^Back To Top

En direct



Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris Fiorenana (SP37) - Au Temple de l'Eglise Protestante Unie (EPU) - 64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge

Accès par :   Métro4 Mairie de Montrouge   /   Bus 68 Place Jean Jaurès   /   Périphérique Porte de Chatillon   /   G.P.S. : fjkm montrouge [ lancer GPS ]


PROCHAINS CULTES

Culte de cet après-midi : à 15h15 à Montrouge.

12mai24Soyez bénis !

ⓘ Info 

VONDRON'OLONA MPIARA-MIVAVAKA FJKM

Lux 12mai24

 

321 - Ry Jesosy Tomponay

1 Ry Jesosy Tomponay
Ravoravo izahay ;
Tonga izahay izao
Mba hihaona Aminao ;
Indro misy tranonao
Hitokananay izao.

 

2 Ka mangataka Aminao
Izahay, ry Tompo ô !
Aoka mba horaisinao
Izay nataonay ho Anao :
Trano fiangonana
Trano fivavahana.

3 Aoka mba ho fantatray
Eto ny alehanay,
Fa vahiny izahay,
Ka ny tanindrazanay
Dia any Aminao ;
Koa mba tarihonao.

4 Aoka ny Anaranao
Mba hohamasininao ;
Aoka ny Fanahinao,
Mba ho tonga hanavao
Ny mpanota marobe,
Dia hovoavonjy re !

5 Ka ny fiadananao
Ampombay ny olonao,
Hampikambana ny fo,
Ka ho toy ny iray tam-po,
Mba hifankatiavanay
Izao sy rahatrizay.

322 - Indro, Tompo, misy trano

1 Indro, Tompo, misy trano
Izay namboarinay ho Anao,
Angatahanay tsodrano,
Itokananay ho Anao
Tompo ô, mba hamasino
Ho fihaonana Aminao,
Ho tempoly tian'ny mino
Fivavahana Aminao.

 

2 Diovy, Tompo, mba ho trano
Izay hajaina ho Anao,
Ka omeo sy itokano
Mba ho fideràna Anao.
Tompo masina ô, idiro
Mba ho mendrika Anao
Ka aoka Hianao ho jiro
Izay hamirapiratra ao.

3 Mba tahio, ry Ray Mpitahy,
Ho tempoly masinao
Ho Betelan'ny fanahy,
Vavahady ho Aminao.
Itoero, mba ho kianja
Mahamanina ny fo,
Mba ho trano mendri-kaja,
Mampivavaka ny fo.

4 Mandrosoa ka midira
Ho mpanjaka tokana ao
Ka ny vavaka sy hira
Mba tahio ho sitrakao,
Nefa tsy ny trano ihany
No atolotray, ry Ray,
Indro koa mba itokany
Ho Anao ny tenanay.

323 - Vory ny mpanomponay

1 Vory ny mpanomponao
Eto anatrehanao,
Ry Jesosy Tomponay !
He ! faly ny fonay,
Faly, faly, faly,
He ! faly ny fonay,
Vory maro toy izao.

 

2 Mba atrehonao iizahay 
Fa mitokana eto izao
Ny trano ho Anao :
He ! faly ..sns.

3 Eto hitorianay
An'i Jeso Tomponay,
Mpamonjy lehibe :
He ! faly ..sns.

4 Eto hanomezanao
Tsara ny Fanahinao
Mba hanadio ny fo :
He ! faly ..sns.

5 Eto no hanananao
Laza saotra ho Anao ;
Ny maro mba vonjeo :
He ! faly ..sns.

6 Aoka re ny tranonay,
Trano iangonanay,
Mba ho tempolinao :
He ! faly ..sns.

324 - Ry Andriananaharinay

1 Ry Andriananaharinay !
Isaoranay ny Anaranao ;
Nambininao ny tranonay
Ka vita tsara ho Anao :
(Feo 1-2)
Fenoy, fenoy, fenoy
Ny hamasinanao
Ny tranonay ho tranonao.
(Feo 3-4)
Fenoy, fenoy
ny hamasinananao
Fenoy ny hamasinanao
Ny tranonay ho tranonao.

 

2 Ry Jeso ! avy izahay
Hitokana ny tranonao,
Ny trano izay naorinay
Ho voninahitrao anie :
Fenoy, ..sns.

3 Avia, Fanahy Masina ô !
Hitoetra eto aminay,
Ny aizinay mba hazavao,
Hanananay fo be fitia :
Fenoy, ..sns.

4 Mba raisonao ny deranay
Izay enti-mankalaza Anao ;
Ny trano itokananay
Ekeo tokoa ho tranonao :
Fenoy, ..sns.

325 - Ry Jehovah Tomposoa

1 Ry Jehovah Tompo soa !
Vory eto izahay,
Ka mifaly avokoa,
Raisonao ny vavakay !
Andro fitokanan-trano,
Fifaliam-be izao,
Ampidino ny tsodrano
Avy ao an-danitrao.

 

2 Ry Jesosy ! mandrosoa
Fa Anao ny tranonay,
Hiderana Anao tokoa,
Ka henoy ny hatakay !
Nefa tsy ny vatan-trano
No honenanao izao,
Fa ny fo no itokano,
Itoero, hafanao.

3 Ry Fanahy Mpanazava !
Anjakao tokoa izahay,
Dia hazava lalandava,
Ny fanahin-janakao ;
Ka fenoy fanahy mino
Ho tempolinao tokoa,
Hatrizao dia hamasino
Ka hitombo sy hanoa.

10. FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY MPIASANY

326 - Atreho ny mpanomponao

1 Atreho ny mpanomponao
Izay mivory eto izao
Ka efa nametrahanao
Adidy masina hatao.

 

2 Hianao, izay Tompon’ezaka
Nifidy anay tsy mendrika
Ka efa nampirisika
Handroso tsy hiherika.

3 ‘Ndrisy mpanompo tsy manoa
Izahay izay nofidinao.
Mpiasa tsy mba mahasoa,
Tompo ô ! mifona Aminao.

4 Na dia kely aza izao
No azonay atolotra,
Aoka re mba ho sitrakao
Haroso ho fanatitra.

5 Dia saotra no omena Anao
Ka raiso re, ry Tomponay
Ny fonay koa onenonao
Sy anjakao mandrakizay.

327 - Isaoranay Anao

1 Isaoranay Anao,
Ry Tomponay Tsitoha,
Ny nanomezanao
Mpiasa mahasoa.
Ka nony vao nandre
Ilay antso taminao,
Dia roso ka nandeha
Nanao ny asanao.

 

2 Natokanay ho Anao,
Ny taona maro be ;
Ilay fitiavanao,
Nataony rehareha.
Na nisy ny manjo,
Tsy kivy sanatria
Hianao ilay ao am-po
Nanao hoe: « Matokia ».

3 Izay nataony anie,
Hambininao tokoa,
Hitombo be dia be
Hitera-boka-tsoa,
Hianao Ilay Tompo tia
No angatahanay ;
Tongava, manampia
Izay vitany ho anay.

4 Ka mba tsinjovinao,
Sikino hery indray,
Ity mpanomponao,
Anio sy rahatrizay,
Ilay teny taminao
Ho aminy anie ;
Mpanompo sitrakao
Satria nahefa be.

11. FIRAVANA

328 - Mba tahio Jeso ô!

1 Mba tahio, Jeso ô !
Hira, hatakay sy teny ;
Mba tarihonao ny fo
Hanarahanay ireny ;
Hianao no Tompon’aina,
Sady mendri-koderaina.

 

2 Izahay mpanomponao
Hody ao an-tokantrano,
Faly manana Anao,
Ka vimbino sy tantano ;
Aza avela ho irery,
Izahay, fandrao ho very.

3 Saotra no atolotray,
Raha mbola atý an-tany ;
Ao an-danitra indray
Dia dera tsy ho lany
No hatao sy hohiraina
Ho Anao ry Tompon’aina.

329 - Saotra, dera, no homena

1 Saotra, dera, no homena
Ho Anao Mpanavotray,
Hianao manetry tena
Mba hanandratra anay.
Mba tariho Tompo ô !
Ny fanahy sy ny fo ;
Tianay ny hiara-dia
Aminao ka tsy hania.

 

2 Raha ory sy mijaly
Eto aza izahay,
Tsy ho kivy, fa hifaly
Amin’ny anjaranay.
Hianao ry Tomponay,
No mba iankinanay,
Ka inoanay homena
Ho anay ny famonjena.

330 - Sambatra ny mankato

1 Sambatra ny mankatò
Izay lazain’ny Tompon’aina ;
Sy manaiky eram-po
Fa hanolotra ny saina,
Ka mitandrina ny didy
Toy ny zava-tsarobidy.

 

2 Sambatra izay mandà
Raha taomina hanota,
Ka na dia halatsa-drà,
Tsy mba mety resin’ota,
Tsy ekeny ny mpanimba,
Na ireo mpanazimba.

3 Sambatra ny olona
Izay misaina ao am-pony
Andro aman-alina
Ny lazainao, ry Mpamonjy ;
Fa ataonao toy ny hazo
Maitso tsara, tsy malazo.

331 - Mba soraty ao am-poko

Mba soraty ao am-poko
Jeso, ny Anaranao ;
Mba arovy tsy haloto
Ny kasen’ny tananao.
Hianao, Jesosy ô !
No ho voninahitro :
Hianao, ry voahombo,
No Mpanjakako sy Tompo.

 

332 - Finaritra ny olonao

1 Finaritra ny olonao
Jesosy Tompo ô !
Fa manana ny aim-baovao
Ka ravo eram-po.
Ny famonjena vitanao
Dia efa voaray izao.
Ny fifaliany atý.
Hitohy hatrarý.

 

2 Izaho va Jesosy ô,
Mba isan’ny Anao ?
Ny solika fitaziako
Moa misy va izao ?
Hevero ry fanahiko,
Ka aza mety afa-po
Ambara-pahafantatrao
Fa Jeso no anao.

333 - Hody, Tompo, izahay

1 Hody Tompo, izahay
Miaraha aminay,
Ka tahio ny teninao
Mba hamorona aim-baovao,
Sao mivory foana
Izahay mpiangona.

 

2 Marobe ny rafinay
Ta-hamandrika anay ;
Tompo, miarova anay,
Sao dia very izahay ;
Mitoera aminay
Ao an-tokantranonay.

3 Efa renay taminao
Fa anay ny lanitrao,
Efa namboarinao
Mba ho an’ny olonao ;
Ka tariho, Tompo ô,
Hody ao ny Zanakao !

334 - Sambatra ny sofiko

1 Sambatra ny sofiko
Fa nandre ny teny,
Tenin’i Jesosiko,
Tenim-pamonjeny.
He ! izaho tiany
Mba hiara-dia
Sy hianatra aminy
Ary tsy hania.

 

2 Sarotra ny làlako
Sady mampanahy,
Nefa ny Mpamonjiko
Mahatoky ahy ;
Vetivety foana
Dia ho avy Izy
Amim-boninahitra,
Ka handray ny Azy.

335 - Hody izahay Zanahary!

(Maintimolaly)
1 Hody izahay, Zanahary !
Tahio tsara izahay ;
Ampifalionao ny fonay
Amin’ny fitianao :
:,: Ampifalio :,:
Izahay etý an-tany.

 

2 Mankasitraka Anao izahay
Noho ny teny soa
Izay nampianaranao
Saina hahasoa anay.
:,: Tomoera :,:
Aminay isan-andro.

3 Raha ho faty izahay
Ka handao ity tany,
Dia ampifalio izahay,
Ento ho an-danitra ;
:,: Dia faly :,:
Izahay mandrakizay.

336 - Ampodio izahay, Jehovah

1 Ampodio izahay, Jehovah,
Amin’ny fitianao ;
Na aiza na aiza no haleha
Aoka hovimbininao :
:,: O, ambino :,:
Izahay mpanomponao.

 

2 Fa ny teny renay any
Aoka ho tadidy koa,
Ka mba hiasanay saina
Hahazoanay ny soa
:,: Isan-andro :,:
Izay hiainanay atý.

337 - Ry Jehovah, Tompo ô!

1 Ry Jehovah, Tompo ô !
Tompo masina sy to,
Azonay ny teninao
Mampandre ny antranao ;
Aoka mba harahinay
Ka ho masina aminay,
:,: Mba hanao ny sitrakao
Izahay mpanomponao :,:

 

2 Hody izahay izao
Amin’ny Anaranao ;
Mitoera aminay
Ao an-tokantranonay,
Mba ho velona aminao
Izahay navotanao ;
:,: Be ny fahavalonay
Ka arovy izahay :,:

338 - Arovy aho, Tompo

Arovy aho, Tompo,
Atolotro izao
Ny tenako hanompo
Sy hankalaza Anao.
Omeo ahy hery
Sy faharetam-po,
Arovy tsy ho very
Izay anjarako !

 

339 - Ry Jesosy mba ampio aho ho madio fo

Ry Jesosy, mba ampio
Aho ho madio fo ;
Raha mivily ahitsio
Hanarahako ny to.
Mba ampaherezo aho
Hanompoako Anao ;
Raha ory hatanjaho
Mba hifikitra Aminao.

 

340 - Tompo ô, mba hasoavy

Tompo ô ! mba hasoavy
Sy arovy izahay ;
Tompo ô ! mba aposahy
Aminay ny tavanao ;
Tompo, mitodiha anay,
Dia hiadana izahay ;
Ray sy Zanaka, Fanahy,
Mitahia anay, Amen !

341 - Tompo ô! ampitandremo

1 Tompo ô ! ampitandremo
Izay lazainao izahay ;
Hazavao ka mba omeo
Hery ny fanahinay ;
Ka ny fo ampionony
Tsy hitebiteby intsony ;
:,: Mba diovy, hamasino
Izahay, ry Tompo ô ! :,:

 

2 Ka rehefa hodimandry
Izahay, ry Tomponay,
Tsy ho taitra, fa hiandry
Ny handraisanao anay,
Ry Jesosy Tompon’aina,
Hianao no antenaina,
:,: Hianao no hanazava
Ny hodianay arý :,:

342 - Ny fahasoavan'i Jesosy Kristy

Ny fahasoavan’ny Jesosy
Kristy
Sy ny fitiavan’Andriamanitra
Ary ny firaisana amin’ny
Fanahy Masina
Ho amintsika rehetra anie,
Amen !

 

343 - Ry Jeso Tompo soa

Ry Jeso Tompo soa,
Ry Vatolampiko !
Esory avokoa
Ny hevi-dratsiko.
Omeo ahy hery,
Arovy tsy ho very
Ny ondry kelinao,
Mba hifalianao ;
Jesosy ô ! henoy re, henoy.

 

344 - Fiadanana be

Fiadanana be,
Hasambarana re,
No miandry antsika ao
an-danitra e !
Ka handeha handao
Izao tontolo izao,
Ka hitady tokoa ilay
tany vaovao.
Miaingà hody ao !
Miaingà hatrizao !
Mba modia hianao (izao)
Ao amin’i Jesosy !

 

345 - Mba tarihonao, ry Raiko

Mba tarihonao, ry Raiko,
Ny fanahy sy ny foko,
:,: Mba ho any Aminao ! :,:
O, ry Loharanon’aiko,
Izao ihany no ilaiko,
:,: Dia ny hahita Anao ! :,:

 

346 - Ny teninao, Jehovah ô!

1 Ny teninao, Jehovah ô !
Voatory aminay
Tahio tsy ho levona,
Velominao anie !

 

2 Izay voatory tsy anay,
Fa avy Aminao,
Ka dia ny fanambinanao
No mba ilainay koa.

3 Fa tsy mba ampy ho anay
Ny toriteninay,
Ka tsy ho tokinay ireo,
Raha tsy ambininao.

4 Dia ampitoeronao izao
Ho eto aminay
Ny herin’ny Fanahinao,
Mba hahasoa anay.

347 - Derao Andriamanitra

Derao Andriamanitra,
Fa Izy Loharanon-tsoa
Derao ny Tompo tokana,
Ray, Zanaka, Fanahy koa.

 

348 - Andriamanitra tahio ny mihaino

(Maintimolaly)
1 Andriamanitra !
Tahio ny mihaino ;
Ny tsy manoa vava-poana
Hahazo ny iriny,
Andriamanitra
Ho masoandrony ;
Ka ny Fanahy Masina
Mpitari-dàlana.

 

2 Ny Anaran’i Jeso
No voninahiny ;
Ny hamarinan’i Kristy
No fihaingony,
Tiavo Jesosy,
Ry mino ny teny !
Katsaho fihavanana,
Ry tsy mino rehetra !

349 - Dera re, laza anie

1 Dera re, laza anie !
Ho an’Andriamanitra !

 

2 Aoka ny tany re,
Mba hiadana anie !

3 Ary ny olony
Aoka hankasitrahany !

NY FIAINANA KRISTIANA
1. NY ANTSON’NY FILAZANTSARA

350 - Hianao ry Ray no mibaiko

1 Hianao, ry Ray, no mibaiko
Hanaovanay ny asanao,
Ka ny handà e mba tsy haiko,
Na sarotra aza ny atao.
Ny fitoriana lalaina,
Natomboky ny mpianatrao
Dia tsy azo atao very maina,
Fa he, tohizanay izao.

2 Fa mbola adidin’ny mazava
Mitondra ny fanala izao,
Hiainga, handeha hampisava
Ny aizina ao an-ala ao.
Ireo rahalahy sy rahavavy
Dia be tsy mahalala Anao
Koa indro, Tompo, aho avy
Hitory ny Anaranao.

 

3 Kanefa tsy ny eto ihany
No anirahanao anay,
Fa na ny any lavitra any
Dia samy mbola adidinay.
Hiezaka, hikely aina,
Hamafy koa ny teninao
Izay hany tena mofon’aina,
Ho an’izao tontolo izao.

351 - Tsy hangina re ny hoby noho hianao ry Ziona

1 Tsy hangina re ny hoby,
noho hianao ry Ziona ;
Fa miposaka aminao
ny fahazavana soa ;
Ny fanilom-pamonjena,
indro fa torina
Hanazava ny olona tokoa.
Mivoaha, asandrato ny
faneva soanareo ;
Tsenao re ny Mpanjaka,
fa avy aminao
Ny famonjeny sy ny lova
izay atolony anao
Satria hianao dia tsy foiny.

 

2 Voninahi-panjakana
isaloranao
Sy anaram-baovao no
iantsoana anao
Fampakaram-bady, fety
anaingàna anao
Mba ho an’i Kristy,
Ilay Tomponao.
Mivoaha, asandrato ..sns.

3 O ! Ry mpiambina tinendry
eo ambony manda,
Aza avelanao hangina re
ny feonao
Ka hijoro izao ny mino,
fa tsy hisy banga
Eo an-tobin’i Jeso Tomponao.
Mivoaha, asandrato ..sns.

352 - Fantatrao va ny Mpamonjy

1 Fantatrao va ny Mpamonjy,
Ilay Tompon-danitra ?
Jeso, Kristy sy Mpanjaka,
Zanak’Andriamanitra.
Ilay nandao ny lapan-dRainy
Feno voninahitra,
Tompo tonga mba hanompo,
Noho ny fitiavana.

 

2 Eny, zava-mahagaga,
Fietrena lalina :
Saro-bidy ka tsy foiny
Isika olombelona.
Ilay Mpisorona Ambony
Izao no asa sorona,
Ka manolotra ny ainy
Mba ho fanavotana.

3 Ao ny lanitra mivoha
Miantso anao hiakatra ;
Aoka tsy hiroa saina,
Manapaha hevitra.
He mitsotra moramora
Mba handray ny tanany ;
Mitodiha : izao no ora,
Maneke ho zanany.

353 - Mba sainonao ange sao tsy mba fantatrao

1 Mba sainonao ange,
Sao tsy mba fantatrao
Ny zava-dehibe
Nataoko ho anao :
:,: Hevero, ka lazao, lazao
Izay mba vitanao :,:

 

2 Ny lapako tarý,
Ny fahefako tao,
Nilaozako tatý
Hanavotra aina anao :
:,: Hevero, ka lazao, lazao
Izay mba foinao :,:

3 Hevronao ange,
Ny nisoloanao anao ;
Nangidy indrindra anie
Ny nahazoana anao :
:,: Hevero, ka lazao, lazao
Izay mba nentinao :,:

4 Endre ! ny aiko koa
Nomeko ho anao ;
Tsy misy zava-tsoa
Tsy foiko ho anao :
:,: Hevero, ka lazao, lazao
Izay mba taminao :,:

5 Ry Tompo be fitia !
Endrey, ity vitanao ;
Izaho izay mpania
Tsy mahavaly izao :
:,: Ny aiko no mba raisonao
Hanao ny sitrakao :,:

354 - Ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao

1 Ny Mpamonjy no mitady
Fihavanana aminao ;
Izy no manambitamby
Hanatonanao izao ;
Sao manjary fandatsana
Ny fifonana aminao,
Ka ny mety, mihavàna
Amin’ny Mpamonjy izao.

 

2 Dieny misy hafanana
Ka mangoraka ny fo,
Manatòna ny Mpamonjy
Sao dia mangatsiaka indray
Izao no andro famonjena,
Ka vonjeo sao neninao ;
Ry mpanota, miverena
Izao ankehitriny izao.

3 Sao ity no toriteny
Fara-fanasana anao ;
Sao anio no fotoana
Fara-fahavelomanao :
Ka aza mba misalasala,
Sao manjary neninao,
Raha tsy mety mahalala
Izao fotoana mety izao.

4 Indrisy ! be ny fahotako,
Be ny ratsy vitako ;
Sao tsy raisin’ny Mpamonjy
Ny mpanota tahaka izao ?
Miverena, fa ny rany
Ampy hahadio anao ;
Manatona hosasany
Izao ankehitriny izao.

355 - Ry namako mahantra, manaram-po izao

1 Ry namako mahantra
Manaram-po izao !
Ny ota no mandratra,
Sao simba hianao ;
Izay anao rehetra
Ho lasa avokoa,
Fa tsy mba misy fetra,
Ho levona avokoa.

 

2 Ny Tompo be fiantra
Mangora-po tokoa
Mahita anao mahantra
Fa tsy mahita soa ;
Natolony ny ainy
Ho vidin’ny ainao,
Nalatsany ny rany
Mba hanadio anao.

3 Ny Tompo malahelo,
Tsy foiny hianao,
Ny feo mamelovelo
Mibitsika aminao ;
Onena anao ny fony
Ka mitaraina hoe :
Ny ota ajanòny,
Mba ajanòny re !

356 - Ry mpanota! Mihevera

1 Ry mpanota ! mihevera,
Fa miantso Kristy izao :
Izy ta-handray mpanota
Manatòna hianao :
:,: Mihainoa, mihainoa,
Ka ario ny ditranao :,:

 

2 Ry mpanota ! miverena
Ao am-balan’i Jeso ;
Aza dia mirenireny,
Sao iharan-doza izao
:,: O ! modia, O ! modia,
Ialao ny ditranao :,:

3 Ry mpanota ! manatòna
Dieny misy antso izao
Fa ho avy ny fotoana
Mbola hanenenanao :
:,: O ! avia, O ! avia,
Izao ankehitriny izao :,:

4 Ry mpanota ! matokia,
Tompo mora fo Jeso ;
Izy dia tena tia
Izay mibebaka tokoa :
:,: Matokia ! matokia,
Mibebaha re izao :,:

5 Ry Sakaizan’ny mpanota,
Ento aho ho Anao ;
He ! ny tenako rehetra
No atolotro izao :
:,: Raisonao re, raisonao re,
Ho fanati-tsitrakao :,:

357 - Efa tonga aty izao

1 Efa tonga atý izao
Teny fiainana :
Raiso mba ho fiainanao,
Teny fiainana.
He ! ny teny tsara,
Teny manan-kery ;
Tenin’ny Ray
Tsara tokoa
Teny fiainana.

 

2 Io no Filazantsara soa,
Teny fiainana :
Teny mamy indrindra koa,
Teny fiainana.
Raisonao ny teny,
Teny soa nomeny :
Tenin’ny Ray, ..sns.

3 Ry mpanota ! henoy izao,
Teny fiainana :
Fa fiainana ho anao,
Teny fiainana.
Kristy no nomena
Mba ho famonjena :
Tenin’ny Ray, ..sns.

358 - He! Ry namako mahantra

1 He ! ry namako mahantra,
Indro Jeso Tompo tia,
Ilay Mpamonjy feno antra,
No mitady ny mania ;
Olom-bery tsy mba foiny,
Ka na diso aza re,
:,: Mbola tiany sy antsoiny
Hanam-pifaliam-be :,:

 

2 He ! fa tsy mba misy fetra
Ny homena lova soa
Fa ny olona rehetra
Samy tiany avokoa ;
Nefa izay be hataka andro
Dia hanenina tokoa ;
:,: Misy fetra ny fotoana
Azo amindrana fo :,:

3 Manatòna ankehitriny, 
Ry mpanota ory fo !
Mba hesoriny ny tsiny
Ka hadio indray ny fo ;
Fa ny ota hosasany
Dia ho afaka avokoa,
:,: Izany re no fikasasny
Ka tsy maintsy to tokoa :,:

4 Fa izay mandà ny teny
Sy maditra, mafy fo,
Hampangain’ny teny reny,
Fa tsy nety nakatò ;
Jeso Tompo no hitsara
Sy hamaly ny natao,
:,: Nefa kosa ny anjara
Dia miankina aminao :,:

359 - Tsy renao va ny feon'ny Ray?

1 Tsy renao va ny feon’ny Ray,
Ry malahelo fo !
Miantso hoe : « Avia, avia,
Modia hianao ! »

 

2 Ny Rainao be fitiavana
Hifaly aminao,
Ka hanome malalaka,
Raha hody hianao.

3 Na diso aza hianao,
Mitebiteby koa,
Ny Rainao ta-handray anao
Ho sambatra tokoa.

4 Modia an-tranonao arý,
Mahantra hianao ;
Tsy misy zava-tsao atý
Hahafa-po anao.

5 Ny lamba efa rovitra
Hesorina aminao,
Ka hafa tsara lavitra
No hitafianao.

6 Mba maneke ny teniny
Ankehitriny izao,
Fandrao dia hisy loza re
Hihatra aminao.

360 - Mba hevero, ry mpanota!

1 Mba hevero, ry mpanota !
Ny nataon’ny Tomponao :
Izy tsy mba manana ota
Nefa tonga solonao ;
He ! ny lanitra nafoiny
Mba hidinany tatý
Olom-bery no antsoiny
Mba handova ny arý.

 

2 Mba hevero, ry mpanota !
Fa nijaly Jeso tia,
Maty tany Gologota
Mba hamory ny mania,
Indro, latsa-dra ny Tompo
Nefa tsy mba diso re !
Fa nisolo ny mpanompo
Izay nanohitra elabe.

3 Mba hevero, ry mpanota !
Alatsaho ao am-po ;
Mahavery re ny ota
Raha tsy voadio ny fo,
Mangataha ankehitriny,
Dia hodiovin’i Jeso,
Fa izany no iriny
Mba handraisanao ny soa.

4 Mba hevero, ry mpanota !
Ny fifonana aminao
Hahafoizanao ny ota
Tena fahavalonao.
Manatòna hovonjena
Sao hiharan-doza be !
Manatòna, fa homena
Fifalian-dehibe.

5 Mba hevero, ry mpanota !
Inona ary no hatao ?
Aza mety resin’ota,
Tiavo Jeso Tomponao ;
Ny lalàny no araho
Sitrapony tontosay ;
Nefa Izy angataho
Homba anao mandrakizay.

361 - Manatona, ry malala!

1 Manatòna, ry malala !
An’i Jeso Tomponao ;
Raiso re ny famonjena,
:,: Tsy ho faty hianao :,:

 

2 Indro Jeso, fa miandry
Mba handray anao izao ;
Miverena aza kivy,
:,: Mazotoa, sy matokia :,:

3 Aza mba mangataka andro,
Sao dia tratra hariva etý
Tahotra sy horohoro
:,: Hampivadi-po anao :,:

4 Ao ny tany soa homeny
Mampifaly fo erý
Sady tsy mba misy ratsy,
:,: Mandrosoa ho tonga arý :,:

362 - Tsy fantatrao va Ilay namonjy anay?

1 Tsy fantatrao va Ilay namonjy
anao ?
Ry havako ory izao ?
Mitady anao Ilay namonjy
anay.
Maniry hamonjy anao ;
Mihainoa ny hamonjy anao
Manao hoe : “ Manatòna
anio,
Na dia be aza ny ratsy
natao,
Dia mety ho afaka izao. ”

 

2 Fa tonga tatý Ilay namonjy
anay
Ka nampijaliana tokoa ;
Ny rany izay namonjeny
anay
Hamono ny helokao koa ;
Mihainoa ..sns.

3 Misento anao Ilay namonjy
anay,
Ry olo-mahantra atý !
Tomany anao Ilay namonjy
anay
Fandrao dia ho very arý ;
Mihainoa ..sns.

4 Henoinao izao ny hamonjy
anao,
Hiadam-pinaritra am-po ;
Faingàna handray ny homeny
anao
Dia lova tsy mety ho lo ;
Mihainoa ..sns.

363 - Ry olo-mahantra

1 Ry olo-mahantra
Mihainoa izao !
Saino tsara ny teny
Izay lazaina aminao ;
Ry olo-mahantra !
Modia, modia,

 

2 Fa ela dia ela
Hianao no nania,
Tsy nahita ny tsara,
Tsy nahazo ny soa ;
Ry olo-mahantra ..sns.

3 Tsy misy mpiantra
Mba hitsinjo anao
Afa-tsy ny Mpamonjy,
Izay mitady anao ;
Ry olo-mahantra ..sns.

4 Tsarovy ny Rainao
Malahelo anao
Ka miandry tokoa
Hampandroso anao ;
Ry olo-mahantra ..sns.

364 - Ry mpanota! Ry mpanota!

1 Ry mpanota ! ry mpanota !
Raiso Jeso Tomponao,
Aza mba misalasala,
Manatòna Azy izao.
Ka ekeo ny feon’i Jeso
Izay nifona ho anao
Teo ambony hazo avo
Maty Izy ho anao.

 

2 Indro Jeso, ry mpanota !
Faly hohatoninao,
Sady Tompo tsy mandatsa,
Fa mamindra fo tokoa,
Ka miteny moramora
Ta-hamela heloka :
Manatòna, ry mpanota !
Mba handray ny avotrao.

3 Ry mpanota ! ry mpanota !
Misy vonjy ho anao,
Ka toneo ny alahelo
Mampahory fo anao ;
Aza mety resin’ota,
Fa jereo ny Tomponao ;
Izy no handresy tsara
Izay miady aminao.

4 Hianao tsy manan-toky
Ho mpamela heloka,
Afa-tsy ny Tompo Jeso,
Ilay nanavotra aina anao ;
Ka aza mba misalasala,
Ry mpanota very ô !
Fa azonao ny lova tsara,
Raiso Jeso Tomponao.

365 - He! Ry mpanota ana, sasatra

1 He ! ry mpanota ana, sasatra,
Mitondra fahoriana lehibe ;
Jeso mpanavotra olo-meloka
No mahavonjy ny fanahinao.
Matokia ny mpamela helokao,
Aza kivy, tsy ho faty hianao ;
Matokia re, matokia re,
Matokia,
Jeso tsy handao anao.

 

2 Indro ny fitiavan-dehibe !
Ny ainy tsy nataony ho
zavatra
Hamonjy ny mpanota meloka
Sy manana entana mavesatra.
Matokia re, ..sns.

3 Mba mahareta, Jeso aminao
Ny tanany mahery hiambina
Aza malaky resin-tahotra,
Fa Izy tsy hiala aminao :
Matokia re, ..sns.

366 - Andeha ry hava-malala

1 Andeha, ry hava-malala !
Andeha hiaraka izao,
Hitady fonenana tsara
Honenana mandrakizay
Ao amin’ny tanin’ny Tompo
Ny fahasambarana be,
Ny ota tsy miditra akory,
Tsy misy ny loza manjo,
Dia aoka hiaraka isika,
Ry hava-malala izao !
Hitady fonenana tsara
Honenana mandrakizay.

 

2 Ny trano dia maro tokoa,
Mifaly ny mponina ao,
Tanteraka soa ny aleha,
Fitia omena ny ao ;
Miara-midera ny Tompo,
Mpanavotra be indrafo ;
Miara-mandova ny soa,
Mitafy ny lamba madio.
Dia aoka hiaraka ..sns.

3-Na ety ny lalana aza,
Na maro ny zava-manjo,
Dia aza matahotra akory,
Mandroso ny mety hatao ;
Anjely tsy tambo isaina
Hirahin-kanampy anao ;
Mpanompo ny Avo indrindra
Hitoby hiaro anao.
Dia aoka hiaraka ..sns.

367 - Ry zanako mania!

1 Ry zanako mania !
Henoinao izao :
Izaho be fitia
Mangora-po anao ;
Ry zanako ! modia,
Sao maty hianao,
Fa be ny bibidia ;
Modia re !

 

2 Ny zavatry ny tany
Sao mahasimba anao,
Harena mety lany
Tsy mahavonjy anao ;
Izaho irery ihany
No hiadananao ;
Ka mbola manontany :
Tsy hody va ?

3 Mamiratra jerena
Ny lalan-tsitrapo
Fa akoso-bolamena
Mamitaka ny fo ;
Ny sitrapon’ny tena
Mamery ny ainao,
Ario ka miverena,
Modia re !

4 Izaho Tompon’aina,
Nijaly ho anao,
Ka he, manolotra aina
Mba hamonjena anao ;
Ny rako mitaraina,
Modia hianao ;
Ka aza mba malaina,
Modia re !

368 - Manatòna, ry mpanota

1 Manatòna ry mpanota
Ory, jamba, very koa !
Hianao simban’ny ota,
Indro, ao ny Tompo soa
Ry tsy mendrika hovonjena,
Misy izay miantra anao ;
Fifaliam-be homena,
Famelana helokao.

 

2 Mba henoy ny teny tsara
Izay lazaina aminao,
Sao very ny anjara
Soa tadiavinao ;
Feno antra, manan-kery,
Jeso no mitaona anao,
Ka ny mino tsy ho very,
Manatòna re izao.

3 Ny miato tsy mba tsara,
Ny halainanao ario ;
Sao helohin’ny Mpitsara,
Manatòna re anio ;
He ! miandry ny Mpamonjy,
Mba faingana hianao ;
Raha te ho voavonjy,
Aza ela hianao.

369 - Faingàna, ry hava-malala

1 Faingàna ry hava-malala,
Hatòny ny Tompo izao,
Ny fo sy ny feo asandrato,
Derao Ilay nanavotra anao,
Ny avotra ny famonjena,
Izay vitany tao Kalvary,
No fanantenan’ny mpanota
Hahazo fiainana arý.

 

2 He Izy mitondra irery
Ny mafy, nisolo anao,
Ka maty hamonjy ny very ;
Ny rany nandriaka tao.
Niaritra latsa sy eso,
Ny hombo sy lefona koa ;
Nivesatra ota Izy teto
Hanananao fiainana koa.

3 Endre ! ny fitiavan’i Jeso,
Ry olo-mahantra, jereo !
Nijaly hamonjy, hevero,
Ny ota mahazo ekeo ;
Ekeo, fa ny fo mihamafy,
Dia loza manenjika anao ;
Faingàna hamonjy ny ainao,
Hararaoty ny andro izao.

4 Ny masom-panahy atopazo,
Ny lanitra no andrandrao ;
Ny Tompo maniry hamonjy,
Henoy fa miantso anao.
Faingàna, ry hava-malala !
Modia an-tranon’ny Ray ;
Miandry anao re ny lova,
Fiainana mandrakizay.

370 - Mba henoy ny feon'i Jeso

1 Mba henoy ny feon’i Jeso,
Ry mpanota very ô !
Atsaharo re ny ota,
Izay mamery aina anao ;
Jeso Tompo no miantso,
Aoka tsy ho lavinao ;
Dieny mbola re ny antso,
Manatòna hianao.

 

2 Izao no tenin’ny Mpamonjy
Izay lazainy aminao :
“ Manatòna Ahy, Vonjy
Sy Mpamela helokao ;
Izaho, Tompo feno antra,
Hanome anao ny soa,
Ka ny helokao rehetra
Dia ho afaka tokoa ”

3 Izaho koa no Vavahady
Izay hidiranao izao,
Sady Lalan-toratady
Izay mankao an-danitra ao ;
Izaho dia Mofon’aina
Sady Raon’aina koa ;
Tsy mba misy miala maina
Izay rehetra tia tokoa.

4 Indro, efa maty Aho
Hanavotako anao ;
Moa tsy hatolotra Ahy
Ny fanahinao izao ?
Ry mpanota ! mihevera,
Aoka izay ny ditranao,
Manatòna, manatòna
Ahy, Jeso Avotrao.

371 - Mankanesa,ry mpanota

(Maintimolaly)
Mankanesa ry mpanota !
Ory, jamba sy mahantra
Henoy Jeso miantso hoe :
Mankanesa atý amiko,
Feno antra, manan-kery,
Sady tia mba hamonjy,
Izay mino tsy ho very,
Hoy ny tenin’ny Mpamonjy.
Raha miandry hihatsara
Hianao izay manota,
Dia tsy maintsy very anjara,
Lova tsy mety miova.
Tsy marina no anarina
Haka izay ody aina,
Fa ny meloka no antsoiny
Handray an’i Kristy
hovonjeny
Faingàna, ry olom-bery !
Anio no andro famonjena,
Raiso Kristy Izay mahavonjy
Amin’ny fahaverezana.

 

372 - Ry tany ô, ry tany ô

1 Ry tany ô ! ry tany ô !
Ry tany ô, endre !
Ny Tompo masina sy to
Miantso mafy hoe :
Mifohaza ry mpanota,
Mivaloza faingana,
Mba afoizonao ny ota,
Raiso ny fiainana !

 

2 Manakatra ny lanitra
Ny haratsiana ;
Jehovah dia vinitra,
Fa Izy masina.
Ry mpanota, mijanòna
Amin’ny alehanao !
Miverena, manatòna
Ny Mpamonjy avotrao.

3 Jehovah dia masina,
Ka marina sy to,
Kanefa manamarina
Ny ta-hadio fo.
Miovà ka manenena,
Fa Andriamanitra
Manome ny famonjena
Noho ny Mpanavotra.

373 - Moa isaoranao ny Tompo

1 Moa isaoranao ny Tompo
Noho ny nidinany,
Tonga teto mba hanompo
Sy handà ny tenany ?
Be no tsy mihevitra
An’Ilay Mpanavotra,
Ka mihambo ny ho tsara,
Ka ho ratsy fiafara.

 

2 Tena marina tokoa
Fa amin’ny finoana
No andraisana ny soa,
Dia ny fiainana ;
Nefa raha arianao
Ny fiainana vaovao,
Dia ho very ny anjara
Izay omen’ny Tompo tsara.

3 Fa tsy mety tsy akory
Ny fanaon’ny sasany,
Izay sondriana matory
Tsy mitsapa farany !
Sady tsy mba te handao
Izao tontolo ratsy izao,
Fa manompo tompo roa
Ka manary lova soa.

4 Efa tonga ny mazava,
Moa mino hianao ?
Moa fantatrao fa rava
Ny fiainan-dratsinao ?
Moa Jeso va izao
No mitoetra aminao ?
Moa azonao tokoa
Ny mazava mahasoa ?

5 Voatolotra tokoa
Ny mazava ho anao ;
Raha lavinao ny soa
Ka ny ratsy tianao,
Dia very foana
Ny fahasoavana,
Ary mbola raiki-trosa
Hianao ka ho tra-doza.

6 Tsy mba tianao ho very
Ry Jesosy, izahay ;
Ry Sakaizanay mahery
Manampia re anay
Aoka hialoha anay
Hianao, Mpanavotray,
Izahay hiara-dia
Aminao ka tsy hania.

374 - Hevero, ry andevom-pahotana

1 Hevero, ry andevom-
pahotana,
Ny halozan’ny
fanompoanao ;
Katsaho re, Ilay manam-
pahefana
Hanapaka ireo gadranao.
Ho be ny fiadananao
Raha olona miova fo tokoa
hianao.

 

2 Hevero, fa miantra ny
Mpanjaka,
Dia Jeso Kristy Ilay
Mpanavotrao
Fa be fitia Izy ka te-haka
Anao ho Azy, hifalianao ;
Ny fo sy saina ho vaovao
Rehefa raisiny ho Azy
hianao.

3 Hevero, fa ny fifalian’ota
Ho faingan-dasa, tsy
maharitra,
Fa fijaliana no tambin’ota
Ka mafy sady tsy mba tapitra.
Izay no andosironao,
Ry olona miova fo tokoa
izao.

375 - Raha mangoraka ny fo

1 Raha mangoraka ny fo !
Ao ny Ray be indrafo ;
He ! antsoiny hianao,
Moa tsy hody va izao ?
:,: O ! modia. O ! modia
Fa miandry Kristy izao :,:

 

2 Miverena ankehitrio,
Tsy ampitso fa anio ;
Aza mba manary dia,
Fa modia anio, modia.
:,: O ! modia, ..sns.

3 Izay rehetra maminao
Tsy hahafa-po anao ;
Jeso no anjara soa
Hiadananao tokoa.
:,: O ! modia, ..sns.

4 Manatòna, matokia,
Mandrosoa, mifalia,
Kristy no fiainanao
Sady voninahitrao.
:,: O ! modia, ..sns.

376 - Mpanota ory sy mahantra

1 Mpanota ory sy mahantra
Henoy ny teny ho anao
Jesosy Tompo be fiantra,
Nisolo voina anao,
Ka Izy feno indrafo
Mitaona anao hiova fo.

 

2 Jesosy Tompo sy Mpamonjy
Miantso ny anaranao
« Mpanota very mila vonjy
Minoa Ahy hianao ;
Ny sainao aoka ho vaovao,
Ny fomba ratsy ialao ! »

3 Jesosy koa mampahery
Ny sasatra ao an-dalana ;
Ny rany soa manan-kery
Hahafaka ny entana ;
Jesosy tsy mandroaka
Ny ory izay manatona.

4 Ka itokianao ny teny
Naloaky ny vavany !
Ny mino Azy hovonjeny
Hanatrika ny tavany.
Sakaizako mahantra ô !
Ario ny famoizam-po.

377 - Tsy mba hisy tonga ary an-danitra

1 Tsy mba hisy tonga arý
an-danitra
Raha tsy mandrombaka
tokoa ;
Ny mpiady tsara izay
maharitra
No handray anjara lova soa.
Ety sady tery ny vavahady ao,
Kely sy mideza ny lalana
mankao ;
Nefa aza kivy, ry havako izao,
Fa izay malaina dia ho very.

 

2 Maro no mitady hisakana
anao,
Koa mba tohero, ry sakaiza ;
Mba reseo mafy ny
fahavalonao.
Fetsy izy ireo ka mahaiza,
Izay rehetra mamin’izao
tontolo izao
Dia avelao, fa mamandrika
anao ;
Aoka mba Jesosy no
hifalianao,
Eny hifalianao tokoa.

3 Satroboninahitra tsy ho
azonao
Raha tsy katsahinao tokoa
Fa hevero kosa ny fifalianao
Raha tonga ao an-dapa soa,
Fa hahita maso ny Tompo
hianao,
Ka hifaly amin’
Andriamanitrao.
Koa miomàna re,
ry sakaiza ô !
Mba ho faly ao am-pitsarana.

4 Dia miangavy, mangataka
aminao,
Mba modia, ry mpirenireny !
Fa ny Tomponao ta-handray
anao izao.
Hianao tsy sitrany ho very.
Izy dia mananty ny tanany
izao
Ka ny fonao simba mba
atolorinao
Hosoloan’i Jeso fo tsara sy
vaovao ;
Izany mba hevero, ry sakaiza !

378 - Ho aiza, ho aiza izao hianao

1 Ho aiza, ho aiza izao hianao
Ry havako izay mbola tia
Ny fomban’ny nofo manimba
anao ?
Avia ry olo-mania !
Henoy fa miantso ny Tompo.

 

2 Ho aiza, ho aiza izao hianao,
Ry havako mbola tamana
Ao amin’izao fivelomana izao,
Ka fatra-pikiry hitana
Izay zavatra halan’ny
Tompo ?

3 Hevero fa tsy mba mahafaka
anao,
Ka tsy mba heken’ny Mpitsara
Ny fahamarinana ao aminao ;
Ny an’i Jesosy no tsara,
Ka dia katsaho ny Azy.

4 Ekeo ny tenin’ny Tompo soa
Inoy ny toky nomeny,
Ka dia ho hita ny lalam-
baovao,
Izay voatoron’ny teny :
Jesosy no lalana tsara.

379 - Torotoro va ny fonao

1 Torotoro va ny fonao,
Ry mpanota re, izao ?
Ka ifonanao tokoa
Va ny hadisoanao ?
Hianao va mitomany
Ka maniry mba ho any
Amin-Jeso, Izay nandany
Re ny ainy ho anao ?

 

2 Ny Fanahin’ny Mpamonjy
Moa nangatahinao
Hampandray anao ny vonjy
Hahamasina anao ?
Moa fantatrao tokoa
Fa ny rany mahasoa
Dia avotra naloa
Mba hahafa-trosa anao ?

3 Maro no manaiky ihany
Araka ny vavany,
Fa hanoa ny Mpamonjy,
Ka ho tena havany.
Nefa kosa mbola tia
Fomba ratsy, ka mania,
Dia tsy handray fitia
Raha ao am-parany.

4 Koa dia miangavy
Aho, ry sakaizako
Mahereza mba hitady
Fiadanana ao am-po
Mba hatòny ny Mpamonjy,
Angatahonao ny vonjy
Dia tsy maintsy ho tra-bonjy,
Jeso no mamindra fo.

380 - Mba mifohaza re, henoy izao

1 Mba mifohaza re, henoy izao
Ny hafatra ataon’ny
Tomponao,
Ny Tompo, izay Mpanjaka
manan-kery
Mikatsaka anao,
ry olom-bery !

 

2 Dondòniny ny fo, ka hianao
Mandrindrina ny
varavaranao !
Tandremo sao dia sasatra ny
fony,
Sao lasa Izy ka tsy avy
intsony.

3 Fa indro Izy mbola atý izao
Mitady hampiverina anao
Ka aza lavina ny Tompo tsara,
Sao hianao ho ratsy fiafara.

4 Faingàna ary, ka ampandrosoy
Ilay Sakaiza Izay nahafoy
Ny ainy hoanao mpanota very,
Tsy misy Mpamonjy afa-tsy
Izy irery

5 Ifony aminy ny helokao,
Hariany ka tsy ho hitanao,
Ka hianao izay mendrika ho
voa
Hatsangany ho zana-dRay
Tsitoha

6 Ka raha renao ao anaty fo
Ny fiadanana izay mahatò
Ny famelana ny helokao
rehetra
Dia aoka mba handrasanao ny
fetra.

7 Akaiky re ny fahafahana,
Ka mba zakao ny
hatrotrahana,
Ho avy faingana Jesosy
Tompo
Ka dia ho afaka ady ny
Mpanompo.

8 Rehefa hitanao ny Tomponao
Dia afaka ny hasasaranao,
Hijanona ny sento sy taraina
Fa hobin-danitra no
hohiraina.

381 - He ny fiantsoana

1 He, ny fiantsoana
Feno fitiavana,
Teny masina sy to
Ho anao, ry ory fo.

 

2 Hoy ny Tomponao hoe :
« Manatòna Ahy, re,
Ry miasa fatratra
Sy mavesatra entana »

3 « Fa Izaho hanome
Fitsaharan-dehibe
Sy fiainana vaovao
Hahasambatra anao »

4 Ry Mpamonjy tsara ô !
Saotra no atolotro ;
Ka ampio aho izao
Fa manaiky ho Anao.

382 - Ry olo-matory ô, mba mifohaza

1 Ry olo-matory ô ! mba
mifohaza,
Fa indro Kristy,
Ilay Fahazavana Izay tena
malaza,
Dia tonga atý,
Ka aza matory,
Fa mba atolory
Ny fonao izao
Mba hanazavany anao.

 

2 Atý dia matevina sady mahàna
Ny zavona be ;
Ny sento, taraina sy
fitomaniana
Dia misy anie,
Ry olo-mahantra,
Jereo ny Mpiantra
Henoinao izao
Jesosy nanavotra anao !

3 Atý dia mangentana sady be
ady,
Ka maro no voa ;
Tsy tambo isaina ireo mitady
Fiadanana am-po
Dia aza tomany,
Fa eto ihany
Ilay nanome
Ny fahasoavana be !

4 O, miandrandrà ka jereo ao
ambony,
Fa antoandro izao,
Falia toa zaza, tahafo ny fony,
Ny Tompo derao,
Na misy ny onja
Sy ota mandoza,
Dia mbola derao
Jehovah Mpiaro anao !

5 O, mendrika hankalazaina
Jehovah
Izay manome
Ny lalana sy fahamarinana
koa
Sy fiainana be
Tsilovy, ry Kristy,
Ny lala-mahitsy
Izorako izao,
Tantano re ny zanakao !

383 - O, ry mpanota aza mandà

1 O, ry mpanota, aza mandà,
Jeso miantso, ka miovà ;
Mba manatòna Azy izao,
Izy hamonjy anao.
He, mivoha izao ny lanitra,
Ry mpirenireny lavitra ;
Indro Jesosy, Izy no ao ;
Aiza no hisy anao ?

 

2 Be ahiahy va hianao
No tsy mandroso faingana
izao ?
Dia tapaho ny hevitrao,
Ka miovà hatrizao.
He, mivoha ..sns.

3 Mba miverena re hatrizao,
Ka hararaoty ny andronao,
Fa ny atý ho simba sy lao,
Ka mba modia izao.
He, mivoha ..sns.

384 - Ry olom-bery, tsy ho very foana ny andronao

1 Ry olom-bery, tsy ho very
Foana ny androanao,
Raha ‘mby an-tsainao, fa ny
ainao
Tsy fanananao,
Ny hery misy, nefa indrisy,
Resim-pahalainana !
Atý an-tany mora lany
Ny fiainana.
Mba mazotoa, ry havako,
Ka aoka hoheverinao
Ny andro lasa, sao ny asa
Tsy ho vitanao.

 

2 Ka manenena, miambena,
Mivavaha hianao !
Efao ny ady, ao ny kiady
Voninahitrao.
Mba ahitsio ankehitrio
Ny dia sisa hatrizao,
Fa be ny simban’ny
mpanimba
Ka migadra izao.
Sakaiza, ô fantaronao,
Fa nijalian’ny Tomponao
Ny fahotana tsy ialana,
Ilalaovanao.

3 Dia mba ampio sy tahio
Izahay, ry Tomponay,
Fa mba hiady ka hitady
Vonjy ho anay.
Homenao soa ny manoa
Amin’ny fotoanao.
O, ry Mpanjaka avia haka
Ny malalanao,
Ny olonao dia te hankao
An- danitra fonenanao.
Ry Jeso tia, mba avia
Faingana izao !

385 - Ny Mpamonjy be fitia

1 Ry Mpamonjy be fitia
No miantso hoe: Avia !
Ry mahantra, raiso izao
Famonjena ho anao.

 

2 Hoy ny Tompo :
Ry mpanota,
Manatòna, fa ny ota
Voavela, anaka 
Afaka ny helokao.

3 Teny mamy, re izany,
Faly ireo mitomany,
Ka araho hatrizao,
Dia ho sambatra hianao.

4 Ry Jesosy, Izay Mpiantra,
Izaho ory sy mahantra,
Ka ampio aho izao
Fa Mpamonjy Hianao !

5 Efa azoko ny teny
Ka hazoniko ireny ;
Hianao, Jesosy ô,
Ampy hiankianako.

386 - He, Jesosy Tompo soa

1 Jesosy Tompo soa
No miantso mafy hoe :
« Manatòna avokoa
Ry mpanota marobe !
Fa izay manatona Ahy
Tsy mba ho horoahiko ;
Aza manana ahiahy,
Raisonao ny teniko »

 

2 Aza mba misalasala
Ka mihevitra hoe ;
Sao ny Tompo tsy hamela
Ahy efa diso be.
Tsia, tsia, ry mpanota,
Matokia marina,
Anenenonao ny ota,
Jeso hanamarina.

3 He, ny rany sarobidy
No mahafa-keloka
Ny mpanota voavidy
Ka miaiky heloka.
Eny, afaka ny revo
Noho ny Mpanavotra,
Ny devoly manandevo
Efa resy lahatra.

4 Ny Mpamonjy mampifidy,
Tsy manao an-keriny,
Ka antsika ny hifidy
Sy handray ny teniny.
Koa raha misy very,
Dia tsy avy aminy ;
Ny manao ny mahavery
Dia tsy mba maminy.

387 - Ampihetsehin'inona izao ireo vahoaka

1 Ampihetsehin’inona
Izao ireo vahoaka,
Ary iza no arahiny
No dia samy maika erý ?
:,: Ry jamba ô, fantaronao,
Jeso mandalo anao izao :,:

 

2 Jesosy Iraky ny Ray
Dia samy mety no mahay
Manafaka ny rofinao
Sy mampahiratra anao ;
:,: Koa mitsangàna hianao,
Jeso mandalo anao izao :,:

3 O, ry mivesatra entana,
Hantòny ny Mpanafaka !
Ry zaza very hatrizay
Modia ao an-tranon-dRay
:,:Ry jamba ô, heveronao
Jeso mandalo anao izao :,:

4 Ny lalan-tsarotrao atý
Tsy misy tsy nalehany,
Ny rofy nositraniny,
Ny maty novelominy,
:,: Ny jamba faly nahare ;
Indro Jeso mandalo re ! :,:

5 Ny indrafony mbola injao,
Mitety izao tontolo izao:
Ny tranontsika alehany,
Ny fo mihidy doniny.
:,: Ampandrosoy Izy hoe :
Jeso ô ! aza mandalo re ! :,:

6 Fa raha tsy ahoanao
Izao fandalovany izao,
Ka nony efa farany
Vao tia ny hovangiany.
:,: Indrisy tsy ho hitanao
Jeso Izay efa nandalo tao :,:

388 - Tsy maintsy hateraka indray hianao

1 Tsy maintsy hateraka indray
hianao
Izay ta-handova
Ny lanitra sy ny fiainam-
baovao,
Izay tsy miova ;
Ny havan’ny Tompo ihany
No tena hahazo izany.

 

2 Ny fo vatolampy esory izao,
Fa tsy hovonjena ;
Katsaho ny fo feno aina
vaovao
Fa io no ekena
Horaisina any ambony,
Ka tsy hitomany intsony.

3 Ny Tompo mitondra ny hery
vaovao ;
Fanahy sy afo,
Izay mampiova ny fonao izao
Ho tonga fo nofo ;
Ny olona lasan-ko babo
Ho afaka sady hiravo.

4 Ry Masina ô, ateraho indray
Izay mitaraina,
Velomy ny maty hifoha,
handray
Ilay tena aina ;
Mba raiso, ry Ray be fitia,
Ny zanaka adala mania !

389 - Ny perla madio, ny perla vaovao

1 Ny perla madio, ny perla
vaovao
No tonga hampanan-karena
ny very,
Ny perla madio katsaho izao ;
Ario ny ota, izay mahavery ;
Tapaho ny gadra, izay
mahamay,
Fa sao ho anjaranao
mandrakizay.

 

2 Ny ota nataonao, ry havana e,
Miteraka gadra, izay
mahafaty ;
Kanefa ny maro miezaka re,
Hahazo ny voan’ny ota, ka
maty ;
Reseo ny ota, reseo izao,
Katsaho indrindra ny perla
vaovao

3 Avia, mpanota, faingàna izao,
Faingàna ka dia hahazo hijery
Ny perla madio, ny perla
vaovao,
Izay tonga hampanan-karena
ny very.
Ry Jeso, Izay perla madio
vaovao,
Avia hampanan-karena izao !

390 - He, Jesosy Tomponao

1 He, Jesosy Tomponao
Malahelo, mitomany,
Fa izao tontolo izao
Mbola mihomehy ihany,
Ka ho ratsy fiafara,
Fa manda ny Tompo tsara !

 

2 Indro, tevana no ao,
Fa tsy hitan’ny mpanota,
Izay mandihy faly izao
Sy manaram-po manota.
Ry adala miverena,
Sao ho very famonjena.

3 Mba heveronao izao
Fa ny tenanao ho faty ;
Koa ny fifonanao
Aza ataonao matimaty !
He, ny Tompo mitomany !
Sa tsy azonao izany ?

4 Latsa-dranomaso be
Sy onena ny Mpamonjy ;
Koa mifohaza re
Manatòna ho tra-bonjy,
Fa Jesosy be fitia
Mitomany ny mania.

391 - Mpanota ô, mba mihevera tsara

1 Mpanota ô, mba mihevera
tsara,
Fa mora tapitra ny andronao,
Hevero, fa ho avy ny
Mpitsara
Handinika ny raharahanao.

 

2 Akaiky izao ny fararanon’
aina
Izay hijinjana izao tontolo
izao
Ka dia tsrovy, fa ny Tompon’
aina 
Hanolotra izay ho anjaranao.

3 Izay mamafy araka ny nofo
Hijinja fanimbana lehibe ;
Izay mamafy tsara amin-joto
Homen’ny Tompo
fitsaharambe.

4 Izany fitsaharana izany
Dia vokatry ny ran’ny
Tomponao,
Izay nalatsany tatý an-tany
Hamonjy sy hanavotra anao.

5 Henoy ny Mpamonjy be fitia,
Izay voahombo noho ny
helokao !
Miantso mafy Izy hoe : Avia
Handray ny lanitra ho
lovanao.

392 - O mba raiso izao, misy lovanao ao

1 O, mba raiso izao
Misy lovanao ao,
Indro, Jeso miandry anao !
Fa ny helokao be
Dia navelany e
Ka fiainana omeny anao ;
Novidina hianao
Ka ekeo hatrizao
Izay omen’i Jesosy anao.
O, mba raiso izao
Misy lovanao ao,
Indro, Jeso miandry anao.

 

2 Moa hadinonao va
Fa ny olo-mandà
Ho tra-nenina rahatrizay ?
Izay ataonao atý
Hotsaraina arý
Ka tsy azo ovana indray
Ny Mpamonjy anao
No hatòny izao
Ary Izy hihaino.
Moa hadinonao va
Fa ny olo-mandà
Ho tra-nenina rahatrizay ?

3 Izao tontolo izao
Dia mamitaka anao
Ka afoizo fandrao
manindao.
He, Jesosy nandao
Izao tontolo izao
Ary Izy miantso anao.
Izy tonga indray
Ao an-dapan’ny Ray,
Ka ho velona mandrakizay.
Izao tontolo izao
Dia mamitaka anao
Ka afoizo fandrao
manindao.

393 - Misy havana ao ala-trano ao

1 Misy Havana ao alatrano ao,
Vohay ! vohay !
Ka indro, Izy miandry ao,
Vohay ! vohay !
Ny lohany lenan’ny ando izao,
Vohay ! vohay !
Mangataka hampandrosoinao,
Vohay ! vohay !

 

2 Mikasa hanao soa aminao,
Vohay ! vohay !
Maniry hamelona anao,
Vohay ! vohay !
Ny rany nomeny ho avotrao,
Vohay ! vohay !
Ny fonao omeo ho Azy izao,
Vohay ! vohay !

3 Ka Jeso Kristy no Anarany,
Vohay ! vohay !
Ho hitanao ny hatsarany,
Vohay ! vohay !
Ho tiany mandrakizay hianao,
Vohay ! vohay !

394 - O! avia ry mpanota

1 O, avia, ry mpanota !
O, avia hianao,
Fa miandry Kristy Tompo
Mba handray anao izao ;
:,: Manatòna, manatòna,
Manatòna Azy izao ! :,:

 

2 O, avia, ry mahantra !
Ho finaritra izao,
Fa akaiky ny Mpiantra
Hampifaly fo anao ;
:,: Manatòna, ..sns. :,:

3 O, avia, ry malemy !
Aza kivy hianao,
Fa ny vavakao ho ren’i
Jeso Kristy herinao.
:,: Manatòna, ..sns. :,:

4 O, avia sao ho very,
Ditra mba esorinao ;
Ny Mpamonjy no mijery
Sady ta-handray anao ;
:,: Manatòna, ..sns. :,:

395 - Modia, modia, ô, ry mpanota ô!

1 Modia, modia,
ô, ry mpanota ô !
Tsy mba hitsangana va
Mba hiadananao? 
Tsy handosiranao va
Izao fomba ratsy izao ?
Indro mitady anao
Andriamanitra.
:,: Ka ta-hampiditra anao,
Any an-danitra ! :,:
Moa mba tianao va
Ny mba ho velona ?
Koa dia aza mandà
Azy Mpamelona anao.
Jeso miantso anao,
Ka ma henoinao,
:,: Raiso ny teniny izao,
Mba hamonjena anao :,:
O, ry mpanota, miovà,
:,: Fa ho sambatra tokoa,
Raha mody hianao :,;

 

2 Modia, modia,
ô, ry mpanota ô !
Tsy mbola azonao va
Ny fiantsoany ?
Sa hianao ta-handà
Ny fitiavany ?
Mba mankanesa atý,
Indro mivoha izao
:,: Tranon’ny Rainao erý,
Ka mba idironao :,:
O, mba modia hianao,
Sao dia ho neninao,
Sao dia handatsa anao
Ny fikirizanao ;
Koa katsaho izao
Ny voninahitra
:,: Efa miandry anao,
Any an-danitra:,:
O, ry mpanota, ..sns.

396 - Aizan'ny lanitra hianao

1 Aizan’ny lanitra hianao,
Ry zanak’olona ô ?
Moa mba efa niditra tao
Sa ao ivelany ?

 

2 Lapan’Andriamanitra ao
Koa tsy mankao
Afa-tsy izay mandray fo
vaovao :
Olona masina.

3 Any ny masina marobe
Velona mandrakizay,
Ka fiderana tsara no re,
Eran’ny lanitra.

4 Tapitra irina izay tonga ao,
Sambatra mandrakizay ;
Any ny Paradisa vaovao,
Izay hiadanana.

5 Aizan’ny lanitra hianao,
Ry zanak’olona ô ?
O, mba hevero izay toetrao
Mbamin’ny asanao !

397 - Ry olona mbola tamana amin-dratsy

1 Ry olona mbola tamana
amin-dratsy,
Hevero ny loza hihatra
aminao
Fa indro Satana izay lohan’ny
ratsy
Mandefa tsipika hamono
anao.
Kanefa ny Tompo izay
Zanahary
No tonga hamonjy, fa tsy mba
manary ;
Avia, ry olo-mahantra, hihary
Ny tena harena tsy mety ho
lo.

 

2 Jesosy mamoha anao,
ry matory,
Fa Izy maniry hitarika anao,
Ilaozy ny ota, fa he,
mampahory,
Henoy ny feo miantso anao !
Jereo Ilay kintana, Izay tsy ho
rava,
Fa indro ny aizina dia hisava ;
Araho Jesosy, fa tena mazava,
Izay hanazava tokoa anao.

3 Ny Tompo mamelona ny efa
maty,
Ka aoka hitsangana re
hianao !
Fadio tokoa izay mahafaty,
Katsaho indrindra ny aina
vaovao !
Jesosy Mpamonjy no mba
itafio,
Ka dia tandremo fa lamba
madio !
Ry olo-mahantra mba raiso
anio
Jesosy, Izay mahavonjy anao.

4 Jesosy Mpamonjy mitondra
ny teny
Izay hahavelona mandrakizay ;
Ka dia henoy ny toky nomeny,
Ry olo-maniry ho amin’ny
Ray !
Fainganà tokoa, ry efa mifoha
Fa indro ny lanitra efa mivoha,
Ka faly indrindra ny Tompo
tsitoha
Hitsena ny zanany velona
indray.

398 - Iza no hiara-dia

1 Iza no hiara-dia
Ho arý an-danitra,
Ka hanaiky sy ho tia
An’Andriamanitra ?
Ry mikatsaka ny To,
Atolorinao ny fo ;
Izao tontolo izao ario,
Ka ny lanitra fidio.

 

2 Sao ho lany amin’ota
Ny anjara andronao,
Ka ny helo valin’ota
No hanjary lovanao ;
Miovà re hatrizao,
Miverena hianao ;
Tadiavinao tokoa
Ny Mpamonjy Tompo soa.

3 Mba avia, mianara
Izay fitondrantena vao ;
Mikeleza aina tsara,
Ka reseo ny nofonao,
Aza mba mamindra fo
Amin-dratsy ao am-po,
Fa ongoty avokoa
Izay misakana ny soa.

4 Tsy mba misy lalan-kafa
Hiakaranao ho ao,
Koa andeha manahafa
Ny nataon’ny Tomponao.
Tsy mba mahavonjy anie
Ny fahaizan-dehibe ;
Raha ny nofo no hajaina,
Dia ho very re ny aina.

5 Dia ny lanitra katsaho
Ho anjara lovanao ;
Ny Mpamonjy angataho
Ho mpitarika anao ?
Fa izay mpianany
Dia hotantanany
Iza no hiara-dia ?
Mitsangàna ka avia !

399 - Ny sento ajanony, ry malahelo ô!

1 Ny sento ajanòny
Ry malahelo ô !
Ka aza misy intsony
Izay hamoy fo !
Fa indro ny Mpamonjy
Dia eo anilanao,
Ka tonga mba hamonjy
Sy hitondra anao.

 

2 Jesosy no nitory
Ny teny soa re,
Ny rera-po sy ory
Antsoiny mba handre ;
Minoa fa ny ota
Dia voavelany,
Sakaizan’ny mpanota
No anarany.

3 Miposaka ny taona
Ankasitrahana,
Ka be ny voataona
Am-pitiavana.
Hevero, ry mahantra,
Izay anjaranao !
Jesosy be fiantra
No Mpamonjinao.

2. NY FIBEBAHANA

400 - Tompo Tsitoha, izahay mifona

1 Tompo Tsitoha, izahay
mifona,
Mba mihainoa, ô mba
manatòna !
Ka mamindrà fo aminay
mpanota,
Ho afaka ota.

 

2 Raha averina aminay mpanota
Izay mendrika ho anay ho
valin’ota,
Dia ho anjaranay re ny hijaly,
Fa tsy hifaly.

3 Indro izahay, fa vovoka sy
tany,
Reraka, osa, sady mitomany,
Traty ny mafy
mampiferinaina,
Ka mitaraina.

4 Noho Jesosy Zanaka malala,
Izay nijaly solonay adala,
Dia mba vonjeo izahay
mahantra,
Ry be fiantra.

5 Ray be fitia, tokin’ny
mahantra,
Mba manampia anay,
ry be fiantra,
Fa miandrandra izahay
mijery
Anao irery !

Tsanta 1 - Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny taberna-kelinao

Salamo 15
1. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny taberna-kelinao?
Iza no honina an-tendrombohitrao marina?
Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao 'zay mahitsy
Sady misaintsaina ny marina ny fony

 

2. Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
Sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
Ary tsy manao izay hahafa-baraka ny anarany,
Tsy manaja ny ratsy fanahy.

3. Fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah,
Tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenant' aza.
Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hana-meloka ny marina,
Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozo-hozo mandraki-zay.

4. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 2 - Jehovah no Mpiandry ahy

Salamo 23
1. Jehovah no Mpiandry ahy?
Tsy hana-java-mahory aho.

 

2. Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
Mitondra ahy eo amoron'ny rano fialantsasatra Izy

3. Mamelombelona ny fanahiko Izy;
Mitarika ahy amin'ny làlan'ny
fahamarinana no ho ny anarany izy.

4. Eny, nadia mandeha mamaky Io
hasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
Dia tsy hataho-tra ny loza aho.

5. Fa Hianao no amiko,
Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafatahotra ahy.

6. Mamelatra latabatra eo anoloako, eo i maso n'ny fahavaloko Hianao; 
Manosotra diloilo ny lohako Hianao;

7. Ny kapoakako feno dia feno.
Eny, tokoa fahasoavana sy famindrampo
No hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako,
Dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah androlava aho.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 3 - Andriamanitra anie hamindra fo aminay

Salamo 67
1. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay.
Hampamirapiratra ny tavany aminay, anie Izy.

 

2. Mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny làlanao.
Sy ny famonjenao ny amin'ny jentilisa rehetra.

3. Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô;
Eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

4. Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy
hafa, satria mitsara marina ny firenenay Hianao;
Ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao.

5. Hidera Anao nyfirenena, Andriamanitra ô;
Eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

6. Ny tany efa nahavokatra;
Mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika

7. Mitahy antsika Andriamanitra;
Ary hatahotra Azy'ny vazan-tany rehetra.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 4 - Mihobia ho an'i Jehovah

Salamo 100
1. Mihobia ho an'i Jehovah, Ry tany rehetra.
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana,
Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.

 

2. Aoka ho fantatrareo
Fa Jehovah no Andriamanitra, 
Izy no nanan antsika, ary Azy isika,
Dia olony sy ondry fiandriny

3. Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana.
Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana,
Misaora Azy
Mankalazà ny anarany.

4. Fa tsara jehovah; 
Mandrakizay ny famindram-pony
Ary ny mihatra amin'ny taranaka faramandimby
Ny fahamarinany.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 5 - Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko

Salamo 103
1. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra

 

2. Izay mamela ny helokao rehetra,
Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,
Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,

3. Izay mahavoky soa ny vavanao;
Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery
Jehovah manao fahamarinana
Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.

4. Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy;
Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po.

5. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy,
Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy,
Na mamaly antsika araka ny helotsika.

6. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany
No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

7. Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany
No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
Fa Izy mahalala ny toetsika
Ka mahatsiaro fa vovoka isika.

8. Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona;
Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa,
Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

9. Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra
Ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy
Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.

10. Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra;
Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra
Sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.

11. Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra,
Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany;
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 6 - Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao

Salamo 119 - 41:56
1. Aoka ho tonga amiko ny famindramponao,
Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho,
Satria matoky ny teninao.

 

2. Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina;
Fa miandry ny fitsaranao aho.
Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho,
Dia mandrakizay doria.

3. Ary handeha amin'ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.
Hilaza ny teni-vavolombelonao eo
anatrehan'ireo mpanjaka aho
Ka tsy ho menatra.

4. Ary hiravoravo amin'ny didinao aho
Satria tiako ireny.
Hasandratro ny tanako ho amin'ny
didinao satria tiako ireny:
Hosaintsainiko ny didinao.

5. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao
Izay nampanantenanao ahy
Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako;
Ny teninao no mamelona ahy.

6. Ny mpirehareha maniratsira ahy:
Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho.
Mahatsiaro ny fitsipikao izay
hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô,
Dia mionona aho.

7. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy
Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay
mahafoy ny lalànao.
Ny didinao no ataoko an-kira
Ao amin'ny trano fivahiniako.

8. Mahatsiaro ny anaranao nony alina
aho, Jehovah ô,
Ka mitandrina ny lalànao.
Izao no ahy:
Mitandrina ny didinao aho.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 7 - Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao

Salamo 130
1. Tao amin'ny lalina
No niantsoako Anao, Jehovah ô

 

2.Tompo ô, henoy ny feoko;
Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.

3. Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô,
Iza no hahajanona, Tompo ô?

4. Fa eo aminao no misy ny famelankeloka,
Mba hatahorana Anao.

5. Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
Ary ny teniny no nanantenako.

6. Ny fanahiko miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina,
Dia ny fiandrin'ny mpiambina nymaraina.

7. Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely;
Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;

8. Ary Izy no hanavotra ny Isiraely
Ho afaka amin'ny helony rehetra.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 8 - Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy

Salamo 136:1-9 , 24-26
1. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy;
Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra;
Fa mandrakizay ny famindram-pony

 

2. Miderà ny Tompon'ny tompo;
Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

3. Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano,
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

4. Izay nanao ireo fanazavana lehibe
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

5. Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Izay naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

6. Izay manome hanina ny nofo rehetra
Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Miderà an'Andriamanitry ny lanitra;
Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 9 - Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra

Salamo 148
1. Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra;
Miderà Azy any ambony.
Miderà Azy, ry anjeliny rehetra;
Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.

 

2. Miderà Azy, ry masoandro amambolana;
Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra,
Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.

3. Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo;
Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy;
Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.

4. Midera an'i Jehovah eto an-tany,
Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona,
Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,

5. Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra,
Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra,
Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,

6. Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra,
Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany,
Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy,
Na ny antitra, na ny tanora,

7. Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa,
Fa ny anarany ihany no misandratra;
Ambonin'ny tany sy ny lanitra Ny voninahiny.

8. Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy,
Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra,
Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy.
Haleloia.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 10 - He! Hianareo rehetra izay mangetaheta

Isaia 55:1-3 , 6-8
1. He! Hianareo rehetra izay mangetaheta,
Mankanesa amin'ny rano!
Ary ianareo izay tsy manam-bola,
Avia, mividia, ka homàna!

 

2. Eny, avia, mividia divay sy ronono,
Nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina,
Ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky?

3. Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara,
Dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko,
Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo;

4. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
Dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy,
Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.

5. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
Ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
Fa hamindra fo aminy Izy.

6. Eny, ho amin'Andriamanitsika,
Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
Ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 11 - Midera anao izahay, Andriamanitra ô

1. Midera anao izahay, Andriamanitra ô,
Manaiky anao ho Tompo izahay;
Ny tany rehetra dia mitsaoka Anao,
Rain'ny mandrakizay.

 

2. Midera Anao ny anjely rehetra
Ny lanitra sy ny mahery rehetra ao aminy
Midera Anao, lalandava
Ny Kerobima sy ny Serafima manao hoe:

3. Masina, masina, masina,
Andriamanitra, Tompon'ny maro
Manerana ny lanitra sy ny tany
Ny fiandrianan'ny voninahitrao.

4. Midera Anao,
Ny apostoly rehetra,
Midera Anao,
Ny mpaminany rehetra.

5. Midera Anao,
Ny maritiora rehetra.
Ny fiangonana eran'izao tontolo izao
Manaiky Anao.

6. Ho Ray manam-piandrianana tsy hitafetra,
Sy ny Zanakao-lahy tokana be voninahitra
Ary ny Fanahy Masina,
Mpampionona ny fo.

7. Hianao no Mpanjakan'ny voninahitra,
Ry Jeso Kristy ô,
Hianao no Zanaky ny Ray,
Zanany mandrakizay,

8. Raha nanalo-tena hamonjy ny olona Hianao,
Dia tsy nolavinao ny hateraky ny virijina
Rahefa nandresy ny herin'ny fahafatesana Hianao 
Dia novohanao ny fanjakan'ny lanitra mba hidiran'ny mino rehetra

9. Mipetraka ao an-tanana an-kavanan'Andriamanitra Hianao,
Ao amin'ny voninahitry ny Ray.
Mino izahay fa ho avy Hianao
Ho Mpitsara anay.

10. Izany no ifonanay aminao hanampy anay mpanomponao,
lzay navotanao tamin'ny ranao soa indrindra.
Ataovy ho isan'ny olo-nao 'zahay
Any amin'ny voninahitra mandrakizay.

11. Tompo ô,vonjeo ny olonao,
Ary tahio ny lovanao.
Manapaha azy,
Ary asandrato ho ambony mandrakizay

12. Isan'andro isan'andro
Dia mankalaza Anao 'zahay,
Ary mihoby ny Anaranao
Izahay mandrakizay.

13. Mba miarova anay, Tompo ô,
Tsy hanota izao anio izao,
Mamindrà fo aminay, Tompo ô,
Mamindrà fo aminay.

14. Tompo ô, aoka ho tonga aminay ny famindramponao
Araka izay itokianay Anao.
Tompo ô, Hianao, no itokiako,
Aoka tsy ho menatra aho mandrakizay

Tsanta 12 - Ry Raiko ô! Tariho

1. Ry Raiko ô! Tariho.
Fa maizina ny alehako.
Ary be ny rahona sy ny kotroka ao ambony:
Indro, mivezimbezina aho, fa variana;
Raiko ô tariho aho hody re;

 

Fiv : Raiko ô! Raiko ô!
Mombà ny zanakao.

2. Ry Raiko ô! Tsy hita
Ny faran'ny alehako,
Ary maniry ny fitsaharana ny foko 'zay omenao.
Raha mbola eto aho, sintony sao mivily;
Raiko ô! Mba tano aho ho Anao;
Raiko ô! sns...

3. Ry Raiko ô! Tariho,
Fa be ny tsilo sy ny fandrika
Ao an-dalambe,ka ketraka,
Nefa nantsoinao aho tsara;
Raiko ô! Mba raisonao ny tanako:
Raiko ô! sns...

4. Ry Raiko ô! Manindry
Ny hazo-fijaliana
Mavesatra, Izay entiko isan'andro;
Tohany aho, ry Raiko ô! fa reraka aho;
Raiko ô! Mba manampia ahy 'zao:
Raiko ô! sns...

Tsanta 13 - Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah

Salamo 95
1. Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah;
Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika;
Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.

 

2. Fa Andriamanitra lehibe Jehovah,
Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany;
Ary Azy ny tendrombohitra avo.

3. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy,
Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.
Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika;
Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;

4. Fa Izy no Andriamanitsika;
Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika.
Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba,

5. Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra
Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy,
Sy nizahany toetra Ahy,
Na dia efa hitany aza ny asako.

6. Efa-polo taona no nahamonamonaina
Ahy tamin'izany taranaka izany,
Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny
fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe:
Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

Tsanta 14 - Ny "Amena" fito

Amena, Amena, Amena, Amena,
Amena, Amena, Amena.

Antema 1 - Masina, Masina

Masina, Masina
Jehovah Tompo!
Feno ny voninahitrao
Izao rehetra izao,
ry Tompo ô! Amena.

 

Antema 2 - Toy ny diera

Toy ny diera maniry ny rano an'ony,
ny foko maniry Anao.
Ry fanahiko! nahoana moa no
mitanondrika hianao,
ka mitoloko ao anatiko?
Manantenà ny Tomponao.

 

Antema 3 - Ny Tompo hajao

Ny Tompo hajao
noho ny fahamarinany
sy ny fahamasinany.
Matahora Azy re,
ry vahoaka marobe!
Ny voninahiny mahagaga.
He ny heriny sy ny hatsaràny

 

Antema 4 - Ary maro

:,: Ary maro, ary maro, ary maro
amin'izay matory ao, matory ao,
matory ao, matory ao,
amin'ny vovoky ny tany no hifoha, no
hifoha, no hifoha.:,:

 

:,: Ary izay hendry dia hamirapiratra,
ary izay hendry dia hamirapiratra,
ary izay hendry dia hamirapiratra,
toy ny famirapiratry ny lanitra.:,:

:,: Ary izay mamerina ny maro,
ary izay mamerina ny maro,
ho amin'ny fahamrinana,
dia ho tahaka ny kintana mandrakizay
doria.:,:
Amena.

Antema 5 - Indro ny aron'ny mandanao

Indro ny aron'ny mandanao,
Ry Jerosalema! Miadàna ka mandria fahizay.
Mandry tokoa ny tany izao.
Fa jehovah manampy anao, ka aza kivy fo.. 
Aza mangina, fa ny faneva no atsangano.
Haleloia! Amena.

 

Antema 6 - Miderà an'i Jehovah

Miderà, miderà, miderà an'i Jehovah.
Miderà an'i Jehovah, ry firenena rehetra.
:,: Miderà, miderà, miderà Azy, ry olona,
ry olona rehetra.
Miderà Azy, ry olona rehetra.
Miderà Azy, ry olona rehetra.
Fa lehibe ny famindrampony amintsika,
Fa lehibe ny famindrampony amintsika.
Ary mandrakizay, ary mandrakizay, ary mandrakizay
ny fahamarinan'i Jehovah.
Haleloia, Haleloia, Haleloia, Haleloia,
Haleloia!:,:

 

Antema 7 - Tamin'ny andro voalohany

:,: Tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro,
dia nankany amin'ny fasana izy,
nitondra zava-manitra izay efa namboariny.:,:

 

:,: Ary hitany fa indro ny vato efa
voakodia niala tamin'ny fasana.
Dia niditra izy, nefa tsy hitany ny
fatin'i Jesosy Tompo.
Ary raha mbola very hevitra
tamin'izany izy ireo,
indreo nisy roalahy niseho taminy,
nitafy fitafianà manelatrelatra.:,:

:,: Ary nony natahotra izy kaniankohoka,
dia hoy izy roalahy taminy. 
Nahoana no ato amin'ny maty no
itadiavanareo ny velona? 
Tsy ato Izy fa efa nitsangana; 
tsarovy ny teny izay nataony taminareo,
fony lzy mbola tany Galilia hoe: :,:

Ny Zanakolona tsy maintsy hatolotra 
eo an-tànan'ny mpanota ki hohomboana
amin'ny hazo fijaliana, ary, ary, hitsangana,
hitsangana amin'ny andro fahatelo.:,:

Antema 8 - Mandrakizay ny Anaranao no hoderaiko

Mandrakizay ny Anaranao no hoderaiko
eram-po, eran-tsaina.
Hianao, ry Jehovah! 
no hoderaiko eram-po, eran-tsaina;
fa tsara sady miantra Jehovah,
mahatsindry fo ka tsy maika. Izao asany rehetra izao dia samy tiony
sy amindrany fo.
Ny Anarany lehibe hoderaiko sy
hankalazaiko.

 

Antema 9 - An'i Kristy ny fanjakana

An'i Kristy ny fanjakana,
Azy izao na ny hery,
na ny fahefana,
na ny fandresena.
Azy koa na rry voninahitra,
na ny fiandrianana 
na ny laza Mpanjaka mandrakizay
Kristy Tomponay.
Azy irery ny seza fiandrianana
sy ny satro-boninahitra.
Azy izao sy mandrakizay.

 

Antema 10 - O! mihobia, ry vahoaka any Ziona!

O! mihobia, ry vahoaka any Ziona! 
Fa indro, ny Masina Jehovah Mpanavotra,
Mitsangan-kitahy eo afovoanareo,
Hahatsara an'i Ziona mba ho tany hiadananareo.
Sambatra ao Ziona fonenanareo.
Endre, ny tranom¬panjakana ao Ziona!
Izahao. Hotantaraina hatramin'ny farany,
samy hahare izay taranakareo.
O! mihobia, ry vahoaka any zona!
Fa indro, Jehovah eo afovoanareo.

Antema 11 - O, lanitra! O, tany masina!

O, lanitra! O, tany masina!
Raha tapitra ny asanay,
dia ravo aminao.
Ny mandanao no hitanay,
sy vavahady soa;
ny lalam-bolamena koa no hodiavinay.
Fonena-mahasambatra,
tsy misy heloka.
Ny làlana mahazo ao no mba hizorako.
O, lanitra! O, tany masina!
Nahoana ny ho faty re no hatahorako?
Ny lanitra honenako mandrakizay doria.
O, lanitra! fonena-masina!
O, lanitra! ny dianay havitrika ho tonga aminao.
O, lanitra! ho tonga aminao.

 

Antema 12 - He ny aiko tsy lalaiko

He ny aiko
Tsy lalaiko
Hamonjeko ny fanahinao;
Famonjena
No nomena,
Kanefa tsipahinao.

 

Menatre aho,
Ry Mpamonjy!
Mamelà ny mpanomponao!
Fa ny tena
Sy fanahy
Omeko Anao izao.

Antema 13 - Akory ny hamaroan'ny asanao

Akory ny hamaroan'ny asanao, ry Jehovah ô!
Fahendrena no nanaovanao azy rehetra.
Henika ny asanao izao tontolo izao.
Ao ny ranomasina feno zava-manana aina, na kely na lehibe.
Indro ny lanitra, feno famirapiratana mahagaga;
ary ny tany rehetra samy feno zavatra avokoa,
ka mampiseho ny voninahitrao, Andriamanitra ô!

 

Antema 14 - Haleloia! Iza moa ireo miakanjo fotsy lava

Haleloia! Iza moa ireo miakanjo fotsy lava,
ary avy taiza izy ireo? 
Ireo no avy tamim-pahoriana lehibe,
ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanakondry!
Haleloia! Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan'ny seza
fiandrianan'Andriamanitra izy,
ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoly.
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo,
fa ny zanak'ondry izay eo afovoan'ny seza
fiandrianana no ho Mpiandry azy,
ka hitondra azy amin'ny ranon'aina,
ary hofafan'Andriamanitra ny ranomasony rehetra amin'ny masony.

 

Antema 15 - Voninahitra amin'ny avo indrindra

Voninahitra amin'ny avo indrindra ho
an'Andriamanitra, ary fiandrianana ho
Anao, ry Tompon'ny tompo!
Miankohoka eo anatrehanao izahay.

 

:,: Derao, hobio ny Anaran'i Jehovah!
Azy anie ny dera sy ny laza ety an-tany
ka hatrany an-danitra! Dia hamasino
izahay, ry Tompo ô, hitoeran'ny
voninahitrao.:,:

Voninahitra amin'ny avo indrindra, ho
an'Andriamanitra, ary fiandrianana ho
Anao, ry Tompon'ny tompo!
Miankohoka eo anatrehanao izahay.

Antema 16 - Isaoranay Jehovah Tomponay

Isaoranay Jehovah Tomponay,
isaoranay Andriamanitray; fa be fitia
ny Tomponay, ny Tompo tia anay,
Mpanjaka tia, Mpamindra fo. Deraina
Hianao. Isaoranay izao, fa be fiantra
Hianao, Mpanjaka be fitia. Isaoranay
ny Tomponay. Ny tany aty mandray
fitahiana; ny lanitra ary mamoaka ny
soa, ka misy tokoa ny vokatra tsara,
Jehovah Tsitoha manambina anay.
Deraina ny Anaranao Andriamanitray.
He! faly izahay izao manao ny hiranay!
Isaoranay Andriananaharinay
Mpanjaka be fitia.

 

Antema 17 - Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho

Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho.
Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy avy amin'i Jehovah,
izay namorona ny lanitra sy ny tany.
Jehovah no Mpiaro anao.
Ny Tompo no fialofanao eo amin'ny ankavananao
. Ny masoandro tsy hamely anao amin'ny atoandro na ny volana nony alina.
Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra.
Hiaro ny fanahinao Izy na mivoaka na miditra,
hatramin'izao ka mandrakizay;
Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Haleloia! Amena.

 

Antema 18 - Saotra, dera, an'Ilay Mpanjaka Tompo Tsara

Saotra, dera, an'Ilay Mpanjaka Tompo Tsara, dia Andriamanitra.
Izy mitahy ny taona ka finaritra re ny vahoaka,
fa Izy miaro ny loza tsy hitranga matetika.
Ny ranonorana tonga hanatsara ny zavatra maro;
izay fitahiana rehetra dia ateriny avokoa.
Miderà, saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana.
Izy no derao eo anatrehan'ny vahoaka maro.
Miderà, saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana.
Izy no derao re, Izy no derao eo afovoan'ny fiangonana.

 

Antema 19 - Didy vaovao no omeko anareo

Didy vaovao no omeko anareo,
dia ny mba hifankatiavanareo.
Eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo,
no mba hifankatiavanareo koa.
Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo,
fa mpianatro hianareo, fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.
Izao no didiko, izao no didiko, izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo,
tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manana fitiavana lehibe, lehibe noho izao:
manolotra, manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

 

Antema 20 - Endrey ny hatsaran'ny trano

:,:Endrey ny hatsaran'ny trano,tranonao,
Andriamanitra ô! Maniry anaony foko sy fanahiko.
Sambatra izay, izay mitoetra, sambatra izay mitoetra
ao an-tranonao, tranonao.
Hidera Anao, Tompoko: Tompoko sy Andriamanitro.
:,: Amen.

Antema 21 - Jehovah ô! Hianao no Vatolampy

:,:Jehovah ô! Hianao no Vatolampy
iorenan'ny finoanay sy fanantenanay,
Jehovah ô, Jehovah ô!:,:
Mpamonjy mora azo indrindra,
ka mety mba hanavotra izay manota.
Jehovah ô, Hianao no faleha:
mijere anay, ry Tompo Masina ô!
Dia tafionao ny hery vaovao ny mpanomponao, 
ho mendrika ny asa izay atao izao,
aty antranonao, noho ny fitiavanao anay.
Ka ny dera aman-data, hery voninahitra anie, ho Anao mandrakizay,
Jehovah Tompo ô! Jehovah ô! Jehovah ô!
Jehovah ô!, Hianao no faleha:
mijere anay ry Tompo Masina ô!

 

Antema 22 - Jehovah Tomponay ô! Ray mandrakizay

Jehovah Tomponay ô! Ray mandrakizay,
Andriamanitra Mpanjakanay,
manerana izao rehetra izao ny herinao.
Tsy tratry ny fisainanay ny voninahitrao, andanitra ao.

 

Te-hidera Anao izahay noforoninao.
Kanefa tsy hainay izay vavaka ho entimankalaza ny fiandriananao.
Fa masina sady marina, be fahendrena, Hianao
Izay andohalehan'izao tontolo izao.
Noho ny famindramponao izay maharitra mandrakizay,
Tompo ô! mba omeo ny Fanahinao Masina,v hifona sy hitaraina ho anay.
Amin'ny Anaran'i Jesosy Zanakao,
mba henoy ny fivavakay.:,:

Noho ny haben'ny fahasoavanao,
ary noho ny fitiavanao, jereo, Tompo ô,v ny Fiangonanao! Mba ampiraiso, hatanjaho, arovy izy,
mba hijoro amin'ny Teninao.
Ka na mafy ny tafiotra sy ny alon-dranomasina,
ny Ran'ny Zanakao no hamonjy azy sy hanavotra azy.
Ampitomboy ny finoany.

Ny Anaranao ankalazaina mandrakizay,
sy hanefanay isan'andro ny voadinay.
Mba raiso ny fisaoranay.
Henoy, henoy ny vavakay, ry Tompo ô!

Antema 23 - Hoderaina ny Anaranao, ry Andriamanitra ô

Hoderaina ny Anaranao,
ry Andriamanitra ô! Tompo be fahasoavana,
mba henoy ny vavakay!
Ry Mpanjakan'ny mpanjaka ô!
Raiso ny fifonanay! O ry Tompo Mpampionona,
mba henoy ny vavakay!
Mihainoa ny vavakay, mihainoa ny vavakay!
Tompo tia sy Mpamindra fo! Mihainoa anay.
Amen!

 

Antema 24 - Miderà ny Tomponao

:,: Miderà ny Tomponao:,:
Ry Jehovah Tomponay, tafavory izahay;
avy hankalaza Anao izahay vahoakao.
Faly, ravo izahay noho ny soa azonay;
tonga mba hisaotra Anao voavotrao
Saotra tsara entinay,
hira no asandratray mba ho fiderana Anao
Rain'izao rehetra izao
(Famaranana :)
Derao, derao, dera no omena Anao

 
PREDICATION / TORITENY

Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle (Fjkm Montrouge Paris) 
prédication du dimanche 12 décembre 2021
PREDICATION / TORITENY

Pasteur Ny Ilo Jihy RAMINOARINOSY 
prédication du dimanche 21 novembre 2021 à la FJKM Montrouge Paris
PREDICATION / TORITENY

Pasteur Tahina 
prédication du dimanche 7 février 2021 à la FJKM Montrouge Paris
ÉVÈNEMENTS
Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafalinirina Lalao Angèle - 29 Febroary 2020
>>> Voir les photos
©FJKM Montrouge Paris Fiorenana SP37 1985 - 2024.