^Back To Top

En direct



Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris Fiorenana (SP37) - Au Temple de l'Eglise Protestante Unie (EPU) - 64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge

Accès par :   Métro4 Mairie de Montrouge   /   Bus 68 Place Jean Jaurès   /   Périphérique Porte de Chatillon   /   G.P.S. : fjkm montrouge [ lancer GPS ]


PROCHAINS CULTES

Culte de cet après-midi : à 15h15 à Montrouge.

12mai24Soyez bénis !

ⓘ Info 

VONDRON'OLONA MPIARA-MIVAVAKA FJKM

Lux 12mai24

 

161 - Mivelatra eo imasiko

1 Mivelatra eo imasoko
Ny fiandrianan-dehibe
Itoeran’ny Mpamonjiko,
Dia Jeso Ilay nandresy re.
Fa niakatra Izy ka nandao
Ity tany fandalovana ;
Manjaka ao an-dapany,
Ka feno voninahitra.

 

2 Anjely no manotrona
Arahin’ny olo-masina
Ireo dia mandohalika
Am-panajana fatratra,
Ny Tompo eo afovoany,
Mamiratra ny tavany,
Ka feno hasambarana
Izay mahazo taratra.

3 Kanefa tsy mipetraka
Ho endriky ny lanitra
‘Lay Zanak’Andriamanitra
Fa miasa tsy mijanona.
Renao va ny fifonany,
Ho an’ny Fiangonany
‘Zay novidiny tamin-dRà,
Ka tiany hampakarina ?

4 Ekeo, ry Fiangonana ô !
‘Lay hany Mpanalàlana
‘Zay mandohalika amin-dRay,
Ka mitomany hoa anao !
Ry Tompo aza sasatra,
Ifony lalandava e !
‘Zahay izay navotanao.
Fa te-hankao an-danitra !

162 - Amen, Jeso no Mpifehy

1 Amen, Jeso no Mpifehy
Amen, ny Fanahiny,
Amen, Amen re ny teny
Mbamin’ny fandraisany
Amen, ny batisany,
Amen, ny fiainany.

 

2 Amen, Jeso no Mpanjaka,
Amen, ny Anarany ;
Amen, Jeso tonga maka
Ahy ho anjarany
Amen, Amen ary to
Izy, Izay inoako !

3 Amen, ny fanantenana
Zavatra maharitra ;
Amen re, ny fifindrana,
Raha mankao an-danitra
Amen, ny fiadanana,
Amen, ny fiainana !

4 Aoka isika hihira Amen,
Amen ho mandrakizay !
Jeso, mba valio Amen,
Dia ho faly izahay ;
Amen, no ho hiranay
Raha mby Aminao izahay.

8. NY FANATREHANY

163 - He Jesosy Tokintsika

1 He, Jesosy Tokintsika !
Tompon’ny fiainana
Tonga eto amintsika
Olon-kovangiana.
Izy no hitory teny
Soa, mahavelona,
Fa ny ainy no nomeny
Mba ho solo-voina.

 

2 Andrandraonao ka andraso
Ny Mazava lehibe
Dia Ilay tsy hita maso,
Mpanazava, Mpanome ;
Fa ny ainao dia ho very,
Raha tsy arahinao
Ilay Mpanjaka manan-kery
Izay nanavotra anao.

3 Eto afovoantsika
Ilay Mazava tokana ;
Sambatra izay mahita
Azy fa ho velona.
Ry Jesosy, iresaho
Izahay mpianatrao
Hafanao sy hatanjaho
Ny finoanay Anao !

9. NY FIDERANA SY FISAORANA AZY

164 - Jesosy irery ihany

1 Jesosy irery ihany :
Filazantsara soa !
Nentin’ireo mpanompo,
torina aminao
Maizina avokoa izao rehetra
izao,
Nefa he, ny mazava naposaka
aminao !

 

2 Jesosy irery ihany :
no ivavahana,
Ny Anarany irery no
fanavotana,
Ny olona rehetra no 
handohalika
Etý an-tany ka hatrany 
an-danitra !

3 Jesosy tsy miova
omaly sy anio
Ary mandrakizay,
fa tsy mamitaka,
Mifona ho antsika eo
an-kavanan-dRay
JESOSY IRERY IHANY re
no isaorana !

165 - Haleloia, Midera, Asandrato

1 Haleloia ! Miderà !
:,: Asandrato re ny feo :,:
Miderà ny Ray Tsitoha,
:,: ‘Zay Mpamorona anareo :,:
Fa Mpanjaka manan-jo,
Haleloia ! Haleloia !

 

2 Haleloia ! Mihirà !
:,: Lehibe sy masina :,:
‘Lay Mpahary anareo.
:,: Ao ny ranomasina :,:
Sy ny biby marobe
‘Ndray mihoby ! Haleloia !

3 Raiso re, ry Tompo ô !
:,: Ny mpanota toa anay :,:
‘Zay miantoraka Aminao
:,: Mba henoy ny vavakay :,:
Ho fanatitra madio,
‘Zay atolotray anio.

166 - Derao ny Tompo Lehibe

1 Derao ny Tompo lehibe,
Nahary izao rehetra izao ;
Haleloia ! Haleloia !
Ny lanitra sy ny tany koa,
Samia midera avokoa ;
Asandrato izao ny dera :
Haleloia !
Haleloia ! Haleloia !

 

2 Ry fo voadion’ny rany soa ;
Ankalazao ny Tompo tia ;
Haleloia ! Haleloia !
Ry voavela heloka ô !
Tsarovy re ny indrafo,
Asandrato izao ny dera :
Haleloia !
Haleloia ! Haleloia !

3 Miraisa fo ka miderà,
Fa Izy niahy hatrizay
Haleloia ! Haleloia !
Derao ny Ray sy Zanaka
Sy ny Fanahy Masina
Asandrato izao ny dera :
Haleloia !
Haleloia ! Haleloia !
Amena !

167 - Midera ny Anaranao

1 Midera ny Anaranao
‘Zahay, ry Tompo ô !
Ka hira no Ventesinay
Hoe : haja, saotra, hery,
Mba raiso ho Anao.

 

2 He ! voahombo Hianao
Nisolo heloka,
Ka mendrika hanaovanay
Hoe : haja, saotra, hery,
Mba raiso ho Anao.

3 Endrey ! ny fitiavanao
Endrey ! ny herinao,
Tra-pamonjena izahay,
Ka haja, saotra, hery,
Mba raiso ho Anao.

4 Raha tonga ao an-danitra
‘Zahay mpanomponao,
Hitohy re ny hiranay
Hoe : haja, saotra, hery,
Mba raiso ho Anao !

168 - Ry Jeso! Ny Anaranao

1 Ry Jeso ! ny Anaranao
Dia maminay tokoa ;
Mihira sy miderà Anao
Izahay navotanao.

 

2 Tsy takatry ny hevitra
Ny fitiavanao :
Tsy tambonay tononina
Ny hasoavanao.

3 Ny tsara eran-danitra
Sy eran-tany koa,
Tsy azo anoharana
Ny fitahianao.

4 Ho toy ny loharano e,
Ny fonay olonao ;
Tsy hanam-pitsaharana e,
Ny hiderana Anao !

169 - Ry Tompo Andriamanitra mpanao izao rehetra izao

1 Ry Tompo Andriamanitra,
Mpanao izao rehetra izao !
Midera Anao ny lanitra
Ny tany koa mitsaoka Anao.

 

2 Hianao no Ray mandrakizay,
Mpanao izao tontolo izao,
Tongava re, ka mba tahio
Ny vavakay atao anio.

3 Ry Kristy ô, Mpanavotra,
Mpamonjy be fitia tokoa,
Hianao no Zanaky ny Ray,
Ka mendrika haja, saotra koa !

4 Fanahy Masina ô, avia,
Sasao ho voadio izahay,
Hanoa sy hanara-dia
Ilay Mpamonjy Tomponay.

5 Anao ny voninahitra
Sy dera tsy mitsahatra,
Ry Telo Izay Iray, Tsitoha
Ray, Zanaka, Fanahy koa !

170 - Ry Jeso ny fitiavanao no ifalianay

1 Ry Jeso ny fitiavanao
No ifalianay
Fa voavono Hianao
Hisolo voina anay,
Mba raisonao re
Ny saotra aterinay izao,
Ho fanajana
Anao, Mpamonjy tia !

 

2 Mahery ny fitiavanao,
Ka itokianay ;
Izay mikamabana Aminao
Dia tsy hangaihay,
Mba raisonao re, ..sns.

3 Ambony ny fitiavanao,
Ka tsy mba takatray ;
Kanefa noho ny herinao,
Hiezaka izahay,
Mba raisonao re, ..sns.

4 Hiezaka izahay, Jeso !
Ka mba ho tia Anao,
Ka tsy hatahotra eso koa,
Noho ny Aminao !
Mba raisonao re, ..sns.

171 - Jeso, Mpanjaka malaza

1 Jeso, Mpanjaka Malaza,
No Tompo Mpanjakanay ;
Mahery sy tsara indrindra,
Ka Izy no Aronay.
Mendrika hankalazaina
Noho ny heriny ;
Eran-tany sy lanitra koa
Ny zo aman-dazany :
Ry Tompo, Mpanjaka
Mahery ô ! Mihainoa !
Avy manaiky tokoa izahay
Fa Tompon’ny hery rehetra
Hianao,
Tsy misy mihitsy ny toa Anao
Tsy tratry ny saina ny herinao
Ny fiderana izay entinay,
Raiso re ! Raiso re !
Ny haja atolotra Anao etý.
Raiso izao !

2 Tompo, Mpandahatra hendry,
Mpanao izao rehetra izao,
Ny zara sy tendry ataony
Dia tsara sy mahasoa ;
Mendrika ny hoderaina
Ny fandaharany ;
Atolory ho Azy ny saotra,
Fa Izy tandrifin’io :
Ry Tompo, Mpanjaka ..sns.

3 Tompo, Mpanjaka Tsitoha,
Kanefa be indrafo ;
Deraina eram-po eran-tsaina,
Deraina mandrakizay ;
He ! ny mpanompo voavonjy,
Samy mihoby hoe :
“ Haleloia, ho amin’ny Avo,
Fa Jeso no Tomponay ! ”
Ry Tompo, Mpanjaka ..sns.

172 - Hoderaiko lalandava Jeso 'lay mpanavotro

1 Hoderaiko lalandava
Jeso Ilay Mpanavotro
Noho ny fitiavana ahy,
Maty mba ho soloko,
Hoderaiko, hoderaiko,
Fa ny rany masina
Nentiny hanavotra ahy
Afaka ny heloko.

2 Holazaiko lalandava
Ny tantara mamiko,
Izay nitadiavana ahy,
Very noho ny heloko :
Hoderaiko, ..sns.

3 Hohiraiko lalandava
‘Zao ny voninahiny
Fa ny fahafatesana aza,
Resy noho ny heriny ;
Hoderaiko, ..sns.

173 - Hosana no asandratray ho an'i Jesosy

1 Hosana ! Hosana !
Hosana !
Hosana no asandratray
Ho an’i Jesosy
Fa Izy no Mpanjakanay
Sy Tompo tia koa ;
Hosana no atolotray
Anao, ry Tomponay !
Ity no andro Jobily,
Jobily, Jobily, Jobily,
Ity no andro Jobily,
Ka hifalianay !

2 Hosana ! (in-3) *
Hosana ho Anao anie,
Ry Kristy Tomponay !
Fa avy Hianao tokoa
Hanjaka aminay !
Hosana no atolotray, ..sns.

3 Hosana ! (in-3) *
Hosana ! fa ho sambatra
Izay mpanomponao ;
Tsy hisy fahoriana
Etý an-taninao !
Hosana no atolotray, ..sns.

4 Hosana ! (in-3) *
Hosana ! fa miomana
‘Zahay vahoakao
Hitsena Anao Mpanjakanay
Raha avy Hianao !
Hosana no atolotray, ..sns.

5 Hosana ! (in-3) *
Hosana ! raisonao tokoa,
Ry Tompo tianay,
Ny dera, laza, saotra koa,
Izay aterinay !
Hosana no atolotray, ..sns.

*Ho an’ny feo (1) ihany

NY FANAHY MASINA

174 - Fanahy Masina ô ny hevitray izao

1 Fanahy Masina ô !
Ny hevitray izao
Ovay ho vao ;
Vonoy ny otanay,
Diovinao izahay,
Ka ny fanahinay
Onenonao.

2 Fanahy Masina ô !
Tsinjovinao izao
Ny olonao ;
Mpananatra ô ! ovay
Ny eritreritray ;
Ny hadisoanay
Esorinao.

3 Fanahy hendry ô !
Jereo izahay izao,
Ka hazavao !
Adala izahay,
Mania ny hevitray ;
Dia atoroy anay
Ny lalanao.

4 Fanahy Masina ô !
Mba asehoy izao
Ny antranao ;
Be tahotra izahay,
Henoy ny hatakay,
Ka ny fanahinay
Ononinao.

175 - Avia, Fanahy ô, fanahy Masino ô

1 Avia, Fanahy ô,
Fanahy Masina ô !
Midina eto aminay
Hitari-dàlana !

2 Fa diso làlana
Ka ory izahay ;
Ny sainay dia maizina,
Ny fonay ratsy koa

3 Midina Hianao,
Ry Mpanazva anay,
Hanaisotra ny maizina,
Atý anatinay !

4 Avia, Mpananatra ô !
Mombà anay tokoa ;
Ampahatsiarovinao
Ny teny mahasoa.

5 Ry Mpampianatra ô !
Ampionao izahay,
Ka aoka re ho marina
Izay ianaranay !

6 Mitomoera atý
Anatin’ny fonay ;
Izany indrindra, ry Tompo,
No angatahinay !

176 - Avia, Fanahy Masino ô, midina eto aminay

1 Avia, Fanahy Masina ô !
Midina eto aminay ;
Fenoy ny hasoavanao
Ny fonay noforoninao !

2 Tongava, ry Mpananatra ô !
Nomen ‘Andriamanitra
Ho loharano velona
Hiboiboika ao am-po.

3 Sokafy ny fanahinay
Hidiram-pitiavana ;
Ny tenanay malemy koa,
Ampaherezonao anie !

4 Reseo ny fahavalonay ;
Onòny koa ny tahotray ;
Tantano ao an-dalana
Hahatraranay ny lanitra !

5 Tahio mba hitiavanay
Ny Ray sy Jeso Zanany
Sy hitokianay Anao
Izay Fanahy Masina !

177 - Ry Fanahy Mpanazava mitariha anay izao

1 Ry Fanahy Mpanazava !
Mitariha anay izao
Hianaranay ny teny
‘Zay nampanoratinao !
:,: Dia hifaly :,:
Izahay tarihinao ! (in-2)

2 Ry Fanahy Mpanazava !
Maminay ny anatrao,
Fa matanjaka sy hendry
‘Zay ampianarinao !
:,: Hatanjaho :,:
Izahay mpianatrao ! (in-2)

3 Ry Fanahy Mpanazava !
Aoka tsy hangia anay
Ny angano sy tantara
‘Zay hamily dia anay !
:,: Mba sakano :,:
Tsy handavanay Anao ! (in-2)

4 Ry Fanahy Mpanazava !
Ny Baiboly taminao
Dia fanilo sady toky
Hanatonanay Anao !
:,: Mba tsilovy :,:
‘Zay miankina Aminao (in-2)

178 - Avia Fanahy ô, midina Hianao

1 Avia, Fanahy ô !
Midina Hianao
Hanova ny fo vatonay,
Ho tonga fo vaovao !

2 Izay afafinay,
Tondrahan-drano koa,
Tsy mety misy vokatra
Raha tsy ambininao.

3 Fenoy ny herinao
Ny fon’ny olona,
Hamelona finoana
Sy fitiavana !

4 Fanahy Masina ô !
Tahio ny asa atao,
Ampandrosoy am-po
Ny hasoavanao !

179 - Ny Fanahy Masina efa tonga tokoa

1 Ny Fanahy Masina efa tonga
tokoa,
Mba homba ny mpitory Teny
mahasoa.
Koa mitsangàna izao,
andeha ry mahery fo,
Hatramin’ny faran’ny tany,
Torio ny Teny soa !

2 Voasaron’aizim-pito ny
Nosinao ;
Ny ody sy ny sampy no
notompoiny tao ;
Ny fahazarana koa, nangeja
mafy tokoa,
Kanefa tonga ny mazava :
Resy ny aizina ao.

3 Ry fanahy voatafy hery,
ny Tompo anie
Ka efa miandry anao,
injay miteny hoe :
« Angony, eny antsoy,
hanatona avokoa
Ny firenena eran-tany,
Ho mpianatro tokoa ! »

4 Tompo tia ô, ekeko ny
antsonao ;
Hafoiko ny hareko,
ny tenako izao,
Ho vavolombelona, hijoro,
hanafaka,
Hitory sy hamafy koa ;
Tafio ny herinao !

180 - Ny Tompo, raha vao nanao veloma ny taty

1 Ny Tompo, raha vao nanao
Veloma ny tatý,
Namela ny Mpananatra
Ho arony.

2 Dia tonga Izy hanome
Ny hery mahasoa,
Dia hery fanadiovana
Ny fo tokoa.

3 Malemy ny fibitsiny,
Kanefa mora re,
Mahazo fiononana
Izay mandre.

4 Tsinjovy, ry Fanahy ô !
Ka iantrao izahay ;
Amboary ho tempolinao
Ny tenanay.

181 - Fanahy Mpanazava

1 Fanahy Mpanazava,
Ny foko hazavao
Maniry lalandava
Ny Pentekositrao.
Ny aizina ao am-poko,
Fongary re ho lao ;
Ny foko mitoloko,
Maniry indrindra Anao !

2 Fanahy Mpanadio,
Ny foko mba sasao.
Diovy re anio
Ho tena lapanao ;
Ny hevitray misoko
Izay te-handroaka Anao,
Dia ota te-hijoko,
Esory sy fafao !

3 Fanahy Mpampahery
Izay rerakao sy voa,
Ny foko re dia tery
Hiantoraka Aminao.
Izay mandrebireby,
Roahy re izao,
Ny fo mitebiteby,
Hiondana Aminao !
Amen.

182 - Ny Pentekosta tonga izao

1 Ny Pentekosta tonga izao ;
Fanahy ô, ny jironao
Velomy ao anatiko
Hahafantarako ny to.

2 Ampisehoy, Fanahy ô
Fa Jeso no fiainako,
Ka Izy dia làlana
Ho amin’ny fiainana.

3 Dia mba tarihonao ny fo
Tohano ny fanahiko ;
Ampio ny finoako
Hahita ny Mpanavotro.

4 Fa Hianao, Fanahy ô !
Hanova ny fanahiko,
Ka raiso sy diovinao
Ny foko ho fonenanao.

5 Ny hazo-fijaliana,
Anjara hivesarana,
Fa Hianao, ry Heriko,
Mba miaraha amiko.

6 Mba asehoy ho fantatra
Ny soa tsy ho tapitra,
Ny satro-boninahitra
Homen’Andriamanitra.

7 O, ry Fanahy Masina ô !
Ampaherezonao ny fo,
Ka hazavao ny lalako,
Raha avy ny hodiako.

183 - Midina, ry Fanahy ô!

1 Midina, ry Fanahy ô !
Midira ao anaty fo,
Ampio ny mihafy,
Fa Hianao no Mpanome
Ny to sy fahazavana be ;
Ny vavanay sokafy
Izao, hanao
Saotra tsara, hanambara
Ny Mpamonjy,
Fa satria voavonjy.

2 Ka raha re ny teninao,
Dia mba avia, hazavao
Ny hevitry ny teny ;
Mba ambarao aminay
Ny fomban’ny Mpanavotray,
Lazao ny famonjeny,
Izahay, izay
Vory eto, andreheto
Jiron’aina,
Hialan’ny aizin-tsaina !

3 Ny maizina onenanay,
Tsy mety afaka aminay,
Ka tena mahavery,
Raha Hianao tsy tonga izao
Mitondra filazam-baovao
Sy toky mampahery ;
Ovay izahay,
Hamasino ny te-hino
Ampidiro
Eto aminay ny jiro.

4 Mba hafanao re izahay,
Ampio hitiavanay
Indrindra ny Mpamonjy,
Ny rany mba ho avotray,
Ny didiny harahinay,
Hananay ny vonjy,
Jeso, Jeso
No torio sy bitsiho
Ao an-tsainay,
Mba hamelona ny ainay.

184 - Fanahy Mpanazava anay!

Fanahy Mpanazava anay !
Midina eto aminay,
Tarihonao ny sainay ;
Ny alahelonay savao,
Ny toetray havaozinao,
Velomy re ny ainay !
Sento renao
Mba valio, ka tahio
Ny mahantra,
Ry Fanahin’ny Mpiantra !

185 - O! Ry Fanahin'ny Ray ao ambony

1 O ! ry Fanahin’ny Ray ao
ambony
Andriamanitra mandrakizay,
Aza avela hisaraka intsony
Ny olo-mino, fa aoka hiray ;
Taomy ho an’i Jesosy
Mpamonjy
Ny mbola maizina ka hazavao,
Hahafantarany tsar any vonjy,
Dia ho faly ny mino Anao.

2 O ! ry Mpiantoka ny
famonjena,
Azo ny antoka tsara izao ;
Tonga ny iraka be fahendrena
Mba hanambara ny sitraponao,
Ka ny lelafo noraisin’ny mino
Sy ny fiteniny tonga vaovao
Dia nahagaga, ka tena
nampino
Olona maro hanaraka Anao.

3 Ry Mpampionona ô ! mba
sitrano
Fa voaratran’ny ota izahay ;
Ka izay ory mba ampiadano,
Ny malahelo falio indray !
O, mba ovaonao tokoa ny
sainay,
Taomy ka ampahareto ny fo ;
Ka raha ory, arovy ny ainay,
Mba tsy hafoinay intsony
ny to !

186 - Fanahy, Mpanavao anay

1 Fanahy, Mpanavao anay,
Simban’ny ota izahay,
Ka amboaronao indray,
Havaozy ny fanahinay !

2 Avia, ry Afo masina,
Ny ratsy aoka ho levona ;
Ry Loharano velona,
Tondrahonao ny efitra.

3 Ny lohataonanao anie
Mba hampaniry soa be
Sy hampamony ho Anao
Izao tany karankaina izao.

4 Ny efitra sy tany lao
Hihoby sy hidera Anao,
Fa olom-potsy no ho ao ;
Mpanompo teo fa afakao.

5 Ry lohataona maminay !
Midina faingana aminay,
Fanahy Mpanavao anay,
Niandry ela izahay.

187 - Ny lanitra sokafinao

1 Ny lanitra sokafinao,
Midìna, ry Mahery !
Ampisehoy ny sandrinao,
Ry Tompo manan-kery !
He! manakora izao
Ny fahavalonao,
Ka maro no mandà
Ny afo masina
Narehitrao, ry Jeso.

2 O, ry Mpitia olona,
Mpanjaka voahombo !
Ny teninao dia velona,
Mahery sy mitombo ;
Ampahafantaronao
Izao tontolo izao,
Fa tsy mba foana
Ny ranao masina
Nalatsakao fahiny.

3 Mba ampiraiso hina re
Ny olom-boafidy,
Ka akambano mafy e,
Fa lova sarobidy,
Ny fitiavana
Madio sy marina
No aoka hanavao
Ny fiangonanao,
Handraisanao ny dera.

4 Ny Nosinay, ny tranonay,
Ny vava aman-tsainay,
Dia samy mba havaozinao,
Ry fototry ny ainay !
Ampiononinao
Ny manina Anao !
Avia, ka mamonje,
Avia, mampandrese
Ny olonao mahantra.

188 - Ry Fanahin'aina

1 Ry Fanahin’aina,
Mpanazava saina,
Mpampionom-po !
O, mba akekezo
Ireto miambezo
Hamindranao fo !
Hazavao
Ny olonao,
Mba handraisanay tokoa
Fanomezan-tsoa !

2 Mba ampivavaho,
Hafanao re aho
Hanakalaza Anao !
Hataka sy sento
Asandrato, ento,
Ka valionao !
Anehoy
Sy ampinoy
Ny famindrampo mamonjy
Izay te-ho tra-bonjy !

3 O ! mba amosahy
Fahazavam-panahy
Ny fisainanay,
Ka ny tarafo,
Andreheto afo,
Ny fanahinay,
Ka ombay
Re izahay,
Raha antsoinao hanambara
Ny Filazantsara !

4 O ! ry Andon’aina !
Tany karankaina
Mba vontosinao !
Dia ho vanom-boa,
Hahavoka-tsoa
Re ny volinao !
Indrafo
Sy teny to
No harena antenaina
Hanavao ny aina.

5 O ! mba areheto
Sy ampahareto
Ny finoanay !
Izahay afaho,
Ampahatanjaho
Ny fanahinay !
Tompo ô !
Miraiki-po
Aminao ny olom-bery
Tonga manan-kery.

6 Raha mitoloko,o
Tano re ny foko
Tsy handao Anao,
Ka tsilovy dia,
Tsy haniasia,
Hahatody ao
Aminao
Ny Zanakao
Ao ny lova andrandraina
Fahasambaran’aina.

189 - Ô, ry Fanahy Masina ô

1 O, ry Fanahy Masina ô !
Mba midira ao anaty fo !
Taomy ny mania
Hody avokoa ;
Eny, mitahia,
Manomeza soa,
Miantrà, ry Tompo ô !

2 O, ry Mazava lehibe,
Hazavao ny teny izay ho re !
Asehoy Jesosy,
Ambarao ny vonjy ;
Iasao ny Nosy
Mba ho voavonjy.
Miantrà, ry Tompo ô !

3 Ry Afom-pitiavana ô !
Mba levoninao ny lolompo,
Ampiraiso dia
Ireto ondry vitsy
Mba hifankatia
Ho iray mihitsy.
Miantrà, ry Tompo ô !

4 Ry Mpampifaly tsara ô !
Mba omeo toky re ny fo,
Mba hanantenanay
Fa ho voavonjy,
Ary handresenay
Noho ny Mpamonjy.
Miantrà, ry Tompo ô !

NY TELO IZAY IRAY

190 - Ry Fanahy Mpanazava

1 Ry Fanahy Mpanazava !
Miandrandra Anao izahay !
Aza ela, fa tongava,
Taomy ny fanahinay,
Mba ho fantatray mazava
Izay lazain’ny teninao ;
Areheto lalandava
Ao am-po ny afonao.

2 Ry Jesosy ! mitenena
Araka ny fombanao,
Aminay izay manantena
Mba handre ny teninao ;
Fo marary sy manahy
Mba tsaboy sy iantrao ;
Ny te-hino fa tsy sahy,
Anehoy ny holatrao !

3 Rainay, Mpanome ny soa,
Mba henoy ny hatakay
Ka ny tananao tsy toha
Iarovinao anay ;
Ny tanora mba tahio,
Ny vaventy hafanao,
Mba ho hitanay anio
Fa atý ny tenanao !

191 - Ny Teny sy Fanahinao

1 Ny teny sy Fanahinao,
Ry Ray, mba avelao
Handroso tsara, hanavao
Izao tontolo izao.
Mitombo, mihabe
Ny ratsy izao, odrey !
Fa vitsy ny mpanomponao
Izay ifalianao.

2 Vonjeo, ry Jesosy ô !
Ny Fiangonanao,
Fa misy marobe izao
Izay mody olonao,
Anefa tsy manao
Izay tena sitrakao.
O, ry Mpanjaka lehibe !
Mba mamonje anie.

3 Fanahy ô ! mba raisonao
Izay vavakay izao ;
Ny fonay mba havaozinao,
Ny maso hazavao,
Hahafantaranay 
Izay alehanay,
Mba hamoazanay izao
Izay voa tianao.

192 - Andriananahary, aba Ray

1 Andriananahary, Aba, Ray,
Izay ianteheranay,
Mba raiso re ny vavakay ;
Esory sy vonoy ny helokay,
Vonjeo re, izahay !

2 Ry Jeso Zanak’Andriamanitra,
Mpitarika ho an-danitra
Mpanolo-tsaina marina,
Mpamonjy tia ka nolavina,
Vonjeo re, izahay !

3 Ry Mpampionona
mandrakizay,
Ampiomano izahay
Handray ny famindramponao,
Ndrao very amin’otanay
izahay,
Vonjeo re, izahay !

193 - Tahio, re, ny teninao

1 Tahio re, ny teninao
Ankalazao ny Zanakao,
Izay nasandratrao ry Ray,
Ho kiady sy ho aronay.

2 Ry Jeso ô ! Mpanjakanay,
Ampandreseo izahay ;
Ho menatra ny rafinao,
Raha hitany ny herinao.

3 Ry Mpampionona anay,
Ampikambano ho iray
Ny sampam-piangonana,
Hiray am-pitiavana.

194 - Andriananahary ô

1 Andriananahary ô, endrey ny
voninahitrao !
Ny tany sy ny lanitra 
mamelatra ny lazanao,
Ny asanao rehetra e,
ny famonjena lehibe,
Mitari-dàlana anay hidera ny
Anaranao.

2 Ry Zanakondry masina,
Jesosy Izay Isaoranay !
He, Hianao niantra anay, ka
nentinao ny otanay,
Ny menarana resinao,
ny fasana vinakinao,
Ka Hianao nanokatra ny
lanitra hidiranay.

3 O, ry Fanahy Masina,
Izay mitarika anay
Hanetry tena sy hanaiky fa
mpanota izahay,
Mitaona sy mananatra anay
handray ny avotra,
Ka manamasina anay, mba
raiso ny fisaoranay.

4 Ny voavonjy mbamin’ny
anjely mankasitraka,
Ny tany sy ny lanitra 
mikambana hanandratra
Anao, ry Ray sy Zanaka,
Anao Fanahy Masina,
Izay maneho famonjena
feno fitiavana.

195 - Andriamanitra Ray

1 Andriamanitra Ray
loharanon’ny aina,
Masina, masina re, Hianao ka
deraina
Fa manome fahasoavana be,
Soa tsy tratrin’ny saina.

2 O, ry Jesosy Mpamonjy,
Mpanjaka mahery,
Tonga tatý mba hampody ny
zanaka very,
Raiso izao ny fiderana Anao,
Saotra aman-daza sy hery.

3 Ry Mpampionona ô,
Mpanazava ny sainay,
Mba ampinoy izahay, ka
havaozy ny ainay,
Mba hazavao ny manantena
Anao ;
Raiso ny hira hirainay !

196 - Ry Rainay ao an-danitra ô

1 Ry Rainay ao an-danitra ô,
Izay mendrika hoderaina,
Mahery sy be indrafo,
Tsy takatry ny saina,
Izahay dia tonga zanakao,
Ka faly manana Anao :
Mihoby sy miravo.

2 Izahay miondrika Aminao,
Midera Anao tokoa,
Fa be ny fitiavanao,
Ry Ray mpanisy soa ;
Anao izao rehetra izao,
Ho vitanao izay tianao,
Andriananahary.

3 Ry Jeso Kristy Tomponay
Mpanjaka manan-kery,
Izay any ankavanan-dRay,
Mpanavotra ny very,
He, any no ifonanao
Ho an’izay navotanao,
Fa resinao ny ota.

4 Ny ranao no nalatsakao,
Fanati-tsaro-bidy !
Ny ainao ho atohanao
Ny olonao mpiady.
Na atý na ao an-danitra
Jesosy Kristy tokana
Ho avotra sy vonjy.

5 Ry Mpampianatra mahay
Fanahy Mpanazava,
Ampianaro izahay
Handroso lalandava,
Tariho ny fanahinay,
Honenanay rahatrizay
Arý an-danitra Amen !

197 - Haleloia, deraina

1 Haleloia, deraina
Andriamanitray,
Mpanjaka fototr’aina,
Mpikarakara anay,
Ny zava-boahary
Dia eo an-tananao,
Ka tena lavorary
Ny fandaharanao.

2 Haleloia, deraina
Hianao, Mpamonjinay
Nijaly, noratraina,
Ka maty solonay,
Anefa naharesy
Ny fahavalonay,
Natsangana handresy
Mba ho fiainanay.

3 Haleloia, deraina
Hianao, Fanahy ô !
Ny herinao ny aina
Hamelona tokoa ;
Hianao mikarakara
Ny fiangonanao,
Manova, manatsara
Izao tontolo izao.

4 Haleloia, deraina
Ny Telo Izay Iray !
Hobina sy hiraina,
Fa Andriamanitray,
He, Tompo foto-tsoa
Iainanay atý,
Fa ho izany koa
Mandrakizay doria.

198 - Isaoranay Jehovah

1 Isaoranay Jehovah,
Fa Tompo lehibe,
Izay tsy mba manova,
Ny famindramponao.
Miorina aminay izao
Ny fiangona-masinao ;
Torina aminay
Ny teny mampiray,
Ka ravoravo izao
Izahay miderà Anao !

2 Derao Jesosy Tompo,
Izay Mpamonjinao,
Hiraonao re, ry foko,
Ny fitiavany.
Haleloia ! haleloia !
Haleloia ! haleloia !
Jesosy avotray
Dia Zanaky ny Ray
Ny ainy no voaray,
Hisolo helokay.

3 Derainay, ry Fanahy,
Izao ny asanao,
Tsy misy mampanahy,
Izay tarihinao,
Ka anjakao re, ny fonay,
Arovy ny fiangonanay,
Velomy izahay,
Ataovinao mahay
Manoka-po izao
Handray ny aim-baovao !

199 - Misaora! Misaora an'i jehovah

1 Misaora ! misaora an’i
Jehovah,
Ry olona atý an-tany ô !
Fa lehibe ny indrafony
Ka maharitra mandrakizay.

2 Misaora ! misaora an’i Jesosy,
Ry olona atý an-tany ô !
Fa vitany ny famonjena,
Ka misokatra ny lanitra.

3 Misaora ! misaora re ny
Fanahy,
Ry olona atý an-tany ô !
Fa fahazavana no omeny
Ary fanavaozana am-po.

200 - Rainay ô Masina!

1 Rainay ô Masina !
Tompon’ny lanitra,
Izay tia anay ;
Kiady sy mandanay
Ho fiarovana,
Izay hitokianay
Mandrakizay.

2 Jeso ô, Tomponay !
Lalana marina
Amin’ny Ray !
Fahamarinana
Ary fiainana
Azonay aminao
Ry Tomponay !

3 Fanahy Masina ô !
Irak’i Jesosy
Tonga etý ;
Manazavà anay
Amin’ny maizina ;
Ny hevi-dratsinay
Esorinao !

4 Andriamanitra ô !
Telo fa tokana,
Tompo iray ;
Aza mandao anay,
Ory sy reraka
Noho ny heloka
Izay momba anay.

5 Aza tsaroanao
Ny hadisoanay,
Ry Tompo ô !
Fa mamelà anay,
Noho ny Zanakao
Ka manomeza anay
Ny fo madio.

201 - Midina, Tomponay !

1 Midina, Tomponay !
Ampionao izahay
Hidera Anao ;
Ray soa tia anay,
Hery sy Tanjakay,
Izay hotompoinay
Mandrakizay.

2 Avia, Jeso ô !
Reseo ny rafinay
Ho lovanao ;
Arovy izahay
Amin’ny herinao ;
Ny fitarainanay
Henoinao.

3 Fanahy Masina ô !
Tariho izahay
Hanaiky izao ;
Mahery Hianao,
Ny fonay anjakao,
Aza ilaozanao
Mpananatra ô !

4 Ry Telo izay Iray !
Dera mandrakizay
Omena Anao ;
Ny voninahitrao
Aoka ho hitanay,
Ka raisonao izahay,
Ho Aminao.

202 - Ry Ray malala ô!

1 Ry Ray malala ô !
Mba raisonao
Ny haja entiko
Hidera Anao.
Ny fitiavanao
No maiko izao
Izaho dia Anao,
Ry Raiko ô !

2 Ry Jeso tia ô !
Mpanavotra,
Ta-hankalaza Anao
Ny vavako ;
Ny avo-dehibe
Manafaka ahy e !
Izaho dia Anao,
Ry Jeso ô !

2 Fanahy Masina ô !
Mpananatra,
Mahiratra tokoa
Ny masoko,
Mazava re izao
Ny lalako hankao ;
He ! fifaliam-be
No ahy izao.

203 - Ry Rainay be fitia

1 Ry Rainay be fitia,
Mpamelona anay !
Tariho tsy hania,
Hazoninao izahay ;
Fa be ny fahavalo
Mitady ny ainay,
Mamely tsy mimalo
Ilay ratsy hatrizay.

2 Ry Zokinay malala !
Ry Jeso havanay !
Toroy mba hahalala
Ny mety izahay ;
Ny miaraka Aminao re,
Ry Jeso Tompo ô !
No mahasoa ny saina,
Ny fo, fanahy koa.

3 Fanahy Mpanazava
Sy Mpanadio ny fo !
Tomoera lalandava,
Monena ao am-po ;
Koa dia ampidino
Ny hasoavanao,
Ovay sy hamasino
Ny toetray izao.

4 Ry Tompo be fiantra !
Ry Telo izay Iray !
Ny tananao miantra,
Atsory aminay ;
Rehefa tapitra andro
Ka hody izahay,
Mba raiso re, ry Tompo
Mba raiso izahay.

204 - Mamy ny fitianao

1 Mamy ny fitianao,
Ry Jehovah Tompo ô !
Nahafoy ny Zanakao
Hanavotanao anay.

2 Mamy ny antranao,
Ry Jeso Mpamonjy ô !
Ta-hamonjy Hianao
Sy hanafa-keloka.

3 Mamy ny fitaomanao,
Ry Fanahy Masina ô !
Ny Fanahinay ovay
Hankatò ny anatrao.

NY SORATRA MASINA,TENIN’ADRIAMANITRA

205 - Ny Teninao rehetra

1 Ny teninao rehetra,
Ry Tompo tia any !
No tsy manam-petra,
Fa tò mandrakizay ;
Ho levona avokoa
Izao rehetra izao,
Haharitra tokoa
Izao teninao izao.

2 Ny tenin’ny Baiboly
No sambatra entinay
Handresy ny devoly,
Ilay fahavalonay ;
Raha misy mampahory,
Ka osa izahay,
Ny teninao mahery
Manjary tanjakay.

3 Fa teny mamy koa
Ho an’ny mpakatò
Ka loharano soa
Miboika ao am-po,
Ho fanomezan-toky
Ny azon’ny manjo,
Sy hani-mahavoky
Mamelona ny fo.

4 Fa teny mampisava
Ny aizim-be atý,
Fanilo manazava
Ny dia ho arý ;
Manolo-pahendrena,
Mananatra ny fo,
Milaza famonjena
Sy lova tsy ho lo.

206 - Ny teny masinao Jehovah Tompo ô

1 Ny teny masinao,
Jehovah Tompo ô !
Nampanoratinao
Ireo mpanomponao,
Dia tiako ka tanako,
Ho lova sy fananako.

2 Ny teny masinao,
Izay noteneninao
Milaza amiko
Ny hasoavanao ;
Izay harena atolotrao
Ho entiko hidera Anao.

3 Ny teny masinao,
Andriamanitra ô !
Maneho ny fitia
Nataon’ny Zanakao,
Izay maty tany Kalvary,
Hamonjy ny mpanota etý.

4 Ny teny masinao,
No mampianatra
Ny saiko tsy mahay
Mba hahafantatra
Ny zavatra miafina
Izay momba ny hasoavanao.

5 Ny teny masinao,
Dia tsy mba mety lo ;
Izay ambarany
Tsy misy tsy ho to.
Na levona aza ka tsy ao
Izao rehetra àry ‘zao.

207 - Mamy ny teninao

(Maintimolaly)
1 Mamy ny teninao,
Jehovah Masina !
Sy to ny teninao
Tsy azo ovana :
Ny lanitra ho levona,
Fa tsy simba ny teninao.

2 Madio ny teninao,
Ka tsara indrindra,
Dia fahendrena
Ho an’ny adala :
Mahafaka ny maizina
Ka mitondra ny mazava.

3 Soa ny teninao,
Mahatsara ny fo,
Fa ao no hitanay
Misy Mpanavotra ;
Jeso, Loharanon’aina,
Mahasasa ny meloka.

4 Irin’ny foko koa
Ny teny masina
Noho ny harena
Na fananana be :
Ny teninao no tanako
Ho lovako mandrakizay.

208 - Ny teny masinao torina hatrizao

1 Ny teny masinao
Torina hatrizao ;
Maharitra tsy lo,
Mamabo izany fo,
Fa marina ka tianay
Hiainana mandrakizay.

2 Ny teny masinao
Mitondra herivao,
Mandrava ny manjo
Ireo izay ory fo ;
Ka mendrika ho tanana
Anaty, ho fananana.

3 Ny teny masinao
Dia tsy mba mankaleo ;
Fa hery velona
Mamelombelona ;
Ka satrinay ho re indray
Ry Andriananaharinay.

4 Ny teny masinao
No feo manorina ;
Ny teny masinao,
No feo manarina
Ka tianay hanenika
Ny tany sy ny lanitra.

209 - Jesosy tena kiady

1 Jesosy tena kiady
Sy reharehanay,
Namoha vavahady,
Ny Tanindrazanay ;
Nampiditra ny teny
Hampahalala anay
Ny Ray, ny fahendreny,
Mba hianaranay.

2 Na betsaka mifofo
Ny Baibolinay,
Mihaza sy milofo
Moa ketraka izahay ?
Jesosy no Mpiaro
Ka moa ho kivy ve ?
Vao mainka mihamaro
Ny mpankasitraka e !

3 Mbola Izy no Filoha
Mpitarika anay,
Hitory ka hamoha
Ireo namanay :
Vahoaka an-tapitrisa
No mbola hasondrotray,
Hahita Paradisa
Ho zanaky ny Ray.

4 Ry Jeso, hatanjaho
Ny fiangonana,
Hijoro, ho tena taho
Mamoa mandrakizay.
Hianao anie no sandry
Izay tena tanjakay,
No sady hany andry
Izay hijoroanay.

5 Jesosy soa malala !
Tsy foinay Hianao,
Ny fonay dia handala
Ity lova taminao.
Fanahy ravoravo
Noho ny teninao,
Ry Zanaky ny Avo,
Izao misaotra Anao.

210 - Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao

1 Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao
Tompo Andriamanitra ô !
Teny mahasoa, aina, hery koa
Mba ho an’izay manoa.
Soa tsy manam-paharoa ny
fitsipikao
Iravoanay, fa harena be
Sarobidy, tsy afoy, izany
didinao,
Famonjena ho an’izay
mandre.

2 Maizina izahay, kely fantatray
Nefa ao ny teninao :
Jiro sy fanilon’ny tongotray,
Hankanesana Aminao.
Soa tsy manam-paharoa ..sns.

3 Raha alaim-panahy itony 
zanakao
Indro, ao ny teninao,
Sabatry ny fo, hanoheranay
Ilay ratsy hatrizay,
Soa tsy manam-paharoa ..sns.

5 Ry Jesosy ô Mpampianatray !
Maminay ny teninao ;
Taomy izahay, mba 
hahaizanay
Hankatò ny didinao.
Soa tsy manam-paharoa ..sns.

211 - Ilay Boky 'zay nodorana

1 Ilay Boky izay nodorana
Dia may, nefa tsy levona ;
Izay natao ho lavenona,
Lasa vato fanorenana ;
Noheverina ho foana,
Kanjo mainka koa velona ;
Ilay nafenina, nalevina
No nisandratra, nivelatra !
Iza moa no hahasakana
Eny, iza no hanohitra
Ilay teny voasoratra,
Dia ny tenin’Andriamanitra ?
Izao rehetra izao ho levona
Fa ny Teny dia haharitra.

 

2 Rasalama nolefonina
Nisy hafa koa nodorana
Hantsana no namarinana,
Tora-bato: fahafatesana
Dia tao ireo nampinomina,
Noterena mba hiozona :
Moa izany nampivadika
Kristiana be finoana ?
Valin-teny voasoratra
Nentiny nandresy lahatra
Feo tony, tava mirana,
Feno hery, hasambarana :
« Tsy mba misy atahorako
Afa-tsy Hianao, 
ry Tompoko ».

3 Ilay teny masina sy to
Manambara ny Mpamonjiko,
Tena saro-bidy ao am-po,
Ka vakiko sy ianako.
Fifaliako, fiarovako,
Fahazavana ao an-dalako ;
Koa tanako ho lovako 
Sy isaorako ny Tompoko,
Maty aho, nefa velona
Fa Kristy no ahavelomako,
Maty Izy, nohomboana,
Noho ny fahotana vitako
Nefa Izy dia natsangana,
Santatry ny hitsanganako.

212 - Velona sy mahery

1 Velona sy mahery
Ny tenin’Andriamanitra,
Ka na dorana aza
Dia tsy ho levona ;
Ny Sekoly Alahady
Dia mivelona aminy.

 

2 Sabatra rao lela
Maranitra, manindrona,
Mampisaraka aina
Sy fanahy, tonona ;
Fantany avokoa 
Ny am-po miafina.

3 Hotsaraina isika,
Ka ilay teny velona
No hanavaka antsika
Ary koa hanavotra,
Koa minoa ny teny,
Teny fahasoavana.

213 - Ry fanahy mangetaheta

1 Ry fanahy mangetaheta,
Mila fitsaharana ;
Aza kivy, mahareta,
Sentonao hifarana !
Fa ny tenin'i Jehovah,
Soa mangarangarana ;
Loharano tsy miova,
Ao no hasambarana.

 

2 Ry tontolo mila vonjy,
Te ho afa-patotra,
Ao ny tenin'ny Mpamonjy
Dia Kristy Mpanavotra !
Teny velona sy mamy,
Feno fananarana ;
Hotorina eran-tany 
Fa fampihavanana.

3 Ry Mpanjakan'ny mpanjaka,
Ao, tendreo ny lelako
Mba hitory sy hizaka,
Hampandre ny havako,
Dia tahio ny Teny reny
Tsy ho very hasina,
Ka hamoy zato heny
Ny Baiboly masina.

214 - Finaritra, ry Tompo ô!

1 Finaritra ry Tompo ô !
Ny mankafý ny teninao
Sy mankatò ny didy.
Ny helony esorinao,
Ny sainy hohavaozinao,
Ka afaka hifidy
Ny lova sarobidy.

 

2 Ny teninao no rakitra
Sy tokin'ny mpandefitra,
Fa teny manan-kery ;
He ! ao dia voasoratra
Ny Aminao Mpanavotra,
Fa Hianao irery
Ny avotry ny very.

3 Ny teninao no vatsinay
Manohana ny dianay,
Sakafo mahasoa 
Sy ampy hivelomanay,
Ka ao am-parany indray
Ho azonay tokoa
Ny lovan'ny mpanoa.

215 - Ny teny masina sy to

1 Ny teny masina sy to
Nampilazainao, Tompo ô !
No manan-kery mahavoa
Ny fahavalonao tokoa,
Ka dia itokianay
Na aiza no alehanay.

 

2 Mitaona ny fanahinay
Ny teninao, Mpanavotray,
Mananatra sy manambara
Ny ratsy ary koa ny tsara ;
Mpilaza mahafatra-po
Ny teninao ry Tompo ô !

3 Ny teninao no sabatray
Sy mpampionona anay ;
Ny teninao no mofon'aina
Sy mpanazava fo sy saina ;
Mpiaro sady tanjakay
Ny teninao, ry Tomponay !

4 Ampinganay ny teninao
Ao amin'izao tontolo izao,
Ka raha levona ny tany,
Ny teny mbola ao ihany,
Dia izy iankinanay
Ho antoky ny avotray.

216 - Ny teninao ry Tompo ô

1 Ny teninao ry Tompo ô,
Dia ranon'aina soa, 
Izay mahalonaka ny fo
Mangetana tokoa,
Jereo ny tanimbolinao,
Fa tena mila io,
Ho feno voa ho Anao
Hatramin'ny anio

 

2 Ny teninao dia sabatra
Maranitra tokoa,
Mitsara sy mamantatra
Ny fonay sy ny voa.
Hetseho izao tontolo izao
Handray ny teninao,
O, asehoy ny herinao,
Hamorona aim-baovao.

3 Ny teninao izay tokinay
Fanilon-dianay,
Noraisinay ho lovanay
Sy fifalianay.
Ampianaro izahay
Hanoa ny didinao,
Ataovy izay hitiavanay
Ny teny masinao.

NY FIANGONANA
1. FANOMBOHANA SY FIANTSOANA

217 - Ry Jesosy Tomponay!

1 Ry Jesosy Tomponay !
Indreto izahy mivory,
Nefa tsy mahay mandray
Izay ambaranao akory :
Ka iraho ny Fanahy
Mba hanampy sy hitahy.

 

2 Maizin-tasina izahay,
Fa taranaka mpanota ;
Simba ny fanahinay,
Tena voasoron’ota,
Tompo tsara ô, tongava,
Aposahy ny mazava.

3 Ry Mazava lehibe,
Taominao ny fo malaina ;
Tairo mba hifoha re,
Ka handray ny tenin’aina ;
Ny fivavakay valio,
Ny ataonay mba tahio.

218 - Mba miangavy, Tompo ô!

1 Mba miangavy, Tompo ô !
Iraho ny Fanahinao,
Vangio ny mpanomponao,
Ampianaro izy izao.

 

2 Ampalasio ny sofinay
Handraisanay ny teninao,
Tendreo koa ny lelanay,
Hahaizanay hidera Anao.

3 Hiely be ny lazanao
Ambara-pahatonganao
Hitsara izao tontolo izao,
Hampody ny navotanao.

4 Fanahy, Zanaka sy Ray,
Mba raiso ny fisaoranay ;
Ka raha hiala atý izahay,
Hidera Anao rahatrizay.

219 - Ry Mpampianatra mahay

1 Ry Mpampianatra mahay
Fanahy Mpanazava,
Ampianaro izahay
Handroso lalandava,
Ny indrafon’ny Tomponay,
Velaro eo imasonay
Ho fantatray mazava.

 

2 Mivory eto izahay
Handre ny tenin’aina,
Ka hazavao ho fantatray
Ny hevitra lazaina ;
Ovay ny sainay sy ny fo
Hamantatra sy hankatò
Ny tenin’ny Mpamonjy.

3 Raha hodimandry izahay
Ka tonga ny anjara,
Bitsiho ao an-tsofinay
Ny tokon’aina tsara ;
Ataovy mora hitanay
Ny tavan’ny Mpanavotray,
Izay hery mahavonjy.

220 - Ry Jeso Tompo, Avotray

1 Ry Jeso Tompo Avotray,
Mitomoera aminay,
Aidino ny Fanahinao,
Tahio izahay izao.

 

2 Ny sitrakao mba ambarao
Ho fantatray ny hevitrao ;
Ny fonay amboaronao
Hahay handray ny teninao.

3 Ny vavanay hasinonao
Hahaizanay hisaotra Anao,
Fa be ny soa azonay
Nomenao, ry Mpanavotray.

4 Rahatrizay ny olonao
Hihoby sy hidera Anao,
Fa masina, fa masina,
Fa masina i Jehovah.

221 - Mivory eto izahay

1 Mivory eto izahay,
Jeso Tompo ô ;
Avia hanazava anay,
:,: Hinoanay Anao :,:

 

2 Maniry mafy izahay,
Hihaona Aminao ;
Omeo hosotroinay,
:,: Ny rano velona :,:

3 Ny mofon’aina mba zarao
Ho anay, ry Tompo ô !
Tahio re ny irakao,
:,: Ho voninahitrao :,:

4 Ny fonay dia atolotray
Anao, Jesosy ô !
Omeo hery izahay
:,: Hanao ny sitrakao :,:

5 Raha tapitra ny andronay,
Izay voafetranao,
Dia ento mody izahay
:,: Ho any Aminao :,:

222 - Ry Lela afo Masina

Ry Lela afo masina
Nilatsaka fahiny
Tan-dohan’ny mpianatra
Sy tao anaty fony,
Miandry fatratra Anao
Izahay mivory eto izao :
Avia ry Fanahy !
Avia, ry Jesosy ô !
Atreho ny mpianatrao
Ho velona am-panahy.

 

223 - Mba avia, malakia

1 Mba avia, malakia,
Ry mangetaheta ô !
Teny tsara no ambara,
Ka Henoy eram-po,
Fa Jesosy ranon’aina
No torina sy lazaina.

 

2 Ry Mpamonjy mahavonjy,
Mahatonga soa be,
Ka tsy maintsy ho tra-bonjy
Izay manatona Azy re ;
Ka henoinao ny teny
Manambara ny omeny.

3 Mba tariho sy tahio
Aho, ry Jesosy ô !
Mba ho ahy ny fanahy,
Hanazava ao am-po.
Hampahery fo sy saina,
Ka hamelona ny aina.

224 - Tafavory izahay ka manatona Anao

1 Tafavory izahay ka manatona
Anao
Zanahary nahary anay ;
Ka mba raiso izao
Izahay Zanakao ;
Aza lavina re izahay !

 

2 Tafavory izahay ka miantso
Anao
Ry Jeso Mpamonjy anay ;
Mihainoa Tompo ô !
Mitenena izao,
Fa mitady Anao izahay !

3 Tafavory izahay ka miandry
Anao
Ry Fanahy Mpananatra anay ;
Aidino ilay afonao fahizay,
Areheto atý aminay.

225 - Aty an-tranonao izao

1 Atý an-tranonao izao
No iangonanay
Hitady soa Aminao
Hahafaka ota anay ;
Hiantso ny Anaranao,
Handinika ny teninao,
Izay mahavelona anay,
Ka mba ambinonao.

 

2 Na vitsy aza eto izao,
Na be no tonga atý,
Dia aza mba lalovanao,
Atreho izahay !
Raha tonga eto Hianao
Dia ampy izany ho anay ;
Ny fofonain’ny Tomponay
No mahavelom-po.

3 Raha misy mangatsia-po,
Mba hafanao, ry Ray ;
Iraho ny Fanahinao
Hamelona anay.
Hanetsika ny mafy fo
Ho tonga mpino mankatò
Izay lazain’ny teninao
Hataon’ny zanakao.

4 Izay rehetra tonga atý
Ampirisihonao ;
Ka aoka samy hankafý
Ny fanavotanao.
Ny fonay mba sokafinao
Handray ny fananaranao ;
Ao aminao ny hery be,
Efao ny sitrakao.

5 Ambinonao ny irakao
Hitory teny izao ;
Tolorinao ny hevitrao,
Ny fony hafanao ;
Sokafy re ny vavany,
Tendreo koa ny lelany
Hilaza tsara aminay
Ny sitrakao, ry Ray.

226 - Tompo ô! Mba te hihaona

Tompo ô ! mba te-hihaona
Aminao ny olonao.
Ka ny oran-dohataona
Ampombay ny teninao ;
Ny Fanahinao iraho
Aminay izay mitalaho ;
:,: Mba vokiso zava-tsoa
Ny mangetaheta Anao :,:

 

227 - Eto afovoanay

1 Eto afovoanay Hianao,
ry Tompo soa,
Ka tahio ny vavakay
Mba ho maminao tokoa ;
Raisonao ny fideranay,
Ka savao ny fahantranay.

 

2 Mitoera aminay
Na hariva na maraina ;
Aza mahafoy anay
Mandra-pialanay aina ;
Ka ny dera tsy ho lany
Dia ho Anao ihany.

228 - Tafangona aty indray

Tafangona atý indray
Ny fiangonanao, ry Ray
Ka dia mba tahio !
Iraho ny Fanahinao
Hitarika ny zanakao
Hivavaka anio,
Anao izao
Saotra, laza, dera, haja,
Fa nomena
Ho anay ny famonjena.

 

229 - Jesosy ô! Mba hasoavinao

1 Jesosy ô ! mba hasoavinao
Ny asanay, izay atombokay
Amin’ny Anaranao ;
Ka mba ombay,
Sy tahio, Tompo ô !
Izao atao izao
Dia tena sitrakao
Ka ho tanterahinay,
Mba ho fifalianay
Sy ho voninahitrao.

 

2 Jesosy ô ! derainay Hianao,
Fa feno famonjena olona
Ny Anara-masinao !
Ny herinao manome
aim-baovao.
Ny teny masinao
Dia iankinanay
Ka Hianao isaoranay
Sy ankasitrahanay
Eto sy rahatrizay.

3 Jesosy ô ! ny fanorenana
Iainanay sy hahafatesanay
Dia ny Anaranao, fa Izy no
Manome toky be,
Ka hitsangananay
Ho velona indray ;
Dia mba horaisinao
Izahay navotanao
Amin’ny Anaranao.

230 - Mba trotroy ny olona ory

1 Mba trotroy ny olona ory,
Ry Jesosy Tompo ô !
Tsy hirenireny saina,
Fa handray ny teninao.
:,: Olona osa, olona osa,
Ento mora, Tompo ô :,:

 

2 Faly izahay, Jesosy,
Tratr’izao anio izao,
Tafavory ka hihaino
Ny Filazantsaranao.
:,: Raisonao re, raisonao re
Izao fisaoranay izao ! :,:

3 Jesosy Tomponay Tsitoha !
Taomy ny sakaizanay
Mba ho tonga mpino koa
Sy hiankina Aminao.
:,: Mba tariho, mba tariho
Izy ho mpanomponao ! :,:

231 - Ry Tomponay Tsitoha

1 Ry Tomponay Tsitoha !
Ilay Izy hatrizay,
Avia, hampifoha
Ny fiangonanay
Atreho ny mpivory,
Fa manantena Anao ;
Fohazy ny matory
Handray ny teninao.

 

2 Iraho ny Fanahy
Mba hanavao anay,
Ka homba sy hitahy
Ny teny inoanay
Na lehibe na kely,
Ampio sy hafanao
Hazoto hampiely
Atý ny lazanao.

3 Ny asam-pamonjena
Izay natombokao,
Ambino tsy hihena
Tahio sy tontosao !
Ny herin’i Satana
Folahy hatrizao,
Ho afa-pahotana
Izahay navotanao.

3 Arovy ny finoana
Izay naorinao ;
Vonoy ny hevi-poana
Mandà ny teninao
Izahay na be na vitsy,
Hazony tsy hania,
Mba ho Anao mihitsy
Mandrakizay doria.

232 - Ny alahady andronao

1 Ny Alahady andronao,
Jeso Tompo masina ô !
Fotoana nitsangananao,
Ka maminay mpianatrao.

 

2 Anio, mivory izahay,
Tahaka ireo mpianatrao ;
Ka enga anie ho hitanay
Ny hazavan’ny tavanao.

3 Omeo anay, omeo indray
Ny herin’ny Fanahinao ;
Havaozy ao anatinay
‘Lay Pentekosta fahizay.

233 - O! Ray Malala, asehoy

1 O ! Ray Malala, asehoy
Ny hasoavanao ;
Sasao ho afa-keloka
Izahay ho zanakao ;
Ho mafy ny fiezakay
Handia ny lalanao
Tsy hisy hijanonanay
Raha tsy an-tranonao.

 

2 O ! Ray Malala, mba henoy
Ny feonay zanakao ;
Tantano ao an-dalana
Hankany Aminao ;
Ho mafy ….sns.

3 O ! Ray Malala, hitanao
Ny hasambaranay ;
Ny avotr’ain’ny Zanakao
No itokianay ;
Ho mafy ….sns.

234 - Mahery Ianao

1 Mahery Hianao,
Jehovah Tompo ô !
Mombà anay mpanomponao,
Ka miarova anay.

 

2 Mpanjaka Hianao,
Ry Zanahary ô !
Avia, anjakao izao
Ny ao anatinay.

3 Miaro Hianao,
Andriamanitra ô !
Hidera sy hisaotra Anao
No iangonanay.

4 Miantra Hianao,
Ry Tompo tia ô !
Tongava aminay izao
Mba hifalianay.

5 Ny fanomezan-tsoa
Izay maminay tokoa
Dia Jeso ‘lay malalanao
Nafoy ho avotray.

6 Mba raisonao, ry Ray !
Ny saotra entinay,
Ny dera, laza, hery koa
Anao Mpanjaka soa.

235 - Tafavory izahay

1 Tafavory izahay
Eto anatrehanao,
Ry Jehovah Tomponay !
Mba hivavaka aminao.

 

2 Te-hianatra izahay
Mba hanao sy sitrakao,
Mihainoa ny vavakay ;
Manampia anay izao.

3 Fa mangataka aminao
Fanampiana izahay ;
Raha tsy ampianao; 
Dia ho diso izahay.

4 Izay rehetra anananay
Entinay miderà Anao,
Aoka hazoto izahay
Mba hanao ny sitrakao.

5 Aoka handroso izahay
Mba hanompo tsara Anao,
Dia hifaly izahay
Amin’ny fitianao.

236 - Avia, Tomponay! Atrehonao zahay

1 Avia, Tomponay !
Atrehonao izahay ;
Fiderana no atolotray
Ho Anao ry Tomponay ;
Tongava atý an-tranonay,
Handray ny dera atolotray,
Avia, Tomponay !

 

2 Avia, Tomponay !
Atrehonao izahay ;
Enga ka ho tonga olonao
Izao izahay rehetra izao !
Ny vavanay hidera Anao,
Ny fonay mba diovinao ;
Avia, Tomponay !

3 Avia, Tomponay !
Atrehonao izahay ;
Ampidino ny Fanahinao
Ho atý an-tranonay ;
Ampionao koa ny olonao,
Hilaza anio ny teninao :
Avia, Tomponay !

4 Avia, Tomponay !
Atrehonao izahay ;
Fiderana no atolotray
Ho Anao , ry Avotray !
Mba raisonao ny deranay,
Efao tokoa ny hatakay :
Avia, Tomponay !

237 - Ry Jehovah Tomponay! Tafavory izahay

1 Ry Jehovah Tomponay !
Tafavory izahay ;
Avy hankalaza Anao
Izahay vahoakanao.

 

2 Faly, ravo izahay
Noho ny soa azonay ;
Tonga mba hisaotra Anao
Izahay voavotrao.

3 Saotra tsara entinay,
Hira no asandratray,
Mba ho fiderana Anao,
Rain’izao rehetra izao,
Amen.

238 - Mivory eto izahay

1 Mivory eto izahay
Hiantso ny Anaranao,
Jehovah Masina ô !
Dia manomeza anay anio
Ny soa avy taminao,
Ho fitahiana.

 

2 Ny vavaka tononinay
Miakatra any Aminao,
Mpamonjy tia anay !
Mba raiso ao an-danitra
Ho zava-mani-pofona
Izay ho tianao.

3 Ny saotra izay aterinay
Mba raisonao, Jehovah ô,
Andriamanitray !
Ny vokatry ny molotray
Dia aoka ho fanatitra
Ankasitrahanao.

4 Ankehitriny, Tompo ô !
Omeo ny Fanahinao
Hitoetra aminay.
Ho fanalana aizina,
Sy fanoloran-kevitra
Ho an’ny olonao.

239 - Ry Jeso! Vory izahay

1 Ry Jeso ! vory izahay,
Fa andronao anio
Dia avy mba hivavaka
Atý an-tranonao.

 

2 Ka na aiza na aiza ny olonao
No vory toy izao
Ny herinao mba asehoy,
Efao ny teninao.

3 Ny hira ikambananay
Atý an-tranonao.
Ekeo ho fanandratana
Ny voninahitrao.

4 Ny vavaka tononinay
Eo anatrehanao.
Mba raiso ho fanatitra
Ankasitrahanao.

5 Ny teny fitarainana
Ataon’ny ory koa
Soloy fifaliana
Hisaoranay Anao.

6 Ny teninao halahatra
Hambininao anie
Hamelom-pitiavana
Am-pon’izay mandre.

240 - Alahady, andro tsara,

1 Alahady andro tsara,
Andro fitsaharanay,
Nitsangananao ry Tompo,
Andronao, Mpanavotray !
Eny maminay ny andro
Andro fiangonanay
Hiderana Anao, Mpamonjy,
Sy ny voninahitrao.

 

2 Tovy aminay ny teny
Izay nataonao fahizay,
Tamin’ny Apositoly
Fony vory toy izao :
Raha misy roa na telo
Amin’ny ny Anarako
Vory mba hiantso Ahy,
Ao no hiangonako.

3 Mba soraty ao am-ponay,
Tompo ô ! ny didinao.
Hiasanay saina tsara
Eto anatrehanao .
Mba avia, ry Jeso Tompo !
Tomoera aminay.
Hitandremanay ny andro
Izay atokana ho Anao.

241 - Ry Jeso ô! Midina

1 Ry Jeso ô ! midina,
Jereo izahay izao ;
Atreho sao variana,
Ka tsy mahita Anao,
Hazoninao ny saina,
Hijery tsara Anao,
Mba tsy ho very maina
Izao fivoriana izao.

 

2 Ry Jeso ! hamasino
Ny toe-piainanay,
Ka dia ampidino
Ny hery ho anay ;
Ny bitsika mangina
Ataovinao izao,
Hamelom-paniriana
Hanao ny sitrakao.

3 Ry Jeso ô ! monena,
Midira Hianao,
Ny fonay mamantena
Handray Anao izao ;
Ka izay misalasala
Ampaherezonao,
Dia taomy hahalala
Ny fitiavanao.

4 Ny hatakay mangina
Henoy ka valio,
Koa dia mitenana
Hianao ankehitrio,
Ry Jeso ! Mpanazava
Ny dianay atý,
Omàny lalandava
Ny fonay ho arý.

242 - Misaotra Anao 'zahay, ry Ray!

1 Misaotra Anao izahay,
ry Ray !
Fa tsy nafenina anay
Izay tena sitrakao tokoa
Mba hahazoanay ny soa.

 

2 Ka mitariha anay izao
Handray ny toro-hevitrao
Izay lazain’ny teninao
Hanaoavanay ny sitrakao.

3 Ampahirato izahay
Hahaizanay mahita anio
Ny zava-mahagaga anay
Ao amin’ny lalànao soa.

4 Ampianaro izahay
Ho tia tokoa ny teninao,
Ka hankatò ny didinao,
Hanaiky hotapahinao.

5 Ny asan’ny Fanahinao
Mba tanteraho aminay
Hampiorina ao anatinay
Izay lazain’ny teninao.

243 - Mivory eto izahay, handre

1 Mivory eto izahay,
Handre ny teninao
Izay hambara aminay,
Andriamanitra ô !

 

2 Tolory fahendrena,
Ka ampio ny irakao,
Izay hitory aminay
Ny teninao izao.

3 Ny fon’izay mihaino koa
Sokafy rahateo,
Ho tia sy hirakitra
Ny teny mahasoa.

244 - Ry Jeso! Mba henoinao

1 Ry Jeso ! mba henoinao
Ny feonay mpanomponao
Izay mivavaka Aminao,
Mitady fitahiana

 

2 Vokiso ny Fanahinay,
Ny teninao no haninay,
Hahaizanay mamahana
Ny reraka ao an-dalana.

3 Ampaherezonao izao
Ny tànanay mpanomponao,
Hanohana ny olonao
Miraviravy tanana.

4 Omeo fo mazoto re !
Tolory fahendrena be ;
Tarihonao ny hevitray
Tendreo koa ny molotray.

5 He ! tsinontsinona izahay
Malemy sady tsy mahay ;
Ka dia ampaherezonao
Hanaovanay ny sitrakao.

2. NY SAKRAMENTAN’NY BATISA

245 - Ray ô! Asehoinao

1 Ray ô ! asehoinao
Aminay ny antranao,
Raisonao ny zanakay
Atsangana ho Anao.

 

2 Zanak’Andriamanitra ô !
Mba ekeo ny hatakay,
Trotrinao ny zanakay
Taomy ho mpanomponao.

3 Ry Fanahy Masina ô !
Mitoera aminay,
Indro re ny zanakay
Ampianaro, hazavao.

4 Ry Jehovah Izay Iray !
Nefa Telo, dia ny Ray,
Zanaka, Fanahy koa !
Mba tahio ny zanakay.

246 - Zazakely entinay mba hatao batisa

1 Zazakely entinay
Mba hatao batisa izao ;
Izy no atokanay
Sy atolotray Anao.

 

2 Rano tsy mba mahasoa,
Rano tsy mba mahadio :
Ka tahionao izy izao,
Jeso ô, be indrafo !

3 Ary ny Fanahinao
Dia ataovy ao am-po
Mba hitarika azy, sao
Hisy loza izay hanjo.

4 Ry Jehovah be fitia !
Ry Jesosy Tomponay !
Ry Fanahy koa, avia
Mba handray ny zanakay.

247 - Ry Tompo ô! Tsinjovinao

1 Ry Tompo ô ! tsinjovinao
Ny mila famonjena
Satria manantena,
Ny tany namboaranao
Ho an’izay mpianatrao
Ho lovany tokoa.

 

2 Fa Hianao dia tsy mandà
Ny ory sy mpanota
Izay nandatsahanao ny rà
Hanaisotra ny ota ;
Ka tonga izahay izao
Mitady hodiovinao ;
Mba raisonao ny fonay.

3 Mifona, Tompo, izahay
Izay efa voaisa
Ho olonao, izay nandray
Ny soan’ny batisa ;
Ampaherezonao ny fo
Mba tsy hafoinay ny to
Ambara-pahafaty !

248 - Nitondra ny zaza ny reny

1 Nitondra ny zaza
ny reny tao Salema,
Mba hotahin’i Jeso Kristy
be indrafo ;
Nolavin’ny mpianatra izy,
Nefa hoy Jesosy hoe : 
“Avelao ny zaza 
hanatona izao”

 

2 Fa Ahy ny zaza
ka tiako indrindra,
Mpiandry zanakondry Aho
ka aza mandà ;
Fa raha manantona Ahy izy,
Hotahiko tsara e :
“Avelao ny zaza 
hanatona izao”

3 Endrey mahagaga
Ny fiantran’i Kristy,
Fa indro zazakely aza
asiany soa ;
Avia, manatòna ilay 
Mpiandry zanakondry, ka
“Avelao ny zaza 
hanatona izao”

4 Ry Jesosy Tompo !
ampanatony Anao re
Ny zazakely tafavory
eto izao
Izay mandrara mba rarao.
Ho tò anie ny teninao :
“Avelao ny zaza 
hanatona izao”

249 - Tompon'ny lanitra ô! Mba tahio

1 Tompon’ny lanitra ô !
mba tahio
Izy izay ta-hanatona Anao,
Ka ta-handray ny batisa anio
Sady maniry mba ho Zanakao.

 

2 Ampifalio ny fony, izay ory,
Sady miaky ny ota natao
Ary ny ratsy maniry fongory,
Ka mba omeo ny aina vaovao.

3 Izay manaiky hitana ny soa
Sady mandà ny devoly izao ;
Aoka hiseho ho mpino tokoa
Amin’ny fomba sy asa 
vaovao.

4 Afon’ny lanitra ô ! mba avia,
Ka ateraho ny fony izao
Ary tarihonao mba tsy hania
Fa te-ho sambatra ao Aminao.

5 Andriamanitra Ray be fitia,
Taomy ny maro hanatona 
Anao
Ny Fiangonanao, ho be
mpitia,
Ho marobe ny ankohonanao.

250 - Atolotray hatao batisa

1 Atolotray hatao batisa
Ny zanakay Jesosy ô !
Irinay izy mba ho isan’
Ny zaza arovanao.

 

2 Izahay izao efa nifidy
Anao handray ny zanakay ;
Ka raiso izy fa voavidy
Noho ny ranao soa.

3 Soraty izy mba handova
Ny lanitra fonenanao,
Ka ny Fanahinao hanova
Ny fony ho Anao.

4 Tahio ny fahazazany
Ho fanorena-marina ;
Ampianaro azy izany,
Mivavaka Aminao.

5 Tantano izy mandra-pita,
Ho tonga ao an-danitra,
Ka aoka izy mba hahita
Anao an-dalany.

6 Ka amin’ny fotoana feno,
Handaozany ity tany ity,
Omeo toky, iteneno :
« ‘Ndeha hody, anaka ».

251 - Ry Jeso Zana-Janahary

1 Ry Jeso Zana-Janahary
Sy fototry ny aim-baovao !
Mba aniraho ny Fanahy
Izao madinikao izao.

 

2 Ny fahafatesanao nandresy
No aoka hitombonany,
Ny herinao tsy mety resy
No mba ho fiarovany.

3 Ka ny Anaranao hajaina
Dia mba omeo ny zanakay ;
Ka io no hialany aina
Sy hitsanganany indray.

4 Tantano izy tsy ho osa,
Raha lavitra ny diany ;
Fa raha fohy izany kosa,
Mba raiso ny fanahiny.

5 Ka mba soraty ao am-pony
Ry Tompo, ny Anaranao,
Ka ny anaran’ny mpanompo
Soraty ao an-tananao.

252 - Mba avelao ny zaza

1 « Mba avelao ny zaza
Hanatona Ahy re,
Fa an’ny toa azy
Ny fanjakan’ny Ray ! »
Izany teny tsara
No ifalianay,
Ka dia tsy rarana
Ny zazakelinay.

 

2 Ao amin’ny batisa
Trotroiny izahay,
Ka tena voaisa
Ho zanany indray,
Atsangany handova
Ny fahasambarana,
Fainan-tsy miova
Sy fiadanana.

3 Sakaizanay malaza
Ry Jeso, Hianao,
Finaritra ny zaza
Miankina Aminao.
Ampio, ry Mpamonjy,
Ny ondrikelinao,
Ho tonga voavonjy
Ao anatrehanao.

3. NY SAKRAMENTAN’NY FANASAN’NY TOMPO

253 - Avia, ry Mpanavotra

1 Avia, ry Mpanavotra.
Tahio ny fandraisana
Sakafo namboarinao
Izao hatoninay izao.

 

2 Ireo zava-masina
Aroso mba hohanina
Ho famelana heloka,
Ho aina sy ho tanjaka.

3 Tsaroanay ny dianao,
Ny ra sy fijalianao,
Ny nisoloanao aay,
Ny nitsangananao indray.

4 Ny teninao natolotra,
Ny ranao dia nalatsaka,
Sakafo iombonanay,
Ho tena sy fnahy iray.

254 - Avia, ry mangetaheta ô

1 Avia, ry mangetaheta ô
Ka aza dia mba mamoy fo,
Fa indro misy rano velona
Izay omena mba hamelona
Anao mahantra sy variana
Ry zanakondry very làlana.

 

2 Ny mofon’aina no atolony
Anao manaiky mba ho olony
Ny tenany no ho fihinana,
Mba hahazoana fiainana ;
Kanefa tsy mba hovidina anie,
Fa tena fanomezan-dehibe.

3 Jesosy Tompo no nanolotra
Ny rany masina ho avotra
Izany raiso mba ho tanjaka
Sy toky ho anao, ry reraka
Ry mpivahiny sasatra ao
am-po,
Avia re, ka manaràna fo !

255 - Ny ran'ny Zanakondry latsaka

1 Ny ran’ny Zanakondry latsaka
Namelona ahy tany Golgota,
Ka io no tena vatofantsika
Maharitra ny tafio-drivotra.

 

2 Raha voaratra noho ny otako,
Ka lany foana ny heriko,
Ny rany masina nalatsaka
No nahitako fahasitranana.

3 Izao hira vao izao no mamiko,
Ka tonga tsy misaraka amiko
Ny ran’ny Zanakondry no
mahay
Manavotra ahy mba ho an’ny
Ray.

4 Raha ketraka sy kivy re ny fo,
Velomiko indray ny hirako
Ny amin’ny Jesosy sy ny rà
Ka afaka erý ny tahotra.

256 - Mivoaka ao Golgota

1 Mivoaka ao Golgota
Ilay renirano soa
Iantsoana ny mpanota
Ho any avokoa ;
Ny ratran’ny Mpamonjy
No loharanon’io,
Ka ony mahavonjy
Sy tena mahadio.

 

2 Mamelona ny tany
Ity ony soa ity,
Izay rehetra ombany
Miadana erý,
Vahoaka an-tapitrisa
Izay misotro ao,
Mahita Paradisa
Sy fiainana vaovao.

3 Ny fo izay maratra
Ka entina mankeo
Ny ory sy mahantra
Izay manatona eo,
Mahita fanafody,
Ka sitrana avokoa,
Ny ota sy ny rofy
Dia afaka tokoa.

4 Fanahy be ahina,
Avia misotro ao,
Fa io no mampangina
Ny alahelonao ;
Fanahy ô, hatony
Ity ony soa ity,
Fa io no mahatòny
Ny fanirianao atý.

5 Hianao, ry Tompon’aina !
Isaoranay tokoa,
Nanaiky horatraina
Handefa ony soa,
Ny ranao tao Golgota
No iankinanay,
Fa mahadio ny ota,
Mamelona aina anay.

257 - Ry Jesosy ô! indreto

1 Ry Jesosy ô ! indreto
Izahay nasainao eto
Amin’ny latabatrao,
Mba tolory mofon’aina,
O ! omeo ranon’aina,
Dia ny ra aman-tenanao.

 

2 O ! ry Loharanon’aiko,
Tonga aho, fa ilaiko
Hianao Mpamonjiko,
Raiso ka diovy aho,
Atafio izay mitalaho
Ny fahamarinanao !

3 Ry Mpiandry tsara indrindra,
Taomy aho mba hifindra
Ao am-balan’ondrinao ;
Mamonje ka mitahia
Ireto ondrinao nania,
Ento any Aminao !

4 O ! ry Fahazavan’ny saiko
Sady tanjaky ny aiko,
Tonga aho ka vonjeo ;
Noana ka mitaraina,
Mba vokiso mofon’aina,
Rano velona omeo !

5 Indro, miankohoka aho,
Tompo ô ! ka mitalaho
Eto anatrehanao ;
Aza mba manary ahy,
Izay misento sy manahy,
Mamelà ny heloko !

6 Ry Mpisolo ny mpanota,
Izay nandoa ny tambin’ota,
Latsa-dra ny tenanao,
Raisiko am-panajana,
Fa nataonao fanasana
Ireto zava-masinao.

258 - Manaraka ny hafatrao

1 Manaraka ny hafatrao,
Tafangona izahay,
Mba hahatsiarovanay
Anao, ry Tomponay !

 

2 Tsy azo hadinoina
Ny fahorianao,
Ny dinitrao izay toy ny ra
Tsaroanay izao.

3 Ny hazofijalianao
Dia tazanay izao
Ry Zanakondry masina ô !
Tsaroanay Hianao.

4 Nijaly mafy Hianao,
Nisolo voina anay ;
Raha mbola velona izahay
Tsaroanay Hianao.

5 Raha tapitra ny andronay,
Ka tonga Hianao
Mba haka ny fanahinay,
Tsarovinao izahay.

259 - Ny latabatrao ry Jeso!

1 Ny latabatrao, ry Jeso !
Dia atrehinay izao ;
Ny fanahinay vokiso
Amin’ny fitianao.

 

2 Tsy nitady zo sy laza
Hianao, ry Tomponay !
Foinao ny ainao aza
Nanavotanao anay.

3 Jeso ô ! ny ranao soa
No nataonao avotray,
Mba hanafaka avokoa
Izay tsy mahadio anay.

4 Manomeza mofon’aina
Tompo ô ! ho tanjakay ;
Mihainoa ny mitaraina,
Mamalia ny hatakay.

5 Ny fanahinay ry Tompo !
Raiso, fa atolotray ;
Faly izahay hanompo
Sy hano ny sitrakao.

260 - Ry Kristy ô! malalako

1 Ry Kristy ô ! malalako,
Sakafon’ny fanahiko,
Manaraka ny hafatrao,
Tsarovako ny teninao.

 

2 Mangorakoraka ny fo,
Fa voavono Hianao !
Ka saotra no atolotray
Anao, ry Ilay nalatsa-dra.

3 Ny teninao izay raisiko
Fiainako vaovao tokoa ;
Ny ranao izay sotroiko
No manadio ny foko koa.

4 Ry Kristy ô ! ampitomboy
Ny fitiavako Anao.
Ny toe-piainako fenoy.
Ny tena hamasinanao.

5 Atolotro anio indray
Mba hoa Anao mandrakizay
Ny tenako, ny ananako,
Ny heriko, ny asako.

261 - Ankehitrio no isehoanao

1 Ankehitrio no isehoanao,
Ry Jeso Tompo, izay 
malalanay !
Ankehitrio no anandramanay
Ny hafaliamben’ny lanitrao.

 

2 Ampiomany ao am-po izahay
Hampahadio ny eritreritray,
Hahatakaranay ny avotrao
Izay namboaranao tao
Kalvary.

3 Eto no anoloranao anay
Ny mofon’aina, rano velona ;
Eto no ialanay sasatra
Amin’ny adinay sy rafinay.

4 Ry Jeso ô ! miandry izahay
Ny fihavian’ny voninahitrao,
Ho toy ny andro vao miposaka
Ho toy ny rano mahavelona.

5 “Raiso ny Tenako” no teninao
“Ary ny Rako ho fiainana”
Am-pitiavana no andraisanay,
Na dia tsy mendrika aza
izahay.

6 Mombà anay, ry Tompo tia ô !
Aza miala amin’ny fonay,
Aoka ny tavanao hazava re,
Amin’ny làlana alehanay.

262 - Indreto izahay

1 Indreto izahay,
Ry Jeso ô !
Manaraka izao,
Ny hafatrao,
Ny fahorianao,
Tsaroanay izao,
Fa fatratra tokoa
Ny nentinao.

 

2 Ny mofo haninay,
Ry Jeso ô !
Milaza aminay
Ny tenanao ;
Ny fanavotanao
Mahafaka anay,
Fa saotra re izao
Atolotray.

3 Misotro ny divay
Izahay izao
Hahatsiarovanay
Ny antranao ;
Ny ra nilatsaka
No manadio anay,
Manafaka tokoa
Ny olonao.

4 Tarihonao ny fo,
Ry Jeso ô !
Ho tia sy hankatò
Ny didinao ;
Ka tsy ny sitrakay,
Fa ny Anao, Jeso,
No aoka ho maminay,
Ry Tompo ô !

263 - Mandrenesa ry sofina

(Maintimolaly)
1 Mandrenesa ry sofina,
Mifalia, ry fo ;
Ny feon’ny Filazantsara
Manatona anao.

 

2 Ry olon’ota rehetra,
Ry ory sy noana,
Izay mameno ny kibony
Amin-java-poana.

3 Jehovah no mamboatra
Izay mofon’aina,
Ho an’izay rehetra
Mety hihinana.

4 Kraist’sy ny fitahiany
Izany mofo izany,
Fa Izy no mamelona
Ny maty mosary.

5 Avia, ry mosarena,
Ka manarana fo ;
Ny mofon’aina tsy lany
Fa ampy ho anao.

264 - He! mahagaga anay

1 He mahagaga anay
Ny fitiavana
Nasehonao, ry Jeso ô !
Mba ho anay.

 

2 Ny fijalianao
Ilay tao Golgota,
Indrisy ! lalina tokoa
Ny ngidiny.

3 Na mafy aza izay
Tsy nandosiranao,
Nataonao tsinontsinona
Ny teninao.

4 Ny fitiavanao,
Fa tsy ny fantsika,
No anton’ny nihantonanao
Tao Golgota.

5 Ny ra nalatsakao
No vidin’ny ainay,
No fijaliana nentinaonao
No avotray.

6 Tsaroanay izao,
Derainay avokoa
Ilay fitiavanao anay,
Ry Tompo soa !

265 - Ny fitiavanao

1 Ny fitiavanao
No mahagaga anay,
Ry Zanak’Andriamanitra ô !
Ry Jeso Tomponay !

 

2 Hanavotra aina anay
No nijalianao,
Ka famonjena lehibe
No azonay izao.

3 Ny mofo sy divay,
Izay haninay izao,
Dia mampiseho aminay
Ny fitiavanao.

4 Avia, Jeso ô !
Avia ankehitrio,
Ka ny fanahinay sasao
Ho tsara sy madio.

5 Mampaneke anay
Hanao ny sitrakao,
Ka aoka tsy ho tianay
Izay tsy tianao.

6 Monena aminay,
Ry Tompo be fitia !
Ka aza ilaozanao izahay
Mandrakizay doria.

266 - Ry Jeso Tompo, Hianao

1 Ry Jeso Tompo, Hianao
Isaorako tokoa izao,
Ny ranao sy ny tenanao
No nihinanako izao.

 

2 Ry foko faly, ambarao
Ny soa azonao izao ;
Jesosy monina ao am-po
Endrey ny hafaliako !

4. NY FIRAISAN’NY MINO SY NY FIARAHANY MIVAVAKA

267 - He, ny andon'ny maraina

1 He, ny andon’ny maraina
Latsaka ao an-tsaha re,
Ka mamelona ny maina,
Izay maniry rano be !
Ravoravo e, ny tany,
Fa he, ny andro maina efa
lany,
Ka mitsahatra ny fahantrany,
Manaroka ny hazo be.

 

2 Ny fanahy karankaina
Misy rano velona,
Fa Jesosy andon’aina
Manome fiainana :
Velona ny jentilisa,
Ny tany hay dia tonga
Paradisa
Marobe no efa voaisa
Handray ny lova masina !

3 Misy làlana mizotra,
Izay mankao Ziona re ;
Any no mitanjozotra
Ny vahiny marobe ;
Ka Ziona dia mivoha
Hidiran’ny navotan’ny 
Tsitoha ;
Ao no ivorian’ny mifoha,
Fa an’ny Tompo lehibe.

4 He, mikambana ny mino
Amim-pifaliam-be.
Ka ny hobiny maneno
Tahaka ny rano be !
Ao mitovy avokoa,
Tsy misy Tompo sy 
mpanompo koa,
Eny, razana iray tokoa
Ny mponina ao Ziona re !

268 - Jesosy no Mpiandry ny Fiangonanay

1 Jesosy no Mpiandry
Ny Fiangonanay ;
Ny feon’izy ireny
No feo fantatray,
Ka tsy mba vala maro
Ny Fiangonanay ;
Iray tsy hay zaraina,
Tapahin-Tompo iray.

 

2 Iray no Vatolampy
Izay iorenanay,
Iray no Fehizoro
Izay ikambanany,
Iray no Mofon’aina
Fihinanay etý,
Iray no antenaina
Ho azonay arý.

3 Tabain’ny hevi-diso,
Kanefa mbola arý ;
Ny saina tsy mitovy
Tsy mahazara anay ;
Fisoko maromaro,
Kanefa vala iray
Ny Tompo no mpiaro
Ny Fiangonanay.

4 Ny teny samy hafa,
Ny fomba tsy miray,
Tsy misy maharava
Ny fikambananay ;
Ny fanenjehana aza
Vao mainka mampiray
Sy mahatsara laza
Ny Fiangonanay.

5 Ry Jeso ! hatanjaho
Ny Fiangonanao,
Ny fony halalaho
Mba hitoeranao ;
Izay firaisan-tsaina
Miseho hatretý,
Velomy hanana aina
Hitohy hatrarý.

269 - He! tianay ny monina eto

1 He ! tianay ny monina eto,
Fa maminay ny valanao,
Tsy tianay, fa mampisento,
Ny lavitra ny tranonao,
He ! tianay ny monina eto,
Fa maminay ny valanao,
Tsy tianay, fa mampisento,
Ny lavitra ny tranonao.

 

2 He ! tianay, fa misy aina,
Ry Tomponay ny valanao !
Tsy tianay, fa tany maina
Ny lavitra ny tranonao,
He ! tianay, ..sns.

3 Fehezinao, Mpiandry tia,
Milamina ny valanao ;
Tsy misy tsy mifankatia
Ny ondry izay tarihinao,
He ! tianay, ..sns.

4 Ny fanimban’ny fahavalo
Dia lavitra ny valanao ;
Mitazan-davitra mandalo
Ny rafinao tsy tia Anao,
He ! tianay, ..sns.

5 Ny fototra izay mahatsara
Ny valanao, ry Tomponay !
Dia Hianao Mpiandry tsara
No miara-monina aminay.
He ! tianay, ..sns.

270 - Ry Tompo Izay nanangona

1 Ry Tompo, Izay nanangona
Anay ho vato velona !
Hazony tsy handao Anao
Ny vato voarafitrao ;
Fa maro no mandronjina
Handevona.

 

2 Jesosy Fehizoro ô,
Mpifehy mora sady to !
Tohano mafy izahay
Mba tsy hirodana indray,
Fa indro ny mpisompatra
Mandrirotra.

3 Ry Vato fampiraisana !
Tariho mba hikambana
Ny vato voapaika re,
Ho tonga trano lehibe,
Tsy zakan’ny mpandevona
Harodana.

4 Ry Kristiana marobe
Mba ampiraiso tsara re,
Hiray am-pitiavana,
Ho velona finoana,
Ka mba hiaraka hanao
Ny asanao.

271 - Mba mivavaha raha vao maraina

1 Mba mivavaha raha vao
maraina,
Tsarovinao Ilay Mpanao
anao.
Izay niaro ny fanahy sy aina
Mba ho salama toy izao ;
Tsarovy re ny Tomponao 
Izay Mpiaro anao.

 

2 Rehefa tonga koa ny
antoandro,
O ! miambena tsara hianao,
Fa manangoly saina isan’andro
Ilay devoly rafinao ;
Tsarovy re ..sns.

3 Raha alina mangina ka
hatory
Tsarovy eo ny ota izay natao
Ka dia ifony sy itsory
Fandrao maningotra anao ;
Tsarovy re ..sns.

4 Na aiza na aiza Hianao
mitoetra
Satana fahavalo ao tokoa,
Ka aza kivy na mba 
manjoretra
Fa mivavaha tsy ho voa ;
Tsarovy re ..sns.

272 - Faly izahay nandre

1 Faly izahay nandre
Havan-tia nanao hoe :
“ Miaraha aminay,
Trano soa halehanay ”.

 

2 Efa tonga izahay
Mba hivavaka Aminao :
Ry Jehovah Tomponay,
Mitahia ny olonao !

3 Miandrandra Anao izahay,
Ka mangataka Aminao
Hanomezanao anay
Soa avy Aminao.

4 Dia sambatra izahay,
Fa mitoky Aminao ;
Ka ho tanterahinay
Izay rehetra sitrakao.

5 Hoderainay Hianao
Andro aman-alina,
Mbamin’ny Anaranao,
Foto-piadanana.

5. FANANTERAM-BOKATRA

273 - He! vokatra ny tany

1 He ! vokatra ny tany,
Jehovah Tompo ô !
Fa be tsy mety lany
Ny hasoavanao :
Ny andro fararano
No ifalianay ;
Voataona ao an-trano
Ny vokatra azonay :
Saotra tsara entinay
Ho Anao tokoa,
Ny olonao rehetra izao
Mifaly avokoa.

 

2 Ny tany tsy misaona,
Fa sambatra tokoa,
Tsy tapaka isan-taona
Ny fanomezan-tsoa ;
Endrey, nahazo maina
Izao rehetra izao ;
Ny zava-manana aina
Mifaly Aminao :
Saotra tsara ..sns.

3 Tontosa izay nirina,
Nahazo izahay,
Fa misy taona zina
Nataonao ho anay ;
Tsy diso isan-taona
Ny fitahianao.
Ny olonao mihaona
Mba hankalaza Anao
Saotra tsara ..sns.

274 - Tao an-tany karankaina

1 Tao an-tany karakaina
Nisy olo-maro be,
Tsy mba nampodina maina,
Tao Jesosy nanome.

 

2 Na dia mofo kely aza
Tonga nahavoky ireo,
Fa nitombo mahagaga,
Samy faly izy ireo.

3 Fa ny herinao, ry Jeso,
Izay namonjy fahizay
No miasa lalandava
Hahavoky soa anay.

4 Dia tahio ny fambolena
Hahavokatra tokoa ;
Miantrà ny firenena
Tsy ho diso zava-tsoa.

5 Na dia voky fatratra aza,
Mora reraka izahay ;
Ao ambony ny mateza
Iankinan’ny ainay.

275 - Raisonao, ry Tompo soa

1 Raisonao ry Tompo soa,
Ny fanatitray izao ;
Hamasino avokoa
Izay atolotray Anao,
:,: Raiso re, ho Anao,
Ho fanati-tsitrakao ! :,:

 

2 He, Anao, ry Tompo soa
Izay rehetra anananay
Ny harena, vola koa,
Taminao, Jehovah Ray,
:,: Raiso re, ..sns.

3 Na dia kely aza, Tompo,
Ka tsy mendrika Anao,
Raiso ho entina hanompo
Sy hanao ny sitrakao.
:,: Raiso re, ..sns.

4 Indro, Tompo, raiso koa
Tena, fo, fanahinay,
Mba ho fiasana koa
Eo an-tananao izahay.
:,: Raiso re, ..sns.

276 - Ry Jehovah, Ray Mpahary

1 Ry Jehovah, Ray Mpahary
Sy Mpamelona anay,
Tsapanay fa tsy manary
Hianao Mpitondra anay ;
He, mandrotsa-pitahiana
Sesehena Hianao,
Ka dia feno fifaliana
Izahay mpanomponao.

 

2 Noteneninao ny tany,
Notarihinao izahay,
Ka nitobaka aoka izany
Izao ny vokatra azonay.
Feno hika isan-taona
Ny fitiavanao anay,
Ka aoreno tsy ho foana,
Tompo ô ! ny asanay.

3 O ! mba raiso re, ry Tompo,
Izao fanatitray izao ;
Enga anie ka mba hitombo,
Handrosoan’ny hanitrao.
Raiso koa sy hamasino,
Ny fonay hiasanao ;
Ny Fanahy ampidino
Hampahery, hanavao.

277 - Indro, Tompo, vory eto

1 Indro, Tompo, vory eto
Anatrehanao izahay,
Mba hanatitra ireto
Vokatry ny asanay,
:,: Raiso re, raiso re !
Ho fanati-tsitrakao :,:

 

2 Hianao no mampaniry
Sy mampisy vokatra ;
Izahay dia mpitahiry,
Fa Anao ny zavatra.
:,: Raiso re, ..sns.

3 Ary na tsy mendrika aza,
Aoka tsy holavinao,
Fa ho enti-mankalaza
Ny Anaran-tsoanao.
:,: Raiso re, ..sns.

4 Raiso koa re, ry Tompo,
Ho Anao ny tenanay,
Amboary ho mpanompo
Mahafatra-po izahay.
:,: Raiso re, ..sns.

278 - Mba ampio, ry Tompo soa

1 Mba ampio, ry Tompo soa
Izahay navotanao,
Fa mikasa mba hanoa
Sy hanaraka Anao ;
Hitanao fa kely hery
Izahay mpanomponao,
Tsy mahefa raha irery,
Koa mba tarihonao.

 

2 Izahay manolo-tena
Mba hiasa ho Anao,
Ka maniry, manantena
Fa hanampy Hianao ;
Hitanao fa kely hery, ..sns.

3 Tianay hiara-dia
Aminao, ry Tomponay,
Ka tantano tsy hania
Amin’ny alehanay.
Hitanao fa kely hery, ..sns.

279 - Raisonao, ry Tompo soa

1 Raisonao, ry Tompo soa
Izato asan-tananay,
Fa nomenao avokoa
Izay rehetra anananay
Simba izahay rehetra,
Sady very hatrizay,
Nefa soa tsy misy fetra
No novalinao anay.

 

2 Hianao nanetry tena,
Tsy nitandro henatra,
Be fiantra ka onena
Ny tra-pahoriana,
Mba tsarovanay izany,
Koa dia tahafinay,
Nefa fiasana ihany
Ao an-tananao izahay.

3 Arosoy sy ampitaro
Aminay ny teninao ;
Hazavao ny olo-maro
Izay tsy mahalala Anao !
Ny misaona mba vangio,
Ny kamboty iantrao,
Izahay izay tonga anio
Mba ataovy irakao.

4 Eny, ry Mpamonjy tsara,
Amboary izahay
Mba ho tonga mpanambara
Ny fitianao anay ;
Ary dia mba tahio
Izato fikambananay,
Hafanao, ampirisiho,
Hamasino izahay.

6. FANOKANANA MPITANDRINA, PASTORA, MPIASAM-PIANGONANA

280 - Ry Tompom-boninahitra

1 Ry Tompom-boninahitra,
Jereonao izao
Ireto izay milahatra
Ho tena irakao ;
Ny fanasana fatratra
Omaninao izao,
Ilà-mpitondra hafatra
Hamory izay hankao.

 

2 Hitety sampan-dàlana
Sy vohitra izahay
Hanetra fisakanana
Sy ady mahamay ;
Ka aoka hotafiana
Ny fiadianao,
Fa tena fanafihana
Izay hatao izao.

3 O, ry Fanahy Masina,
Monena aminay !
Ka aoka ho fanasina
Tokoa izahay,
Fihino tsy hihemotra,
Ataovy irakao
Manefa zava-tsarotra
Ho voninahitrao.

4 Ry Tompom-boninahitra,
Ny voninahitrao
No aoka mba hitaratra
An-tavanay izao,
Ka raha ao an-danitra
Fonena-masinao,
Dia mainka vao hamiratra
Ho voninahitrao.

281 - Vory eto izahay hihevitra ny asanao

1 Vory eto izahay
Hihevitra ny asanao,
Tompo, manatreha anay
Ka asehoy ny sitrakao.
Aoka Hianao no mba hitarika
anay 
Tompo, tahio izahay
Mba ho voninahitrao ny
asa vitanay.

 

2 Hahavita inona
Ny saina aman-kevitray ?
Tena tsinontsinona,
Ry Tompo ô ! ny herinay,
Ka mba midina eto afovoanay
Hanana aina masina ny 
fivorianay !
Tompo, tahio izahay ..sns.

3 Hianao no nanome
Ny asa hoheverinay,
Tena adidy lehibe
No voatolotra anay,
Enga anie ny sitrakao irery
no hatao !
Aoka tsy ho vanona izay
tsy sitrakao !
Tompo, tahio izahay ..sns.

4 Areheto aminay
Ny afom-pitiavanao,
Mba hahaizanay miray
Mitory ny Anaranao,
Hahavory marobe hanatona
Anao,
Hampamirapiratra ny 
voninahitrao !
Tompo, tahio izahay ..sns.

282 - Ry Jeso Tompo velona mpiandry sy mpamelona

(Manaraka ny famakian-
teny voalohany)
1 Ry Jeso, Tompo velona,
Mpiandry sy Mpamelona
Ny Fiangona-masinao,
Atreho izahay izao !

 

2 Indreo (Inty*) mpanomponao
vaovao
Atokanay, ka raisonao
Hanao ny raharahanao,
Hamahana ny ondrinao.

(Manaraka ny faharoa)
3 Ny tany no nakana anay,
Mihelina ny andronay,
Ka vetivety izahay
Dia hody vovoka indray.

4 Ry Jeso ô, Mpitia anay,
Izay Mpanjaka hatrizay,
Endrey ny voninahitrao,
Manerana ny lapanao.

5 Ny deranao hasandratra
Hitohy tsy hitsahatra ;
Hazava toy ny kintana
Ny tsara fanompoana.

(Manaraka ny fahatelo)
6 Mba raison y mpanomponao,
Ka aoka hamboarinao
Ho mpanambara mankatò
Ny hafatrao, ry Tompo ô !

7 Omeo Afo Masina
Sy vava mampionona ;
Ny sainao sy ny feonao
Omeo ny mpanomponao.

(Manaraka ny fahefatra)
8 Raha misy tafio-drivotra,
Tohano tsy hatahotra,
Hahery sy hisakana
Ny rafim-piangonana.

9 Ka mba ampirisihonao
Hanaraka ny dianao :
Tantano raha mbola atý,
Handresy ka ho tonga arý.

(Manaraka ny ordinasiona)
10 Ka mba ampirisihonao
Fa kely ny finoany ;
Ny ranao masina anie
Hanafaka ny helony !

11 Ampio mba haharitra,
Raha mbola atý an-efitra ;
Raha avy ny hodianay,
Mba hazavao ny làlanay !

12 Raha tonga ny harivany,
Ka ao ny ady farany,
Dia raiso ny mpanomponao
Hiala sasatra Aminao !

*) Inty, raha olona iray no
atokana

283 - Manan-jara ry Jesosy ny mpanomponao

1 Manan-jara, ry Jesosy,
Ny mpanomponao,
Izay natokanao hitondra
Ny Anaranao :
Nofidinao ho mpitory
Ny fitiavanao,
Nitokianao ho mpamory
Ny vahoakanao.

 

2 Izao no zara fanompoako
Voatendrinao,
Ka ny mafy tsy ahoako
Hahefako izao ;
Tsy handosi-pahoriana
Ny mpiasanao,
Fa ny hazo fijaliana
Lova taminao.

3 Na ho voky na ho noana
Ny mpanomponao,
Tsy handao ny fanompoana
Nametrahanao ;
Sitrakao ny fihafiana,
Ka mba tiako koa ;
Zakanao ny tsy fisiana,
Ka zakaiko koa.

4 Tsy ahiko ny handany,
Holanina koa,
Fa famoizan-tsoa no hany
Ahefany soa ;
Na ny saiko, na ny aiko,
Andro, vola koa,
Tsy mba misy holalaiko,
Foiko avokoa.

5 Nefa raha izaho irery
Tsy mahefa izao,
Ka mangataka ny hery
Eo an-tananao,
Aoka ho feno ny Fanahy
Ny mpanomponao,
Mba ho tena lehilahy*
Voahosotrao..

*) na : « vehivavy »

284 - Mangataka aminao ny olonao, ry Tompo

1 Mangataka aminao ny olonao
ry Tompo !
Mba hitahianao ny havan-
tianay
Izay atokanay hitondra sy
hanompo
Ny Fiangonanao, henoy ny
vavakay.

 

2 Tafio ny hery fa tsy mahefa
irery,
Fenoy ny hevitrao ho toy ny
zanakao.
Mpitady ny mania, mpikaroka
ny very.
Hitondra ireo ho tia ny
valan’ondrinao.

3 Ny sainy hazavao hahazo
fahendrena
Hahay hitondra izao vahoaka
be izao.
Ampianaro koa mba tsy
hatoky tena,
Tolory saina soa hiankina
aminao.

4 Raha ory, aza afoy, tohàno sy
onòny;
Marary, mba tsaboy ;
mahantra, mba jereo ;
Apetraka aminao ny ainy sy
ny fony ;
Ka mba tsinjovinao, arovy sy
vonjeo.

285 - Mivory maro eto izahay navotanao

1 Mivory maro eto
Izahay navotanao,
Ny saotranay no ento
Ho voninahitrao ;
Mifaly sy mihoby
Mandray ny irakao,
Ka eto no mitoby
Mangataka aminao.

 

2 Ry Kristy tena Andry
Sy Vatolampinay !
Ry Lohan’ny mpiandry
Sy Tompo tokinay !
Tohano mba hijoro
Ity mpanomponao,
Tinendry ho mpanoro,
Mpilaza hafatrao.

3 Handray ny asa mafy,
Koa aza ilaozanao ;
Hitory, ho mpamafy,
Ka dia mba hazavao.
Vokiso lalandava
Ny saina tianao ;
Omeo ny andro lava
Hanao ny asanao.

4 Tahio mba ho salama
Hahefa ny anao,
Ho iraka mafana
Ampian’ny herinao ;
Mandrava manda mafy
Mba hampanjaka Anao,
Koa aoko mba hihafy,
Fa izay no sitrakao.

5 Ny fitaizam-panahy
Adidy lehibe,
Ampio mba tsy hanahy
Ny asa maro be,
Ka dia tahio ny asa
Hataony ho Anao ;
Ny fony no mikasa
Hanoa izay didinao.

286 - Ry Jeso Mpitarika Hendry

1 Ry Jeso Mpitarika hendry !
Tsinjovy ny olom-boatendry
Tolory ’zay hevitra hendry
Handinika sy hahakendry.
Ry Tompo Mpanjaka mahery ;
Vangio raha ory sy tery
Tohano raha mahatsiaro fery
Vimbino ‘ndrao saraka irery.

 

2 Raha miasa dia miasa ny
saina
Kanefa ny tany no maina,
Ka mila ho kivy ny aina.
Tondrahy fandrao karankaina.
Ny mpiasa izay voafidy
Hamoha ny fo izay mihidy
Hitari-panahy saro-bidy,
Tantano hanaraka didy.

287 - O! Miaingà izao, ry miaramila soa

1 O ! miaingà izao, ry
miaramila soa,
Antsoin’ny Tomponao hiady
hianao.
Ny fahavalo ao, kanefa
mandrosoa,
:,: Mahery re no momba
anao :,:

 

2 Izao tontolo izao izay feno
fahotana
No iantsoana anao mba
hotafihinao
Indreo mihoraka ao ny
fehin’ny Satana
:,: Jeso anefa momba anao :,:

3 Ny aizim-be izay mandrakotra
ny tany
No iantsoana anao ka andeha
mba savao ;
N Tompo no tafio, alao ny
hazavany,
:,: Tsilovy izao tontolo izao :,:

4 Ny fahoriam-be izay
manarona eto
No iantsoana anao, ka moa
ve handà ?
Ampiononinao ny ory sy
misento
:,: O ! mazotoa ka miaingà :,:

5 Na inona hanjo mbola ao ny
famonjena
Hahery hianao ! izay no
antenao ;
Ampoizinao tokoa izao ny
fandresana,
:,: Mahery Ilay arahinao :,:

6 O ! mahereza izao, ry
miaramila soa !
Ny hatrotrahanao iareto sy
zakao.
Jesosy no jereo, ka matokia
tokoa.
:,: Fa Izy re no herinao :,:

288 - Sambatra izay voafidy ho mpiasanao

1 Sambatra izay voafidy
Ho mpiasanao
Ka hanohy ireo adidy
Izay natombokao.
Ho mpitaiza ny fanahy
Toy ny vitanao
Ho mpiady tena sahy
Tarikao Jeso.

 

2 Dia mpiasa tsy an-tery
Ka mafana fo
Te-hanangona ondry very
Marobe tokoa.
Te-hitaona ny tanora
Sy ny zaza koa
Tsy hifidy asa mora,
Fa ho mpankatò.

3 Hianao, ry Jeso Tompo,
No nampianatra
Ny olonao mba hanompo
Tsy mitsahatra.
Tsy handala ny talenta
Izay natolotrao :
Fa ny aina re no fetra
Entina manao.

4 Nefa tsy matoky tena
Fa malemy moa,
Ka dia mila fahendrena
Mila hery koa ;
Ho mpiasa mahavita
Izay anjara etý,
Mandra-pody ao am-pita
Aminao arý.

7. FANDRAISANA HO MPANDRAY

289 - Hitsangana izao izahay ry Tompo ô

1 Hitsangana izao
Izahay, ry Tompo ô !
Mba hanompoanay Anao,
Ampionao izahay.

 

2 Ny fahotana be
Izay vitanay tatý,
Dia ibebahanay izao,
Ka mamelà anay.

3 Ny tsy finoanay
No nijanonanay
Tsy nanatonanay Anao
Izay ela be izay.

4 Sasao madio izahay,
Asio fo vaovao
Ho ao anatinay izao,
Ry Jeso Avotray !

5 Inoanay tokoa
Fa maty Hianao,
Hisolo olo-meloka
No nijalianao.

6 Mba manampia anay
Hiankina aminao,
Fa tokinay ny avotrao
Natao tao Kalvary.

290 - Indreo fa mivory izao

1 Indreto fa mivory izao
Zatovo vonon-kanavao
Ilay fanekena tsara ;
Mba raisonao, Rainay ô !
Ny fitarainanay izao.
Omeo toky tsara,
Henoy, fenoy
Aim-panahy, mba ho sahy
Lalandava
Ho mpanaiky ny mazava.

 

2 Mandà ny ratsy izy izao,
Manaiky fa ho zanakao
Handia ny lalan’aina ;
Ry Ray ô ! mba tsarovinao
Ireto voasoratrao
Ao amim-bokin’aina ;
Tezao izao
Tsy ho resy, fa handresy,
Ka omeo
Azy hery mahaleo.

3 Natsanganao ho zanakao
Sy ondry mba handrasanao,
Ka tena sarobidy ;
Arovy re ny ondrinao,
Tantano ny malalanao.
Ry Tompo Izay nifidy 
Anay handray
Lova soa tsy miova,
Ka hazony
Tsy handao Anao intsony !

291 - Efa tonga zana-dRay Tsitoha hianao

1 Efa tonga zana-dRay Tsitoha
hianao,
Ry tanora, tamin’ny batisa
masina ;
Izany no tenin’ny Tompo.

 

2 Koa aza manadino ny
batisanao,
Zava-tsoa sarobidy efa
azonao
Tamin’ny ranon’ny aina.

3 Famelana heloka sy
fahasoavana,
Fanavaozana ny fo sy
fiadanana,
Samy nomen’ny Mpamonjy.

4 Dia arahonao Jesosy, fa
Mpamonjinao ;
Aoka hahafaly Azy ny
fiainanao,
Tovy izay sitrapony !

5 Mivavaha, miambena ao
an-dalana !
Misy fahavalo fetsy
ta-hamitaka
Ny ondrikelin’ny Tompo.

6 Mahatoky ny Mpamonjy,
aza kivy fo,
Izy hampionona raha avy ny
manjo ;
Azy ny hery rehetra.

7 Ary raha tapitra ny andronao
atý,
Endrey ny fifalianao rehefa
‘mby arý
Amin’ny Tompo Jesosy !

292 - Izahay natao batisa

1 Izahay natao batisa,
Voarain’ny Tomponay,
Ary efa voaisa
Mba ho Zanaky ny Ray ;
Voavelany tokoa
Ny fahadisoanay ;
Nefa mbola mora voa,
Mora resy izahay.

 

2 Na ny asa, na ny teny,
Na ny hevitra ao am-po,
Mbola tsy madio ireny,
Ka diovy Tompo ô !
Mora aminay ny ratsy,
Sarotra aminay ny to ;
Mba ampio tsy ho resy
Izahay, ry Tompo ô !

3 Raha mbola atý an-tany
Izahay izay zanakao,
Mba ampio tsy ho lany
Ny finoanay Anao.
Ry Jesosy Tompo soa,
Tano mafy izahay,
Mba ho azonay tokoa
Izay anjara lovanay.

293 - Izaho nentina nanatrika

1 Izaho nentina nanatrika
Ny Tompo sy ny fiangonana,
Ny ray sy reny no niantoka
Hitaiza sy hitari-dàlana.

 

2 Ka faly aho fa noraisina
Natao batisa mbola zaza re,
Nanaovam-panekena masina
Ho zanaky ny Tompo lehibe.

294 - Ampio aho, Zanahary ô

1 Ampio aho, Zanahary ô !
Hanaraka ny « eny » masina,
Izay nataoko taminao, ry To,
Ka tsy mba hisy fivadihana.

 

2 Ry Tompoko, Izay
nanomboka
Ny asa tsara ao anatiko,
Arovy aho ho tanteraka,
Mba tsy ho faty ny finoako.

295 - Miorena mafy tsara

1 Miorena mafy tsara
Amin’Ilay Vatosoa,
Mandrosoa, mifahara,
Mifikira mafy koa,
He ! ny Tompo manambara
Fa ho sambatra tokoa,
Ka ho tsara miafara
Ny mpanompo mahasoa.

 

2 Raha misy fahoriana
Izay midona aminao,
Raiso re ho fitahiana
Izay omen’ny Tomponao ;
Fa ny lalam-pijaliana
Izay alehanao izao
Dia mamelom-paniriana
Hitomboan’ny herinao.

3 Miadia ny ady tsara,
Ho mpandresy hianao ;
Tontosay izay anjara
Eo am-pelatananao ;
Jeso Tompo no mijery
Sy mahita ny atao,
Koa dia tsy mba hisy very
Izay rehetra vitanao.

4 Ry Jesosy ! hatanjaho
Ity mpanolo-tenanao,
Miangavy, mitalaho,
Ka iteneno, Tompo ô !
Aoka re ho tena taho
Izay mikambana aminao.
Ka ny foko halalaho,
Diovy ho Tempolinao.

296 - Ankehitriny, Jereo, ry Ray!

1 Ankehitriny
Jereo ry Ray !
Ny mpivahiny
Miampy indray ;
Ka manomeza hery
Ny fiangonanao,
Mba tsy hiasa irery
Ny olonao.

 

2 Avia hitahy
Ny olonao ;
Ka ny Fanahy
Omeonao ;
Ho hery izay handrava
Ny toetra ratsinay,
Ho jiro hanazava
Ny lalana.

3 Ry Tompo tia !
Tarihonao
Hifankatia
Ny olonao,
Mba tsy ho rava intsony
Ny fikambananay,
Hamantana ao ambony
Ny dianay.

297 - Ry havanay malala!

1 Ry havanay malala !
Manolo-tena izao,
Fotoana mahafaly
Iraisantsika anio ;
Faly izahay mandray anao,
Hiara-manompo ny Ray,
Jeso anie handray anao !
Mba ho sakaizany tokoa.

 

2 Hajao ny fanekena,
Adidinao efao
Ataovy tsy terena
Izay andraikitrao.
Jereo Jeso, ka matokia,
Fa Izy no hiahy anao,
Ka mandrosoa sy mifalia
Hanefa izay anjaranao.

298 - Aina no fetra ry Tompo Mpanjaka

1 Aina no fetra, ry Tompo
Mpanjaka !
Aina no fetra anarahana Anao
Ka ny faneva tsy maintsy ho
zaka,
Ny fanompoana tsy maintsy
hatao.
Indreto izahay hilanja faneva :
Ilay hazo izay nanavotana
anay.
An-tsitrapo no anoloranay
tena,
Ka tano mba ho Anao izahay.

 

2 Aina no fetra ho enty-manoa
Ilay Zanakondry nisolo anay ;
Fandavan-tena sy fanaovan-
tsoa
No fianarana atolotra anay,
Indreto izahay ..sns.

3 Aina no fetra, ry Tompo
malala !
Aino no fetran’ny fitiavanay ;
Ka sanatria izay handao na
hiala ;
Mandrakizay, ho Anao izahay.
Indreto izahay ..sns.

4 Aina no fetra, ny hofo anefa
Mora mirona ho lavo indray,
Ka manampia, ry Mpandresy
mahefa !
O ! mba tantano, hazòny
izahay.
Indreto izahay ..sns.

5 Aina no fetra, ka ampio,
ry Fanahy !
Aina no fetra, vonjeo e,
ry Ray !
Aina no fetra, izahay re no
sahy ;
Aina no fetra, handresy
izahay.
Indreto izahay ..sns.

8. FAMPIELEZANA NY FILAZANTSARA

299 - Tompo mahery Tsitoha

1 Tompo mahery Tsitoha,
Faly izahay mahatsiaro,
Fa Hianao Izay Loha
Efa niantso olo-maro.
:,: Mba hitohizan’ny asa,
Asa natomboka teto :,:

 

2 Raiso ny saotra aman-dera
Noho ny zavatra vita,
Fa Hianao nampahery
Ny mpiasanao izay tafita.
:,: Raiso fa Anao samy irery
Ny fahefana sy hery :,:

3 Dia hamasino ny asa
Sy ny fiezahana mafy,
Efa nataon’ilay mpiasa
Tamin’ny fo sy ny hafy.
:,: Ho voninahitrao, ry Tompo
Izay niantso azy hanompo.

3 Ary izahay izay mandova
Sy ta-hanohy ny asa,
Aoka ny toetra ho lova
Horaisinay, enti-miasa.
:,: Ho voninahitrao, ry Tompo
Izay efa niantso mpanompo.

300 - Ny tany izay vangianao

1 Ny tany izay vangianao,
Ry Jeso Masoandronay,
Tsy maintsy lasanao, Jeso,
Mba hanjakanao avokoa.

 

2 Ny fo sy tany lasanao
Ho feno hasambarana,
Ny loza hosakananao,
Ny soa hampidinina.

3 Ny vavakay sy dera koa
Tsy manam-pitsaharana,
Hiakatra Aminao tokoa
Hitady fiadanana.

4 Ireo olona voaforona,
Dia àry ho Anao tokoa :
Hohasoavinao ireo
Hanjary masina avokoa.

5 Ny maty hovelominao,
Ny ratsy hohavaozinao,
Ny very hotadiavinao,
Ny diso, re, horaisina.

6 Ry vazantany efatra !
Ry Nosy tanindrazanay !
Mba raiso Ilay Mpanavotra
Ho Tomponao mandrakizay

 

301 - He, sahanao, Mpamonjy ô!

1 He, sahanao, Mpamonjy ô,
Izao rehetra izao.
Ka be izao ny vokatrao,
Fa vitsy ny Mpanao.

 

2 Indreto, tonga izahay
Hivavaka Aminao,
Hanolotra ny tenanay *
Hiasa ho Anao.

* na Haniraka ny namanay

3 Ny firenena marobe
Sy nosy mba tahio,
Indrindra fa ny Nosinay,
Ry Tompo ô tahio.

4 Vimbinonao ny irakay,
Ny feony hamamio,
Indrindra fa omeonao
Ny zotom-po madio.

5 Tahio re ny olonao
Hihaino sy hanoa,
Mba hahitany Aminao
Ny antra mahasoa.

302 - Miandry ao ny Tomponao

1 Miandry ao ny Tomponao,
Samia manendry tena,
Fa be ny asa izay hatao ;
Atreho ny firenena !
Topazy maso kely
Ny ondry izay mania
Ilay zandry lasa niala
Ataovy hoe : modia.

 

2 Miandry ao ny namanao,
Moa ve tsy hovonjena ?
Hatòny re dia ilazao :
Kristy no famonjena.
Topazy maso ..sns.

3 Hevero e ! ny Nosinao
Ity Madagasikara !
Mba efa aiza izy izao
Ara-Pilazantsara ?
Topazy maso ..sns.

303 - O mandrosoa, ry mpanaraton?i Jeso

1 O ! mandrosoa,
ry mpanaraton’i Jeso,
Izay no baiko azontsika,
ka mandrosoa ;
Jesosy Tompo no mibaiko,
mandrosoa :
Raiso ka arotsahy
ny haratonao.
Miaingà, namako ô !
Jeso no mibaiko
Mandrosoa, mandrosoa,
mandrosoa tokoa ;
Aza kivy koa,
na dia tsy mahazo :
Mandrosoa amin’ny lalina
kokoa.

 

2 O ! mandrosoa,
ry mpanaraton’i Jeso,
Saina mora kivy
aoka ho lavinao ;
Ny mora kivy
dia hanenina tokoa ;
Raiso ka arotsahy
ny haratonao.
Miaingà, ..sns.

3 O ! mandrosoa,
ry mpanaraton’i Jeso,
Mbola ao ny hazandrano
ho azonao ;
Tsy azonao anio,
ampitso mandrosoa,
Raiso ka arotsahy
ny haratonao.
Miaingà, ..sns.

4 Mba mitoera,
Jeso ao an-tsambonay
Mba ho renay lalandava
ny teninao ;
Ny baikonao, ry Tompo,
hankatoavinay
Ka harotsakay izao
ny haratonay.
Miaingà, ..sns.

304 - He, ali-maizim-pito e!

1 He ! ali-maizim-pito e !
Sao very ao ny marobe,
Satana no manjaka ao,
Mivadi-po ny olona ao :
Avia, ry Masoandronay,
Mba hazavao ny taninay !

 

2 Fa ny mazava ho anay
Ao Aminao, Jehovah Ray !
Mamirapiratra tokoa
Ilay Fitarikandro soa.
Avia, ..sns.

3 Ry Jeso Masoandronay !
Miandry eto izahay ;
Mba misehoa Hianao
Fanilon’ny fanahy ô !
Avia, ..sns.

3 Dia hazavao ny taninay,
Andrao very eto izahay ;
Savao ny aizim-be izao
Hizorany mankaminao
Avia, ..sns.

305 - O! miasà, sakaiza

1 O ! miasà, sakaiza,
Jeso no herinao ;
Na misy mafy aza,
Izy tsy handao.
Dia matokia tokoa,
Fa Jeso momba anao,
Ka hisy vokan-tsoa
Hifalianao.

 

2 Maro ny andro lasa
Izay tsy nanaovanao,
Ka mbola be ny asa
Izay tsy vitanao,
Koa dia mitsangàna,
Hanao tokoa izao,
Hahavitanao tsara
Ny anjaranao.

3 Indro fa mihariva,
Fohy ny andronao ;
Moa tsy mba fantatrao va
Ka tsy hitanao ?
Eny, fa manakaiky
Jeso Mpitsara re,
Ary efa ‘mby akaiky
Ny hodianao.

4 Rehefa tonga Jeso,
Tompon’ny asanao,
Ary hamaly soa
Ny mpiasany.
Mandrakizay doria
No hifalianao,
Raha mpanompo tsara
Mahatoky e !

306 - Mamafaza voa, ka azamba malaina

1 Mamafaza voa,
ka aza mba malaina
Fa tsy fantatrao re
izay ho vanona
Na amin’ny hariva,
na amin’ny maraina
Mamafaza voa,
tsy mijanona.
Matokia re,
matokia re,
Hisy amboara,
ho anao anie !

 

2 Mamafaza voa
amin’ny mahantra,
Ka aza mba mifidy
izay hasian-tsoa ;
Fa ny fo mazoto
sady feno antra
Dia homen’ny Tompo
valisoa tokoa,
Matokia re, ..sns.

3 Mamafaza voa 
amin’ny malemy,
Ary mba ampio izay
reraka ao am-po ;
Asehoy Jesosy
loharanon-kery,
Ao no anovozy
izay ilain’ny fo.
Matokia re, ..sns.

4 Miasà sakaiza ! 
milofosa tsara
Dieny misy asa
azonao atao ;
Matahora sao
tsy vita ilay anjara
Izay napetraky
ny Tompo aminao
Matokia re, ..sns.

307 - lza no hanompo an'i Jeso soa?

1 Iza no hanompo an’i Jeso
soa ?
Iza no hanaiky mba ha Azy
moa ?
He, ny hatsarany ! he, ny
antra be !
Fa Izy ta-hamonjy, ka meteza
re !
Jeso Tomponay ô !
Indreto izahay
Avy mba hanaiky,
Ka mandraisa anay.

 

2 Iza re no mety, iza re, lazao,
Hanome ny fony mba ho Azy
izao ?
He, miantso mafy Jeso
Tompo tia,
Izay rehetra mety, ô ! avia,
avia !
Jeso Tomponay ..sns.

3 Iza no mba sahy, sahy ao
am-po
Ho miaramila fehin’i Jeso ?
Iza no hiady ady tsara re,
Fa ny fahavalo dia marobe ?
Jeso Tomponay ..sns.

4 Iza re no homba Azy
ankehitrio
Mba hamonjy ireny azon’ny
manjo ?
Iza no hihafy sady hanome
Andro, hery, saina ?
Mamalia e !
Jeso Tomponay ..sns.

5 Iza no hazoto mba hiasa
moa ?
Iza no handroso mba ho
hendry koa ?
Iza no hanaiky, iza re ?
lazao !
Mba ho an’i Jeso, izao anio
izao ?
Jeso Tomponay ..sns.

308 - O! miaingà, miasà izao

1 O ! miaingà, miasà izao,
Irak’i Jesosy hianao ;
Ny masoandro miposaka ao
Mba hanazava ny dianao,
:,: Ka dia mazotoa ô :,:
O ! miaingà, miasà,
mitoria,
Aza ho kivy, fa mba
mihafia ;
Dia mba lazao ny nataony
tatý,
Mba hanazava ny maizina
atý.

 

2 O ! miaingà, miasà izao,
Ka afafazo ny voanao
Ho ao an-tany mahantra ao ;
Jeso Mpamonjy no aronao
:,: Hitahy ny asanao :,:
O ! miaingà, .. sns.

3 O ! miaingà, miasà izao,
Aoka hiezaka fatratra ;
Jeso hanambina anao atý
Mandra-pahazo ny vokatra
:,: Izay valin’ny asanao :,:
O ! miaingà, .. sns.

4 O ! miaingà, miasà izao,
Fa mby akaiky ny Tomponao
Mba hanome valisoa anao,
Araka izay voa nafafinao,
:,: Ka dia miasa izao :,:
O ! miaingà, .. sns.

309 - Iza no hitantara ny Tompo Jesosy

1 Iza no hitantara
Ny Tompo Jesosy,
Ilay nandao ny lapa
Ka nidina tatý ?
Nitafy nofo Izy,
Nanetry tena koa ;
Ka maty ho Mpisolo
Izao rehetra izao
Iza no hitantara (in-3)
Ny Tompo Jesosy ?

 

2 Iza no hitantara
Ny fitiavany ?
Fa tia ny mpanota
Mahantra, very koa ;
Ka izay manatona Azy
Dia tsy hariany,
Fa raisiny tokoa
Mba ho sakaizany ;
Iza no hitantara (in-3)
Ny fitiavany ?

3 Iza no hitantara
Ny zava-marobe ?
Izay raisin’ny voavonjy
Amin’ny alalany ?
Tsy mbola hita maso,
Na ren’ny sofina,
Na takatry ny saina,
Ny hasoavany ;
Iza no hitantara (in-3)
Ny hasoavany ?

4 Iza no hitantara
Ny soa be arý ?
He! lova tsara fara
Hasolo ny atý ;
Any an-danitra any
Be haravoana,
Fa ao ny Tompo Jeso
Izay hifaliany ;
Iza no hitantara (in-3)
Ny soa arý ?

310 - Misy maro ao an-tsaha mitaraina

1 Misy maro ao an-tsaha
mitaraina
Ka ento ny jiro mba hankao,
Tsy mba misy antoandro
na maraina,
Fa maizina re ny ao ;
Indro olo-maro be
No maniry mafy hoe :
Mba midína mankatý,
Itondray Baiboly re
Izy ireo, fa ta-handre
An’i Kristy Tompo soa ;
« Mandehana, »
hoy ny Tompo
« Mandehana ho amin’izao
tontolo izao ».
Mitsangàna ary,
eny mitsangàna,
Fa Izy no homba anao.

 

2 Mandehana mba hitarika
ny jamba,
Mba ampifalio ny ory fo ;
Ny mahantra ilazao fa misy
lamba
Tsy miova, tsy mety lo ;
Jeso Mofon’aina soa,
Sady Ranon’aina koa,
Asehoy ho hitany,
Tena Andriamanitra,
Tompo tao an-danitra,
Ambarao ho fantany :
« Mandehana, » ..sns.

3 Mandehana hanatanjaka ny
osa,
Omeo toky re ny ketraka ;
Ny anjaranao, ataovy ho
tontosa,
Ka aza dia reraka,
Mandehana hianao, ka vitao
ny asanao,
Fa ny tambinao arý ;
Mbola any ihany re
Ny handraisan-tamby be,
Dia rehefa tsy etý,
« Mandehana, » ..sns.

311 - Miely lavitra any ny olo-marobe

1 Miely lavitra any
Ny olo-marobe
Koa iza no hankany,
Hamonjy azy re ;
Hanorina sekoly,
Hitory teny koa,
Hamaky ny Baiboly
Milaza zava-tsoa ?

 

2 Indreny olona ory
Tsinjovy rizareo !
Tsy misy ny mpitory,
Ka moa hafoinareo ?
Tsarovy Jeso Tompo
Nandao ny lapa soa,
Ka tonga mba hanompo,
Nanolotra aina koa.

3 Ry Lohan’ny mpiandry !
Tendreo ny irakao,
Fa reraka mandry
Ny ondrikelinao ;
Iraho ny mpitory
Handeha ankehitrio,
Ka tsy handà akory
Hanao veloma anio.

4 Ny tia famonjena
Miaramila soa ;
Izay manolo-tena
No iraka tokoa ;
Na lavitra ny tany,
Hanendry tena hoe :
“ Izaho no hankany,
Iraho aho e ! ”

312 - Mitoera, ry Jesosy!

1 Mitoera, ry Jesosy !
Ao an-tanimbolinao,
Ka amboary izao ny voly
Mba hitombo sy hamoa,
Tomoera ;
Iasao ny nosinay.

 

2 Mba onenonao ny lasy
Itoeranaoy izao,
Ka ovay ny Malagasy
Mba ho tena zanakao,
O ! nomena ;
Hazavao ny nosinay.

3 Akekezo ireo mpania
Tafaverina Aminao,
Ka tantano mba ho tia
Ny miresaka Aminao,
O ! tariho
Ho Anao ny nosinay.

4 Dia fohazy ny mpitory,
Mba hanao ny asanao,
Ka hamoha ireo matory
Mba handre ny sitrakao,
Hamasino
Ho Anao ny nosinay.

5 O ! Jesosy feno antra !
Dera, laza, ho Anao,
Ny lohalika rehetra
Handohalika Aminao,
Mitoera,
Fa Anao ny nosinay.

313 - Miantrà ny firenena, ry Jesosy Tomponay !

1 Miantra ny firenena,
Ry Jesosy Tomponay !
Ambarao ny famonjena
Ilay nataonao fahizay ;
Asehoinao ny hery
Namonjena marobe ;
:,: Ry Mpamonjy olom-bery !
Mamonje indray anie :,:

 

2 Mba heveronao ry Nosy
Itoeranay izao ;
Iantraonao, ry Jesosy,
Ny tsy mahalala Anao ;
Iantrao ireo faritany
Anjakan'ny aizim-be,
:,: Mba ho tonga faingana any
Ny mazava lehibe :,:

3 Be ny tany tsy voasa,
Vitsy ny mpanomponao ;
Koa izahay mpiasa
Ao an-tanimbolinao
Mba omeo fo minia
Hankato ny teninao,
:,: Ka aoka mba hikely aina
Izahay hiasa ao :,:

4 Mankanesa, ry Mpitory !
Ao an-tany lavitra ao,
Be tsy mahalala akory
An'i Jeso Tomponao,
He, ny fahantrany, indrisy !
He, ny hadalan'ny ao,
:,: Fa ny olona tsy misy
Hampianatra azy ao :,:

5 Ny harena anomezo
Sy ny fahendrena koa,
Eny, Kristiana ! aelezo
Izay rehetra mahasoa ;
Mankanesa re izay tia
Ny Mpamonjy lehibe ;
:,: Miantrà ka manampia
Ny mahantra marobe :,:

314 - Injany, misy feo!

1 Injany, misy feo !
Ka iza no tsy mandre ?
Ry Kristiana, raiso
Adidy lehibe,
Manerana ny tany
Ny antso avo izao,
Ho an'i Jeso Tompo
Izao tontolo izao,
Mihobia
Sy mitoria
Ny teny mahafaly
Izay voarainareo ;
Izao no tena fetra :
Ho an'i Jeso soa
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.

 

2 Tsy ho antsika irery
Ny fahasoavam-be,
Fa ho an'ny olom-bery
Tsy an-kanavaka e !
Ny fiantran'ny Tompo
Tsy misy fetra, koa
Lazaonareo mpanompo
'Lay fitiavan-tsoa.
Miasà.
Ka milazà
Ny teny mampionona
Mahafa-po ;
Voarainareo ny baiko :
Ho an'i Jeso soa
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.

3 Ny Tompo no milaza :
« Andeha mitoria, »
Ka na dia sarotra aza
Ny asa, matokia ;
Fa tsy mandeha irery
Izay mitondra soa,
Fa omban'Ilay Mahery
Ny irany tokoa,
Ka sahia
Dia mitoria
Ny famonjena lehibe
Voarainareo ;
Voatsangana ny saina :
Ho an'i Jeso soa
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.

4 Ry Tompo sy Mpanjaka !
Ampio ny olonao
Hanoa sy hanahaka
Ka hankalaza Anao,
Dia aoka hokendreny
Izay katsahinao.
Ka hahita famonjena
Izao rehetra izao,
Ry Tsitoha !
Mba manehoa
Ny hery mahagaga izay
Anananao :
Tongava mba hanjaka :
Ka angony avokoa
Ny olona navotanao
Ry Tompo soa !

315 - Ry Ziona, mitsangàna, ka mihazavà izao

1 Ry Ziona, mitsangàna,
Ka mihazavà izao ;
Andrandrao ny fahazavana,
Izay miposaka aminao

 

2 Maizina ny firenena
Amin-tany fantatrao,
Fa tsy manam-pamonjena,
Nefa ankohonanao

3 Atopazy re ny maso !
Marobe ny zanakao ;
Toy ny tany feno hazo,
Eo anatrehanao.

4 Asandrato ny fanilo
Hanazava lavitra,
Mba ho marobe no hino,
An'Andriamanitra.

5 Ry Jesosy, notahianao
Anie ny lovanao ;
Olo-maro izay irinao,
Taomy mora ho Anao.

316 - Maizina ny firenena

1 Maizina ny firenena,
Koa diso lalana,
Tsy mahita famonjena,
Tia zava-poana ;
Endrey, ny haverezan-tsainy
Lany foana ny ainy.

 

2 Lehibe ny aizin'ota,
Takona ny lalana,
Handosiran'ny mpanota,
Ny fahaverezana ;
Indrisy, very re ny aina !
Injay ny feo mitaraina !

3 Mitsangàna izao, ry mino,
Mandehàna faingana,
Ento aminy ny jiro,
Atoroy ny lalana ;
Hianao va tsy onena
Ny tsy manam-pamonjena ?

4 Dia ento ny mazava
Izay naseho taminao ;
Mazotoa hampisava,
Izany aizim-pito ao,
Ka ny namanao mahantra
Itorio ny Mpiantra.

5 Eny, tsara sy mahery
Ny Filazantsara re !
Afaka ny olom-bery,
Sambatra ny mahare ;
Ka mitandrina tokoa !
Izany teny mahasoa.

317 - O, ry Rain'ny fahazavana tsy milentika!

1 O, ry Rain’ny fahazavana
tsy milentika !
Avy izahay mitondra ny
fisaorana ;
Aloky ny fasanay
no nipetrahanay,
Nefa andro no nasolonao
ny alinay.

 

2 Enga ka handroso tsara
ny mazava e,
Mba ho fantatray tokoa
Ilay manoa hoe :
« Izaho no fahazavan’izao
tontolo izao ».
Hanazava sy hanitsy
izay alehanao.

3 Ny Fitarikandron’aina
efa hita re,
Manazava na ny kely
na ny lehibe.
Mahasoa, mahahendry,
mahasambatra,
Ka akory re ny andro
izay hiposaka !

4 Mitsangàna, ry Ziona,
ka mihazavà !
Voninahitry ny Tompo
no miposaka ;
Atopazy manodidina
ny masonao.
Ny haren’ny firenena
tonga aminao.

318 - Mandrosoa, ry mpanarato

1 Mandrosoa, ry mpanarato,
Aza ketraka izao !
Mandrosoa tsy miato,
Jeso re no herinao ;
Ka ny jentilisa maro,
Havana sy tapaka,
Mba toroy, ampahafantaro
An’Ilay Mpanafaka !

 

2 Mandrosoa, ry mpanarato,
Miezaha fatratra,
Ka na iza hisahato,
Aza mba matahotra,
Notolorana adidy
Hianao ka miasà !
Na ho mamy na mangidy,
Aza fay na mba handà !

3 Mandrosoa, ry mpanarato,
Ao an-drano lalina !
Misy ve hitora-bato ?
Anehoy fitiavana !
Raha kivy ny mpanota
Noho ny haratsiny,
Ento any Gologota
Amin’ny Mpamonjiny.

4 Mandrosoa re no baiko
Izay mifehy ahy izao,
Ka ny tena sy ny aiko
Raiso, Tompo, ho Anao !
He, afoiko manontolo
Izay ananako izao
Koa raisonao daholo
Mba ho voninahitrao !

319 - Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo ô!

1 Mba iraho ny Fanahy,
Ry Jesosy Tompo ô !
Mba hanampy sy hitahy
Ny mpiasa irakao.
Tany mafy no asaina,
Nefa kely izahay ;
Marobe no tsy misaina
Raha itorianay !
Tanteraho re ny toky,
Izay nomenao fahizay.
Ka mombà anay mpitory
Mandra-podi-mandrinay !

 

2 O, ry Masoandron’aina,
Hazavao ny namanay,
Mba fafazo andon’aina,
Fa efa toy ny tany hay ;
Tapa-kazo no hajainy,
Ka tsy fantany ny To ;
Feno aizina ny sainy,
Efa momoka sy lo ;
Ny sikidy mahavery
No ataony solonao,
Sampy vato, hazo kely
No hajainy toa Anao.

3 Averenonao ireny
Mba ho tonga olonao ;
Tadiavo tsy ho very,
Raiso re fa lovanao !
Entonao ny famonjena
Ka ovay ny fony izao ;
Aoka hisy sesehena
Ny hanaiky ho Anao !
Dia hiova re ny tany
Ka hanjary lonaka,
Ary hisy voa mamy
Izay ho tena vokatra.

4 Aoka re mba tsy ho rava
Ny mazava hitanay !
Mba handroso lalandava
Ny anjara asanay,
Mba ho dera aman-daza
Ho Anao, ry Tomponay !
Hatanjaho ny mpiasa,
Dia tsy mba hety fay ;
Aoka re ny olo-mino
Mba hamory ho Anao,
Ka hitombo be ny mpino
Hiandany Aminao.

9. FITOKANANA TRANO FIANGONANA

320 - Manana fiorenana ny fiangonan'i Kristy

1 Manana fiorenana
Ny fiangonan'i Kristy ;
Ela, fa he, tsy levona
Izy na maro na vitsy ;
Vavan'ny olo-masina
Mety ho voatampina,
Nefa tsy maty ny feo.

 

2 Ny fiangona-masina
Trano tsy mety mikoa,
Izy no vato velona
Rafitry ny Ray Tsitoha ;
Jeso no fehizorony,
Isika mirafitra aminy,
Monina ao ny Fanahiny.

3 Nefa mba misy koa atý
Trano nataon-tanantsika
Ho voninahitr'i Kristy,
Mendrika ho tiantsika ;
Fa ao no andrenesana
Ny tenin'Andriamanitra,
Mamin'ny olona mino.

4 Ao ny Batisa masina,
Izay tena ranon'ny aina ;
Ao Ilay Mpihaino vavaka,
Tokin'izay mitaraina ;
Ao koa ny Fandraisana,
Dia ny sakafo masina,
Tena aman-dràn'i Jesosy.

5 Enga ka mba ho fantatra
Amin'ny tany rehetra ;
Ilay loharano velona,
Sady tsy mety ho ritra !
Raha ny lakolosy velona,
Faly izay mpivavaka,
Fa manantena hihaona.

6 Raiso, ry Kristy, ho Anao,
Ny fideranay anio !
Ampandrosoy ny teninao,
Ny ondry very vorio
Mandra-pikambany hiray,
Amin'ny valanao indray,
Fa Hianao no Mpiandry.

 
PREDICATION / TORITENY

Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle (Fjkm Montrouge Paris) 
prédication du dimanche 12 décembre 2021
PREDICATION / TORITENY

Pasteur Ny Ilo Jihy RAMINOARINOSY 
prédication du dimanche 21 novembre 2021 à la FJKM Montrouge Paris
PREDICATION / TORITENY

Pasteur Tahina 
prédication du dimanche 7 février 2021 à la FJKM Montrouge Paris
ÉVÈNEMENTS
Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafalinirina Lalao Angèle - 29 Febroary 2020
>>> Voir les photos
©FJKM Montrouge Paris Fiorenana SP37 1985 - 2024.