanahy Masinao
Isaoranay Anao, ry Ray,
Fa foto-pamonjena anay !

7 Ry Kristy ô, Mpanjakanay,
Mitovy hery amin-dRay
Ny fitiavanao anay
No nisoloanao anay.

8 Ny lozam-pahafatesana
Novanao ho fiainanana,
Izany no hiananay
Na eto na rahatrizay.

9 Ao an-kavanan-dRainay ao
No itoeranao izao,
Fa mbola hidina indray,
Hitsena sy handray anay.

10 Ka faly fa haíditra
Ho mponina ao an-danitra
Izahay izay navotanao,
Hiombon-dova Aminao.

11 Tariho làlana izahay
Vimbinonao ny dianay
Ho isan’andro vaky izao
Hambaranay ny lazanao.

12 Vonjeonao ry Tompo ô !
Vonoy ny ratsy ao am-po,
Ka hasoavy izahay,
Ambara-pahafatinay.

13 Fa lehibe ny antranao,
Mahery koa Hianao,
Ka dia matoky izahay,
Ry Tompo Zanaharinay.

11 - Endrey ny voninahitrao

1 Endrey ny voninahitrao
Ry Ray Tsitoha ô !
Endrey ny fiandriananao
Hajainay eram-po.

2 Ny herinao, ny andronao,
Dia mandrakizay !
Ny lanitra mitsaoka Anao
Ry Andriamanitray.

3 Ny tavanao mamiratra
Ny fahamasinanao
Sy hery tapitr’ohatra
Ny fahendrenao soa.

4 Endrey, matahotra aho izao,
Ry Tompo Masina ô !
Mangovitra eo imasonao
Sao dia lavinao.

5 Na dia ambony Hianao,
Dia nidina amiko
Nitondra fihavanana,
Ka dia mba tiako.

6 Koa aiza re no misy ray
Mitovy Aminao :
Mikarakara tsara anay
Izay natsanganao.

7 O, mahagaga Hianao,
Ry Tompo tia anay,
Ny fonay dia hatoky Anao
Ambara-podinay.

12 - Jehovah ô, derainay Hianao!

1 Jehovah ô, derainay Hianao !
Ankalazainay ny Anaranao !
:,: Izao rehetra izao manaja
Anao
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

2 Mpanjakanay sy Tompo
Masina
Omenay eram-po ny hasina
:,: Izao rehetra izao mihoby
Anao
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

3 Ry Masina manerinerina,
Jehovah be fitia sy marina !
:,: Izao rehetra izao misaotra
Anao
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

4 Manerana izao tontolo izao
Ny laza sy ny voninahitrao,
:,: Izao rehetra izao hanoa
Anao
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

5 Andriananahary Masina ô !
Tanteraka ny fiandriananao,
:,: Izao rehetra izao mitsaoka
Anao
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

13 - Misaora ny Mpahary

1 Misaora ny Mpahary,
Tsarovinao ny asany
Misaora ny Mpahary
Derao ny soa vitany !
Ny helokao rehetra
Dia voavelany,
Fa tsy mba misy fetra
Ny fitiavany :
Ny Zanany nafoiny
Mba ho mpamonjinao,
Ka hianao nantsoiny
Handray ny aim-baovao.

2 Ny toky izay nomeny,
Sy ny fahasoavana,
Maharitra ireny
Tsy manam-pahataperana,
Avelany tokoa
Ny hatezerany,
Ka tsy mba hahavoa
Antsika olony,
Fa Izy mahalala
Ny toetsika atý,
Ka tena Ray mandala
Antsika zanany.

3 He, toy ny voninkazo
Ny ain’ny olombelona,
Tsy ela dia malazo
Ka tena mora levona,
Fa Jeso manan-kery
Hamoha fasana,
Tsy hisy izay ho very
Ny olo-masina ;
Isika vovotany
No namboariny
Hiombom-panjakana
Sy laza aminy.

4 Misaora ny Mpahary,
Ry tany sy ny lanitra !
Ry zava-boahary,
Derao Andriamanitra !
Ry irany mahery
Manao ny sitrany,
Ry zanany izay very,
Kanefa hitany,
Misaora Azy àry,
Fa heniky ny soa,
Misaora ny Mpahary,
O, ry fanahiko !

14 - O, ry tany rehetra avia izao

1 O, ry tany rehetra, avia izao
Hidera ny Tompo
Mpanavotra anao
Ny Tompo miantso
antsika hankao
Anatrehany, mba
hohasoaviny ao :
Dera, laza anie
Voninahi-dehibe,
Ho Anao, ry Tomponay
Tsitoha ô !
Amen.

2 He, Jehovah miantra
antsika izao,
Ka dia manolotra
antsika indray
Ny endriny mbamin’ny
aina vaovao ;
Eny, Izy Manaiky
tokoa ho Ray
Dera, laza, ..sns.

3 Asandrato ny feo hihoby
hoe :
Isaorana mandrakizay
Hianao,
Ry Tompo Mahery,
Izay manome
Ho anay olom-bery
ny aina vaovao ;
Dera, laza, ..sns.

15 - Avia hankalaza

1 Avia hankalaza
Ny Tompo lehibe,
Fa feno hery, haja,
Jehovah Masina e
Andeha mitambara,
Ry vazan-tany ô !
Miankohofa tsara
Hanaja Azy izao.

2 Ry Tomponay Tsitoha
Indreto izahay,
Manondrika ny loha,
Midera Anao, ry Ray
Ny fonay sy ny hery,
Fanahy, saina koa,
Omena Anao irery,
Ka anjakao tokoa.

3 Mpanjaka tena hendry
Hianao, ry Tomponay,
Ka tena mahakendry
Izay hahasoa anay ;
Na misy toa mangidy
Ny fitondranao soa
Ny saina sy safidy
Manaiky Anao tokoa.

4 Manerana ny tany
Izao ny lazanao,
Ka be tsy hita lany
Ny voninahitrao ;
Koa hira fiderana
Ventesinay izao
Haleloia, Hosana !
Mba raiso ho Anao.

16 - Avia, ry vazantany ô!

1 Avia ry vazan-tany ô !
Sy mponina ao an-danitra
Miraisa feo ka mihirà
Ny fanavotan-dehibe,
:,: Izay amonjena marobe,
Dia vita re ka miderà :,:

2 Avia ry fiangonana ô !
Mba asandrato re ny feo
Hidera ny Mpanavotra ;
Na atý an-efitra aza izao,
:,: Hirao am-pandehanana
Ny hira soan’i Ziona :,:

3 Avia ry voavonjy ô !
Ka mifalia avokoa,
Fa afa-doza hianareo ;
Miraisa feo, ka mihirà,
:,: Derao, derao, fa mendrika
Ilay nanavotra anareo :,:

4 Avia ry olom-bery ô !
Izay mandre ny teny soa
Hoe : « Manatòna Ahy izao »
Anio ny Tompo mba fidio ;
:,: Ny fitiavany valio ;
Ny fiderany koa hirao :,:

17 - Haja sy voninahitra

(Maintimolaly)
1 Haja sy voninahitra
Omena an’Andriamanitra,
Fa Izy ihany no mahefa
:,: Izay sitrakin’ny fony :,:

2 Masina, tsy azo haratsina,
Mahery, tsy azo resena ;
Marina, tsy azo laingaina ;
:,: Hendry, tsy azo fitahina :,:

3 Ny am-po toy ny am-bava;
Ny maizina toy ny mazava
Ny takona toy ny miseho ;
:,: Tsy misy àry tsy hitany :,:

4 Tsy miova ny fombany ;
Lehibe ka tsy oharina ;
Tia, tsy azo arovana ;
:,: Miantra, tsy azo ferana :,:

5 Saotra amam-bavaka atao
Dera sy laza ho Azy ;
Izy no ivavahana
:,: Fa anton’izao tontolo
izao :,:

18 - Ny feonay rehetra izao

1 Ny feonay rehetra izao
Dia entinay midera Anao,
Ry Andriananaharinay !
Na ambany aza izahay,
:,: Dia tianao :,:
Ry Andriananaharinay !

2 Ny andronay rehetra izao
Dia entinay manoa Anao,
Ry Tompo sy Mpanjakanay !
Satria izao dia fantatray
:,: Fa tianao :,:
Ry Tompo sy Mpanjakanay !

3 Ny hevitray rehetra izao
Dia enti-mankalaza Anao,
Ry Tompo Mpanasoa anay !
Mpitahy ny fanahinay,
:,: Fa tianao :,:
Ry Tompo Mpanasoa anay !

4 Ny herinay rehetra izao
Dia iasanay ho Anao,
Ry Aronay sy Tanjakay !
Miezaka tokoa izahay,
:,: Fa tianao :,:
Ry Aronay sy Tanjakay !

3 Rehefa alainao izahay,
Ka tapitra ny andronay,
Hamantana any Aminao
Izahay arý an-danitrao,
:,: Fa tianao :,:
Hamantana any Aminao.

19 - Misaotra Anao zahay izao

1 Misaotra Anao izahay izao,
Jehovah Ray !
Fa efa notohizanao
Ny andronay,
Ka tonga atý an-tranonao
Indray izahay.

2 Misaotra Anao izahay izao,
Ry Mpanome !
Ny soa avy Aminao
Tsy lany re,
Fa isan-andro misy izao
Ka maro be.

3 Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry Rainay soa !
Ny helokay navelanao
Nefa iza moa
No mahalaza izay natao ?
Fa be tokoa.

4 Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry mora fo !
Ny mafy tsy sakananao
Fa mba hanjo,
Fa be ny fanirianao
Anay hadio.

5 Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry Tomponay !
Ao aminao an-danitrao
Honenanay,
Fa misy fitsaharana ao
Mandrakizay.

20 - Tsaroanay tokoa izao

1 Tsaroanay tokoa izao
Ny soa be noraisainay
Tsy tapaka avy taminao
Ry Andriananaharinay !

2 Ny lasa itodihana
Dia mampiseho avokao
Ny tanam-pitiavana
Miahy sady manasoa.

3 He ! koa ity andronay ity,
Izay diavinay izao,
Dia voahodidina erý
Ny fitahiana aminao !

4 Dia tokinay tokoa izao
Fa mbola ho arovanao
Anio, ampitso, rahatrizay,
Izay miankina Aminao.

5 Ka dia mba velomy re
Atý anatinay ny fo
Hahay misaotra Anao anie
Ry Rainay be famindram-po !

2. NY ASANY AMIN’NY FAMORONANA

21 - Derao Andriamanitra

1 Derao Andriamanitra
Ry vazan-tany efitra,
Fa izy no mamindra fo,
Ka mety manome ny zo,
Naniraka ny Zanany
Hanavotra ny olony !
Ny sandriny tsy toha re,
Fa manan-kery lehibe.
Malaza ny Anarany,
Fa lehibe ny asany.

2 Ny zavatra rehetra e
Ny ranomasin-dehibe,
Ireo tendrombohitra,
Ny saha feno ahitra,
Ny hazo sy ny vorona
Ny vato sy ny zavona,
Ny voninkazo manitra,
Ny endriky ny lanitra
Dia samy tsy mijanona
Midera ny mpamorona.

3 Ry olona navotana
Mba mitsangàna faingana,
Ka miderà ny Tomponao,
Izay nanavotra anao,
Fa he, ny voninahiny
Manerana ny taniny
Tendreo ny valihanao
Ka miventesa hira vao :
Ry voavonjy ô, derao ny Ray
Mpamorona anao !

22 - Ry Rainay Izay namorona

1 Ry Rainay Izay namorona
Izao rehetra izao,
Ny hita sy ny takona
:,: Dia asan-tananao :,:

2 Ny volana aman-kitana,
Ny biby marobe,
Ny ala maitso mavana
:,: Hitsaoka Anao anie :,:

3 Ny tany sy ny lanitra,
Ny ranomasina,
Ireo tendrombohitra
:,: Manolo-kasina :,:

4 Ny ory sy ny mpanana,
Dia fototra iray,
Fa samy asan-tanana
:,: Nataonao Tomponay :,:

5 Dia saotra no atolotray,
Anao, ka raisonao,
Fa fanomezan-ko anay
:,: Ny asan-tananao :,:

23 - Tsy misy zava-mahasoa

1 Tsy misy zava-mahasoa,
Andriamanitra ô !
Izay tsy nataonao ho anay
Mba hifalianay.

2 Tsy misy singan’ahitra,
Na ravin-kazo koa,
Izay tsy amantaranay
Fa hendry Hianao.

3 Ny kintana mazava erý
Maneho avokoa
Fa sitrakao hanafaka
Ny aizina aminay.

4 Izay rehetra tazanay
Dia voninahitrao ;
Izay rehetra takona
Milaza izany koa.

5 Ny tany sy ny lanitra
Nataon’ny herinao
Dia azo ianarana
Ny famindramponao.

24 - Ny lanitra ao ambony ao

1 Ny lanitra ao ambony ao,
:,: Andriamanitra ô !
Izay rehetra vitanao
Dia mahagaga anay. (in-3)

2 Ny volana aman-kitana,
:,: Ny masoandro koa,
Ny tany aman-danitra,
Mitory avokoa. (in-3)

3 Ny andro amana alina,
:,: Milaza aminay
Fa hendry Andriamanitra,
Jehovah Tomponay. (in-3)

4 Ny tenanay, fanahy koa,
:,: Dia avy taminao
Ka mampiseho tsara koa
Ny voninahitrao. (in-3)

5 Izay rehetra vitanao,
:,: Atý sy any koa
Miara mankalaza Anao
Fa Tompony tokoa. (in-3)

3. NY FAHATSARANY AMIN’NY FITONDRANA

 

25 - Andriamanitra hendry

(Maintimolaly)
1 Andriamanitra hendry,
:,: Loharanon-tsaina :,:
:,: Ka manolo-pahendrena
Izay manaiky Azy :,:

2 Andriamanitra mahay,
:,: Izao rehetra izao :,:
:,: Ka Izy no akana saina
Hahahendry antsika :,:

3 Ary isika mila saina,
:,: Hanitsy antsika :,:
:,: Amin’ny fianarana
Hanarahana Azy :,:

4 Izy no ihavian’
:,: Ny soa rehetra :,:
:,: Hiainana mandrakizay,
Ka Izy no omen-tsaotra :,:

26 - Jehovah tsy mba manadino

1 Jehovah tsy mba manadino
Ny mpanompony manoa,
Fa hotsarovany ireo mino
Nofidiny ho Azy koa.
Manerinerina ambony
Ny fiandrianany ;
Kanefa kosa re ny fony
Mitsinjo izay ambany.

2 Izaho dia ravoravo
Ka midera Azy izao ;
Fahasoavanao, Ry Avo,
No namonjy hatrizao,
Fahavokisan’ny fanahy
Ary fisandratana
No hotantaninao ho ahy :
Ny foko mankalaza.

3 O, mifalia ry Israely,
Fa vonjen’ny sandriny ;
Mba matokia dia hahery
Antsoy ny Anarany :
Mpanomponao ity mitalaho,
Ka henoy ny hatako,
O, ry Mahery, inty aho !
Ny sitrakao ekeko.

4. NY FAHASOAVANY AMIN’NY FANAVOTANA

 

27 - Fitiavana tokoa

1 Fitiavana tokoa re,
ny Ray an-danitra
Fa manolo-java-tsoa
Tena mahasambatra
Ho antsika izay mpanota,
Ory, osa, rera-po,
Izy masina sy to
Ta-hanaisotra ny ota
Noho ny fanavotana
Vitan’i Jesosy e !

2 Tsy ho very, ry mahantra
Sy miferin’aina izao,
Fa ny Ray Izay feno antra,
Aoka mba hinoanao.
Sambatra ny voavela
Heloka tokoa re,
Fa Jesosy manome
Fanavaozam-po sy lela,
Hira fideram-baovao
No ho re an-dalalanao.

3 O, ry Rainay be fitia,
Mba ampio izahay,
Tsy ho kivy, tsy hania
Ao am-pandehananay,
Fa handroso mba hankany
Aminao an-danitra.
Ry Andriamanitra,
Be ny loza atý an-tany
Fa ny ranomasonay
Faohinao rahatrizay.

28 - Zanahary tsy mba tia

1 Zanahary tsy mba tia
Ny fahaverezanao
Izy, Rainao be fitia,
Tsy mba mahafoy anao.
Ny famoizam-po ario,
Fa Jesosy itokio,
Mba hatoninao anio
Ilay be fahasoavana !

2 Izy dia nitady ela,
Vao nahita anao izao ;
Mifalia, tsy ho ela
Dia hody hianao.
He, ry ondry saiky very,
Ory, osa, feno fery,
Ny Mpamonjy manan-kery
Hahasitrana anao !

3 Ny ao an-danitra mifaly,
Raha misy miova fo,
Ary any ny anjely
Miramirana avokoa.
Fo marary dia tsaboiny,
Ahiahim-po vonoiny,
Fiadanana lazainy ;
Sambatra isika re !

29 - Ry foko, mitsangàna izao

( Hira Paska )
1 Ry foko, mitsangàna izao
Ka miderà ny Tomponao,
Andriamanitsika.
Nasehony ny heriny.
Ny fasana levoniny
Tsy hahatàna antsika.
Derao ! Hobio !
Haleloia sy hosana,
Fanjakana :
Azy Tompom-pahefana.

2 He ! vitanao Mpanavotra
Ny lova mahasambatra :
Ny fasana resenao.
Mahazo toky fatratra,
Ny mitomany, sasatra :
Ny lanitra vohanao.
Jeso Kristy
Izay nitsangana maraina
Tompon’aina :
Andro Paska, arahabaina.

3 Derao ny voninahiny !
Ankalazao ny heriny,
Fa resy re satana.
Ry tany sy ry lanitra,
Derao Andriamanitra
Akaro ny hosana.
Raiso Tompo,
Raisonao ny voninahitra
Aman-dera :
Ho anao, ry Zanakondry.

30 - Paradisako, ry Jeso

1 Paradisako ry Jeso,
Fifaliako Hianao ;
Lanitry ny foko eto
Sy Edenako vaovao !
Paradisa soan’ny foko
Eto an-tany Hianao ;
Eny, fanaperan-tsoako
Ao an-danitra vaovao.

2 Volafotsy, volamena,
Vatosoako Hianao.
Zava-tsoako sy harena
Miafina ao an-danitra ao.
Paradisa ..sns.

3 Zo sy hajako tokoa
Hianao Mpanavotro.
Haingo sarobidy koa,
Satro-boninahitro.
Paradisa ..sns.

4 Zavatra rehetra ho ahy
Hianao, ry Jeso tia ;
Fianinan’ny fanahy,
Fiadanako doria.
Paradisa ..sns.

31 - Misaotra Anao, izahay ry Ray

1 Misaotra Anao izahay, ry Ray,
Fa sitrakao homena ho anay
Ny Zanakao malalanao ;
Ilay tokanao no he natolotrao.
Atolotray ny saotranay,
O ! Raisonao anie Jehovah
Ray.

2 Misaotra Anao, Jesosinay,
Ny fitiavanao tsarovanay :
Nalatsakao ny rànao soa
Hanavotra aina ny
mpanota voa ;
Atolotray ny saotranay
Ka raisonao e, ry Jesosinay.

3 Misaotra Anao, Fanahy koa,
Mamelona sy monina
ao am-po.
Havaozy ao anaty ao
Ho tonga lapanao madio
sy vao
Atolotray ny saotranay
Ka raiso, ry Fanahy tokinay.

32 - Misaotra Anao Izahay

1 Misaotra Anao izahay
Jehovah Tompo ô !
Fa efa naharay
Ny soa taminao.
Ka lalandava no
Isaoranay Anao
Ho eo am-bavanay tokoa
Ny teninao.
2 Fa reharehanay
Sy famonjena koa
Ny Tompo tia anay,
Tsy manam-paharoa.
Ny fandresena soa,
Ny fiononam-po
Dia avy taminao,
Ka hery manavao.
3 Ny olo-mino Anao
Sy ireo mpanomponao
Na velona na maty,
Dia misaotra Anao.
Ka sambatra tokoa
Fa manana Anao
Izahay, ry reharehan’
Ny Fanahy ô !

33 - Tompo ô, tsy takatray

1 Tompo ô, tsy takatray
Ny hasoan’ny antranao ;
Zava-mahagaga anay
Ny fitiavanao.
He, mpanota izahay,
Nefa hasoavinao ;
Avotr’aina azonay,
Misaotra no atao.

2 Tompo ô, Mpanjakanay,
Fatratra ny herinao :
Ts’isy zavatra izay
Mahasakana Anao !
Nefa mora fo Hianao
Fa mandefitra aminay,
Koa dia misaotra Anao
Fa afaka izahay.

3 Tompo Andriamanitray,
Avy izahay izao :
Raiso ny fiainanay ;
Anao, ka anjakao.
Tompo ô, tsy takatray
Ny hasoan’ny antranao ;
Zava-mahagaga anay
Ny fitiavanao.

34 - Tompo ô, Tsitoha

1 Tompo ô, Tsitoha
Zanaharinay,
Asan-tànanao re
Izao rehetra izao.
Mahagaga indrindra
Ny fahaizanao
Entinao mitondra
Sy miasa ao.

2 Hianao, Jehovah
Ao mandrakizay
Na miovaova
Izao rehetra izao.
Mahagaga indrindra
Ny fitiavanao
Tsy mba mety miova
Ny mandao anay.

3 Ray niandohana
fony fahizay ;
Mbola hiafarana
koa rahatrizay.
Raiso moramora
re ny Zanakao.
Raha tonga ny ora
hiantsoanao.

35 - Isaoranay, ry Ray

1 Isaoranay, ry Ray,
Ny fitiavanao ;
Fa indro azonay
:,: Ny taombaovao :,:
Ry Tompo ô, ambeno,
Izao fifaliana izao
Ka aoka re ho feno
Ny hasoavanao.

2 Ny taona vao lasa
Nipaoka olon-tsoa
Ireny mba nikasa
:,: Mba ho tafita koa :,:
Ny fitondràna anefa
Afeninao, ry Ray !
Ka nony miantefa
Vao sina izahay.

3 Fanahy ô, avia
Hitari-dàlana e !
Mandroso izao ny dia
:,: Hamaky rano be :,:
Ny herinao tsy lefy
No tanjaky ny fo
Ka ampy mba ho fefy,
Raha avy ny manjo.

4 Itoero, Jeso tia
Ny sambonay re !
Na tony na maria,
:,: ‘Ty ranomasim-be :,:
Raha Hianao no hita
Tsy fefika izahay
Ambara-piampita
Arý an-tratran-dRay.

36 - Moa ho haiko tantaraina ny hasoavanao

1 Moa ho haiko tantaraina
Ny hasoavanao ?
Mifamatra tamin’aina
Ny fitiavanao.
Ny vahoaka sesehena.
Izay nahazo famonjena
No hidera Ilay Mpamonjy soa.
Jeso no derao, Jeso no derao :
Izay nataony ambarao :
Jeso no derao.

2 Hoderaina lalandava
Ny Anaranao,
Fa ny aizina nisava
Eo imasonao :
Na tsy tian’ny sasany aza
Ny Anaranao malaza,
Izaho kosa hankalaza Azy re.
Jeso no derao, Jeso no derao :
Izay nataony ambarao :
Jeso no derao.

JESOSY KRISTY TOMPO
1. NY FIHAVIANY SY NY FIVERENANY

 

37 - Mihainoa ry Ziona, ô!

1 Mihainoa, ry Ziona ô !
Avy ny Mpanjakanao !
Re hatrany lavitra
Fa hobin’ny olona.
Mifalia hianao
Indro Izy, ka tsenao !

2 Indro Ilay miakatra
Mila tsy ho fantatra
Ho Mpanjaka marina,
Fa mietry lalina ;
Izy no Mpanjakanao,
Ry Ziona ka derao !

3 Mandrosoa, Tompo ô !
Mba hanjaka amiko !
Faly re ny olonao
Raha tonga Hianao,
O, hosana, Tomponay !
Ry Ilay nandrasanay !

38 - He, hosana!

He, hosana !
Isaorana anie ny Mesia,
Izay nalefan’ny Tompo,
Ka hosana no asandratray ;
:,: Ilay nirahinao, ry Tompo :,:
:,: No derainay :,:
:,: Ka hosana
no asandratray :,:

39 - Faingàna, ry Mpanjaka!

1 Faingàna, ry Mpanjaka !
Handray ny lovanao ;
Faingàna re mba haka
Ny tany ho Anao ;
Avia hampifaly
Ny malahelo fo ;
Afaho ny mijaly
Sy azon’ny manjo.

2 Avia, fa misento
Atý ny olonao ;
Ny fanjakana ento,
Fa Tompo Hianao.
Tsy hisy hitomany
Eo anatrehanao.
Hiadana ny tany
Izay alehanao.

3 Ny tendrombohitra avo,
Ny lohasaha koa,
Ho tonga ravoravo
Sy tretrika avokoa ;
Ny be tsy haka an-kery,
Ny kely afa-po ;
Tsy hisy izay ho very
Tsy hisy izay hanjo.

4 Mpanjaka sy Mpiaro
Mahery Hianao ;
Ny firenena maro
Hitoky Aminao ;
Ho avy lalandava
Izao rehetra izao
Hitondra harem-bevava
Ho eo an-tongotrao.

5 Faingàna, ry Mpamonjy,
Ry Tompo be fitia ,
Ny olonao tra-bonjy
Miantso hoe : Avia !
Anao ny fiderana,
Anao ny laza be,
Anao ny fanjakana
Sy arahaba e !

40 - Tonga ny fahazavan'i Ziona

1 Tonga ny fahazavan’i Ziona,
Ravo ny tany izay maizina teo
Tapitra koa ny andro misaona,
Ary ny tany miadana izao.

2 Tonga ny fahazavan’i Ziona,
Efa nandrasana izay ela izay,
Izao dia tapitra ny
fanompoana,
Ka ampodina ny babo indray.

3 He misy rano izay miboiboika
Any an-efitra maina sy lao,
Feno ny hobiny ny lohasaha,
Manakoako ny hira vaovao.

4 Indro ny tany sy nosy rehetra
Dia mankalaza ny Tompo
izao,
Ny fanjakany dia tsy
manam-petra,
Miravoravo ny tany vaovao.

 

41 - Indro Jeso mandondòna eo ambaravaram-po

1 Indro Jeso mandondona
Eo am-baravaram-po,
Injao ny feony mifona
Mba haneho indrafo,
Aoka izy hovohàna,
Fa mitondra famelàna
Hampahery sy hitana
Ny fanahinao sy fo

2 Efa novidiny lafo
Mba ho afaka hianao ;
Izy hiara-misakafo
Sy hifaly aminao ;
Fahasoavana zaraina,
Lova ampanantenaina,
Iray ny vatsy, iray ny aina
‘Ndrey, ny hasambaranao !

42 - Vohay ny varavaram-po

1 Vohay ny varavaram-po !
Ilay Mpanjaka manan-jo,
Mpamonjy izao tontolo izao
No tonga hanasoa anao.

2 Ny teny fanasana atao
Mitondra tena aim-baovao,
Ny fahoriana manjo
Afahan’ny famindrampo.

3 Mba mihainoa, maneke,
Fa sambatra izay mandre,
Ka anjakan’ny Tompo to,
Izay feno antra, mora fo.

4 Ny andron’aina mitatao
No mahafaly fo izao,
Mamiratra sy manome
Fanantenana lehibe.

5 Ny vavahady mba vohay !
Finaritra izay mandray,
Fa tonga ilay Mpanjaka soa
Hanao ny asany tokoa.

6 Sokafany ny fo izao,
Ry Jeso, mba hidiranao,
Ny fahasoavano anie
Hananay harena be.

7 Atolotray, ry Tompo ô !
Mba hahatamana Anao ny fo,
Ny famonjena vitanao
No iankinanay izao.

43 - Manenoa, ry farara

(Maintimolaly)
1 Manenoa, ry farara !
Horohoroy, ry tany !
Ka miantsoa ny maty,
Fa akaiky ny Mpitsara;
:,: Indro ! Kristy :,:
Avy amin-drahona !

2 Ny feony no hampifoha
Ny any am-pasana ;
Ny teniny no hamory
Ny velona rehetra ;
:,: Samy handray :,:
Ny valin’ny nataony.

3 Ny tsy mino hilazany :
“Mialà voaozona,
Mandehana, mitoera
Ao amin’ny maizina”
:,: Ry mpanota :,:
Any ny anjaranao.

4 Fa ny mino hilazany :
“Avia, notahina,
Mandrosoa, mankanesa
Ho amin’ny mazava”
:,: Io, ry mpino :,:
Indro ! ny anjaranao.

44 - Indro Jeso, mba vohay

1 Indro Jeso, mba vohay ;
Mba vohay !
Avy ho Sakaizanao ;
Mba vohay !
Ilay Malala fahizay,
Sady sitraky ny Ray
Tonga ho anao indray
Ka vohay !

2 Indro Jeso, mba vohay ;
Mba vohay !
Tompo tia ka mba hajao ;
Mba vohay !
Honina aminao etý,
Ho sakaiza hatrerý
Ho anao mandrakizay
Ka vohay !

3 Indro Jeso, mba vohay ;
Mba vohay !
Mbola tia ka mba vohay ;
Mba vohay !
Tena tia ka tsy mandao,
Raha ela sao dia lao ;
Moa ho lavinao izao
Ka vohay !

4 Eo am-baravaranao ;
Mba vohay !
Tsy manoa an-ditra izao;
Mba vohay !
He! mandona mora re,
Na dia Tompo lehibe ;
Efa niandry ela be
Ka vohay !

45 - He, tonga ho antsika ny Tompo mora fo

1 He, tonga ho antsika
Ny Tompo mora fo,
Mpamonjy, Havantsika,
Ilay mamindra fo ;
Andeha mba hifaly
Isika, ry zareo !
Nahazo Mpampifaly,
Ka manandrata feo

2 Hajao ny Tompontsika,
Mpanjaka lehibe,
Andriamanitsika,
Mpanala rofy be ;
Avia mba hidera,
Ry mino tsara fo !
Avia manatera
Ny saotra ao am-po.

3 Ry Tompo Zanahary !
Mihira izahay,
Fa teny mahafaly
No tonga ho anay ;
Ny andro famonjena
No andro sitrakay ;
Fanahy manantena
No ifalianay.

4 Ry Tomponay ! mandraisa
Ny haja entinay ;
Tsy volamena anefa,
Fa saotra aterinay ;
Ry Jeso Tompo soa !
Isaoranay Hianao,
Fa lehibe tokoa
Ny fitiavanao.

46 - O! ry Mpanefa ny toky rehetra

1 O, ry Mpanefa ny toky rehetra,
Moa ho ela vao tonga ny
fetra ?
Tena andrasanay ny
fihavianao ;
:,: Aza ela, re :,:

2 He ! izahay fa vahiny mandala,
Indro manenjika ny fahavalo ;
Koa henoy re ny senton’ny
olonao ;
:,: Aza ela, re :,:

3 He ! ny voavotrao dia miandry,
Na izahay na ireo nodimandry ;
Tompo, Tsinjovy ny fasan’ny
olonao ;
:,: Aza ela, re :,:

4 Ary ny zavatra eto an-tany
Samy miara-misento ihany,
Ka manantena ny mba
hihavianao ;
:,: Aza ela, re :,:

5 Mbola ho ela ve Ilay
antenaina ?
Tsia, fa akaiky izao ny
maraina ;
Koa andrandrao sy antsoy
ny Tompo hoe :
:,: Aza ela, re :,:

6 «Tsy mbola ho ela, fa faingana
Aho,
Ary hanafaka ny mitalaho».
« Eny, avia, faingàna,
ry Tompo ô ! »
:,: Aza ela, re :,:

47 - Ry Ziona, mihainoa

1 Ry Ziona, mihainoa !
Injay feo mafy mampifoha
Ny ampakarina izao :
Mbola alim-be ihany,
Fa ny fotoana no lany,
Ka avy ny malalanao;
Antsoiny hianao
Alao ny jironao
Ka velomy ;
Dia miaingà hivoaka,
Hitsena ny mpampakatra !

2 He, Ziona ravoravo,
Fa reny izao ny antso avo
Ka velona ny hobiny :
Indro, avy Kristy Tompo,
Hanafaka anay mpanompo,
Halainy hampakariny.
He, faly re ny fo !
Avia Tompo ô !
O, hosana !
Mihaingo izao hitsena Anao,
Ry Kristy, ny malalanao !

3 Hira, hoby, fiderana
Asandratray mba hitsenana
Anao, Jesosy Tompo ô !
Tsy mba misy mitomany,
Fa mirana izay mankany
Am-pampakaram-badinao ;
Mahafinaritra ny hiran-danitra
Haleloia !
Ilaozanay ny trano lay,
Miakatra ny dianay.

48 - Hevero ry mpanota ô ny andro fitsarana

1 Hevero, ry mpanota ô,
Ny andro fitsarana !
Hiverina ny Tomponao
Hamaly fahotana ;
Ny lanitra hahorona,
Ny tany dia hodorana,
Fa avy Ilay Mahery.

2 Trompetra no ho levona
Hotsofin’ny anjely ;
Hisokatra ny fasana,
Hivory izay niely ;
Ny maty dia hatsangana,
Isika koa hakarina
Hanatrika ny Tompo.

3 Ny boky hovelarina,
Fa io no manambara
Ny asa izay miafina,
Handraisana anjara ;
Ka aza mba mihevitra
Hahazo mihodivitra
Fa fantatry ny Tompo.

4 Ry Tompo ô ! hazoninay
Ny tenim-panekena,
Ka mba arovy izahay
Hitana famonjena ;
Ny ranao sy Fanahinao
No tokinay raha avy izao
Ny andro fitsarana.

49 - Mba jereo ny Tompontsika avy ao an-danitra

1 Mba jereo ny Tompontsika
Avy ao an-danitra,
Indro, avy amin-kery
Ao amin’ny rahona
:,: Haleloia :,:
Ambarao ny heriny.

2 Izay rehetra fahavalo
Efa resiny tokoa ;
Mifalia ry anjely !
Mihobia, ry olona !
:,: Haleloia :,:
Ambarao ny lazany.

3 Fony mbola teto Izy
Satro-tsilo nentiny ;
Izao ny satro-bolamena
Mendrika ny lohany
:,: Haleloia :,:
Ambarao ny derany.

4 Voaeso mafy Izy ,
Be ny fahoriany ;
Fa izao, asandratara Izy,
Ambarao ny hajany !
:,: Haleloia :,:
He, ny voninahiny !

50 - Mifohaza ry matory fa re ny feon'ny Mpamory

1 Mifohaza, ry matory ,
Fa re ny feon’ny Mpamory
Miantso izao tontolo izao !
Miangà, ry vovontany,
Fa he ! Jesosy avy any
An-danitra hitsara anao.
Ry mbola velona !
Ry ao am-pasana !
Mitsangàna !
Miandrandra ny lanitra,
Fa ny atý dia tapitra.

2 Kristy Tompo avy any,
Ka dia mangovitra ny tany
Fa be ny voninahiny.
Na ny ratsy na ny tsara
Hanatrika ilay Mpitsara,
Miandry ny anjarany
Zarainy roa izao
Ny tafavory ao ;
Ka ny tsara
Horaisiny ao Aminy,
Ny ratsy dia ariany.

3 Jeso ô ! izahay mifaly,
Na dia be ny mampijaly
Sy mahaketraka atý ;
Hianao mahay manova
Ny fahorianay ho lova
Mahafinaritra erý.
Ry fasa-maizina ô !
Ry fahavaloko !
Aiza moa ny herinao,
ny sabatrao ?
Jesosy no Mpandresy izao

51 - Raha tonga anio ny Tompo

1 Raha tonga anio ny Tompo,
Amin-kery lehibe,
Ka arahin’ny mpanompo
Sy anjely marobe ;
Moa ho faly hianao
Ka hidera ny Mpamonjy
Izay nanavotra aina anao ?

2 He ! ho simba sy ho rava
Izao rehetra àry izao,
Ka hifankahita tava
Ny natao sy ny Mpanao,
Moa ho faly ….sns.

3 Maso maro no mijery
Ilay nijaly fahizay,
Fa ny mino Azy ihany
No ho faly rahatrizay :
Moa ho faly ….sns.

4 Rehefa tonga re ny Tompo
Mba hitsara izay natao,
Hitomany ny tsy mino,
Fa hanatrika Azy ao :
Moa ho faly ….sns.

5 O ! avia re, ry Tompo !
Mba hanjaka aminay,
Hahatonga anay mpanompo
Hiara-paly Aminao :
O! avia, ô ! avia,
Fa ny olonao rehetra
Dia maniry indrindra Anao.

52 - Efa akaiky Jeso Tompo

1 Efa akaiky Jeso Tompo
Ilay Mpamonjinao,
Indro, tamy Kristy Tompo,
Avy ho anao ;
Dia tano mafy tsara
Izay anananao ;
Lova soa, tsara fara,
Indro, ho anao.

2 Efa akaiky ny Mpamonjy
Ta-handray anao ;
Jeso Kristy mahavonjy
No sakaizanao ;
Dia tano ..sns.

3 Efa akaiky ny Mpitsara,
Izay hitsara anao ;
Jeso Kristy raiso tsara
Mba ho havanao ;
Dia tano ..sns.

4 Aza mba mangataka andro
Hibebahanao ;
He, mazava anio ny andro
Mba hidiranao :
Dia tano ..sns.

2. NY FAHATERAHANY

53 - Miposaka ny vonjy

Miposaka ny vonjy,
Endrey ny hafaliana !
Jesosy no Mpamonjy,
Andriam-piadanana
Ilay Zanaky ny Avo
Dia nidina tatý
Hahatonga antsika lavo
Ho Zanaka arý,
Manangana olom-bery
Handova lanitra,
Ka dera, laza, hery
Ho an’Andriamanitra !

54 - Jeso Mpamonjy, Ilay Tompon'ny aina

1 Jesosy Mpamonjy,
Ilay Tompon’ny aina, no hita
Nidina teto an-tany
hamonjy antsika :
O, mba derao !
Izy Mpanavotra anao,
Ka mifalia, ry mino !

2 Indro ny tenin’anjely
milaza ny soa !
Teraka Jeso Mpamonjy
antsika tokoa :
O, mba derao !
Tonga ny andro vaovao,
Andron’ny Filazantsara.

3 Dia iventesonao hira
vaovao re, izany !
Tonga Jesosy hamonjy
izay mitomany :
O, mba derao !
Afaka isika izao !
Izy Mpisolo antsika !

4 Tonga ny Tompon’ny tompo
hisolo ny ory,
Ka mifohaza, ry olona
mbola matory :
O, mba derao !
Amin’ny feo vaovao,
Jeso, izay Tompo mahery !

55 - Ny andron'ny fahasoavana

1 Ny andron’ny fahasoavana
Miposaka ho antsika
Manerana izao tontolo izao,
Ny tarany efa hita,
Ka ravo ny olombelona,
Fa lasa ny alintsika.

2 Niova terý ny alina,
Fa teraka ny Mpamonjy,
Mamiratra re ny lanitra,
Miseho izao ny vonjy,
Ka lasa tokoa ny aizina,
Mihoby ny voavonjy.

3 Na dia ho nahay nihira re
Ny hazo an-ala rehetra,
Ka afa-mikalo ny ravina
Hidera ny Avo indrindra,
Tsy ampy ho fanandratana
Ny Tompon’ny ain-drehetra.

4 Ny feon’ny olonao izao
Misandratra, ry Jehovah,
Hidera ny fitiavanao
Sy ny indrafonao soa
Niaro ny fiangonanao
Hatramin’ny fahagola.

5 Ho an’ny tanindrazanay
Izahay re, ry Ray Tsitoha,
Ka hiditra ao an-tranon-dRay
Nomanin’Ilay Mpialoha ;
Ny olonao dia ho tafaray
Hidera Anao tokoa !

56 - Manatona Anao izao

1 Manatona Anao izao,
Ry Jeso, ny madinikao,
Ampandrosoy ny dianay,
Fa ta-hahita Anao izahay.
2 Hidera ny Anaranao
No zava-tianay hatao ;
Miravoravo izahay
Fa teraka ny Tomponay
3 Ny lanitra nilaozanao,
Hanavotra ny olonao,
Ho zanak’Andriamanitra
Hifaly ao an-danitra.
4 Tsy takatray heverina
Ny fitiavan-dalina,
Izay nitiavanao anay,
Ka dia misaotra Anao izahay.
5 Tariho, Tompo, izahay,
Ambinonao ny dianay,
Fa samy ta-handray Anao
Izahay mivory eto izao.
6 O, ry Sakaiza maminay,
Mba te-ho olonao izahay
Hipetraka eo anilanao,
Fa mamy ny fitianao.
7 Raha manana Anao izahay,
Tsy hisy hatahoranay,
Fa zaza voamarikao
Ho isan’ny arovanao.
8 Raha ao an-danitra vaovao,
Izahay sy ny anjelinao
Hisaotra sy hidera Anao
Hanatrika ny tavanao.

57 - Izao Noely mamy izao

1 Izao Noely mamy izao
No ihobiantsika,
Fa noresen’ny aim-baovao
Ny fahafatesantsika :
Ny Zanak’Andriamanitra,
Izay Tompom-boninahitra,
Nandao ny lapan-dRainy,
Nateraka ho olona
Hamonjy sy hamelona
Antsika sombin’ainy.

2 Velomy ny fisaorana,
Na kely monja aza,
Ka aoka izay navotana
Hiara-hankalaza
Ny Zanak’Andriamanitra,
Niala tao an-danitra
Hanafaka alahelo ;
Ry voavonjy ô ! derao Jesosy
Ilay Mpanjakanao ;
He, gaina izao ny helo !

3 Izao Andriamanitra
Dia faly amintsika :
Jesosy, Tompon-danitra,
No tonga namantsika ;
Ho re hatrany lavitra
Fa foin’Andriamanitra
Ilay sitraky ny fony
Hitondra fahoriana,
Hiari-pijaliana
Ho solon’ny mpikomy.

4 Na dia tratry ny manjo,
Izay mampiferin’aina,
Izaho tsy hamoy fo,
Fa manna-kantenaina ;
Jesosy dia Zokiko,
Ka tsy hohadinoiko,
Fa Izy tia ahy ;
Ny tenim-piadanany
No hery anohanany
Ny foko, izay manahy.

5 Haleloia, fa tapitra
Ny fahoriantsika !
Derao Andriamanitra,
Izay efa tia antsika !
O, ry fanahiko, derao
Jesosy, Izay Mpamonjinao,
Harena tsy ho lany,
Haleloia, Haleloia !
Fa azo ny Mpanavotra,
Anao ny fanjakany !

58 - Alina masina

1 Alina masina
Tonga ny Mpanavotra ;
Indro teraka ao Betlehema
Ny Mpanjakan’ny Jerosalema,
:,: Izay Mpamonjy anao :,:

2 Alina masina
Ny anjely midina
Ka miara-mihoby hoe :
Indro ny fiadanam-be,
:,: Jeso teraka izao :,:

3 Alina masina
Nisehoan’ny Zanaka ;
Ny mazava niposaka,
Ka ny tahotra afaka ;
:,: Mifalia izao :,:

59 - O! Mihobia, fa teraka

1 O! mihobia, fa teraka
Jesosy Tompo, Zanaka,
Mesia nantenaina,
Mpamonjy sitraky ny Ray
Ho avotra mandrakizay,
Ka mendri-koderaina !
Renao izao
Ny anjely mampiely
Teny soa :
Kristy teraka tokoa !

2 He ! tonga ny Mpanavotra
Hanafaka ny tahotra
Mamatotra ny tany,
Mitondra fiadanana,
Ka tena mampihavana
Ny lanitra aman-tany.
Indro tonga
Ny Mpamonjy mahavonjy
Ny mpanota,
Ka manaisotra ny ota.

3 Omeo voninahitra
Ny Ray, Andriamanitra,
Izay Tompom-pamonjena !
Ny Zanaka no raisonao,
Fa fananganana anao
Ny lova dia homena,
Amen, Amen !
Teny soa mamy koa,
Isika lavo koa,
Tonga zanaky ny Avo !

60 - He, faly ny fanahiko

1 He, faly ny fanahiko,
Fa avy Ilay Malalako,
Dia Jeso tonga zaza,
Ka mety ho Mpamonjiko,
Na dia tsy mendrika aza
Izaho, ry Jesosy ô !
:,: Raiso ho Anao ! :,:

2 Ry Jeso Zazakely ô,
Iriko mafy Hianao,
Avia re, ry Zaza,
Ny foko itoeranao
Na dia ratsy aza
Ka tsy mba mendrika Anao,
:,: Ry Jesosy ô :,:

3 Endrey ny fitiavanao,
Ry Ray, namoy ny Zanakao ;
Izahay, izay fahavalo
Ka ivesaran-keloka,
Avelanao hivalo
Ka hiditra ao an-danitra.
:,: Enga ka ho ao ! :,:

4 Endrey ny fifaliana
Tsy tratry ny fisainana
Ataon’ireo anjely
Manerana ny lanitra !
Fa any ny Noely
Hitohy tsy ho tapitra,
:,: Enga ka ho ao ! :,:

61 - Tany Betlehema fahiny

1 Tany Betlehema fahiny
Nisy Zaza teraka ;
Tonga toy ny mpivahiny,
Nefa tena Zanaka,
Izy no Jesosinay,
Ka mba raiso ho anao !

 

2 Ao ny lapa feno haja
Nisy Azy fahizay ;
Saotra, dera aman-daza
Teo anatrehan-dRay,
Izany no nilaozany
Hamonjena ny atý.

3 Zaza tsy nanota izy,
Nefa Zaza toa anao ;
Koa raisinao rankizy,
Mba ho tena havanao ;
Ary mba arahonao
Izay fanaony hitanao !

4 Raha hianao tomany,
Izy hampangina anao,
Izy koa hampahamamy
Izay fifalianao ;
Matokia Hianao,
Izy no Sakaizanao !

5 Nefa mba henoy, ry zaza !
Ao an-danitra Izy izao,
Fa ho avy indray hitsara
An’izao tontolo izao ;
Koa mba fidionao
Izy ho Mpamonjinao !

62 - He, teraka any Betlehema

1 He, teraka any Betlehema,
Ao Betlehema,
Ny Tompon’i Jerosalema.
:,: Haleloia ! :,:

 

2 Ny vilona :,: nandriany :,:
Nihoby ny anjeliny.
:,: Haleloia ! :,:

3 Ny magy dia :,: nanatitra :,:
Ny miora sy ny hanitra
:,: Haleloia ! :,:

4 Voaisotra :,: ny helokao :,:
Fa tonga ny Mpanavotrao.
:,: Haleloia ! :,:

5 Isika dia :,: noraisiny :,:
Hiombon-dova aminy.
:,: Haleloia ! :,:

6 Isika koa :,: hianatra :,:
Ny fideran’ny lanitra.
:,: Haleloia ! :,:

7 Isika ao :,: an-danitra :,:
Ho velona finaritra.
:,: Haleloia ! :,:

8 Ho naman’ny :,: anjelinao :,:
Izahay, ry Jeso Tompo ô !
:,: Haleloia ! :,:

9 Hidera ny :,: Anaranao :,:
Manatrika ny tavanao.
:,: Haleloia ! :,:

63 - Tany finaritra

1 Tany finaritra,
Tarafin-danitra,
Ity tanin’ny mpivahiny ity
Ka fihobiana
No andehanana
Mankany Paradisa arý.

 

2 Andro mihelina
Ilay sasakalina,
Nefa tsarovan’ny olona
Satria ny lanitra
Tsy lefy hanitra ;
Mamelon-kira velona.

3 Anjely marobe
No indray mihira hoe :
« O ! mifalia ry reraka !
Fa fiadanana
No andehanana ;
Kristy Mpamonjy teraka ! »

64 - Injany, hiran-danitra

1 Injany hiran-danitra
Misasak’alina ;
Lokanga volamena e,
Tendren’ny masina !
Ny tany dia nangina re,
Nandre ny hira vao :
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana.

 

2 Ny hiran’ny anjely re
Tsy mba mitsahatra.
Ary ambony rahona
Ireo masina
Mitendry ny lokangany
Am-pihobiana !
Ho an’ny olona anie 
Ny fiadanana !

3 O ! ry mivesatra entana,
Ry malahelo ô !
Mba andrandrao ny lanitra,
Henoy ny hira vao !
Ny hiran’ny anjely re
Dia mampiadam-po.
O ! mitsahara hianao
Hihaino azy izao !

4 Ny andron’olombelona,
He fandalovana !
Kanefa hisy tany vao
Izay haharitra.
Endrey ny fiadanana
Arý rahatrizay !
Ny hiran’ny anjely
Hiredona indray !

65 - Ry Betlehema kely ô!

1 Ry Betlehema kely ô !
Sondrian-tory ve ?
Kanefa injay miseho ao
Ny hazavana be.
Ny toky sy ny tahotra
Mihaona ankehitrio,
Fa Kristy Ilay Mpanavotra
No teraka anio.

 

2 Ry kintana maraina ô !
Fitarik’andro soa.
Torio fa tonga aty izao
Ilay Mpanjaka soa !
Ka he ! ny voninahitra
Ho an’Andriamanitra !
Fiadanana tsy tapitra
Ho an’ny olona.

3 Endrey, mangina fatratra
Ny fampidinana
Ny fitahian-danitra
Am-po ny olona !
Tsy misy tabataba re,
Fa horakoraka.
Kanefa Kristy tonga anie
Am-po mangoraka !

4 Rankizy hendry sy madio
Tsarovy Kristy izao
Fa izy tonga atý anio,
Mba ho Mpamonjinao.
Na misy aza ny manjo.
Izao Noely izao
No saino fatratra ao am-po
Hampionona anao !

5 Ry Zaza Masina sy soa,
Ry Zanak’i Maria,
Ry Tomponay, Mpamonjy
koa,
Midina re atý.
Ny feon’ny lanitra no re,
Indray Noely izay,
Nitondra teny soa hoe :
Hianao no avotray !

66 - Ry olona ô, avia!

1 Ry olona ô, avia !
Ry tany, mifalia !
Mba henoy ny teninay ;
Teraka ny Tomponay ;
Ao an-tranon’omby ao,
Handeha, mitsaoka Azy izao
Teraka ny Tompo !
Teraka Jeso !

 

2 Ry olona ô, avia !
Ry tany mifalia !
Mba henoy, ry havanay !
Misy zaza hitanay
Zanak’Andriamanitra
Hamoha indray ny lanitra.
Teraka ny Tompo !
Teraka Jeso !

3 Ry kristiana ô, hobio,
Fa afaka hianao anio;
Resy izao ny rafinao,
Afaka ota hianao,
Fahasoavan-dehibe
No ho anjaranao anie ;
Teraka ny Tompo !
Teraka Jeso.

67 - Avia, ry mino!

1 Avia ry mino !
Hifaly sy hihoby,
Avia, avia hankany
Betlehema :
Teraka Jeso,
Tompon’ny anjely ;
Avia hitsaoka Azy (in-3)
Izay Tomponao !

 

2 Tompon’ny tompo,
Andriananahary,
Nefa mba zana-behivavy koa ;
Zanak’i Maria,
Nefa Zanahary ;
Avia hitsaoka Azy (in-3)
Izay Tomponao !

3 Derao, ry anjely,
Mihobia mafy,
Ry mponina an-danitra ao
Ambony ao !
Dera sy laza
Atolory Azy ;
Avia hitsaoka Azy (in-3)
Izay Tomponao !

4 He, arahaba,
Tonga aty an-tany
Ny Tompo, Mpamonjy sy
Mpanjaka koa,
Tenin’ny Rainy
Voatafy nofo,
Avia hitsaoka Azy (in-3)
Izay Tomponao !

68 - Re tokoa ny feon'anjely

1 Re tokoa ny feon’anjely,
Irak’Andriamanitra ;
He, ny teny mahafaly
Avy ao an-danitra.
Entiny ny teny tsara,
Ho ety an-tany izao ;
Voninahitra aman-dera,
Tompo, no omena Anao !
(in-3)
Voninahitra aman-dera,
Tompo no omena Anao !

 

2 Teraka any Betlehema
Ilay Mpanjaka manan-jo
Ka misatro-diadema,
Voninahi-tsy ho lo,
Misy ‘zao ety an-tany
Fihavanana tokoa,
Hafalian-tsy holany
Fitahia-mahasoa. (in-3)
Hafalian-tsy ho lany,
Fitahia-mahasoa.

3 Be ny lazanao, ry Tompo !
Tsara ny Anaranao,
Zovy re no tsy hanompo ?
Iza no handà Anao ?
Hasina sy arahaba
No aterina aminao ;
Fanjakana tsy ho rava,
Ry Mpanjaka ! no Anao (in-3)
Fanjakana tsy ho rava
Ry Mpanjaka ! no Anao.

69 - Zaza Masina sy soa

1 Zaza masina sy soa,
Nefa ory Hianao,
Ka nanetry tena koa
Sy nandao ny lapanao.

 

2 Teraka ory sy nahantra,
Trano tsy nandrianao,
Fa tsy nisy izay niantra,
Be ny fahorianao.

3 Fihinanam-bilon’omby
No natao fandrianao,
Fa ny trano be tsy omby,
Nisy olo-maro tao.

4 Nofonosin-damban-jaza,
Tonga zazabodo re,
Nefa Tompo manan-daza
Sy Mpanjaka lehibe.

5 Efa halan’olo-maro,
Nefa kosa tiako ;
Dia avia, ry Mpamonjy !
Honina ato amiko.

70 - Iza moa io Zazakely

1 Iza moa io Zazakely
:,: Ao Betlehema :,:
Ankalazain’ny anjely
Misasaka alim-be ?
Injao ! Mihira avokoa
Ry mponina ao an-danitra,
Ka iza re io zaza soa ?
Moa zanak’Andriamanitra
Io no Mpanjaka voatendry,
Sady mahery no hendry
Zanak’Andriamanitsika,
Koa hobio sy ifalio !

 

2 Izy no Jeso Mpanjaka,
:,: Ka mihobia ! :,:
Izy mamory sy maka,
Avia, mihobia !
Omeo voninahitra,
Ka mitehafa tanana ;
Hobio ry tendrombohitra
Sy lohasaha mavana !
Io no Mpanjaka ..sns.

3 Izy no Tompo nahary,
:,: Ka maneke ! :,:
Zanaky ny Zanahary,
Ka dia maneke !
Ry hazo ao an-ala ô !
Samia re manandra-peo ;
Ry voninkazo tsara ô !
Atero fofo-manitra !
Io no Mpanjaka ..sns.

4 Efitra sy tany foana !
:,: O ! mihirà ! :,:
Lemaka ary havoana !
Falia, mihirà ;
Ry ranomasin-dehibe,
Ry voronkely tsara feo,
Izao rehetra marobe,
Avia mankalaza re !
Io Mpanjaka ..sns.

71 - Mihainoa! Mihainoa!

1 Mihainoa ! mihainoa !
Ny feon’anjely sambatra,
Milaza fa teraka
Ny zanak’Andriamanitra,
Mihainoa izao !

 

2 Mifalia ! mifalia !
Ry zanak’olombelona,
Fa tonga Ilay Mpanavotra
Antsika izay nifatotra ;
Mifalia izao !

3 Mba omeo ! mba omeo !
Ny fonao fa angatahiny,
Ny tenany natolony
Anao izay malalany
Mba omeo izao !

4 Matokia ! matokia !
Ka manaraha Azy izao ;
Ilay Mpamonjy be fitia
Nanetry tena ho anao ;
Matokia izao !

72 - Teraka Jesosy Tomponay

1 Teraka Jesosy Tomponay,
Taitra ny olona fahizay ;
Nisy anjely nihira teo.
Mahafinaritra, tsara feo,
Sady milaza soa aminay ;
Dia hihira anio izahay :
Taona fahasambaranay,
Volana fifalianay
Andro firavoravoana Anao,
Jesosy, Zanaka Masina ô !

 

2 Teraka Jesosy be fitia,
Indro ny kintana tonga teo,
Avy hanoro ny Zaza soa ;
Faly ny Magy, fa Io tokoa,
Io no Mpanjaka mandrakizay,
Dia nanaja androtr’izay.
Taona fahasambaranay ..sns.

3 Teraka Jesosy Zaza soa,
Zaza Malalan’ny Ray tokoa ;
Tonga hamonjy io Zaza io
Teraka ao Betlehema anio
Ento ’zahay, Fanahy, hankao ;
Andronay mahafaly izao ;
Taona fahasambaranay ..sns.

4 Sambatra manana Anao ho
Ray,
Faly sy ravo tokoa izahay,
Jesosy Tompo nirahinao,
Tonga ho nofo ny Zanakao ;
Teraka ho Mpanavotra anay
Avy hifaly eto ‘zahay ;
Taona fahasambaranay ..sns.

73 - Indro Zazakely zanak'i Maria

1 Indro Zazakely,
Zanak’i Maria,
Tompon’ny anjely,
Nefa nankatý.
Io no Zazalahy,
Zanaky ny Ray,
Tonga mba hitahy ;
Izy no anay.
Mihirà ry tany,
Sy ny mponina eo !
Hafalian-tsy lany,
Manandrata feo !
Jeso no deraina,
Fa Mpanjaka soa,
He, ny fanjakany
Lehibe tokoa.

 

2 Zaza nantenaina
Fony elabe,
Sady Tompon’aina
Manan-kery be.
Mihirà ry tany !
Eny, mifalia ;
Hoy ny mpaminany :
Izy no Mesia !
Mihirà, ry tany, ..sns.

3 Jeso Zaza hendry,
Masina sy to,
Tompo voatendry
Mpanadio ny fo,
Aoka mba hijery
‘Zao tontolo izao.
Zaza manan-kery,
Indro mba hajao !
Mihirà, ry tany, ..sns.

74 - Tany Betlehema fahiny

1 Tany Betlehema fahiny,
Tao an-tranon’omby re,
Nisy Zazakely soa,
Tampofoan-dreniny,
Jeso Kristy Zaza io,
Zanak’i Maria madio.

 

2 Nahafoy ny Rainy Izy
Sy nandao ny lanitra,
Tsy nandà ny trano ratsy,
Nefa Andriamanitra ;
Toe-pahantrana re
An’ny Tompo lehibe.

3 Fony Izy mbola Zaza
Dia nanaiky sy nanoa,
Ary tia reny Izy
Sy nanetry tena koa
Zaza kristiana e !
Manaraha Azy re !

4 Ka ho hitantsika Izy
Noho ny fitiavany ;
Fa ‘Lay Zazakely tsara
No mba Tompon-danitra.
Ka isika zanany
Dia hankany aminy.

5 Nefa tsy mba tranon’omby
Itoerany izao,
Fa nankao an-danitra Izy
Sy mitafy laza ao ;
Ka ho sambatra any koa
Tahaka Azy ny zaza soa.

75 - Andro malaza sady soa tokoa

1 Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i
Jeso ;
‘Zay nantenain’ny mpaminany
koa,
Mba hampiseho fihavanana !
Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao ;
Avia ka miderà ;
Derao io Zaza io ;
Hobio, hobio, fa
Tompontsika io !

 

2 Anjely maro no nihoby tao ;
Mpiandry ondry nitsaoka azy
koa.
Ny olon-kendry koa nanasina
Azy,
Andeha mba hankalaza Azy
izao :
Mifalia ..sns.

3 Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka
anio !
Ka mba mandraisa ny
fanatitray,
Ho zava-manipofona tokoa !
Mifalia ..sns.

76 - Miderà anio, ry mino

1 Miderà anio, ry mino,
Ny Mpanavotra anareo !
Manandrata feo hidera
An’i Kristy, Tompo soa ;
Zanaky ny vehivavy,
Nefa Andriananahary ;
Teraka ho olona,
Mba hanavotra anareo ;
Teraka any Betlehema
‘Lay Mpanavotra anareo !

 

2 Taitra ny mpiandry ondry,
Ary koa nivadi-po,
Tamin’ny anjely maro
Tonga tany aminy.
Fa isika tsy ho taitra,
Fa ho faly sy ho ravo ;
Sitraky ny Tompo soa
Nidina nankatý ;
Teraka any Betlehema
Jeso Kristy ,Tompo soa !

3 Aza taitra, matokia,
Manatòna, mihainoa,
Mazotoa, ka avia,
Maneke ny Tompo soa,
Arahaba, Tomponay ô !
Tompom-pihavananay,
Teraka ho Tomponay ;
Tompon’ny fiainanay ;
Arahaba, Tomponay !
Ry Mpanavo-dehibe !

77 - Tonga indray re ny Noely

1 Tonga indray re ny Noely,
Andro tsara sady soa ;
Jeso Tompon’ny anjely,
Nefa nietry tena koa.
Indro tonga Zazakely,
Ho sakaizanay tokoa,
Sy hamory ‘zay miely,
Hody amin-dRainy koa !

 

2 He, ny fonay ravoravo,
Ry Noely maminay,
Fa ny Zanaky ny Avo,
No nomeny ho anay,
Mba hanarina ny lavo,
Sady ho fiainanay ;
Feno sy mitafotafo
‘Zany hasambaranay !

3 O ! ry androm-pamonjena,
Arahaba, hianao !
Olo-maro sesehena
No mifaly aminao,
Avy koa mba hitsena
‘Lay Mpamonjy soa ’zahay,
Ka ny fonay no homena
An’i Kristy Havanay !

78 - Be ny voninahitrao Jeso Kristy Tompo

1 Be ny voninahitrao,
Jeso Kristy Tompo !
Lanitra nonenanao,
Maro no nanompo,
Be ny mahasambatra,
Faly re ny fonao ;
Nanam-boninahitra
Tao an-dapan-dRainao.

 

2 Fa ny voninahitra
Efa nialanao ;
Ny haren’ny lanitra
Tsy mba nojerenao,
Teraka ho olona
Hianao nahery,
Ka avy mba hanavotra
Ny mpanota very.

3 Eny, tonga Hianao
Honina amin-tany,
Hahazoan ‘ny olonao
Soa tsy ho lany.
Sarotra ny lalanao,
Be ny zava-mafy,
Loza no nanjo Anao,
Maro no nandrafy.

4 Saotra no aterinay,
Vavaka aman-dera,
Ravo ny fanahinay,
Ka avy mba hihira,
Vitanao ny asanao
Namonjenao aina,
Ka indro ny Anaranao
Velona ao an-tsaina !

79 - Sambasamba Zanahary

(Maintimolaly)
Sambasamba, Zanahary
Tamy ny nampidinanao
Ny Zanakao, malalanao,
Mba hisolo ny helokay.
:,: Tamy ny nampidinanao
Ny Zanakao malalanao,
Mba hisolo ny helokay :,:

 

80 - He ny hoby ao an-danitra

1 He, ny hoby ao an-danitra,
Fa Mpamonjy re no teraka,
Io no Zanak’Andriamanitra,
‘Lay Tanteraka.
Mifalia, mihobia,
Fa tonga ho anao ny Tompo
tia
Ka mba hirao sy lazao
Ny famonjena azonao !

 

2 Zava-mahagaga fatratra
Ny fitiavan’Andriamanitra,
Ny mpanota tafasaraka
Tonga sambatra !
Mifalia, ..sns.

3 O ! ry tany izay asandratra,
Ka vangian’ny Tompon-
danitra,
Inona ary no atolotra
Ny Mpanavotra ?
Mifalia, ..sns.

81 - Tao an-tsahan'i Betlehema

1 Tao an-tsahan’i Betlehema,
‘Reo mpiandry ny ondry re,
No vangian’ny Serafima
Sy anjely maro be.
Voninahitra ho an’
Andriamanitra,
Ho an’Andriamanitra !
Voninahitra ho an’
Andriamanitra ,
Amin’ny avo !

 

2 ‘Njany ny hiran’ny anjely,
‘Zay niredona tokoa
Indro tonga Imanoely
Zaza masina sy soa.
Voninahitra, ..sns.

3 Nofo notafin’ny Teny,
Lanitra nilaozany ;
‘Ndao isika izao hankany,
Be tokoa ny lazany.
Voninahitra, ..sns.

4 Voninahitra ao ambony
Ho an’Andriamanitra,
Ka ny hira no redony
Solon-java-manitra.
Voninahitra, ..sns.

82 - He, Zaza mahasambatra

1 He, Zaza mahasambatra
No omena ho antsika !
Virjina no niteraka
Ilay Andriantsika
Izay Zanak’Andriamanitra.

 

2 Nandao ny voninahitra
Hanavotra ny very ;
Ka saotra no aterinay,
Ry Jeso Kristy Tomponay,
Mpamonjy manan-kery !

3. NY FIAINANY

83 - Ry Jeso ô! Hianao no mahavonjy

1 Ry Jeso ô ! Hianao no
mahavonjy
Izay rehetra hiankina aminao ;
Tonga tatý hitady sy hamonjy
Izay mpanota very Hianao.
He ! ry mpanota very atý !
Ô ! mankanesa ho any aminy.

 

2 Na dia Zana-Janahary aza,
Na dia Tompo aza Hianao,
Tsy mba nitandro hery
aman-daza,
Tonga olona ory Hianao
He ! ry mpanota ..sns.

3 Tamin’ny dianao nanaovan-
tsoa,
Tsy nahalala sasatra Hianao ;
Fa Hianao tsy nanana tokoa
‘Zay nametrahanao ny lohanao
He ! ry mpanota ..sns.

4 Dia nolatsaina sy nalam-
baraka
Sy novonoin’olon-dozabe,
Ka dia maty Hianao Mpanjaka
Ho fanavotana olo-maro-be
He ! ry mpanota ..sns.

5 Ny fasanao nambenan’ny
mahery,
Nefa tsy ela tao ny
Tomponay,
Velona indray hamonjy
olom-bery,
Velon-kanao fifonan-ko anay.
He ! ry mpanota ..sns.

84 - He ! Be ny hasoavana

(Maintimolaly)
1 He ! be ny hasoavana,
Fa tonga ny fotoana,
Ka Kristy Tompo teraka
Hamonjy sy hanavotra.

 

2 Ny fahotan’ny olona
Dia lova tamin-drazana :
Isika trany avokoa,
Ka very re ny aina soa.

3 Inty ny zaza masina e,
Izay neken’ny Rainy hoe :
“Ny Zanako Malalako,
‘Zay mamiko sy sitrakao”

4 Ny dera eran-danitra
Omeo an’Andriamanitra
‘Zay nahafoy ny Zanany
Hanavotra ny olony.

85 - Avelao isika izay te ho tia

(Maintimolaly)
1 Avelao isika
Izay te ho tia
Ny Mpanavotra antsika
Hanaraka Azy.

 

2 Aoka ho fantatsika
Ny fitiavany
Sy ny anton’ny asany
Hiderantsika azy.

3 Be ny fiantrany,
Nijery ny ory,
Tratran-dRainy nialany
Ho teraka olona.

4 Be ny fiantrany,
Nijaly ka maty
Hamonjeny ny mpanota,
Ka Izy hisaorana.

86 - Jereo ny Mpamonjy, izay miakatra

1 Jereo ny Mpamonjy
Izay miakatra
Ho ao Jerosalema
Hanao ny avotra ;
Na dia be ny ratsy
Mikendry Azy ao,
Ny mba hamonjy azy
No tiany hatao.

 

2 Tsy biby manan-daza
No nitaingenany
Tsy ny hitady laza
No nihaviany,
Kanefa manan-kery
Handresy ho anao.
Ny ratrany irery
No aina ho anao.

3 Ilay voasatro-tsilo
Noho ny helokao
Dia mety sy maniry
Mba ho Mpanjakanao
Ny rany sarobidy
Omeny ho anao;
Ny lanitra nihidy
Misokatra aminao.

4 Ampio mba ho haiko
Hatolotra Anao,
Jesosy ô ny aiko
Ho voninahitrao ;
Velariko ny foko
Eo anoloanao,
Tsy misy tsy ho foiko
Mba hodiovinao.

5 Hosana ! ry Mpamonjy,
Hiraiko ho Anao
Fa mamin’ny tra-bonjy
Ny fiderana Anao.
Hosana, Tompo tsara !
Soava dia izao !
Handresy ny devoly
No anton-dianao.

87 - Nitomany ny Mpamonjy

1 Nitomany ny Mpamonjy
Fa tsy nety ho tra-bonjy
Israely olony.

 

2 Izy dia nanambara
Taminy ny teny tsara
Feno fitiavana.

3 Ka ny jamba, kilemaina
Moana sy very saina,
Dia nositraniny.

4 He ! ny soa efa vita
Nefa nody tsy nahita
Ny ankamaroany.

5 Ary lotika ny fony,
Koa halany ‘lay ony
Feno rano velona.

6 Ry Mpamonjiko malala !
Aoka aho hahalala
Ny fitomanianao.

7 Ary hahalala koa
Fa ny soa mahavoa
Raha tsy ho raisina.

4. NY FIJALIANY
– NY FAHAFATESANY

88 - 'Lay ora tao Getsemane

1 ‘Lay ora tao Getsemane
Tsaroako tsara izao,
Fa Tompo tia sy lehibe
No ory loatra tao :
Tsaroako ‘zao Getsemane,
‘Zay niaretanao,
Tsy haiko hadinoina re
‘Lay fahoriana tao.

 

2 Ny mpianatrao malalanao
Natory avokoa ;
Nafoin’izao rehetra izao
Jesosy Tompo soa.
Tsaroako ‘zao ..sns.

3 Nanjary ra ny dinitrao
Noho ny helokay ;
Fadiranovana Hianao
Nisolo voina anay.
Tsaroako ‘zao ..sns.

4 Soraty ao am-poko re,
Ho sary velona ao,
Ny sarin’i Getsemane
‘Zay niaretanao.
Tsaroako ‘zao ..sns.

88 (2)
1 Ilay ora tao Getsemane
Tsy mba hadino re,
Raha Hianao no tsembo-dra,
Ry Tompon’avotra
:,: Tsahiviko :,:
Ny fahorianao,
Raha tsinjoko ny ady be,
Ilay tao Getsemane.

2 Nafoin-dRay irery tao,
Nilaozan-kavanao
Handraisana anay indray
Ho zanaky ny Ray.
:,: Tsahiviko ..sns :,:

3 Nandroso mba hijaly tao,
Ry Tompo, Hianao ;
Fadiranovana sy may
Hanavotra anay.
:,: Tsahiviko ..sns :,:

4 Fa vinitra Jehovah Ray
Noho ny ditranay ;
Ninianay nolavina
Ny didy masina.
:,: Tsahiviko ..sns :,:

5 Ka Hianao nasiana
Ho solo-voina ;
Ny dinitrao, ry Tomponay,
Dia valin’otanay.
:,: Tsahiviko ..sns :,:

6 Fa sitrakao ho afaka
Ny olo-meloka;
Endrey ny fitiavanao
Anay navotanao !
:,: Tsahiviko ..sns :,:

7 Raha mila hangatsia-po
Izaho, Tompo ô,
Mba ampisaino aho re
Ny tao Getsemane !
:,: Tsahiviko ..sns :,:

89 - He mijaly ny Mpamonjy

1 He, mijaly ny Mpamonjy
Ao Getsemane izao !
O, ry te-ho voavonjy,
Manaraha Azy ao ;
Indro ny Mpanavotrao,
Fa mitady ho anao.

 

2 Ory ao ny Tompon’aina
Mafy re ny adiny
Ka misento mitaraina,
Toy ny ra ny dininy.
Ry mpanota mijere,
Mihevera ka hendre !

3 Indro tonga ny anjely,
Mba hampahatanjaka
An’i Jeso, Izay nijaly
Amim-panaintainana.
Ry Mpamonjy tia ô !
Mamindrà fo amiko.

90 - Tsy haiko ny milaza re

1 Tsy haiko ny milaza re,
‘Lay fahorianao
Irery tao Getsemane
Ry Tompo masina ô !
Tarihonao ny saiko e
Ho ao Getsemane.
Hahita ny fitiavanao
Izao tontolo ‘zao.
Fitiavana ahy re,
Ry Tompo masina ô !
No niaretanao
Izao mangidy ‘zao !

 

2 Nangorohoro mafy re,
Ny fonao, Jeso tia !
Ny tsembokao’zay nitete,
Nanjary toy ny ra !
Endrey, ny fahorianao
Nangotraka tokoa !
Tsy maintsy nosotroinao
Ilay kapoaka tao !
Fitiavana ahy ..sns.

3 Ho ahy re, ho ahy re,
No niaretanao
Irery tao Getsemane
Jeso malala ô !
Sintoninao ny foko ê
Ho ao Getsemane.
Hahita izay niaretanao.
Ho tena tia Anao !
Fitiavana ahy ..sns.

91 - O! Fitiavan-dalina

(Maintimolaly)
1 O, fitiavan-dalina,
Nasehonao ilay alina
Izay namadihana Anao,
Ry Jeso, fototr’aim-baovao.

 

2 Mangoraka erý ny fo,
Sy ory ny fanahiko ,
Raha mba tsaroako izao
Ny loza izay nanjo Anao.

3 Fadiranovana Hianao,
Nangotraka ny adinao;
Ny dinitrao nanjary ra
Noho ny fahoriana.

4 Izany niaretanao
Noho ny fitiavanao,
Ka nentinao ny heloko,
Izay tokony ho nentiko.

5 Namita fanekem-baovao
Ho famonjena Hianao ,
Nasianao kase izay
Maharitra mandrakizay.

6 Misaotra Anao ry Tompo ô !
Fa ravo ny fanahiko
Handray ny fanomezanao
Eo amin’ny latabatrao.

7 Ny teninao inoako,
Ka raisiko ho ao am-po ;
Ny zava tsoa atolotrao
Dia ranao sy ny tenanao.

8 Ry Jeso, amboaronao
Ny fonay ho fonenanao,
Ka Hianao ho tianay
Izao sy ho mandrakizay.

92 - Ry voasatro-tsilo, ry voakapoka

1 Ry voasatro-tsilo,
Ry voakapoka !
Indrisy be ny loza
Manafotra Anao !
Nitsaohan’ny anjely
Fahiny Hianao.
Fa henatra sy latsa
Anjaranao izao.

 

2 Atolotro, ry Jeso,
Ny foko ho Anao,
Hiaraka hitondra
Ny fahorianao.
Raha henatra sy loza
No ho anjarako,
Dia Hianao Mpamonjy,
No ifaliako.

3 Tsarovy aho, Tompo,
Raha tratry ny manjo !
Tsy mendrika aho, nefa
Mba amindraonao fo !
Ny ratranao no misy
Fanasitranana.
Ny ranao ahitana
Ny fiadanana.

93 - Nampalahelo mafy re

1 Nampalahelo mafy re
Ny fahorian-dehibe
‘Zay niaretanao.
Nalaim-baraka Hianao,
Niaritra ka tsy nandao
‘Lay asa masinao.

 

2 Ny henatra aman-tahotra
Mangeja anay voavotra,
Fa diso izahay.
Avia, Tompo , mamonje
Meteza izao ka maneke
Hanavotra indray.

3 Ampio ny olonao, Jeso
Hahay handray Anao am-po
Fa mila vonjy izao.
Monena hanatanjaka
Ny ory sy ny reraka,
Izay manantena Anao.

94 - Golgota no jereo

1 Gologota no jereo,
Ao ny hazo fijaliana;
Indro re, mihantona eo
Jeso, sady harabiana.
Moa mba fantatrao, ry fo,
Ny fitiavan’i Jesosy,
‘Zay nandefitra tokoa,
Ary koa ninia ho resy ?

 

2 Famonjena ho anao
No netezany hihafy,
Ka hijaly toa izao
Sy hiharitra ny mafy.
He, ny rany nitete
Vokatry ny fanomboana;
Vetivety foana re
Dia ho faty ao ny Tompo.

3 Mitsangana, miaingà,
Ndeha mankany Gologota ;
Ao no latsaka ny ra
Hamonjena ny mpanota ;
Io no hany mahadio,
Antoka tsy hay ravàna
Eny, samy afak’io
‘Zay rehetra fahotàna !

95 - Ny hazo nijalianao ry Jeso Tomponay

1 Ny hazo nijalianao,
Ry Jeso Tomponay !
Maneho ny fitianao.
Dia iankinanay, (in-3) | *
Maneho ny fitiavanao. |

 

2 Mitazana ny masonay,
Mangoraka ny fo ;
Na meloka aza izahay.
Ny teninao ho to. (in-3) | *
Na meloka aza izahay. |

3 Ny avotr’aina vitanao
No itokianay ;
Ny entanay voaesotrao.
Ka afaka izahay. (in-3) | *
Ny entanay voaesotrao. |

4 Ny hazo nihomboanao
Dia voninahitray;
Ny nanalam-baraka Anao
No isandratanay ! (in-3) | *
Ny nanalam-baraka Anao. |

*) Ho an’ny feony (1) ihany

96 - Ilay havoana natao hoe: Kalvary

1 Ilay havoana
Natao hoe Kalvary,
No tany namonoana,
Ny Tompo Jesosy;
O ! tsarovy re !
Maty ory tao
Jeso Tompo lehibe
Hanavotra anao.

 

2 Jereo ny Tomponao,
Tazanonao irý,
Ka andrandrao ny masonao,
Fa io no Kalvary !
O ! tsarovy re ! ..sns.

3 Hevero Kalvary,
Fa tao ny Tomponao ;
Tsarovinao ny nentiny
Mba hamonjena anao!
O ! tsarovy re ! ..sns.

4 Tsinjovy Kalvary,
Fa Jeso Tomponao,
Nijaly tany raha tetý,
Ka maty Izy tao !
O ! tsarovy re ! ..sns.

97 - 'Lay fonao tia tao Gologota

1 ‘Lay fonao tia tao Gologota
No velona ao an-tsaiko izao.
Ny fonao ‘zay mitady
mpanota,
No voaratra indrindra tao.
Ry fo malala, nihafy loatra,
Lavitra ny mpangoraka Anao.

 

2 Indro ny lefona koa mamely
Ka notrobarana Hianao!
He ! malahelo ireo anjely,
Fa naharary re ny fonao !
Io no fitia tsy misy toa azy,
Zaran’izao rehetra izao.

3 Efa hisoka ny antoandro,
Menatra izao tontolo izao ;
Tsy ela intsony dia maizina
andro
Kalvary ‘zay nihantonanao !
Fa izaho tsy mba hangataka
andro
Hampiantrano ny tenanao.

4 Tsy sasatra na valaka koa,
Ny fonao tia, ry Tompo ô ;
Menatra izao ity foko tsy soa.
Tsy hahavaly tokoa Anao ;
Nefa ampio aho hanaiky,
Hanatontosa ‘zay sitrakao.

98 - Indro ny Tompo Jesosy, jereo

1 Indro ny Tompo Jesosy,
jereo,
Tena nihafy tokoa !
He ! fa nivesatra eso, jereo,
Mba hamonjena anao !
Indro Jeso, jereo Jeso.
Izy izao dia mihevitra anao,
Indro Jeso, jereo !

 

2 Indro ny Tompo Jesosy,
jereo,
Efa voahombo tokoa !
He ! fa nijaly tsy meloka teo,
Mba hamonjena anao !
Indro Jeso, ..sns.

3 Indry ny lefo-mandoza
jereo,
Nenti-namely ny Tompo !
He ! fa ny rany nirotsaka teo,
Mba hamonjena anao !
Indro Jeso, ..sns.

99 - Ry fitiavan'i Jesosy

1 Ry fitiavan’i Jesosy !
‘Zay voahombo ho anay,
Ony be sy mahavonjy,
Aoka ho lasanao ‘zahay !
Tompo, Zanakondry tsara,
Ampy re ilay ranao,
Tsy helohin’ny Mpitsara
‘Zay mpanota afakao.

 

2 Fa misento ny fanahy,
‘Zay etý an-tany ‘zao ;
Malahelo sy manahy,
Sao ho voan’izay natao.
Tompo, Zanakondry ..sns.

3 Ny mpanota dia ho very,
Raha tsy mba miova izao.
Fa hahazo tena hery,
Raha mino tsara Anao !
Tompo, Zanakondry ..sns.

4 Enga anie ka mba hiely
Ho an’izao tontolo izao
Ilehy Ony mahafaly,
Manadio sy manavao !
Tompo, Zanakondry ..sns.

100 - Moa mba efa nisy va fahoriana toy izao?

1 Moa mba efa misy va
Fahoriana toy izao !
Jeso ‘Lay Mpanisy soa,
Tompo sy Mpanjaka koa
Entina tsy meloka,
Entina any Kalvary ?

 

2 He, ny lanivoany
Voatsindron-defona !
Tongotra aman-tanany
Voafantsika avokoa,
Eny, fa ny ainy koa,
Foiny tany Kalvary.

3 Mafy ‘zay ry Jeso ô !
Mafy nefa zakanao,
Ny fitiavanao anay !
No niaretanao izay
Menatra aho, Jeso ô
Raha hadino Kalvary.

4 Taomy aho Jeso ô !
Mba ho any Kalvary,
Ka ny foko tsy madio
Mba diovinao anio !
Ento aho, Jeso ô !
Ento any Kalvary.

101 - Ny hazo fijaliana

1 Ny hazo fijaliana,
Ry Jeso Tomponay,
Dia tena fitoriana
Fa tianao ’zahay.

 

2 Ny hazo fijaliana
Dia manambara izao
Fa be ny fahoriana
Nihatra taminao.

3 Ny hazo fijaliana
No mampiseho koa
Fa tokony hariana
Ny ota mahavoa.

4 Isaoranay dia isaoranay
Hianao, ry Tomponay,
Fa be ny fitiavana
Nataonao taminay.

102 - Reharehako ny hazo

1 Reharehako ny hazo
Nijalian’i Kristy ;
Manda fiarovana avo
Ialofako atý.

 

2 Azon-doza maro aho
Tery koa ny làlana ;
Tsy ilaozan’i Jesosy
Mpanome fiadanana.

3 Raha lany re ny andro
Mampiadana indray,
Tsy hadinoko ny hazo
Nentin’ny Mpamonjinay.

4 Ny anjara atý an-tany
Tsy mba mahavesatra
Noho ny hazo fijalianao
Hazo mahasambatra.
Amen !

103 - Ny hazo fijaliana

1 Ny hazo-fijaliana
Tsy maintsy hotsarovana ;
Henoy, ry fanahiko,
Ny tenin’ny Mpamonjinao !

 

Vakiteny 1
2 Ny teny voalohany
Mihevitra ny rafiny :
« Mba mamelà ny helony,
Fa jamba ny fanahiny ! »

3 Izaho koa Jeso ô !
Dia jamba sady ratsy fo ;
Ka mba jereo sy iantrao,
Fa te ho tonga olonao.

Vakiteny 2
4 Ilay meloka tanilany
Naniry mba ho raisiny,
Nomeny toky tsara io :
« Ho any Paradisa anio ! »

5 Raha avy ny anjarako,
Ka tapitra ny androko,
Mba raiso aho Tompo ô,
Ho any Paradisanao !

Vakiteny 3
6 Dia hitany ny reniny
Tomany teo akaikiny,
Toy ny tsindronin-defona
Ka feno fisentoana.

7 Dia Jaona no natolony
Ho zanany ho solony :
« Mba raisonao, ry Jaona ô
Ho reninao ny reniko ! »

8 Tsarovy aho, Tompo ô !
Raha ao am-pahoriako,
Iraho ny mpianatrao
Hanampy ny mpanomponao !

Vakiteny 4
9 Ny teniny fahefatra
No tena mampangovitra ;
Niantso Izy, hoe : « Ry Ray,
Nahoana Aho no afoy ? »

10 Izao no dia nandaozana
Anao tam-pahoriana ;
Hahafaka ny tahotro,
Raha tonga ny fotoako.

Vakiteny 5
11 Ny otako izay nentiny
Nahory ny fanahiny,
Ka nitarainany hoe :
« Mangetaheta Aho re ! »

12 Mangidy, ry Jesosy ô,
Ny loza niaretanao,
Ka aoka mba ho mamiko
Ny avotra, izay vitanao !

Vakiteny 6
13 Hoy Izy indray :
« Tanteraka ! »
He ! teny mahasambatra.
Tanteraka ny asany,
Voavotra ny olony.

Vakiteny 7
14 Ny teny farany indray
Nilaza ny rahatrizay :
« Atolotro ny aiko izao,
Ry Ray, ho eo an-tànanao ! »

15 Izany dia mamiko
Hiorina ao anatiko,
Ka teny hotononiko
Eo amim-pahafatesako !

104 - Raha mijery ny hazo

(Maintimolaly)
1 Raha mijery ny hazo
Nijalian’i Jesosy,
Tsy misy izay malaza
Na izay mirehareha.

 

2 Aza miavonavona,
Fa indro ny Mpanavotra ;
Ny dian’i Jesosy Kristy
No arahina isan-andro.

3 Indro ! ny rany mandeha,
Voahombo ny tànany,
Nijaly, ka dia maty
Nisolo olo-meloka.

4 Raha ahy ‘zao tany izao
Sy ny aminy rehetra,
Tsy ho azoko havaly
Ny fitiavan’i Jeso.

5 Ny foko omeko Azy,
Fanahiko hatolotro ;
Tsy mba mendrika Azy ‘zany
Fa Jeso no mety mandray.

105 - Tsinjovy ilay havoana

1 Tsinjovy ilay havoana
Arý Jerosalema,
Fa io Golgota !
Mba tadidio ange !
Fa tao, nivesatra ny ota
Ny Tompo Masina
Nijaly sy nolavina
Ka novonoina !

 

2 Tsy takatra heverina
Ny entan-dehibe,
Izay nentin’ny Mpisolo
Ka mba diniho re !
Fa nentiny daholo
Ny heloka natao
Fa tonga Izy hanavao
Izao tontolo izao

3 Ny helotsika koa izao
Dia nivesarany,
Ka manaraha Azy,
Mba ho mpianany !
Raha tao Golgota Izy,
Ny rany nitete,
Ka vita ho antsika re
Ny vonjy lehibe !

106 - Indro ny fitiavana nijaly

1 Indro, ny Fitiavana nijaly
Teo amin’ny hazo-fijaliana ;
Ary ny ratsy nivonona hifaly,
Handresy ny Zanaka-lahy
Tokana.

 

2 Indro, ny Fitiavana mahery,
Nitondra ny heloky ny olony ;
Izy niady hanafaka ny very,
Ny ainy no avotra ka natolony.

3 Izy nijaly mafy tao Golgota,
Voahombo ny tongotra
aman-tanany ;
Izy nisolo antsika izay
mpanota
Ka fadiranovana ny fanahiny.

4 O, ry Mpamonjy, mba hazony
aho
Hijery ny hazo-fijaliana !
Olona meloka aho ka afaho,
Hialoka amin’ny fitiavanao !

107 - Maniry mafy aho

1 Maniry mafy aho ry Jeso
Tompo ô,
Hialoka eo ambany hazo-
fijalianao ;
Tsy misy toeran-kafa re izay
tena mamiko,
Ny hazo-fijalianao no
fiarovako.

 

2 Ny hazo-fijalianao no
itazanako
Ny tenanao Izay nijaly mba
ho avotro ;
Ka dia kotsan-dranomasom-
pitiavana
Ny tavako, ry Tompo ô, fa
afa-keloka !

3 Am-pototry ny hazo izay
nijalianao
No itoerako hohazavain’ny
tavanao ;
Ataoko fatiantoka ny zava-
mora lo,
Ny hazo-fijalianao no
tombon-dahiko !

108 - Ny hazo fijalianao

1 Ny hazo-fijalianao,
Ry Jeso Tompo maminay,
Dia an’izao tontolo izao
Ka famonjena ho anay.

 

2 Mivelatra eo ka hitanay
Izany fitiavana ;
Ka ampianaro izahay
Ho be fitia toa Anao !

3 He ! latsaka eo ho avotray
Ny ranao masina sy soa ;
Ka mba sasao re izahay
Ho olonao madio tokoa !

4 Voatolotra eo mba ho anay
Ny famonjena vitanao ;
Ka mba tariho izahay
Handray ny fahasoavanao.

5 Mamiratra eo ka tazanay
Ny lanitra fonenanao ;
Ka mba tantano izahay
Ho mendrika ho mponina ao !

6 Ndrey, tena mahafinaritra
Ny miara-monina aminao ;
Ka ampio izahay hiaritra
Ny hazo-fijalianao.

109 - Nahafoy ny aiko Aho

1 Nahafoy ny aiko Aho,
Hanavotako anao,
Ka nalatsako ny rako,
Nisoloako anao ;
He ! ny aiko no nomeko,
Ry mpanota very e !
Aiza izay afoinao re,
Mba ho Ahy Tomponao ?

 

2 Lapan-dRaiko ao ambony,
Voninahi-dehibe,
No nilaozako hamonjy
Sy hanafa-doza anao,
‘Zay voafitak’i Satana
Sy nozoin-doza be !
Aiza izay afoinao re,
Mba ho Ahy Tomponao ?

3 Soa be sy mahagaga
No atolotro anao ;
Famonjena tsy vidina,
Famelana otanao.
Fitiavan-tsy voafetra
Lova ao an-danitra ao !
Aiza izay afoinao re,
Mba ho Ahy Tomponao ?

4 Indro, Tompo ! fa omeko
Ho Anao ny tenako,
Ka tsy misy ‘zay tsy foiko
‘Zay rehetra tianao !
Eso, latsa, tsy ahoako
Fa ny ho mpanomponao
No ho zavatra kendreko,
Raiso re ny zanakao !

110 - Nomeko ho anao

1 Nomeko ho anao
Ny rako masina,
Hanavotra anao,
Izay tsy marina !
:,: Ka dia mba inona izao
No Ahy taminao ? :,:

 

2 Nafoiko ho anao
Ny zava-tsoa be,
Mba hanatonanao
Ny Raiko lehibe !
:,: Ka dia mba inona ..sns.

3 Izaho Tomponao
Nijaly mafy re,
Hanafaka anao,
Mpanota lehibe !
:,: Ka dia mba inona ..sns.

4 Ny vonjy lehibe
Nataoko ho anao,
Ny rako nitete
Handio ny otanao !
:,: Ka dia mba inona ..sns.

5 Jesosy Tompo ô !
Izao no teniko :
Atolotro Anao
Ny aiko sy ny fo !
:,: Izany no isaorako
Anao Mpamonjiko ! :,:

6 Ny foko raisonao,
Oneno hatretý,
Ataovy lapanao
Na eto na arý !
:,: Dia tano aho, Tompo ô,
Mba ho fanananao ! :,:

111 - Indro ny Mpamonjy

(Maintimolaly)
1 Indro ny Mpamonjy,
Mpanavotra antsika,
Izy no manontany hoe :
“ Tianao va Aho ? ”

 

2 Izaho no Mpamonjy
Sy mpisolo anao ;
Ny rako manontany hoe :
“ Tianao va Aho ? ”

3 Ny fitiavako
Tsy mety miova
Ka mba manontany hoe :
“ Tianao va Aho ? ”

4 Ry Jeso Tompoko !
Malahelo ‘zahay,
Ny fitiavanay Anao
Mbola tsy toy inona.

5 Aelezo ao am-po
Ny fitiavanao,
Hahazoanay hamaly :
“ Tianay Hianao ”

112 - Tsy ny hahazo zavatra

1 Tsy dia ny hahazo soa
Arý an-danitra
No itiavako Anao,
Ry Andriamanitra.

 

2 Tsy noho ny atahorako
Ny fijaliana,
Fa noho ny fitiavanao,
No itiavako.

3 Voahombo, voalefona,
Voalatsa Hianao ;
Nahinjitra ny tànanao
Tambony hazo teo.

4 Izaho no niaretanao
Ny fijaliana ;
Ny ranao nanavotana ahy
Izay fahavalonao.

5 Ka moa tsy fitiavana
Havaliko Anao ?
Ny foko no atolotro
Anao, ry Tompo ô !

6 Ry Jeso Kristy masina ô !
Deraiko Hianao,
Fa Hianao Mpanjakako
Sy Andriamanitro !

113 - Jeso, Zanahary!

1 Jeso, Zanahary !
Masina sy to,
Nanome ny ainao
Noho ny olonao.

 

2 Tsy niaro loza
Tamin-tenanao,
Fa mba tonga ory
Noho ny olonao.

3 Nentinao ny ratsy,
Soa nolavinao,
Lapa nialanao,
Noho ny olonao.

4 Jeso Tomponay ô !
Tompo masina,
Manomezà soa
Ny mpanomponao !

5 Mamelà ny ota,
Manovà ny fo,
Diovy ny maloto ;
Aoka ho olonao.

6 Tompo ô, Tsitoha
Vatolampinay !
Saotra aman-dera
Raiso ho Anao !

114 - Jeso no niala aina

1 Jeso no niala aina
Hanavotany anao,
:,: Iza re no tsy hanaiky
Azy izao ? :,:

 

2 Fa ny lapany ambony
Nialany fahizay,
:,: Hamonjeny olom-bery,
Very tokoa :,:

3 Fa izay manatona Azy,
Ka mibebaka ao am-po
:,: Tsy hariany akory,
Ka matokia ! :,:

4 Mba avia, ry havanay ô !
Maneke ny Tomponao,
:,: Maneke ny Tompon’aina
Ho Tomponao ! :,:

5 Iantrao, ry Tomponay ô !
Ny mialoka aminao,
:,: Raisonao ‘zahay mpanota
Ho olonao ! :,:

115 - Jeso Tompo lehibe

1 Jeso Tompo lehibe,
Iraky ny Rainy,
Nolatsain’ny maro be,
Tsy mba nohajainy !
Jeso tia, Jeso tia,
Maty voahombo ;
Maty tany Kalvary,
Maty re ny Tompo !

 

2 Ory loatra fahizay,
Zanak’ondry mora,
Maty mba ho solonay,
Sady voakora !
Jeso tia, ..sns.

3 Nalahelo, be nanjo,
Nefa tsy nanota,
Fa nijaly sitrapo
Tany Gologota !
Jeso tia, ..sns.

4 Jeso no Mpamonjy tia,
Nahafoy ny ainy,
Mba hamory ‘zay mania,
Hody amin-dRainy !
Jeso tia, ..sns.

116 - Miaingà, ry fo ny saina

1 Miaingà, ry fo sy saina,
Mba ho any Golgota,
Maty tao ny Tompon’aina,
Vita tao ny avotra.
Ry mahantra, ry mania,
Sady raiki-tahotra,
Ny Mpamonjy be fitia
Hahitanao avotra !

 

2 Fa ny ainao ry Mpamonjy,
Nisoloanao anay
Hahazoanay ny vonjy
Sy hahafa-trosa anay !
Vatofantsiky ny aiko,
Hianao, Mpamonjy ô !
Ravoravo izao ny saiko
Afakao ny heloko !

3 Ny manjo atý an-tany,
Tsy mba hatahorako,
Fa izaho dia ho any
Amin’ny Mpanavotro,
Tombon-dahiko tokoa
Ny fahafatesana,
Hahatrarako ny soa,
Dia ny fiainana !

117 - O, ry Zanak'ondry!

(Hiraina in-3 no fanao ity)
O, ry Zanakondry,
He ! Hianao nijaly ;
Ory, voahombo,
Anefa tsy namely ;
Ny helokay nalainao,
Ka maty re ny ainao.

 

1-2 Mba iantrao izahay, ry Jeso !
3 Ampiadanonao izahay re !

118 - Mba jereo ny zanakondry

1 Mba jereo ny Zanakondry
Voahombo sady ory,
Nefa Tompo masina.
He ! ny Rainay tsy namaly,
Raha ny Zanany nijaly
Tamim-panaintainana.

 

2 He ! ny Marina nijaly !
Mba hahaizako mifaly,
Izay no niaretany.
O ! ry foko, mangovita,
Manatòna mba hahita
Ny fahafatesany !

3 Eny, ry Mpamonjy tsara
Mba meteza hanambara
Ny harem-pitiavanao ;
Dia hafanao ny foko.
Mba hahaizako hanompo
Sy hanaraka Anao !

4 Aoka aho hitomany,
Raha mihevitra izany
Fahoriana nentinao.
Azoko ny famonjena ;
O ! ry foko, manenena
Noho ny ratsy vitanao !

5 Tompo, manampia ahy,
Mba harisika am-panahy,
Hanompoako Anao
Raha mbola atý an-tany
Aza afoy fa mba tohany
Tsy hisaraka aminao !

119 - Hianao ry Tompon'aiko

1 Hianao, ry Tompon’aiko,
Maty noho ny otako,
Tsy mba takatry ny saiko
Izany fijalianao
Nefa sitrakao nijaly
Hahazoako mifaly ;
Ry Jesosy, Hianao
No isaorako izao !

 

2 Safotry ny fandatsana
Hianao, Mpanavotra
Handovako fanjakana
Feno voninahitra.
Voaratra, voaeso,
Ary voasatro-tsilo
Noho ny hadisoako,
Koa dia isaorako !

3 Tianao izahay mpanota,
Helokay no nentinao ;
Resinao ny tambin’ota
Izahay nafahanao ;
Voaloanao ny trosa.
Izahay mpanota kosa,
Tonga olom-potsinao,
Ka derainay Hianao !

120 - Ry mino ô, avia re!

1 Ry mino ô, avia re !
Hiara-mankalaza
Ilay Mpanjaka lehibe,
Fa tena mahagaga
Sy sarobidy anie
Ny fahasoavan-dehibe
Nomeny ho antsika.

 

2 Tsy asa soa vitako
No tokiko anefa,
Fa ny Andriamanitro
No tsy nisalasala
Hanafaka ny otako,
Nomeny mba ho avotro
Ny Zanany malala !

3 Jesosy faly eram-po
Hamonjy ahy very,
Ka azoko ny indrafo.
Izay vitan’Izy irery
Izaho tena afa-po.
Tsy misy atahorako,
Izaho tsy ho very.

4 Jesosy Kristy Tompo ô !
Izaho ta-hamaly
Ny teny fiantsoanao :
« Mba manatòna Ahy !
Izaho dia ho anao,
Ho Ahy kosa hianao »
Ka manampia ahy.

5 Ny ranao soa nitete
No nanadio ahy
Ny ainao sarobidy re
No nanavotana ahy
Mba hitokiako anie
Ny famonjena lehibe
Natolotrao ho ahy.

6 Isaorana eram-po anie
Ny Tompo Zanahary,
Fa Izy efa nanome
Ny Zanany nijaly,
Ka ny devoly lozabe,
Ny ota sy ny heloka
Ho resy sy ho faty.

121 - Ry Jesosy, ampombay

1 Ry Jesosy, ampombay
Fiadanana maharo
Fo sy saina izahay,
Ka mba ampahafantaro,
Raha ny holatrao jerena,
Fa Anao ny fandresena !

 

2 Ry Mpandresy, ambarao
Aminay ny vokatr’ady :
Famonjena, aim-baovao
No andramany sahady :
Raha ny tafika miseho,
Fiadanam-po omeo !

122 - Hitako izao, sakaiza

1 Hitako izao, sakaiza,
Ny fahasambarana,
Ka ny foko faly, ravo,
Manam-piadanana.
Teo am-pototry ny hazo
Nijalian’ny Tompoko,
Teo aho no nahazo
Famelana heloka.

 

2 He ! ny indrafo niriko,
Efa azoko tokoa,
Ka Jesosy no fidiko,
Fa Izy fototry ny soa,
He ! ny rany sarobidy,
Nanadio ny otako
Izaho efa voavidy.
Lanitra no lovako.

3 Tena soa mahagaga
Izao nomenao ahy izao,
Fa izaho izay mpanota,
Dia nohavaninao ;
Ka izaho dia hidera
Izato fitiavanao
Ary koa hanambara,
Jeso ô ! ny herinao.

4 Ry Mpamonjy ô ! mba raiso
Izao fisaorako izao ;
Ka izay rehetra ahy
Dia atolotro Anao,
Raha tonga re ny fetra
Hialako sasatra,
Ento aho hitoetra,
Eo anilanao arý.

5. NY FITSANGANANY

123 - Velona Jesosy

1 Velona Jesosy,
Nitsangana tokoa ;
Ny kristiana marobe,
Mihoby sy mihira hoe !
:,: Dera ho Anao,
ry Mpandresy ! :,:

 

2 Velona Jesosy,
Ny helo dia resy,
Tanteraka ny avotra,
Ka afaka ny heloka !
:,: Dera ho Anao,
ry Mpandresy ! :,:

3 Velona Jesosy,
Ka velona isika,
Hiara-monina Aminy,
Hohazavain’ny tavany !
:,: Dera ho Anao,
ry Mpandresy ! :,:

124 - Nitsangana ny Tompo

Nitsangana ny Tompo,
Neken’ny Ray ny avotra,
Ka ravo ny mpanompo :
Misokatra ny lanitra !
Ilay Tompom-pandresena
Nandrava fasana,
Andriam-pamonjena,
Tolory hasina !
Jesosy no Mpanjaka
Am-boninahitra,
Hiarahako mizaka
Ny zon’ny lanitra !

 

125 - Indro, Jeso velona

1 Indro, Jeso velona,
Afaka ny olom-bery,
Rava re ny fasana,
Dia nivoaka Ilay Mahery ;
Ka ny horohorontany
Dia nahato izany !

 

2 Resinao ny rafinay,
Ry Jesosy manan-kery,
Ka mpandresy izahay,
Voavonjinao ny very,
Matinao ny helok’ota,
Velona izahay mpanota !

126 - Endrey izato fahasambarana

1 Endrey, izato fahasambarana :
Jesosy dia velona indray !
Ny foko mandre fitsaharana
Noho Izy natsangan’ny Ray,
Tsy any am-pasana intsony
Fa hitako velona koa
:,: Ilay Tompon’ny hery
ambony
Mamiratra sy manan-jo ! :,:

 

2 He, velona Izy ! Hafarany
Izaho izao hampandre
Ireo izay tia ny Anarany
Ny fampiononana be,
Anjely no mendri-kilaza ;
Izaho, mpanompo tsy soa,
:,: Nirahin’ny Tompo malaza,
Ka ravo sy tretrika koa ! :,:

3 Endrey, izato fahasambarana,
Fa velona mandrakizay
Ny Tompo Izay nifankazarana,
Ka faly ny foko indray !
Ny fasana izay nampisaona
No fampiononana koa,
:,: Fa tao izahay tafahaona
Ka ravo dia ravo ny fo ! :,:

127 - Tahaka ny masoandro miseho

1 Tahaka ny masoandro miseho
Toy ny heriny izay mahaleo,
Na dia takon’ny rahona tao ;
Tahaka izany Jesosy
Mpamonjy,
Izy nitsangana velona indray
Ry olombelona, izay voavonjy
Mba miderà Azy 
mandrakizay !

 

2 Saotra aman-dera sy laza sy
hery,
Aoka ho Azy hatramin’izao
Izay nanafaka ny olom-bery,
Indro ny fasana vaky sy lao.
Izy nanafaka ny vavahady :
Aiza, ry fahafatesana ô !
Aiza ny herinao sahy miady
Amin’ny mino sy amin’ny to ?

3 Jeso Mpamonjy ô ! mba
hasoavy
Ka mba arovy ny mino Anao,
Ka ny Fanahinao aoka ho avy,
Mba hanazava ny fonay izao ;
Ary tantano izahay tsy hania,
Fa Hianao no Mpiaro anay !
O ! ry Mpamonjy anay, mba
avia,
Ka mba vonjeo, fa miandry
izahay !

4 Jeso, izahay te-hisaotra tokoa
Noho ny soa nomenao anay ;
Teraka teto nitondra ny soa,
Dia ny fiainana mandrakizay
Saotra omenay Anao izay
nijaly,
Nefa natsangan’ny Rainao
indray ;
Rahatrizay izahay dia hifaly
Any an-danitra mandrakizay !

128 - Efa velona ny Tompo

1 Efa velona ny Tompo
Fa nitsangana tokoa ;
Resiny ny fahavalo
Ilay mpihaza aina soa ;
Velona ny Tomponao,
Resiny ny rafinao.

 

2 Matokia, ry mpanota,
An’i Jeso Avotrao,
Fa ny ota nahadiso
Afaka tokoa izao ;
Velona ny Tomponao,
Afany ny helokao.

3 Eny, fa nitsangana ela
Jeso Kristy Tomponao,
Ka mamoha vavahady
Any mba hidiranao,
Velona ny Tomponao,
Ka efa nialoha anao.

129 - Any naraina

1 Any naraina
:,: Ilay Avotr’aina :,:
Natsangan-dRay ;
Resy ny ota
:,: Ka ny mpanota :,:
Mihoby indray.
Any naraina, …sns.

 

2 Hira hiraina
:,: ny Tompon’aina :,:
Isaoranay ;
Ory ny fony
:,: mba hamitony :,:
Ny sentonay.
Hira hiraina, …sns.

3 Faly ny very
:,: tsy manan-kery :,:
Ny helokay ;
Jesosy Tompo
:,: dia mampanompo :,:
Ny rafinay.
Faly ny very, …sns.

4 Hisy maraina
:,: ny Tompon’aina :,:
Ho avy indray ;
Izy hizara
:,: ny lova tsara :,:
Homena anay.
Hisy maraina, …sns.

130 - Hobio, ry olombelona!

1 Hobio, ry olombelona !
Jesosy dia velona,
Ny fasana dia rava ;
Misokatra ny lanitra,
Dia resin’ny mazava.
Jeso Kristy
No deraina sy hajaina.
Fa Mpamonjy,
Tompon’aina mahavonjy.

 

2 He ! misy làlana indray
Ho ao an-danitra, izay
Miandry ao ambony ;
Fa vitan’ny Mpanavotra
Ny vonjy mahasambatra,
Ka sitraky ny fony
Handray izay
Mitomany, mba ho any
Amin-dRainy ;
Fa izany dia hainy !

131 - Tonga ny andro malaza

1 Tonga ny andro malaza,
izay mahafaly,
Indro nandresy Jesosy
Ilay vao nijaly ;
Velona indray Izy,
natsangan’ny Ray,
Aoka isika hifaly !

 

2 Efa nahery Jesosy,
ka resy Satana ;
Menatra mafy ireo
fahavalo nitana ;
Ka mba zahao :
rava ny fasana izao,
Rava, fa tsy nahatana !

3 Helo sy fahafatesana,
resy tokoa,
ary ny tambin’ny ota
dia efa naloa ;
Jeso, Izay maty ka
velona indray,
Tompon’ny aina tokoa !

4 Mba mihobia,
ry olona mino rehetra ;
An’i Jesosy ny hery
izay tsy voafetra ;
Izy nanao làlana tsara
vaovao
Resy ny ratsy rehetra.

5 Faly Isika fa manana
fanantenana,
Mbola hiantso Jesosy hoe :
« Mitsangàna ! »
Amin’izay, velona
mandrakizay
Ny nodimandry tra-bonjy.

132 - Indro fa velona

1 Indro, fa velona
Jesosy Tompon’aina !
Foana ny fasana
Resy izao Satana.
Iza indray no hitomany,
Raha nahare izany ?
Ry foko sasatra
Manahy fatratra,
Heveronao izao ;
Ho afaka ny sentonao !

 

2 Indro, fa velona
Jesosy Tompon’aina !
Izy nitsangana ;
Ravo ny fo sy saina.
Jeso Tompo nolatsaina
Tonga loharanon’aina,
Ry havana, andrandrao
Ny lanitra izao :
Jesosy velona,
Ka azo ny fiainana !

133 - Efa namangy ny olony

1 Efa namangy ny olony
Jeso, izay Tompon’ny aina
Lasa ny alina maizina,
:,: Tonga indray ny maraina :,:

 

2 Maty ny Tompo, nalevina
Nidina nita ny ony,
Nefa nitsangana velona
:,: Koa tsy maty intsony :,:

3 Ory ny fon’ny sakaizany,
Aiza Ilay nantenaina ?
Hitany nefa tsy fantany,
:,: Jeso, Izay 
Tompon’ny aina :,:

4 Teniny tsy mba mivadika
Amin’ny olona ory.
Tonga ny Tompo mitsidika
:,: Ireo mpianany vory :,:

5 Tonga ny taom-pamangiana,
Tondraka ny famonjena.
Velona ny fihobiana,
:,: Aina vaovao no nomena :,:

6 Teraka ny fifaliana,
Tonga ny Filazan-tsara,
Andron’ny fitomaniana
:,: Mody ho Pasaka tsara :,:

134 - Mifaly tokoa ny foko izao

1 Mifaly tokoa ny foko izao
Fa misy manambara
Ny Filazantsara,
:,: O, mba raisonao :,:

 

2 Nitsangana Jeso,
Haleloia re !
Henoy teny soa
Ka dia minoa
:,: Fa marina re ! :,:

3 He ! rava ny fasana, ka mijere,
Fa efa niala
Ny Tompo malala,
:,: Fa velona e ! :,:

4 Ny fahafatesana resy tokoa,
Ka tsy mba mijaly
Ny mino, fa faly
:,: Sy tretrika am-po :,:

5 Misaotra, midera Anao
izahay
Ry Jeso Mpamonjy,
:,: Ho mandrakizay :,:

6 Haleloia !
Tsara ny Pasaka e !
Ny Tompon’ny aina
Izao hoderaina,
:,: Haleloia re ! :,:

135 - Foana ny fasanao

1 Foana ny fasanao,
Jeso Tompon’aina ;
To tokoa ny teninao
Ka notontosaina.

 

2 Foana ny fasanao,
Tompo mana-kery,
Gaga teo ny rafinao,
Resy ‘lay Mahery !

3 Foana ny fasanao,
Fa efa novohana ;
Maito ny fatoranao,
Tsy mba nahatana !

4 Foana ny fasanao,
Zanaky ny Avo !
Aina no nasehonao,
Zava-maharavo !

136 - Ry Jeso Tompon'aina!

1 Ry Jeso, Tompon’aina !
Nalevina Hianao,
Kanefa he, deraina,
Fa velona ao izao !

 

2 Ny fasana nivoha
Noho ny herinao,
Fa tsy mba nahatoha
Ny voninahitrao !

3 Ireo miaramila
Nahery sy nahay
Dia tsy mba nahatana
Anao Mpanjakanay !

4 Nitsangana tokoa,
Ho tena santatray,
Hianao, ry Tompo soa
Sy Kapiteninay !

137 - Vita izao ny fandresena

1 Vita izao ny fandresena :
Haleloia, haleloia !
Azo koa ny famonjena :
Haleloia !
Resy re ny fasana
Sy ny fahafatesana
Fahavalo farany ;
Fa Jeso nitsangana
Tonga fanafahana :
Haleloia ! (in-3)

 

2 To izao izay nambara :
Haleloia ! haleloia !
Fa ny fototra nivaha
Haleloia !
Foana ny fasana,
Jeso re nitsangana
Tamin-kery lehibe,
Ka torio ry mino e !
Eran-tany, mba ho re :
Haleloia ! (in-3)

3 Dia venteso ny hosana :
Haleloia ! haleloia !
Aoka tsy hihambahamba
Haleloia !
Fa efa velona tokoa
Ilay Mpamonjy
tsy mba roa,
‘Zay nisolo voina anao ;
Izy no nisantatra
Ny fiainan-tsambatra :
Haleloia ! (in-3)

138 - Ty no andro maharavo

1 ‘Ty ny andro maharavo,
Ora fifalianay ;
‘Lay Mpanarina ny lavo
No niady ho anay.
Haleloia !
Ho Anao Mpanjakanay.

 

2 Azonao ny fandresena,
Ry Mpamonjy velona !
Vitanao ny famonjena.
Tafantsagana Hianao.
Haleloia !
Ho Anao Mpanjakanay.

3 Resinao ny fahotana ;
Voavoha ny fasanao
Torotoro re Satana ;
Afaka ny olonao.
Haleloia !
Ho Anao Mpanjakanay.

4 Ry Mpandresy
fandozana !
Raisonao ny hajanay
Ry Mpamonjy,
mitantàna,
Tano ho Anao ‘zahay !
Haleloia !
Ho Anao Mpanjakanay.

139 - He! Vita re ny ady izao!

1 Haleloia ! haleloia !
Haleloia !
He ! vita re ny ady izao !
Ny ota efa resy re,
Ny feo mifaly no atao,
Haleloia !

 

2 Fahafatesana no tao
Fa Kristy naharesy izao,
Ny fandreseny no derao,
Haleloia !

3 Ny andro nijaliana e !
Nisolo fifaliam-be,
Ka mihirà izay mandre :
Haleloia !

4 Ny gadra voatapany,
Ny efitra efa ravany ;
Ka miderà ny heriny
Haleloia !

5 Ry Tompo ô ! ny fiainanao,
Mamelona ny olonao,
Ka hoderaina Hianao :
Haleloia !

140 - Haleloia, Haleloia!

1 Haleloia ! haleloia !
Miderà ny Tomponao,
Manandratra feo hidera
An’i Jeso Kristy ‘zao
Fa nijaly mafy Izy,
Nefa indro velona Izy
Ao an-danitra tokoa !

 

2 Eny, velona ny Tompo,
Mba ho santatsika koa
Ka ho velona ny mino
Sy hitsangana tokoa ;
Dia handray ny lova soa
Satro-bolamena koa,
Ka hidera ny Mpamonjy
Sy ho sambatra avokoa.

3 Haleloia ! haleloia !
Haja, hery, saotra anie
No hatolotra ny Tompo,
‘Zay Mpandresy lehibe,
Hoderaina lalandava
Fa Mpanjaka manan-jo,
Haleloia ! haleloia !
Hoderaina eram-po !

141 - Efa resy izao na dia ny fasana aza

1 Efa resy izao na dia ny fasana
aza
Ka asandrato re ny hira sy ny
feo
Jesosy nampikoy ‘lay rafy 
‘zay nandoza,
“Ry fahafatesana ô ! aiza
moa ny herinao ?”

 

2 Lasa ilay tahotrao, ry foko
‘zay malemy
Fa torotoro ‘zao ny
fahavalonao,
Tsy nahatohitra ny sandrin’i
Jesosy
“Ry fahafatesana ô ! aiza
moa ny herinao ?”

3 Efa lasa tokoa ny ozona
rehetra,
Nasehon’i Jeso miharihary
izao,
Ny fitiavany izay tsy misy
fetra !
“Ry fahafatesana ô ! aiza
moa ny herinao ?”

4 Kristy no santatra : ny làlana
mankany
Ho ao an-tranon-dRay,
mivoha tsara izao,
Ny fifaliana manerana ny
tany !
“Ry fahafatesana ô ! aiza
moa ny herinao ?”

5 Kristy no fiainana : izay
matahotra Azy
Omeny tanjaka, fanahy, fo
vaovao,
Ka atony velona, Mpandresy
tahaka Azy.
“Ry fahafatesana ô ! aiza
moa ny herinao ?”

142 - Tafatsangana tokoa

1 Tafatsangana tokoa,
Haleloia !
Jeso Kristy Tomposoa,
Haleloia !
Maty nefa velona
Haleloia ! 
Mihirà, ry olona,
Haleloia !

 

2 Foana ny fasana,
Haleloia !
Indro, Jeso velona,
Haleloia !
Toky tsy mamitaka,
Haleloia ! 
Mihirà, ry olona,
Haleloia !

3 Andro lehibe tokoa,
Haleloia !
Andro fihobiana,
Haleloia !
Afaka ny tahotra,
Haleloia ! 
Mihirà, ry olona,
Haleloia !

4 Haja, laza, aterinay
Haleloia !
Jeso ô, Mpanjakanay,
Haleloia !
Raiso re ny saotranay,
Haleloia ! 
Raiso koa ny tenanay
Haleloia !

143 - Vita izao ny fandresena

1 Vita izao ny fandresena,
Haleloia !
Jeso Kristy no hobiana,
Haleloia !
Azo re famonjena,
Haleloia ! 
Verinay tarý Edena
Haleloia !

 

2 Ka izao dia arahabaina,
Haleloia !
‘Lay Mpanjakanay
hajaina,
Haleloia !
Ka na zovy mitaraina
Haleloia ! 
Misy vonjy azo maina
Haleloia !

3 Betlehema niandohana,
Haleloia !
Kalvary niafarana,
Haleloia !
Fasana tsy nahatana,
Haleloia !
Toro teo ‘lay menarana
Haleloia !

4 Saro-bidy re ny rany !
Haleloia !
Ny fitiavany tsy lany
Haleloia !
Ny fatoranay vahany,
Haleloia ! 
Ka hobionareo, ry tany
Haleloia !

144 - O! Avia mba hidera

1 O ! avia, mba hidera,
Andro jobily anio ;
Ka faingàna, manatera
Saotra, laza, ka hobio
Indro, tonga ny anjely
Ka ny vato mikodia !
Tantaraina mba hiely :
Velona (in-3)
Ny Tomponao !

 

2 Ifalio ny famonjena,
Andro jobily anio ;
Afaka ny firenena,
Voavonjy androtr’io
Gaga teo ny mpanakora
Sy ny rafy marobe
Ka miaiky moramora :
Velona (in-3)
Ny Tomponao !

3 Mba venteso re ny hira
Andro jobily anio ;
Resy ny mpaniratsira
Ka ny tahotrao ario
He ! ny fasana efa foana
Tsy nahazona Azy tao
Tsy naharitra hateloana
Velona (in-3)
Ny Tomponao !

4 Efa resy ‘zao Satana
Andro jobily anio ;
Ny fatoranao vahana
Ka hobio sy ifalio !
‘Lay Mpamonjy nolatsaina
Velona ho avotrao,
Io no mendrika
hoderaina
Velona (in-3)
Ny Tomponao !

145 - Efa velona tokoa

1 Efa velona tokoa
Hianao, ry Tomponay !
Ka ny herinao tsy toha
No manjaka hatrizay ;
Fa ny fasana, ny ota
Noresenao avokoa.
Tantaraina mba hiely :
:,: ‘Zay no tokinay mpanota
Tanjakay sy hery koa :,:

 

2 Efa velona tokoa
Hianao, ry Tomponay !
Lasa nanamboatra koa
Fitoerana ho anay :
Tany tsy mba misy ota
Tsy hidiran’ny manjo ;
:,: Tany soa sy madio
Maharavoravo fo :,:

3 Efa velona tokoa
Hianao, ry Tomponay !
Ka misolo vava koa
Sy mifona ho anay ;
Ny Fanahinao omena,
Mba hitari-dalana
He ! ny sentonay dia renao,
Jeso tena Havana.

4 Efa velona tokoa
Hianao, ry Tomponay !
Ary mbola ho avy koa,
Avy mba handray anay
Maminay, ry Tompo tsara ;
Hiara-monina Aminao
Eny, tena manan-jara
‘Zay mby eo akaikinao.

146 - Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray

(Hira Paska)
1 Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray ;
Anao ny fandresena,
Ry Mpanjakanay
Ny fasana nivoha,
Noho ny herinao
Ny Anaranao Tsitoha
Tsy voatana tao.
Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray
Anao ny fandresena,
Ry Mpanjakanay !

 

2 Hianao nandresy,
lao re ny fasana ;
Ny fanjakan’ny ota koa
ho lasana
Ny herin’i Satana,
vato nikodia,
Ny Anaranao nandresy
Haharitra doria,
Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray
Anao ny fandresena,
Ry Mpanjakanay !

3 He, ravo aho :
Izy no santatra ;
Izaho koa hifoha,
Mba ho sambatra ;
Ny fandresen’i Jeso,
Lovako tokoa ;
Ny Anarany Tsitoha
Hanangana ahy koa.
Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray
Anao ny fandresena,
Ry Mpanjakanay !

6. NY FIAKARANY

147 - Lasa ny Mpanavotsika

1 Lasa ny Mpanavotsika
Ao an-danitra arý,
Mba hanoman-trano tsara,
Hitoerantsika ao.
:,: Mifalia :,:
Ho tafiditra ao tokoa !

 

2 Lasa ny Mpisorontsika,
Ao an-danitra arý,
Ho Mpisolovava koa,
Ho an’olo-marobe.
:,: Matokia :,:
Tsy ho very hianao.

3 Lasa ny Mpanjakantsika
Ao an-danitra arý,
Mba handray ny fanjakana
Mety ho anjarany.
:,: Mihobia :,:
Asandrato re ny feo.

148 - Ry varavaran-danitra ô!

1 Ry varavaran-danitra ô !
Ampandrosoy ny Tomponao,
Fa fandresena lehibe
No efa vitany tatý

 

2 Moa iza izao Mpanjaka
izao ?
Mpandresy iza re izao ?
Ny lazany manerana
Ny tany sy ny lanitra.

3 Io no Kristy Mpamonjy soa
Nisolo olo-meloka,
Ka satro-boninahitra
No mendrika ny lohany.

4 Anjaranao, ry foko ô !
Hanompo sy hanaraka
‘Lay Kapiteny lehibe
Nialoha ao an-danitra ao !

5 Ry Kristy ô ! Mpanavotray !
Irinay mba ho hita koa
Izany voninahitrao
Sy ny fiandriananao !

6 Raha tapitra ny andronay,
Vohay ny varavaranao,
Ny trano namboarinao
Honenanay mandrakizay.

149 - Efa lasa Jeso Tompo

1 Efa lasa Jeso Tompo,
Hanamboatra izao
Fitoera-mahafaly
Iza re no tsy hankao ?
Fa ao ankoatr’i Jordana,
Ao an-danitra ao ambony,
Misy fitsaharan-tsara
Ho an’ny madio.

 

2 Tany tsy idiran’ota,
Tany masina sy soa,
Ka izay rehetra hankany
Dia ho masina avokoa !
Fa ao ..sns.

3 Fa izay matoky tena,
Ny tsy mety mino koa,
Tsy havelany hankany,
Fa ho laviny tokoa !
Fa ao ..sns.

4 Ny mandao ny fomba ratsy,
Ny mahazo fo vaovao,
Ny navotan’i Jesosy,
Dia izy no hankao !
Fa ao ..sns.

5 Ry mpanota saiky very !
Mibebaha re anio ;
Maniria hovonjena,
Ka ny fahotana ario !
Fa ao ..sns.

150 - He! Tsara ny fonenanao

1 He ! tsara ny fonenanao,
Andriamanitra ô !
Ziona tendrombohitrao,
Tanàna masina ;
Ka iza no hiakatra ao ?
Izay mahitsy fo,
Izay madio tànana,
Izay manao ny to,
Ka mino ny Mpanavotra,
Ireo hiakatra ao !

 

2 Mba misandrata faingana,
Ry varavarana !
Hidiran’ny Mpanjakanay
Be voninahitra.
Moa iza izao Mpanjaka izao ?
Andriamanitra
Mahery sy mandresy koa,
Mpanjaka masina ;
He, Izy ‘Lay Mpanjakanay
Be voninahitra.

3 Miantranoa, Tompo ô !
Mba hifalianay ;
Voavoatra ny tranonao,
Midira aminay !
Jehovah no Mpanjakanay,
Mpanjaka tianay :
Ny hery, voninahitra,
Sy ny fisaorana,
Anao tokoa, ry Tomponay,
Mandrakizay doria !

151 - Miakara, miakara

1 Miakara, miakara,
Ry Mpanjaka lehibe !
Vitanao ny famonjena
‘Zay nalehanao tatý,
Mihobia, ry anjely !
Ka derao ny Tomponao,
Voninahitra sy haja
Atolory Azy izao !

 

2 Miakara, miakara,
Ry Mpandresy lehibe !
Eso, latsa, fahoriana
No anjaranao tatý ;
‘Zao ny lanitra miandry,
Miandry hiverenanao ;
Renao ao ny feo manako,
Feno fanajana Anao.

3 Miakara, ry Mpamonjy !
Ravo ny navotanao ;
Izahy atý an-tany,
Faly te-hidera Anao ;
Raisonao ny fiderana
‘Zay atolotray izao ;
Haleloia ! Haleloia !
Ho Anao Mpanavotray !

152 - Niakatra ao an-danitra

1 Niakatra ao :,: an-danitra :,:
Ny Zanak’Andriamanitra,
:,: Haleloia ! :,:

 

2 Ka monina ao :,: an-danitra :,:
Jesosy Tompon-danitra,
:,: Haleloia ! :,:

3 Izao zavatra :,: rehetra izao :,:
Ry Jeso ô, hazoninao,
:,: Haleloia ! :,:

4 Isaoranay :,: ry Tompo ô :,:
Ny herinao sy indrafo !
:,: Haleloia ! :,:

5 Fa ny devoly resinao
:,: he resinao ! :,:
Ny ratsy nofongoranao,
:,: Haleloia ! :,:

6 Ry tany sy :,: ry lanitra :,:
Derao Andriamanitra !
:,: Haleloia ! :,:

153 - Ao an-dapany, Jesosy

1 Ao an-dapany, Jesosy
Dia derain’ny tapitrisa,
Fa ny lanitra sy tany
Dia samy mankamamy
:,: Ilay Mpandresy mora fo ! :,:

 

2 Jeso Tompo dia ho avy
Ho Mpitsara atý an-tany,
Na ny ratsy na ny tsara
Samy hanana anjara,
:,: Valin’ny natao tatý ! :,:

3 Ry Mpiantra be fitia,
Iantrao izahay mania ;
Raiso ho Anao, tahio,
Hafanao, ampifalio,
:,: Ento any Aminao ! :,:

154 - Izao Jesosy Tompontsika

1 Izao Jesosy Tompontsika
Dia nasandratry ny Ray
Ao an-tsezam-panjakany ;
Izay rehetra nialany
:,: Voarainy indray :,:

 

2 Tsy hadinony anefa
Izay nilaozany tatý,
Fa omeny ny Fanahy
Mba hitondra sy hitahy
:,: Ny mpianany :,:

3 Ao anilan-dRainy Izy
Manam-boninahitra,
Ka miderà Azy any
Izay rehetra anjakany
:,: Eran-danitra :,:

4 Tompom-pitsarana Izy,
Samy mba hatsangany,
Na ny ratsy na ny tsara,
Ka homeny izay anjara
:,: Valin’asany :,:

5 He ! hohitantsika Izy,
Dia ny tena endriny,
Ka ny lova soa homena
Izay nandray ny famonjena
:,: Voatendriny :,:

155 - An-tsezam-panjakany

1 An-tsezam-panjakany,
Ambony kintana,
No lapan’i Jesosy
Ilay nasandratra.

 

2 Atý an-tany iva,
Anilam-pasana,
No ipetrahantsika
Zoim-pahoriana.

3 Kanefa mety ihany
Ny monina atý,
Hiomana ho any
An-danitra arý.

4 Isika tsy kamboty,
Na dia nilaozany ;
Nomeny ny Fanahy
Ho solon-tenany.

5 Ny fahoriantsika,
Dia efa maivana,
Ny fahafatesantsika
Dia afa-tsindrona.

6 Ny ain’i Jeso Tompo
Iainantsika atý ;
Tsy ela dia hiseho
Indray ny tenany.

7 Ka hira no venteso
Ry havany izao,
Ny senton’alahelo
Mba atsaharonao !

156 - Jeso Mpanjaka tokana

1 Jeso Mpanjaka tokana
Na aiza misy olona :
Ny fanjakany hanerana
Ny tany sy ny lanitra.

 

2 Vavaka sy fisaorana
Hakarin’ny navotana ;
Haharitra tsy tapitra
Hanolo-boninahitra.

3 Ny firenen-drehetra anie
Hidera ny fitiavam-be ;
Ny zaza aza hanatitra
Ny hajam-boninahitra.

4 Ny tany izay alehany
Dia feno fitahiany ;
Ny voagadra afaka,
Miadana ny reraka.

5 Izao rehetra izao anie,
Hanatitra fisaoram-be
Ho an’ny Tompo tokana,
Izay Mpanjakan-danitra.

157 - Hobio, ry tra-bonjy

1 Hobio, ry tra-bonjy,
Fa indro ny Mpamonjy
Miakatra indray ;
Tsijonvy Izy any
Mandray ny fanjakany
Ao an-kavanan-dRay.

 

2 Ny hiran’ny anjely,
Manako sy miely
Arý an-danitra ;
Injay, ry Ray Tsitoha,
Miarahaba koa,
Mandray ny Zanaka.

3 O, miaingà, ry foko,
Fa aza mitoloko
Atý an-tany izao ;
Miandrandrà, jereo
Ilay voahombo teo !
Tsitoha Izy ao.

4 Naharitra ny mafy,
Niady sy nihafy
Ny Tomponao tatý !
Tahafonao izany,
Fa he ! ny fanjakany
Miandry anao arý !

158 - Raha afaka entana aho aty

1 Raha afaka entana aho atý
Ka tody any an-danitra arý,
Ny hanakaiky Ilay Tompo tia
No hifaliako mandrakizay.
Satriko re ny hanome
Saotra tokoa eran’ny fo
An’Ilay maty fa velona
indray,
Hatrehiko ao anilan’ny Ray.

 

2 ‘Ndrey ny haren’izao antrany
izao !
Izay handovako ilay tany
vaovao !
Fa ny hahita ny tavany ao
No hiadanako mandrakizay.
Satriko re ..sns.

3 Hava-malala hihaonako ao,
Hobin-tra-bonjy hiaraha-
manao ;
Mamy indrindra anefa izao ;
Kristy hatrehiko
mandrakizay.
Satriko re ..sns.

159 - Satrohy voninahitra

1 Satrohy voninahitra,
Anjely masina ô !
Ilay voasatro-tsilo teo,
Dia Jeso, Jeso, Jeso,
Tompo tokana !

 

2 Ry afa-pahoriana,
Izay ao an-dapany !
Nombany tao an-dalana,
Ka saotra, laza, hery,
Aoka ho Azy re !

3 Taranaky ny lavo ô,
Izay natsangany,
Ekeo Izy eram-po,
Ka saotra, laza, hery,
Aoka ho Azy re !

4 Ry firenena marobe
Ambany lanitra !
Miankohofa, maneke
Fa Jeso, Jeso, Jeso,
No Mpanjaka re !

7. NY FIFONANY HO ANTSIKA

160 - Kristy Mpanjaka

1 Kristy Mpanjaka,
Mendrika hoderaina
Izy no mitàna
Antsika ho velona aina,
Derao, derao
Ilay Mpanjakanao !

 

2 Kristy Mpanjaka,
Mendrika ho hajaina ;
Izy no mifona
Ho antsika novonjena
Hajao, hajao
Ilay Mpanjakanao !

3 Kristy Mpanjaka,
Mendrika ho hobiana ;
Izy no hitsena
Ny olo-notahiana,
Hobio, hobio
Ilay Mpanjakanao !

 
PREDICATION / TORITENY

Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle (Fjkm Montrouge Paris) 
prédication du dimanche 12 décembre 2021
PREDICATION / TORITENY

Pasteur Ny Ilo Jihy RAMINOARINOSY 
prédication du dimanche 21 novembre 2021 à la FJKM Montrouge Paris
PREDICATION / TORITENY

Pasteur Tahina 
prédication du dimanche 7 février 2021 à la FJKM Montrouge Paris
ÉVÈNEMENTS
Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafalinirina Lalao Angèle - 29 Febroary 2020
>>> Voir les photos
©FJKM Montrouge Paris Fiorenana SP37 1985 - 2024.